Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIRESADRESAHA ALOHA

LESONA 4

Manetre Tena

Manetre Tena

Torolalana: “Manetre tena ka hevero hoe ambony noho ianareo ny hafa.”​—Fil. 2:3.

Ahoana no nataon’i Paoly?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Asan’ny Apostoly 26:2, 3. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Ahoana no nampisehoan’i Paoly hoe nanetry tena izy rehefa niresaka tamin’i Agripa Mpanjaka?

  2.   Tsy nisarika ny sain’ny olona tamin’ny tenany i Paoly fa tamin’i Jehovah sy ny Soratra Masina. Ahoana no nanaovany an’izany?​—Jereo ny Asan’ny Apostoly 26:22.

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Paoly?

2. Hahafinaritra kokoa ny hihaino ny hafatra entintsika raha manetry tena sy manaja olona isika.

Tahafo i Paoly

3. Aza manambony tena. Hajao ny olona iresahanao fa aza miseho ho mahay.

4. Ataovy mazava tsara hoe avy ao amin’ny Baiboly ny hafatra entinao. Manohina ny fo ny hevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hoatran’ny hoe manorina ny finoan’ilay olona eo ambony fototra tsara isika raha mampiasa ny Tenin’Andriamanitra.

5. Miezaha halemy fanahy foana. Aza miziriziry amin’ny hevitrao ary aza miady hevitra. Manetre tena dia miezaha ho tony foana ary fantaro hoe rahoviana ianao no tokony hiala. (Ohab. 17:14; Tit. 3:2) Mety hanaiky hiresaka ihany ilay olona amin’ny manaraka raha malemy fanahy ianao.