TOKO 11
“Faly Be Sady Feno Fanahy Masina”
Modely ho antsika izay nataon’i Paoly, rehefa tsy niraika na nanohitra azy ny olona
Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 13:1-52
1, 2. Inona no nampiavaka an’ilay dia hataon’i Barnabasy sy Saoly, ary nahoana ny asa hataony no anisan’ny hanatanteraka ny Asan’ny Apostoly 1:8?
NIENTANENTANA erỳ ny fiangonan’i Antiokia. Tamin’ireo mpaminany sy mpampianatra rehetra tao, dia i Barnabasy sy Saoly no nofidin’ny fanahy masina hitory ny vaovao tsara any amin’ny faritra lavitra. a (Asa. 13:1, 2) Efa nisy lehilahy nahafeno fepetra nirahina ihany teo aloha, saingy tany amin’ny faritra efa nisy Kristianina no nandefasana azy ireny. (Asa. 8:14; 11:22) Tsy toy izany kosa tamin’ity, satria mbola tsy dia nandre ny vaovao tsara ny olona tany amin’ny tany nanirahana an’i Barnabasy sy Saoly. Niaraka tamin’izy ireo koa i Jaona Marka mba hanampy azy.
2 Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, 14 taona teo ho eo talohan’io: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra eto tany ianareo.” (Asa. 1:8) Anisan’ny hanatanteraka an’io faminanian’i Jesosy io i Barnabasy sy Saoly, rehefa notendrena ho misionera. b
Voatokana “mba hanao ny asa” (Asa. 13:1-12)
3. Nahoana no sarotra ny nanao dia lavitra tamin’ny taonjato voalohany?
3 Mahavita dia lavitra ao anatin’ny adiny iray na roa ny olona ankehitriny, noho ireo fitaovana maoderina toy ny fiara sy fiaramanidina. Tsy toy izany kosa tamin’ny taonjato voalohany, fa nandeha an-tongotra ny ankamaroan’ny olona, ary matetika no ratsy ny lalana. Nandreraka be ny dia iray andro, nefa angamba 30 kilaometatra monja no vita. c Azo inoana fa tsy andrin’i Barnabasy sy Saoly ny hanomboka ilay asa nanendrena azy. Takany koa anefa fa nitaky ezaka be sy fahafoizan-tena izany.—Mat. 16:24.
4. a) Inona no nahatonga an’i Barnabasy sy Saoly ho voafidy, ary ahoana no nandraisan’ny mpiray finoana taminy an’ilay fanendrena? b) Ahoana no hanohanantsika an’ireo nahazo fanendrena?
4 Nahoana anefa ny fanahy masina no nilaza mivantana hoe i Barnabasy sy Saoly no atokana “hanao ny asa”? (Asa. 13:2) Tsy mamaly izany ny Baiboly. Fantatsika kosa fa ny fanahy masina no nahatonga azy roa lahy ho voafidy. Tsy voalaza hoe nanohitra an’ilay fanapahan-kevitra ny mpaminany sy ny mpampianatra tao Antiokia. Tena nankasitrahan’izy ireo kosa ilay fanendrena. Eritrereto izay tsapan’i Barnabasy sy Saoly rehefa “nifady hanina sy nivavaka [ireo rahalahy], dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy ary nandefa azy”, fa tsy nialona. (Asa. 13:3) Tokony hanohana an’ireo nahazo fanendrena koa isika. Anisan’izy ireo ny mpiandraikitra voatendry eo anivon’ny fiangonana. Tsy tokony hialona azy ireny isika, fa “ho tsara fanahy be amin’izy ireny sady ho tia azy ireny, noho izay ataony.”—1 Tes. 5:13.
5. Inona no tsy maintsy natao mba hitoriana nanerana an’i Sipra?
5 Nankany Seleokia, seranan-tsambo teo akaikin’i Antiokia, izy roa lahy. Nandray sambo izy ireo avy eo, ka nankany amin’ny Nosy Sipra, izay 200 kilaometatra eo ho eo avy teo Seleokia. d Avy tao Sipra i Barnabasy, ka azo inoana fa may erỳ izy hitory ny vaovao tsara tao amin’ny faritra niaviany. Tsy nangataka andro izy ireo rehefa tonga tao Salamisy, tanàna tany amin’ny sisiny atsinanan’ilay nosy, fa avy hatrany dia “nanambara ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy.” e (Asa. 13:5) Namakivaky an’ilay nosy manontolo i Barnabasy sy Saoly, ary azo inoana fa nitory tany amin’ireo tanàna lehibe nandalovany. Mety ho nandeha an-tongotra 220 kilaometatra teo ho eo ireo misionera ireo, arakaraka ny lalana nalehany.
6, 7. a) Iza moa i Sergio Paolo, ary nahoana i Barjesosy no nitady hisakana azy tsy hihaino ny vaovao tsara? b) Inona no nataon’i Saoly mba hanoherana ny nataon’i Barjesosy?
6 Nanjakan’ny fivavahan-diso i Sipra, tamin’ny taonjato voalohany. Hita izany rehefa tonga tao Pafo, any amin’ny morontsiraka andrefan’i Sipra, i Barnabasy sy Saoly. Nihaona tamin’izy ireo ny “lehilahy jiosy antsoina hoe Barjesosy. Mpilalao ody izy io sady mpaminany sandoka, ary niasa ho an’i Sergio Paolo governoram-paritra, izay lehilahy nahira-tsaina.” f Tamin’ny taonjato voalohany, dia maro ny olo-manan-kaja romanina mpankany amin’ny mpilalao ody na mpanandro, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Nanao izany na dia ny olona “nahira-tsaina” toa an’i Sergio Paolo aza. Nahaliana azy anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary “naniry mafy haheno ny tenin’Andriamanitra” izy. Tsy azoazon’i Barjesosy izany. Niantsoana an’i Barjesosy koa ny hoe Elyma, izay midika hoe “mpilalao ody”, satria izany no asany.—Asa. 13:6-8.
7 Nanohitra ny hafatra momba an’ilay Fanjakana i Barjesosy. Ny ‘nisakana an’ilay governoram-paritra tsy hino ny Tompo’ no hany azony natao mba hiarovana ny toerany, satria mpanolo-tsaina an’i Sergio Paolo izy. (Asa. 13:8) Tsy hamela an’io tandapa mpilalao ody io hanodina ny sain’i Sergio Paolo anefa i Saoly. Inona àry no nataony? Hoy ilay fitantarana: “Dia feno fanahy masina i Saoly, ilay antsoina koa hoe Paoly, ka nibanjina [an’i Barjesosy] ary niteny hoe: ‘Ry lehilahy tsy manan-tsaina afa-tsy ny hamitaka sy hanao ratsy, sady zanaky ny Devoly no fahavalon’ny fahamarinana rehetra! Rahoviana ianao vao tsy hanolana intsony ny lala-mahitsin’i Jehovah? Koa hamely anao ny tanan’i Jehovah ka ho jamba ianao, ary hisy fotoana ianao tsy hahita ny hazavan’ny masoandro.’ Teo no ho eo ihany, dia nisy zavona matevina sy haizina nanarona azy, ka nihodinkodina nitady olona hitantana azy izy.” g Inona no vokatr’io fahagagana io? “Rehefa nahita an’izany ilay governoram-paritra, dia nino satria gaga tamin’ny fampianaran’i Jehovah.”—Asa. 13:9-12.
8. Ahoana no ampisehoantsika fa sahy toa an’i Paoly isika?
8 Tsy natahotra an’i Barjesosy i Paoly. Tsy tokony hatahotra koa isika raha tadiavin’ny mpanohitra hohozongozonina ny finoan’ny olona liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tokony ho teny “mahafinaritra sady mamy sira foana” anefa no holazaintsika. (Kol. 4:6) Tsy tokony hiahotra hitory amin’ny olona liana koa isika, satria hoe te hisoroka fifandonana. Tsy tokony hisalasala koa isika hampiharihary ny faharatsian’ny fivavahan-diso, izay ‘manolana ny lala-mahitsin’i Jehovah’, toy ny nataon’i Barjesosy. (Asa. 13:10) Toa an’i Paoly, dia aoka isika ho sahy hanambara ny marina sy hanao izay hahaliana ny olona tso-po. Marina fa tsy miharihary be toy ny nanampian’Andriamanitra an’i Paoly ny fomba anampiany antsika, nefa afaka matoky isika fa hampiasa ny fanahiny masina izy mba ho voataona hanaraka ny fahamarinana ny olona mendrika.—Jaona 6:44.
‘Teny fampaherezana’ (Asa. 13:13-43)
9. Inona no ohatra navelan’i Paoly sy Barnabasy ho an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana ankehitriny?
9 Nisy zavatra niova rehefa nandao an’i Pafo ry Paoly, ka nandray sambo ho any Perga, any amoron-tsirak’i Azia Minora. Tokotokony ho 250 kilaometatra avy ao Pafo i Perga. Antsoin’ny Asan’ny Apostoly 13:13 hoe “Paoly sy ny namany” ireo mpiara-dia ireo. Toa mampiseho izany fa i Paoly izao no nitarika ny asan’izy ireo. Tsy voalaza anefa hoe nialona an’i Paoly i Barnabasy. Niara-niasa mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra foana izy roa lahy. Namela ohatra tsara ho an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana ankehitriny i Paoly sy Barnabasy. Tsy mifaninana ny Kristianina, fa mitadidy kosa an’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mpirahalahy daholo ianareo.” Hoy koa i Jesosy: “Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”—Mat. 23:8, 12.
10. Nanao ahoana ny lalana avy tao Perga nankany Antiokia any Pisidia?
10 Nandao an’i Paoly sy Barnabasy i Jaona Marka rehefa tonga tao Perga, ary niverina tany Jerosalema. Tsy fantatra hoe nahoana izy no nandeha tampoka. Nanohy ny diany i Paoly sy Barnabasy, ka niala tao Perga ary nankany Antiokia any Pisidia, tanàna ao amin’ny faritanin’i Galatia. Tsy mora ilay dia satria 1100 metatra eo ho eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina i Antiokia any Pisidia. Nampidi-doza ireo lalana tany an-tendrombohitra, ary matetika no nisy mpandroba. Nety ho narary koa anefa i Paoly tamin’io fotoana io. h
11, 12. Inona no nataon’i Paoly mba ho liana tamin’ny fitoriany ny olona tao amin’ny synagoga?
11 Niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro sabata i Paoly sy Barnabasy, tao Antiokia any Pisidia. Hoy ilay fitantarana: “Rehefa voavaky teo anatrehan’ny rehetra ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia naniraka olona hilaza tamin’izy roa lahy ny mpitantana ny synagoga hoe: ‘Ry rahalahy, raha manana teny hampaherezana ny olona ianareo, dia teneno!’” (Asa. 13:15) Nitsangana hiteny àry i Paoly.
12 Nanomboka ny teniny toy izao i Paoly: “Ry Israelita sy ianareo matahotra an’Andriamanitra.” (Asa. 13:16) Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy no tao. Tsy nahalala ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra izy ireo. Ahoana àry no nataon’i Paoly mba hahaliana azy ireo ny fitoriany? Nofintininy aloha ny tantaran’ny Jiosy. Nohazavainy fa “nanandratra [azy ireo i Jehovah] tamin’izy ireo nivahiny tany Ejipta”, ary “niaritra ny nataon’izy ireo tany an-tany efitra” nandritra ny 40 taona, taorian’ny nanafahana azy ireo. Noresahin’i Paoly koa ny nahazoan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina, sy ny nanomezan’i Jehovah “an’ilay tany ho lovan’izy ireo.” (Asa. 13:17-19) Misy milaza fa niresaka an-kolaka andinin-teny vao avy novakina tao amin’ny synagoga i Paoly teo. Nisy andinin-teny novakina mafy mantsy rehefa Sabata. Raha izany no izy, dia mbola porofo koa izany fa hain’i Paoly ny hoe “lasa zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra.”—1 Kor. 9:22.
13. Ahoana no azontsika hanohinana ny fon’ireo mihaino antsika?
13 Tokony hiezaka koa isika mba hahaliana ny olona ny fitoriantsika. Ho afaka hifidy foto-kevitra tena mahaliana an’ilay olona, ohatra, isika raha fantatsika ny fivavahany. Azontsika atao koa ny manonona andinin-teny efa mahazatra azy. Tsara angamba raha izy mihitsy no asaintsika mamaky avy ao amin’ny Baiboliny. Mitadiava fomba hanohinana ny fon’ireo mihaino anao.
14. a) Ahoana no nanombohan’i Paoly ny fitoriany momba an’i Jesosy, ary inona no nampitandremany an’ireo mpihaino azy? b) Ahoana no nandraisan’ny olona ny lahatenin’i Paoly?
14 Nohazavain’i Paoly avy eo ireo tarana-mpanjaka israelita hatreo amin’ilay “mpamonjy”, dia i “Jesosy.” Nilaza koa izy fa mpialoha lalana an’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa. Noresahiny koa ny namonoana an’i Jesosy sy ny nananganana azy tamin’ny maty. (Asa. 13:20-37) Hoy izy: “Aoka àry ho fantatrareo ... fa amin’ny alalany no hahazoana famelan-keloka, ary izany no torina aminareo. Ary ambara ho tsy manan-tsiny amin’ny alalany koa izay rehetra mino.” Nampitandrina ny mpihaino azy ilay apostoly avy eo, hoe: “Tandremo sao hihatra aminareo ny voalaza ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Jereo izany, ry mpaniratsira, dia aoka ianareo ho gaga amin’izany ary ho ripaka. Manao zavatra aho mantsy amin’izao andronareo izao, dia zavatra tsy hinoanareo mihitsy, na dia misy mitantara aminareo amin’ny an-tsipiriany aza.’” Nahagaga ny vokatr’ilay lahatenin’i Paoly. Milaza ny Baiboly fa “niangavy azy [roa lahy] ny olona mba hiresaka an’izany indray amin’izy ireo, ny Sabata manaraka.” Rehefa nirava ny tao amin’ny synagoga, dia “maro no nanaraka an’i Paoly sy Barnabasy, na Jiosy izany na olona lasa nanaraka ny fivavahana jiosy izay nanompo an’Andriamanitra.”—Asa. 13:38-43.
“Ho any amin’ny hafa firenena izahay” (Asa. 13:44-52)
15. Inona no nitranga ny Sabata nanaraka?
15 “Saiky ny rehetra tao an-tanàna” no nivory hihaino an’i Paoly ny Sabata nanaraka. Tsy nahafaly ny Jiosy sasany izany, ka “nanevateva sy nanohitra an’izay nolazain’i Paoly” izy ireo. Sahy nilaza tamin’izy ireo anefa i Paoly sy Barnabasy hoe: “Tsy maintsy notorina taminareo aloha ny tenin’Andriamanitra. Koa satria lavinareo izany ka tsy eritreretinareo hoe mendrika ny fiainana mandrakizay ianareo, dia ho any amin’ny hafa firenena izahay. Fa izao teny izao no didy nomen’i Jehovah anay: ‘Notendreko ho fahazavan’ny hafa firenena ianao, mba ho ianao no hamonjena ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany.’”—Asa. 13:44-47; Isaia 49:6.
16. Inona no nataon’ny Jiosy rehefa reny ny teny hentitra nolazain’ireo misionera, ary inona no nataon’i Paoly sy Barnabasy rehefa tojo fanoherana?
16 Faly ny hafa firenena nandre izany, ka “izay nanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay dia lasa mpino.” (Asa. 13:48) Tsy ela dia niely eran’i Antiokia any Pisidia ny tenin’i Jehovah. Hafa kosa ny fihetsiky ny Jiosy. Nilaza ireo misionera fa nifidy ny handa ny Mesia ny Jiosy, na dia izy ireo aza no nitoriana voalohany ny tenin’Andriamanitra. Mendrika ny hiharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy ireo noho izany. Nampirisihin’ny Jiosy ny vehivavy nanan-kaja sy ireo lohandohany tao an-tanàna, “ka nitaona ny olona hanenjika an’i Paoly sy Barnabasy, sady nandroaka azy roa lahy tany ivelan’ny faritaniny.” Inona no nataon’i Paoly sy Barnabasy? “Nahintsan’izy roa lahy ny vovoka tamin’ny tongony mba hanamelohana azy ireo, dia lasa nankany Ikonioma izy roa lahy.” Foana hatreo ve ny Fivavahana Kristianina tao Antiokia any Pisidia? Tsia. “Mbola faly be sady feno fanahy masina foana” ireo mpianatra tao.—Asa. 13:50-52.
17-19. Ahoana avy no anahafantsika an’i Paoly sy Barnabasy, ary nahoana izany no mitondra fifaliana ho antsika?
17 Azontsika akana lesona ny nataon’ireo lehilahy tsy mivadika ireo rehefa misy manohitra isika. Tsy hitsahatra hitory isika, na dia manakana antsika aza ny manam-pahefana. Mariho koa fa ‘nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony’ i Paoly sy Barnabasy, rehefa nanda ny hafatra notoriny ny mponin’i Antiokia. Tsy hoe tezitra izy ireo raha nanao izany, fa tiany haseho kosa fa tsy tompon’andraikitra amin’izay mety hitranga amin’ireo olona ireo izy. Takatr’ireo misionera ireo fa tsy niankina taminy ny hoe handray ny hafatra toriny ny olona na tsia. Nanan-tsafidy anefa izy ireo raha hitory foana na tsia. Nitory tokoa àry izy ireo ka nankany Ikonioma!
18 Nanao ahoana kosa ireo mpianatra tao Antiokia? Marina fa be mpanohitra tao, nefa tsy niankina tamin’ny fandraisan’ny olona ny vaovao tsara ny fifalian’izy ireo. Hoy i Jesosy: “Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mankatò an’izany no sambatra!” (Lioka 11:28) Tapa-kevitra ny hanao izany àry ny mpianatra tao Antiokia any Pisidia.
19 Tahafo i Paoly sy Barnabasy, ka tadidio foana fa ny hitory ny vaovao tsara no andraikitsika. Anjaran’ny olona kosa ny misafidy na handray ny hafatra torintsika izy na tsia. Afaka maka lesona avy amin’ireo mpianatra tamin’ny taonjato voalohany isika, raha tsy miraika ny olona itoriantsika. Ho faly foana koa isika na dia misy manohitra aza, raha mankasitraka ny fahamarinana sy manaiky hotarihin’ny fanahy masina.—Gal. 5:18, 22.
a Jereo ilay efajoro hoe “ Barnabasy: ‘Zanaky ny Fampiononana’”, pejy 86.
b Tamin’io fotoana io, dia efa nisy fiangonana hatrany Antiokia any Syria, izay 550 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Jerosalema.
c Jereo ilay efajoro hoe “ Teny An-dalana”, pejy 87.
d Nahavita 150 kilaometatra teo ho eo isan’andro ny sambo tamin’ny taonjato voalohany, raha tsara ny fitsokan’ny rivotra. Nety ho ela kokoa anefa ny dia raha ratsy ny andro.
e Jereo ilay efajoro hoe “ Tao Amin’ny Synagogan’ny Jiosy”, pejy 89.
f Teo ambany fitondran’ny Antenimieran-doholona Romanina i Sipra, fa governoram-paritra no tena nitondra tao.
g Antsoina hoe Paoly i Saoly manomboka eto. Misy milaza fa nandray an’io anarana romanina io izy, ho fanajana an’i Sergio Paolo. Mbola nihazona an’ilay anarana hoe Paoly anefa izy na dia efa niala tao Sipra aza. Midika izany fa nanomboka teo dia nanapa-kevitra ny hampiasa an’io anarany romanina io i Paoly, ilay “apostoly ho an’ny hafa firenena.” Naleony koa angamba nampiasa ny hoe Paoly, satria ny fanononan’ny Grika an’ilay anarany hebreo hoe Saoly dia mitovy fanonona amin’ny teny grika iray misy heviny ratsy.—Rom. 11:13.