Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 4

Asan’ny Apostoly 13:1–14:28

“Nirahin’ny Fanahy Masina”

“Nirahin’ny Fanahy Masina”

ASAN’NY APOSTOLY 13:4

Hanaraka ny dia misionera voalohany nataon’ny apostoly Paoly isika, ato amin’ity fizarana ity. Nenjehina izy tany amin’izay tanàna nalehany. Notarihin’ny fanahy masina anefa izy ka nitory foana. Nisy fiangonana maro niforona, noho izany. Azo antoka fa vao mainka handrisika antsika ho be zotom-po amin’ny fanompoana izany fitantarana mahaliana izany.