Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY B

Tokony Hofarananao ve Ilay Resaka?

Tokony Hofarananao ve Ilay Resaka?

Mahafaly antsika ny manazava amin’ny olona ny zavatra inoantsika, rehefa manontany antsika amim-pahatsorana momba ny zavatra tsy azony na tsy ekeny izy. Mety hoe manana “toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay” mantsy izy.​—Asa. 13:48.

Ahoana anefa raha tezitra ilay olona na te hiady hevitra na tsy te hiresaka amintsika? Raha izany, dia farano ny resaka ary miezaha ho tony sy tsara fanahy. (Ohab. 17:14) Miezaha hanaja azy, amin’izay izy mety ho vonona hihaino antsika amin’ny manaraka.​—1 Pet. 2:12.