TOKO FAHA-2
“Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra Izy”
1, 2. Inona ilay asa lehibe nataon-dry Noa mianakavy, ary inona avy no nahasarotra an’ilay izy?
RERAKA i Noa sady manakotsako ny vatany. Mba te hiala vizana izy ka mipetraka eo ambony vatan-kazo. Tazontazoniny kely ny lamosiny sady mandinika an’ilay sambofiara ngezabe izy. Mahery be ny fofon’ilay godorao natao tamin’ilay izy. Ireo fa tazany ny zanany, samy somokotra erỳ mandrafitra an’ilay sambofiara. Re manakoako ny fitaovana ampiasain’izy ireo. Aman-taonany izao izy mivady sy ny zanany lahy ary ny vinantovaviny no niara-nanamboatra an’ilay izy. Efa be dia be ny asa vita nefa mbola be koa ny miandry azy ireo!
2 Lazain’ny olona fa adala izy mianakavy. Vao mainka nihomehy ny olona arakaraka ny nahavitan’ilay sambofiara. Tsy nino mihitsy ry zareo na dia efa namerimberina aza i Noa hoe hisy safodrano. Niteny angamba izy ireo hoe: ‘Aiza koa no hisy an’izany hoe ny tany manontolo ho difotry ny rano!’ Lany andro amin-javatra tsy misy dikany, hono, ry Noa. I Jehovah Andriamanitr’i Noa anefa tsy nieritreritra mihitsy hoe adala izy.
3. Inona no dikan’ilay hoe niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa?
3 Milaza ny Baiboly fa “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” i Noa. (Vakio ny Genesisy 6:9.) Tsy hoe nanketỳ an-tany akory Andriamanitra, na hoe nankany an-danitra i Noa. Midika kosa izany fa tena tia an’i Jehovah izy sady nankatò azy an-tsakany sy an-davany, ka toy ny mpinamana niara-nandeha izy ireo. Hoy koa ny Baiboly, an’arivony taona taorian’ny nahafatesany: ‘Ny finoany no nanamelohany an’izao tontolo izao.’ (Heb. 11:7) Inona no dikan’izany? Ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
Niezaka nanao ny tsara foana
4, 5. Nahoana no vao mainka niharatsy ny fiainana tamin’ny andron’i Noa?
4 Niara-nandeha tamin’Andriamanitra koa i Enoka, dadan’ny dadaben’i Noa. Efa tamin’izany no nanao ratsy ny olona, ka nilaza i Enoka fa hanasazy azy ireo Andriamanitra. Vao mainka ratsy anefa ny fiainana tamin’ny andron’i Noa, sady vetivety dia lasa nahatsiravina be. Nilaza mihitsy i Jehovah hoe simba ny tany satria feno herisetra. (Gen. 5:22; 6:11; Joda 14, 15) Fa inona no nitranga?
5 Loza no nafitsoky ny anjely sasany. Efa nikomy ny iray tamin’izy ireo ka lasa Satana Devoly. Nanendrikendrika an’i Jehovah izy, ary nitaona an’i Adama sy Eva hanota. Nisy anjely hafa koa anefa nikomy tamin’ny andron’i Noa. Nahita vehivavy tsara tarehy tetỳ an-tany izy ireo, ka nilaozany ny andraikitra nomen’i Jehovah azy tany an-danitra. Niova ho olombelona izy ireo ary nanambady. Tia tena sy nanambony tena ireo anjely ireo, ary nitaona ny olona hanao zavatra faran’izay ratsy.—Gen. 6:1, 2; Joda 6, 7.
6. Nanao ahoana ny fiainana tetỳ an-tany noho ny nataon’ireo Nefilima, ary tapa-kevitra hanao inona i Jehovah?
6 Tsy vitan’izay fa lasa nanan-janaka ireo anjely ireo. Tsy natao hivady anefa ny anjely sy ny olona, ka lasa goavam-be sy natanjaka be tsy hoatran’ny olon-drehetra ny zanany. Nefilima na “Mpanjera” no niantsoana azy. Nampianjera na nampijaly olona mantsy izy ireo. Nahery setra ny Nefilima, ka vao mainka niharatsy ny fiainana. Tsy mahagaga raha niaiky i Jehovah fa “be ny faharatsian’ny olona teto an-tany, ary zava-dratsy foana koa no nalehan’ny sainy.” Tapa-kevitra àry i Jehovah tamin’izay fa horinganiny daholo ny olon-dratsy, rehefa afaka 120 taona.—Vakio ny Genesisy 6:3-5.
7. Nahoana no sarotra tamin’i Noa sy ny vadiny ny nitaiza an’ireo zanany?
7 Azo antoka fa sarotra ny nitaiza tamin’izany. Soa ihany fa tena nanampy an’i Noa ny vadiny sady tsara toetra. Telo lahy ny zanak’izy ireo: I Sema sy Hama ary Jafeta. Tamin’i Noa 500 taona no niteraka azy ireo. * Tsy maintsy niezaka izy mivady nanampy ny zanany tsy hanahaka ny Nefilima. Matetika mantsy ny ankizilahikely no faly erỳ rehefa mahita lehilahy matanjaka be sy malaza. Azo antoka koa fa niresaka ny zavatra nataon’ny Nefilima ny olona, ary tsy maintsy naheno an’izany ny zanany, na tian’izy mivady na tsia. Inona àry no nataon’izy roa? Nampianariny ny zanany hoe tena tsara toetra i Jehovah. Tsy tiany mihitsy ny mahita olona mahery setra sy tsy mety mankatò, fa malahelo ny fony.—Gen. 6:6.
8. Ahoana no hanahafan’ny ray aman-dreny an’i Noa sy ny vadiny?
8 Azonareo ray aman-dreny tsara angamba ny nahazo an’i Noa sy ny vadiny. Mahery setra sy tsy tia mankatò koa mantsy ny olona amin’izao. Be dia be mihitsy aza ny andian-jatovo maditra. Ary na ny fialam-boly natao ho an’ny ankizy aza feno herisetra. Ataovy àry izay hiarovana ny zanakareo. Ampianaro izy hoe tena tsy tia adiady i Jehovah, ary haringany daholo ny olona mahery setra. (Sal. 11:5; 37:10, 11) Matokia fa ho vitanareo izany! Tadidio fa nahavita an’izany ry Noa mivady. Lasa tia an’i Jehovah ny zanany, ary nanambady olona vonona hanao ny sitrapon’i Jehovah.
‘Manaova sambofiara’
9, 10. a) Nasain’i Jehovah nanamboatra inona i Noa? b) Inona ny toromarika nomen’i Jehovah, ary inona no ilana an’ilay sambofiara?
9 Niteny tamin’i Noa amin’izay i Jehovah hoe haringany ny olona ratsy. Nanome baiko àry izy hoe: ‘Manaova sambofiara ho anao amin’ny hazo misy ditiny.’ (Gen. 6:14) Niova tanteraka ny fiainan’i Noa nanomboka teo.
10 Tsy hoatran’ny sambo ny paozin’ilay sambofiara, na dia misy mihevitra an’izany aza. Mahitsizoro hoatran’ny vata ilay izy, ary tsy misy familiana sady tsy matsokotsoko ny lohany roa. Natoron’i Jehovah an’i Noa tamin’ny an-tsipiriany ny refiny sy ny paoziny, ary nasainy nolalorina godorao ny anatiny sy ivelany. Fa inona no ilana an’ilay izy? “Hahatonga safodrano eny ambonin’ny tany” i Jehovah ka “ho faty ny zava-drehetra”, afa-tsy izay ao anatin’ilay sambofiara. Nampanantena i Jehovah fa ho avotra i Noa sy ny vadiny ary ireo zanany lahy sy ny vadin’izy ireo. Nasainy nampidirina tao koa ny karazam-biby rehetra.—Gen. 6:17-20.
11, 12. a) Vonona ny hanao an’ilay asa be niandry azy ve i Noa? Hazavao. b) Inona avy no nila natao?
11 Ngezabe ilay sambofiara satria 133 metatra eo ho eo ny lavany, izany hoe mbola lava noho ny kianja fanaovam-baolina. Mahatratra 22 metatra kosa ny sakany, ary 13 metatra ny haavony. Asa be àry no niandry an’i Noa. Nitady hirika hialana ve anefa izy, na nitaraina hoe sarotra loatra ilay asa? Sa ve notsotsoriny fotsiny ilay izy? Hoy ny Baiboly: “Nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy i Noa. Izany indrindra no nataony.”—Gen. 6:22.
12 Naharitra 40 na 50 taona ilay asa. Hazo be dia be no nila nokapaina sy nobataina ary avy eo narafitra. Nasiana rihana roa sy efitrefitra ilay sambofiara. Nasiana varavarana iray koa teo amin’ny lafiny iray, ary varavarankely maromaro teny ambony indrindra. Natao somary nisolampy angamba ireo lafiny roa amin’ny tafon’ilay izy, mba tsy hiangonan’ny rano.—Gen. 6:14-16.
13. Inona no mety ho mafy kokoa tamin’i Noa noho ny nanao an’ilay sambofiara, ary nihaino azy ve ny olona?
13 Nitsangana tsikelikely ilay sambofiara rehefa nandeha ny taona. Azo antoka fa faly i Noa satria nanampy be azy ny fianakaviany. Nisy asa hafa koa anefa nila natao, ary angamba sarotra kokoa noho ilay nanamboatra sambofiara. Nasaina ‘nitory ny fahamarinana’ izy. (Vakio ny 2 Petera 2:5.) Nanangona ny herim-pony rehetra àry izy ka nampitandrina ny ratsy fanahy hoe kely sisa dia handringana Andriamanitra. Mba nihaino ve ny olona? Nilaza i Jesosy tatỳ aoriana hoe “tsy niraharaha izy ireo”, fa nilaozany nihinana sy nisotro ary nanambady ka ny fiainany ihany no nataony. (Mat. 24:37-39) Azo inoana fa naneso an-dry Noa ny sasany, ary nandrahona sy nanohitra be mihitsy. Nisy aza angamba nanakantsakana ny asan-dry zareo.
14. Inona no ianaranao sy ny fianakavianao avy amin-dry Noa mianakavy?
14 Tsy nahakivy azy mianakavy anefa izany. Izay hamitana an’ilay sambofiara no nifantohany, na dia noheverin’ny olona fa adala aza ry zareo, ary na dia nolazaina fa lany andro amin-javatra tsy misy dikany aza. Nahoana raha manahaka azy ireo koa ianao sy ny fianakavianao? Nilaza mantsy i Jesosy fa ho toy ny tamin’ny andron’i Noa ny fiainantsika. Efa “andro farany” koa izao. (2 Tim. 3:1) Tadidio àry izay nataon-dry Noa, raha tsy raharahain’ny olona ianao, na esoiny, na enjehiny rehefa mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.
“Midira ao anatin’ny sambofiara”
15. Inona ny fahoriana nahazo an’i Noa rehefa ho 600 taona izy?
15 Kely sisa dia ho vita ilay sambofiara, satria efa am-polony taona maro no lasa. Efa ho 600 taona i Noa tamin’izay. Nampalahelo anefa fa nidonam-pahoriana izy. Maty mantsy i Lameka rainy. * Dimy taona taorian’izay dia maty koa i Metosela dadabeny. Efa 969 taona i Metosela tamin’izay, ary izy no olona ela velona indrindra resahin’ny Baiboly. (Gen. 5:27) Mahaliana fa mbola velona i Adama tamin’ny andron’i Metosela sy Lameka.
16, 17. a) Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Noa, tamin’izy 600 taona? b) Inona ny zavatra nahafinaritra be hitan-dry Noa?
16 Rehefa 600 taona i Noa, dia hoy i Jehovah: “Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao manontolo.” Nasainy nampidirina tao koa ny karazam-biby rehetra: Fito avy izay biby madio azo atao sorona, ary roa avy izay biby hafa.—Gen. 7:1-3.
17 Azo antoka fa nahafinaritra be ny nahita an’ireo biby an’arivony nirohotra nankao anaty sambofiara. Ao ny mandady, mijaikojaiko, miresaresa, mitsoriaka, ary manidina. Ary dia samihafa tokoa ireto izy! Misy ngezabe, nefa misy kely dia kely. Na ny paoziny aza samy manana ny azy. Ny sasany koa masiaka fa ny sasany malemy fanahy. Aza mieritreritra anefa hoe nila nobedesina ireo bibidia na koa nila notambatambazana vao nanaiky. Tsy sahirana akory i Noa, satria milaza ny Baiboly fa tonga dia “niditra tao anatin’ny sambofiara nankao amin’i Noa” daholo izy ireo.—Gen. 7:9.
18, 19. a) Nahoana no diso izay manakiana ny tantaran’i Noa? b) Ahoana no nanavotan’i Jehovah ny biby, ary nahoana?
18 Mety hisy hanakiana anefa hoe: ‘Ahoana koa no hetezan’izany? Dia tsy hifandramatra ao koa ve ireo biby be dia be ireo, raha ampiarahina ao?’ Tadidio anefa fa Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra, anisan’izany ny biby. Koa tsy ho vitany ve ny hamolaka an’izay biby masiaka mba ho lasa malemy fanahy? Izy aza nahay nampisaraka ny Ranomasina Mena tatỳ aoriana, ary nisy fotoana koa nataony tsy nihetsika ny masoandro. Dia ho sarotra aminy ve ireo fahagagana talohan’ilay Safodrano? Vitany izany ary tena nataony!
19 Afaka nampiasa fomba hafa Andriamanitra mba hanavotana ny biby, nefa i Noa no nasainy niandraikitra an’ilay izy. Anisan’ny asa nankininy tamin’ny olona hatramin’ny voalohany mantsy ny mikarakara biby. (Gen. 1:28) Hita amin’izany fa tena tian’i Jehovah ny biby, sady tena tiany koa ny olona matoa mbola nomeny andraikitra. Ampiasain’ny ray aman-dreny maro àry io tantara io mba hampianarana an-janany an’izany.
20. Inona avy ny asa mbola nila nataon-dry Noa?
20 Nilaza tamin’i Noa i Jehovah fa herinandro sisa dia ho tonga ny Safodrano. Azo antoka fa somebiseby erỳ izy mianakavy. Notaomina daholo ny entana rehetra. Nalamina koa hoe aiza avy ny toeran’ny biby, aiza no hatao ny sakafony, ary aiza ny an’ny olona. Ny vadin’i Noa sy ny vinantovaviny koa mety ho nanamboamboatra ny tao anaty sambofiara mba hahafinaritra.
21, 22. a) Nahoana no tsy tokony hahagaga hoe tsy niraharaha ireo olona tamin’ny andron’i Noa? b) Oviana no nangina ireo mpaneso?
21 Ary mba nanao ahoana ny olon-kafa? Mbola “tsy niraharaha” ihany izy ireo, na dia efa hita be aza hoe notahin’i Jehovah i Noa tamin’izay rehetra nataony. Tsy maintsy hoe nahita an’ireo biby nirohotra tao anaty sambofiara ry zareo. Tsy tokony hahagaga antsika anefa raha tsy niraharaha izy ireo. Manao an’izany koa mantsy ny olona maro ankehitriny, na dia efa miharihary aza fa andro farany izao. Efa nilaza koa ny apostoly Petera fa hesoesoin’ny olona izay manaraka ny fampitandreman’Andriamanitra. (Vakio ny 2 Petera 3:3-6.) Izany mihitsy no nahazo an-dry Noa.
22 Nangina ihany anefa ireo mpaneso nony farany! Rehefa tafiditra tao anaty sambofiara mantsy ry Noa sy ny biby, dia “nohidian’i Jehovah ny varavarana.” Tsy nahateny intsony angamba izay nahita an’izany. Fa raha mbola tsy nangina tamin’izay ry zareo, dia tampina ny vavany rehefa avy ny orana. Ary dia nirotsaka, dia nirotsaka tokoa ny orana ka difotra ny tany manontolo, araka ny efa nolazain’i Jehovah.—Gen. 7:16-21.
23. a) Faly ve i Jehovah satria hoe maty daholo ny mpanao ratsy? Nahoana? b) Nahoana ianao no tokony hanam-pinoana toa an’i Noa?
23 Faly ve i Jehovah satria hoe maty daholo ny mpanao ratsy? Tsy izany mihitsy. (Ezek. 33:11) Tsy tiany ho faty izy ireo matoa nomeny fotoana ampy tsara hiovana. Tena afaka niova ve anefa ry zareo? Matoa i Noa nahavita nanao ny tsara, dia afaka nanao koa izy ireo. Tokony ho voavonjy ry zareo, raha nanahaka an’i Noa. Niara-nandeha tamin’i Jehovah i Noa ary nankatò foana, sady tena nanam-pinoana ka voavonjy izy mianakavy. Toy ny hoe nanameloka an’izao tontolo izao àry izy, satria hita tamin’ny fiainany hoe azo atao tsara ny mankatò an’i Jehovah, fa ny olona mihitsy no tsy te hiova. Ho voavonjy koa ianao sy ny fianakavianao raha manam-pinoana toa an’i Noa. Miaraha àry mandeha amin’i Jehovah dia ho lasa namany ianao, sady ho namany mandrakizay mihitsy!
^ feh. 7 Ela velona be ny olona tamin’izany. Mbola voalohandohany tamin’ny taranak’i Adama sy Eva izy ireo, ka mbola tsy lavitra an’ilay fotoana naha lavorary ny olona.
^ feh. 15 I Lameka no nanome an’ilay anarana hoe Noa. Midika hoe “Fitsaharana” na “Fampiononana” angamba izy io. Nila fitsaharana mantsy ny olona satria voaozona ny tany ka voatery niasa mafy izy ireo. Naminany àry i Lameka hoe i Noa no hitondra fitsaharana. (Gen. 5:28, 29) Mampalahelo fa efa maty i Lameka vao tanteraka izany. Ny renin’i Noa sy ny iray tam-po taminy indray mety hoe maty tamin’ny Safodrano.