Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 1

Miahy Antsika ve Andriamanitra?

Miahy Antsika ve Andriamanitra?

BE DIA BE ny zava-manahirana ny olombelona ankehitriny. Olona an-tapitrisany no mijaly vokatry ny ady, hetraketraky ny natiora, aretina, fahantrana, kolikoly ary olana hafa. Ary ianao? Maro koa angamba ny zavatra mampanahy anao isan’andro. Iza no afaka manampy antsika? Mba misy miahy antsika ihany ve?

Mihoatra noho ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavan’Andriamanitra antsika

Azo antoka fa tena miahy antsika Andriamanitra. Hoy izy ao amin’ny Teniny: “Mety hanadino ny zanany mbola minono ve ny vehivavy, ka tsy hangoraka an’izay naloaky ny kibony? Mety hanadino tokoa ireny vehivavy ireny, fa izaho kosa tsy mba hanadino anao.” a

Tsy mampahery anao ve izany? Mahery ny fitiavan’ny reny ny zanany, nefa mihoatra lavitra noho izany ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Tsy handao antsika mihitsy izy! Efa nanampy antsika aza izy, satria natorony antsika izay hahasambatra antsika, dia ny tena finoana.

Ho sambatra ianao raha manana ny tena finoana. Hisoroka olana maro ianao amin’izay, ary ho afaka hiatrika ny olana tsy azo ialana. Ho akaiky an’Andriamanitra koa ianao, ary hilamin-tsaina sy hanana fiadanam-po. Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa mihitsy aza ianao, raha asehonao fa manana ny tena finoana ianao!

Inona anefa no atao hoe tena finoana? Ahoana no atao mba hananana azy io?

a Jereo ny Isaia 49:15, ao amin’ny Soratra Masina.