FANAZAVANA FANAMPINY A
Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina
Nilaza i Jesosy fa tonga dia ho fantatry ny olona tso-po ny fahamarinana rehefa maheno an’izany izy ireo. (Jaona 10:4, 27) Izany no mahatonga antsika hiresaka foto-kevitra tsotra rehefa mitory. Izao lazaina rehefa hiresaka foto-kevitra iray ianao: “Fantatrao ve hoe...?” na “Efa henonao ve hoe...?” Mampiasà andinin-teny mifandray amin’ilay foto-kevitra avy eo, mba hampianarana ny fahamarinana. Na dia tsotra aza ny foto-kevitra resahinao amin’ny olona anankiray, dia efa mamboly ny voan’ny fahamarinana ao am-pony ianao. Azon’Andriamanitra ampitomboina izany avy eo.—1 Kor. 3:6, 7.
NY HOAVY
-
1. Hisy fiovana hitranga tsy ho ela raha dinihina ny zava-misy eran-tany sy ny toetran’ny olona.—Mat. 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11; 2 Tim. 3:1-5.
-
2. Tsy ho potika mihitsy ny tany.—Sal. 104:5; Mpito. 1:4.
-
3. Hiverina amin’ny laoniny ny tontolo iainana dia ho lasa paradisa ny tany.—Isaia 35:1, 2; Apok. 11:18.
-
4. Ho salama tsara daholo ny olona.—Isaia 33:24; 35:5, 6.
-
5. Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany ianao.—Sal. 37:29; Mat. 5:5.
FIANAKAVIANA
-
6. Tokony ho “tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay.”—Efes. 5:33; Kol. 3:19.
-
7. Tokony hanaja lalina ny vadiny ny vehivavy manambady.—Efes. 5:33; Kol. 3:18.
-
8. Tsy tokony hivadika amin’ny vadiny ny olona manambady. —Mal. 2:16; Mat. 19:4-6, 9; Heb. 13:4.
-
9. Hahita soa ny ankizy raha manaja sy mankatò ray aman-dreny.—Ohab. 1:8, 9; Efes. 6:1-3.
ANDRIAMANITRA
-
10. Manana anarana Andriamanitra.—Sal. 83:18; Jer. 10:10.
-
11. Misy hafatra lehibe tian’Andriamanitra hampitaina amintsika.—2 Tim. 3:16, 17; 2 Pet. 1:20, 21.
-
12. Tsy manavakavaka Andriamanitra.—Deot. 10:17; Asa. 10:34, 35.
-
13. Te hanampy antsika Andriamanitra.—Sal. 46:1; 145:18, 19.
VAVAKA
-
14. Tian’Andriamanitra hivavaka aminy isika.—Sal. 62:8; 65:2; 1 Pet. 5:7.
-
15. Atoron’ny Baiboly antsika hoe hoatran’ny ahoana no atao rehefa mivavaka.—Mat. 6:7-13; Lioka 11:1-4.
-
16. Tokony hivavaka matetika isika.—Mat. 7:7, 8; 1 Tes. 5:17.
JESOSY
-
17. Nahay nampianatra be i Jesosy ary mbola mandaitra hatramin’izao ny torohevitra nomeny.—Mat. 6:14, 15, 34; 7:12.
-
18. Efa nolazain’i Jesosy mialoha ny zavatra hitranga amin’izao andro iainantsika izao.—Mat. 24:3, 7, 8, 14; Lioka 21:10, 11.
-
19. Zanak’Andriamanitra i Jesosy.—Mat. 16:16; Jaona 3:16; 1 Jaona 4:15.
-
20. Tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy.—Jaona 14:28; 1 Kor. 11:3.
FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
-
21. Fitondram-panjakana tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra ary any an-danitra no misy azy.—Dan. 2:44; 7:13, 14; Mat. 6:9, 10; Apok. 11:15.
-
22. Hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra.—Sal. 2:7-9; Dan. 2:44.
-
23. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona.—Sal. 37:10, 11; 46:9; Isaia 65:21-23.
FIJALIANA
-
24. Tsy Andriamanitra no mahatonga antsika hijaly.—Deot. 32:4; Jak. 1:13.
-
25. I Satana no mifehy an’izao tontolo izao.—Lioka 4:5, 6; 1 Jaona 5:19.
-
26. Hitan’Andriamanitra ny fijalianao ary te hanampy anao izy. —Sal. 34:17-19; Isaia 41:10, 13.
-
27. Tsy ho ela dia hamarana ny fijaliana Andriamanitra.—Isaia 65:17; Apok. 21:3, 4.
FAHAFATESANA
-
28. Tsy mahalala na inona na inona ny maty; tsy mijaly izy ireo.—Mpito. 9:5; Jaona 11:11-14.
-
29. Tsy afaka manampy na manisy ratsy antsika ny maty.—Sal. 146:4; Mpito. 9:6, 10.
-
30. Na dia maty aza ny olona tsy foinao dia mbola hitsangana.—Joba 14:13-15; Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15.
-
31. “Tsy hisy intsony ny fahafatesana.”—Apok. 21:3, 4; Isaia 25:8.
FIVAVAHANA
-
32. Tsy ny fivavahana rehetra no ankasitrahan’Andriamanitra.—Jer. 7:11; Mat. 7:13, 14, 21-23.
-
33. Mankahala ny fihatsarambelatsihy Andriamanitra.—Isaia 29:13; Mika 3:11; Mar. 7:6-8.
-
34. Ny tena fitiavana no ahafantarana ny fivavahana marina.—Mika 4:3; Jaona 13:34, 35.