Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

REHEFA MIVERINA MITSIDIKA

LESONA 7

Manàna Fikirizana

Manàna Fikirizana

Torolalana: “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara ... izy ireo.”​—Asa. 5:42.

Ahoana no nataon’i Paoly?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Asan’ny Apostoly 19:8-10. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Tsy nilavo lefona i Paoly na dia nisy nanohitra aza. Ahoana no ahitana hoe be fikirizana izy rehefa nanampy ny olona liana?

  2.   Isaky ny inona izy no niverina nampianatra azy ireo ary naharitra hafiriana izy no nanao an’izany?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Paoly?

2. Mitaky fotoana sy ezaka ny manao fiverenana mitsidika sy manomboka fampianarana Baiboly.

Tahafo i Paoly

3. Miezaha hitsidika an’ilay olona amin’ny fotoana mety aminy. Saintsaino izao: ‘Rahoviana no fotoana mety tsara hitsidihana azy? Aiza ny toerana tiany hiresahana aminy?’ Miezaha hitsidika azy na dia tsy mety aminao aza ny fotoana omeny.

4. Mifanaova fotoana. Isaky ny mitsidika azy ianao, dia hamafiso ny fotoananareo amin’ny manaraka, alohan’ny handehananao. Hajao ny fotoana efa nifanarahanareo.

5. Aza manary toky. Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy liana ilay olona raha mahalana vao tratra an-trano na sahirana matetika. (1 Kor. 13:4, 7) Manàna kosa fikirizana nefa tandremo sao dia lanilany ny fotoananao.​—1 Kor. 9:26.