REHEFA MAMPIANATRA
LESONA 12
Manàna Herim-po
Torolalana: “Mahatonga ny fo ho falifaly ny menaka sy ny emboka manitra, dia hoatr’izany koa ny namana mahafinaritra, izay manoro hevitra amim-pahatsorana.”—Ohab. 27:9.
Ahoana no nataon’i Jesosy?
1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Marka 10:17-22. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:
Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
2. Raha te hanampy an’ilay mpianatra handroso isika dia mila miresaka aminy amim-pitiavana sy amim-pahatsorana.
Tahafo i Jesosy
3. Ampio ilay mpianatra mba hanana tanjona sy hanatratra an’izany.
-
a. Ampiasao ilay efajoro hoe “Tanjona” ao amin’ny lesona tsirairay ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!
-
b. Ampio izy hahita hoe inona no tokony hataony mba hanatratrarana tanjona madinidinika sy tanjona lavitra ezaka.
4. Fantaro hoe inona no misakana azy tsy handroso, dia ampio izy.
-
-
‘Raha tsy vonona ho amin’ny batisa ny mpianatro, dia inona no misakana azy?’
-
‘Inona no azoko anampiana azy?’
-
-
Mivavaha mba hanana herim-po sy ho be fitiavana ary tsy hiolakolaka rehefa manazava amin’ilay mpianatra hoe inona no tokony hataony.
5. Ajanòny ny fianarana raha tsy mandroso izy.
-
Diniho ireto mba hahitanao raha mandroso ny mpianatrao:
-
‘Ampihariny ve ny zavatra ianarany?’
-
‘Manatrika fivoriana sy miresaka amin’ny hafa momba ny fahamarinana ve izy?’
-
‘Te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ve izy rehefa avy nianatra elaela?’
-
-
Raha tsy vonona ny handroso izy dia:
-
Asaivo mandinika izy hoe inona no misakana azy.
-
Miezaha ho tsara fanahy rehefa manazava aminy hoe maninona no ajanonao ny fianarany.
-
Ampahafantaro azy hoe inona no tokony hiezahany, mba ho afaka hianatra indray izy rehefa vonona.
-