Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 5

Tsy Manan-tsahala Ireo Toetran’Andriamanitra

Tsy Manan-tsahala Ireo Toetran’Andriamanitra

VOALAZAN’NY Soratra Masina ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitra, ka afaka mahalala azy isika. Voalaza ao, ohatra, ireto toetrany lehibe efatra ireto, dia ny hoe mahery izy, manao ny rariny, hendry, ary be fitiavana. Andeha hodinihintsika tsirairay ireo.

Tsy misy fetra ny heriny

Tena mahery Andriamanitra

Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Izaho no Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Genesisy 17:1) Tsy manan-tsahala sy tsy misy fetra ary tsy mety lany ny heriny. Ny heriny no namoronany an’izao rehetra izao.

Tsy manampatra ny heriny mihitsy Andriamanitra. Voalanjalanja foana ny fampiasany ny heriny, ary tsy mampiasa azy io tsy amin’antony izy. Hainy tsara ny mampifandanja ny heriny amin’ny fahendreny sy ny fitiavany ary ny fanaovany ny rariny.

Vonona foana hampiasa ny heriny hanampiana ny mpanompony i Jehovah. “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tantara 16:9) Mahery tokoa izy nefa tia manampy. Tsy Andriamanitra toy izany ve no tianao hotompoina?

Andriamanitra manao ny rariny

“Tia rariny i Jehovah.” (Salamo 37:28) Manao ny rariny sy ny hitsiny foana izy, ary manaraka ny fitsipika lavorary nataony.

Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra

Halany ny tsy rariny. “Tsy miangatra amin’iza na iza” izy, “ary tsy mandray kolikoly.” (Deoteronomia 10:17) Manohitra an’ireo mampahory ny hafa izy, fa miaro an’ireo tsy manan-kamonjy, toy “ny vehivavy mpitondratena na ny kamboty ray.” (Eksodosy 22:22) Aminy dia mitovy ny olona rehetra. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Voalanjalanja tsara ny fanaovany ny rariny. Tsy milefitra loatra izy, nefa koa tsy masiaka loatra. Manasazy an’ireo mpanao ratsy tsy mibebaka izy, fa mamindra fo amin’ireo mibebaka kosa. “Mamindra fo sy tsara fanahy i Jehovah, tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy feno fitiavana. Tsy hamerimberina hanameloka antsika foana noho ny fahadisoantsika izy, na hanao an-dolompo mandritra ny fotoana tsy voafetra. Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy, na mamaly ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.” (Salamo 103:8-10) Tsaroany koa ny tsara nataon’ny mpanompony, ka mamaly soa azy ireny izy. Tsy hitanao hoe mendrika hitokisana ve ny Andriamanitra manao ny rariny toy izany?

Andriamanitra hendry

Hita ao amin’ny Soratra Masina ny fahendren’Andriamanitra

Avy amin’i Jehovah ny tena fahendrena. “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” (Romanina 11:33) Tsy manan-tsahala ny fahendreny sady tsy manam-petra.

Hita eo amin’ny zavaboary ny fahendren’Andriamanitra. Hoy ny mpanao salamo: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra.”—Salamo 104:24.

Hita ao amin’ny Soratra Masina koa ny fahendren’Andriamanitra. Hoy i Davida Mpanjaka: “Azo itokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah, mampahahendry an’izay mbola tsy dia nandia fiainana.” (Salamo 19:7) Eritrereto ange e! Tsy misy fetra ny fahendren’Andriamanitra, ary afaka mandray soa feno avy amin’izany ianao. Tsy hitanao hoe tsara hararaotina ve izany?

“Andriamanitra dia fitiavana”

Ny fitiavana no tena toetran’i Jehovah. Milaza ny Soratra Masina hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Ny fitiavana no mibaiko azy amin’izay rehetra ataony.

Maro be ny porofo fa tia antsika Andriamanitra. Be dia be, ohatra, ny zava-tsoa omeny antsika. “Nanao soa” izy, “ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.” (Asan’ny Apostoly 14:17) “Avy any ambony” tokoa “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra izany.” (Jakoba 1:17) Fanomezana sarobidy avy aminy ny Soratra Masina, ary izy io no ampahafantarany antsika ny marina momba azy, sy ampianarany antsika ny lalàny sy ny fitsipiny feno fitiavana. “Ny teninao no fahamarinana”, hoy i Jesosy rehefa nivavaka.—Jaona 17:17.

Miaiky isika fa manam-pahendrena tokoa Andriamanitra raha jerena ny zavatra nataony

Manampy antsika koa Andriamanitra rehefa tojo olana isika. “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.” (Salamo 55:22) Mamela ny helotsika izy. “Tsara toetra sy vonona hamela heloka ianao, Jehovah ô, sady tena tsara fanahy sy be fitiavana amin’izay rehetra miantso anao.” (Salamo 86:5) Vonona hanome antsika fiainana mandrakizay mihitsy aza izy. “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Inona no hataonao ho valin’ny fitiavan’Andriamanitra? Ho tia azy koa ve ianao?

Manatòna an’Andriamanitra

Ho akaiky an’Andriamanitra ianao raha mivavaka sy misaintsaina an’ireo toetrany

Tian’Andriamanitra hahalala azy tsara ianao. Hoy ny Teniny: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Nantsoiny hoe “namako” i Abrahama mpaminany tsy nivadika. (Isaia 41:8) Tian’i Jehovah ho namany koa ianao.

Mianara misimisy kokoa momba an’Andriamanitra, dia ho tsapanao fa vao mainka ianao ho akaiky azy sy ho sambatra. “Sambatra ny olona” raha “ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, eny, ny lalàny no vakiny moramora andro aman’alina.” (Salamo 1:1, 2) Ianaro foana àry ny Soratra Masina. Saintsaino ny toetran’Andriamanitra sy ny zavatra nataony. Asehoy fa tia azy ianao ka ampiharo izay ianaranao. “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Tahafo ilay mpanao salamo, ka mivavaha hoe: “Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô, ampianaro ahy ny lalanao. Ampandehano amin’ny fahamarinanao aho.” (Salamo 25:4, 5) Ho hitanao fa “tsy lavitra antsika tsirairay” Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 17:27.