Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 12

‘Tena Sahy Nitory Noho ny Fahefana Nomen’i Jehovah’

‘Tena Sahy Nitory Noho ny Fahefana Nomen’i Jehovah’

Nanetry tena sy nanana fikirizana ary sahy i Paoly sy Barnabasy

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 14:1-28

1, 2. Tantarao izay nitranga, rehefa tany Lystra i Paoly sy Barnabasy.

 NISAHOTAKA ny tao Lystra. Nitsinjaka noho ny hafaliana ny lehilahy iray kilemaina hatrany an-kibon-dreniny, fa nositranin’ny lehilahy roa tsy fantany. Talanjona ny vahoaka ka nihevitra azy roa lahy ho andriamanitra. Iny fa nitondra fehiloha voninkazo ho azy roa lahy ny mpisoron’i Zeosy. Nitrena sy niefonefona kosa ireo omby efa hovonoin’ilay mpisorona. Niantsoantso nanohitra an’izany i Paoly sy Barnabasy. Nandrovitra ny akanjony izy roa lahy ka nitsambikina tao anaty vahoaka, ary niangavy azy ireo tsy hivavaka taminy. Saika tsy voasakany ny olona!

2 Tonga tao Lystra, avy eo, ny Jiosy mpanohitra avy any Ikonioma sy Antiokia any Pisidia. Nanendrikendrika azy roa lahy izy ireo ka nanapoizina ny saim-bahoaka tao Lystra. Nitangorona teo amin’i Paoly ireo olona saika hivavaka taminy, ka nitora-bato azy. Tsy namelany izy raha tsy torana. Rehefa afaka ny fon’izy ireo, dia notaritaritiny tany ivelan’ny vavahadin’ny tanàna i Paoly, izay efa naratra be, ka navelany teo satria noheveriny fa maty.

3. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika ato amin’ity toko ity?

3 Inona no nahatonga izany rehetra izany? Inona no ianarantsika mpitory ny vaovao tsara, rehefa jerena izay nataon’i Barnabasy sy Paoly ary ireo olona mora niova hevitra tao Lystra? Tsy kivy ireo rahalahy tsy mivadika ireo fa nanohy foana ny fanompoany ka “nitory, ary tena sahy rehefa nanao an’izany noho ny fahefana nomen’i Jehovah.” (Asa. 14:3) Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanahafana azy ireo?

“Maro be no lasa mpino” (Asa. 14:1-7)

4, 5. Nahoana i Paoly sy Barnabasy no nankany Ikonioma, ary inona no nitranga tany?

4 Vao andro vitsivitsy no nandroahana an’i Paoly sy Barnabasy hiala tao Antiokia any Pisidia, noho ny fanakorontanan’ny Jiosy mpanohitra. Tsy kivy anefa izy roa lahy. “Nahintsan’izy roa lahy ny vovoka tamin’ny tongony” mba hanamelohana an’ireo tsy nandray ny fitoriana tao amin’io tanàna io. (Asa. 13:50-52; Mat. 10:14) Tsy nifanditra tamin’izy ireo i Paoly sy Barnabasy fa lasa fotsiny. Navelany handray ny valin’asany avy amin’Andriamanitra ireo mpanohitra ireo. (Asa. 18:5, 6; 20:26) Tsy nihena ny fifalian’ireo misionera ireo, fa notohiziny foana kosa ny fitoriany. Nandeha 150 kilaometatra teo ho eo tany atsimoatsinanana izy ireo, ary tonga teo amin’ny lemaka lonaka teo anelanelan’ny tandavan-tendrombohitra Taurus sy Sultan.

5 Nijanona tao Ikonioma aloha i Paoly sy Barnabasy. Anisan’ny tanàna lehibe tao amin’ilay faritany romanina atao hoe Galatia i Ikonioma, ary tsy niala tamin’ny kolontsaina grika ny mponina tao. a Nisy Jiosy maro tao, ary nisy hafa firenena maro be nanaraka ny Fivavahana Jiosy. Niditra tao amin’ny synagoga toy ny fanaony i Paoly sy Barnabasy, ary nanomboka nitory. (Asa. 13:5, 14) “Tena nahay nandaha-teny izy ireo, ka maro be no lasa mpino, na Jiosy na Grika.”​—Asa. 14:1.

6. Nahoana no nisy vokany ny fampianaran’i Paoly sy Barnabasy? Ahoana no anahafantsika azy ireo?

6 Nahoana no tena nisy vokany ny zavatra noresahin’i Paoly sy Barnabasy? Tena nahay Soratra Masina i Paoly. Hainy tsara ny nampiasa ny tantara sy ny faminaniana ary ny Lalàn’i Mosesy, mba hanaporofoana fa i Jesosy no Mesia nampanantenaina. (Asa. 13:15-31; 26:22, 23) I Barnabasy kosa tena niahy ny hafa. (Asa. 4:36, 37; 9:27; 11:23, 24) Tsy nisy niantehitra tamin’ny fahalalany izy roa lahy, fa niteny “noho ny fahefana nomen’i Jehovah azy.” Ahoana no anahafanao an’ireo misionera ireo rehefa mitory? Ataovy izay hahaizana tsara ny Tenin’Andriamanitra. Mifidiana andinin-teny tena mety hahaliana ny olona iresahanao. Manaova zavatra azo tsapain-tanana mba hampaherezana azy. Ataovy miorina amin’ny Tenin’i Jehovah foana ny zavatra ampianarinao, fa tsy amin’ny fahaizanao.

7. a) Misy vokany inona eo amin’ny olona ny vaovao tsara? b) Inona no tokony hotadidinao raha misara-bazana ny fianakavianao, noho ny vaovao tsara?

7 Tsy ny rehetra tao Ikonioma anefa no faly nandre an’i Paoly sy Barnabasy. Hoy i Lioka: “Ireo Jiosy tsy nino ... [dia] nampirisika sy nitaona ny olona hafa firenena mba hanohitra an’ireo rahalahy.” Tsapan’i Paoly sy Barnabasy fa tokony hijanona tao izy ireo mba hiarovana ny vaovao tsara. “Nitory elaela tao [àry] izy roa lahy, ary tena sahy.” Noho izany, dia “tsy nitovy hevitra ... ny olona maro be tao an-tanàna: Ny sasany niandany tamin’ny Jiosy, fa ny sasany kosa niandany tamin’ny apostoly.” (Asa. 14:2-4) Misy vokany toy izany koa ny vaovao tsara ankehitriny. Mampiray saina ny olona sasany izy io, fa mampisaraka ny hafa kosa. (Mat. 10:34-36) Raha misara-bazana ny fianakavianao noho ianao nandray ny vaovao tsara, dia tadidio fa matetika ny fanoherana no avy amin’ny tsaho na fanendrikendrehana. Inona no fanafodin’izany? Ny fitondran-tena tsara anananao. Mety hampiova ny fon’ny mpanohitra izany rehefa ela ny ela.​—1 Pet. 2:12; 3:1, 2.

8. Nahoana i Paoly sy Barnabasy no niala tao Ikonioma? Inona no ianarantsika avy amin’izy ireo?

8 Taoriana kelin’izay, dia nikononkonona ny hitora-bato an’i Paoly sy Barnabasy ny mpanohitra tao Ikonioma. Naleon’izy roa lahy àry nitory tany an-toeran-kafa. (Asa. 14:5-7) Malina toy izany koa ny mpitory ankehitriny. Miteny amim-pahasahiana isika rehefa misy manaratsy. (Fil. 1:7; 1 Pet. 3:13-15) Mitandrina anefa isika mba tsy ho sahisahy ratsy raha misy mitady hisetrasetra antsika. Mety haningotra ny aintsika na ny ain’ny mpiray finoana amintsika mantsy izany.​—Ohab. 22:3.

‘Manatòna an’ilay Andriamanitra velona’ (Asa. 14:8-19)

9, 10. Taiza no nisy an’i Lystra? Inona no fantatsika momba ny mponina tao?

9 Nandeha nankany Lystra i Paoly sy Barnabasy avy eo. Zanatany romanina i Lystra, ary 30 kilaometatra eo ho eo any atsimoandrefan’i Ikonioma. Nifandray akaiky ny tanànan’i Lystra sy Antiokia any Pisidia, nefa tsy be Jiosy ambony toy ny tao Antiokia ny tao Lystra. Lykaonianina ny tenin-drazan’ny olona tao Lystra, na dia nety ho niteny grika aza izy ireo. Tsy nisy synagoga tao ka izany angamba no nahatonga an’i Paoly sy Barnabasy hitory an-kalamanjana. Nanasitrana lehilahy kilemaina hatrany an-kibon-dreniny i Petera tany Jerosalema. Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny koa i Paoly tao Lystra. (Asa. 14:8-10) Olona maro be no tonga mpino noho ilay fahagagana nataon’i Petera. (Asa. 3:1-10) Hafa tanteraka kosa ny vokatr’ilay fahagagana nataon’i Paoly.

10 Hitantsika tetsy am-piandohana fa nanatsoaka hevi-diso avy hatrany ireo vahoaka mpanompo sampy tao Lystra, rehefa nitsangana ilay kilemaina. Nantsoin’izy ireo hoe Zeosy na filohan’ireo andriamanitra i Barnabasy. I Paoly kosa nataony hoe Hermesy, izay zanak’i Zeosy sady mpitondra tenin’ireo andriamanitra. (Jereo ilay efajoro hoe “ Lystra sy ny Fivavahana Tamin’i Zeosy sy Hermesy”, pejy 97.) Efa tapa-kevitra anefa i Barnabasy sy Paoly fa hampahafantatra an’ireo vahoaka ireo hoe tsy andriamanitra sampy no nanome fahefana azy ireo hiteny sy hanao fahagagana, fa i Jehovah, ilay hany tena Andriamanitra.​—Asa. 14:11-14.

‘Mialà amin’izao zavatra tsy misy dikany izao ka manatòna an’ilay Andriamanitra velona. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany.’—Asan’ny Apostoly 14:15

11-13. a) Inona no nolazain’i Paoly sy Barnabasy tamin’ny mponin’i Lystra? b) Inona no lesona iray azo tsoahana avy amin’ny tenin’i Paoly sy Barnabasy?

11 Mbola niezaka mafy nanohina ny fon’ny olona i Paoly sy Barnabasy, na dia nampientanentana aza io zava-nitranga io. Notantarain’i Lioka ny fomba mahomby itoriana amin’ny mpanompo sampy. Mariho izay nataon’i Paoly sy Barnabasy mba hahaliana ny olona. Hoy izy ireo: “Ô rey olona a, fa maninona ianareo no manao an’izao? Olombelona ihany ange izahay e, hoatr’anareo ihany! Ary mitory ny vaovao tsara aminareo izahay mba hialanareo amin’izao zavatra tsy misy dikany izao, ka hanatonanareo an’ilay Andriamanitra velona. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo. Navelany hanao izay tiany ny firenena rehetra taloha, kanefa ny soa nataony no vavolombelona manaporofo ny maha izy azy. Nanao soa tokoa izy, ka nandatsaka orana ho anareo avy any an-danitra sy nanome anareo vokatra be dia be amin’ny fotoanany. Dia nataony voky sakafo ianareo sady nofenoiny fifaliana ny fonareo.”​—Asa. 14:15-17.

12 Inona no lesona azontsika tsoahana avy amin’ireo teny mampieritreritra ireo? Voalohany, tsy nihevi-tena ho ambony noho ny olona nitoriany i Paoly sy Barnabasy. Tsy matimatim-boninahitra izy roa lahy fa nanetry tena, ka nanaiky fa nanana fahalemena toa an’ireo mpanompo sampy ireo ihany. Efa nandray ny fanahy masina i Paoly sy Barnabasy ary tsy nandevozin’ny fampianaran-diso intsony. Nanantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy koa izy ireo. Fantany anefa fa afaka ny hahazo an’izany fitahiana izany koa ny mponin’i Lystra raha mankatò an’i Kristy.

13 Ahoana kosa no iheverantsika ny olona itoriantsika? Mihevitra azy ireny ho toa antsika ihany ve isika? Manahaka an’i Paoly sy Barnabasy ve isika rehefa mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, ka tsy manao izay hahatonga ny olona handokadoka antsika? Modely ho antsika i Charles Russell tamin’io lafiny io. Mpampianatra tena nahay izy sady nitarika ny asa fitoriana, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Izao no nosoratany: ‘Tsy mitady voninahitra na haja ho anay na ho an’izay nosoratanay izahay. Tsy te hantsoina hoe Pasitera na Raby koa izahay.’ Nanetry tena toa an’i Paoly sy Barnabasy ny Rahalahy Russell. Tsy ny hahazo voninahitra koa no antony itoriantsika, fa ny hanampy ny olona hanatona “an’ilay Andriamanitra velona.”

14-16. Inona no lesona roa hafa azo tsoahana avy amin’ny tenin’i Paoly sy Barnabasy tamin’ny mponin’i Lystra?

14 Inona no lesona faharoa azontsika tsoahana? Novaovan’i Paoly sy Barnabasy arakaraka ny olona niresahany ny fitoriany. Tsy nahafantatra, na tsy nahalala firy, ny Soratra Masina sy ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny firenen’ny Israely ny olona tao Lystra, fa tsy toy ireo Jiosy sy hafa firenena niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, tany Ikonioma. Tantsaha anefa ireo olona niresahan’i Paoly sy Barnabasy tao Lystra. Lonaka i Lystra, ary antonony tsara ny hafanana tany. Efa nahita porofo be dia be ireo olona ireo hoe tsara toetra ny Mpamorona. Anisan’izany porofo izany, ohatra, ny taon-jina. Io hevitra iombonana io no nampiasain’ireo misionera ireo mba hampisaintsainana ny mpihaino azy.​—Rom. 1:19, 20.

15 Azontsika ovaovana arakaraka ny olona koa ve ny fitoriantsika? Mety hitovy, ohatra, ny voa afafin’ny tantsaha eny amin’ny tanimboly samihafa, nefa tsy maintsy ovaovany ny fomba ikarakarany ny tany. Mety ho efa malemy ny tany sasany, ka azo ambolena avy hatrany. Mety hitaky fikarakarana be kosa ny tany hafa. Mitovy koa ny voa ambolentsika, dia ny hafatra momba ilay Fanjakana, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hiezaka hamantatra ny zavatra iainan’ny olona itoriantsika sy ny fivavahany anefa isika, toa an’i Paoly sy Barnabasy. Hampifanarahintsika amin’izany avy eo ny fomba itoriantsika ny hafatra momba ilay Fanjakana.​—Lioka 8:11, 15.

16 Inona no lesona fahatelo azo tsoahana rehefa jerena izay nataon’i Paoly sy Barnabasy ary ny mponin’i Lystra? Marina fa miezaka mafy isika, nefa indraindray dia misy manala na latsaka eny amin’ny tany be vato ny voa afafintsika. (Mat. 13:18-21) Aza kivy anefa! Nampahatsiahy an’ireo mpianatra tany Roma i Paoly tatỳ aoriana, fa “samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay”, anisan’izany ireo iresahantsika ny Tenin’Andriamanitra.​—Rom. 14:12.

“Nanankina azy ireo tamin’i Jehovah” izy roa lahy (Asa. 14:20-28)

17. Taiza avy no nalehan’i Paoly sy Barnabasy rehefa niala tao Derbe? Nahoana?

17 Rehefa avy notaritaritina tany ivelan’ny tanànan’i Lystra i Paoly, ary noheverina fa maty, dia nanodidina azy ny mpianatra ka niarina izy. Nankao an-tanàna izy, ary nahita toerana azo nisitrihana ihany ny alina. Nanainga ho any Derbe i Paoly sy Barnabasy ny ampitso. Zato kilaometatra avy tao Lystra i Derbe. Eritrereto ny fanaintainan’i Paoly nandritra an’io dia sarotra io. Vao ora vitsy monja mantsy no nitoraham-bato azy. Nanana fikirizana anefa izy sy Barnabasy, ka nanampy “olona be dia be ho lasa mpianatra”, tao Derbe. Tsy nandeha tamin’ilay lalana akaiky kokoa izy ireo rehefa hody tany Antiokia any Syria, fa “niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia [any Pisidia].” Nahoana? Mba hankahery ny ‘mpianatra sady hampirisika azy tsy hiala amin’ny finoana.’ (Asa. 14:20-22) Fakan-tahaka tokoa i Paoly sy Barnabasy! Tsy izay hahametimety ny fiainany no noeritreretiny voalohany, fa izay hahasoa ny fiangonana. Manahaka azy ireo ny mpiandraikitra mpitety faritany sy misionera, ankehitriny.

18. Inona avy no atao rehefa hanendry anti-panahy?

18 Nankahery ny mpianatra tamin’ny teniny sy ny modely nomeny i Paoly sy Barnabasy, sady nanendry “anti-panahy teo anivon’ny fiangonana tsirairay.” Marina fa “nirahin’ny fanahy masina” izy roa lahy tamin’ilay dia misionera nataony, nefa mbola nivavaka sy nifady hanina izy ireo rehefa “nanankina [ny anti-panahy] tamin’i Jehovah.” (Asa. 13:1-4; 14:23) Mivavaka koa ankehitriny ny anti-panahin’ny fiangonana, rehefa mandinika raha mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina ny rahalahy iray na tsia, alohan’ny hanolorana ny fanendrena azy. (1 Tim. 3:1-10, 12, 13; Tit. 1:5-9; Jak. 3:17, 18; 1 Pet. 5:2, 3) Tsy ny fahelan’ny fotoana naha Kristianina azy no tena zava-dehibe. Ny teniny sy ny fitondran-tenany ary ny lazany kosa no manaporofo raha tena miasa aminy ny fanahy masina. Mahafeno fepetra hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra ny rahalahy iray, raha mahafeno an’ireo fepetra takin’ny Soratra Masina amin’ny mpiandraikitra. (Gal. 5:22, 23) Ny mpiandraikitra ny faritra no manendry ny anti-panahy.​—Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:22.

19. Hatao ampamoaka ny amin’ny inona ny anti-panahy, ary ahoana no anahafany an’i Paoly sy Barnabasy?

19 Fantatry ny anti-panahy voatendry fa mbola hataon’Andriamanitra ampamoaka izy, ny amin’ny fomba ikarakarany ny fiangonana. (Heb. 13:17) Loha laharana amin’ny asa fitoriana izy ireo, toa an’i Paoly sy Barnabasy. Manao teny mampahery an’ireo mpiray finoana aminy izy. Izay mahasoa ny fiangonana aloha no zava-dehibe aminy, fa tsy izay hahametimety ny fiainany.​—Fil. 2:3, 4.

20. Inona no soa raisintsika rehefa mamaky momba ny asa tsara nataon’ny rahalahintsika?

20 Tafaverina tany Antiokia any Syria, tanàna fiaingany, i Paoly sy Barnabasy. Notantarainy “ny zavatra maro nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy roa lahy, sy izay nataon’Andriamanitra mba hahafahan’ny hafa firenena maneho finoana.” (Asa. 14:27) Vao mainka koa isika “tena sahy [mitory foana] noho ny fahefana nomen’i Jehovah”, rehefa mamaky momba ny asa tsara nataon’ireo rahalahintsika sy ny nitahian’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireny.

a Jereo ilay efajoro hoe “ Ikonioma: Tanànan’ny Frijianina”, pejy 96.