MIRESADRESAHA ALOHA
LESONA 6
Manàna Fahasahiana
Torolalana: “Nampian’ilay Andriamanitsika ho sahy hitory ny vaovao tsara taminareo [aho].”—1 Tes. 2:2.
Ahoana no nataon’i Jesosy?
1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Lioka 19:1-7. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:
Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
2. Tokony ho sahy hitory momba an’ilay Fanjakana amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka isika.
Tahafo i Jesosy
3. Miantehera amin’i Jehovah. Nampian’ny fanahy masina i Jesosy mba ho sahy hitory ary afaka manampy anao koa izy io. (Mat. 10:19, 20; Lioka 4:18) Mangataha fahasahiana amin’i Jehovah raha matahotra ny hitory amin’ny olona sasany ianao.—Asa. 4:29.
4. Aza mitsaratsara olona. Mety hisalasala hitory amin’ny olona sasany isika noho ny paoziny, na ny fari-piainany, na ny fomba fiainany, na noho ny zavatra inoany. Tadidio anefa izao:
-
Tsy afaka mamantatra ny any am-pon’ny olona hoatran’i Jehovah sy Jesosy isika.
-
Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy azon’i Jehovah amindrana fo intsony ny olona iray.
5. Miezaha ho malina sy hanaja na dia manana fahasahiana aza ianao. (Mat. 10:16) Aza miady hevitra. Raha hitanao hoe tsy te hihaino ny vaovao tsara ilay olona na tsapanao hoe tandindomin-doza ny ainao, dia farano amim-panajana ilay resaka.—Ohab. 17:14.