Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 4

Iza moa Andriamanitra?

Iza moa Andriamanitra?

MARO ny andriamanitra ivavahan’ny olona. Asehon’ny Soratra Masina anefa fa iray ihany ny tena Andriamanitra. Tsy misy toa azy sy avo indrindra izy, ary maharitra mandrakizay. Namorona ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany izy, ary izy no nampisy antsika. Izy ihany àry no mendrika hotompointsika.

Nomena tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany ny Lalàna, ary nolazaina hoe “teny nampilazaina ny anjely”

Samy iantsoana an’Andriamanitra daholo ny hoe Tompo, Zanahary, sy ny sisa. Iray ihany anefa ny tena anarany, dia ny hoe JEHOVAH. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Jehovah Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.’ Izany no anarako mandritra ny fotoana tsy voafetra, sy hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Eksodosy 3:15) Hita im-7 000 eo ho eo ny anarana hoe Jehovah, ao amin’ny Soratra Masina. Lazain’ny Salamo 83:18 fa tsy misy afa-tsy ilay Andriamanitra “manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”

Ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina, eo amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty

Tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Tsy afaka mahita ny tavako ianao, satria tsy misy olona afaka mahita ahy ka mbola ho velona ihany.” (Eksodosy 33:20) Any an-danitra Andriamanitra, ary tsy hita maso. Tsy mety ny manao sarin’Andriamanitra na sarivongana ka mivavaka amin’izany. Izao no didin’i Jehovah Andriamanitra nampitainy tamin’i Mosesy mpaminany: “Aza manao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy, fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.” (Eksodosy 20:2-5) Hoy izy, tatỳ aoriana, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa, ary ny fiderana ahy tsy homeko ho an’ny sary sokitra.”—Isaia 42:8.

Mino an’Andriamanitra ny olona sasany, saingy mihevitra fa tsy ho takatry ny sain’olombelona ny momba azy, sarotra hatonina izy ary mampahatahotra fa tsy mahasarika. Ahoana kosa no fiheveranao azy? Tia anao ve izy? Tena afaka mahalala azy ve ianao, ary hanatona azy mihitsy aza? Andao hodinihintsika izay lazain’ny Soratra Masina momba ny toetrany.