Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanondroana Sary

Fanondroana Sary

Araka ny pejy misy azy

  • Fonony Paoly, Dorkasy, Galio, Lioka, ireo apostoly sy mpiambina ny tempoly, Sadoseo, Paoly sy ny miaramila nanatitra azy ho any Kaisaria, fitoriana ampiasana grafofaonina sy fiara misy fanamafisam-peo.

  • 1 Paoly misy rojo vy, sy Lioka, eny ambony sambo ho any Roma.

  • 2, 3 Rahalahy J. Barr sy T. Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, eo amin’ny sarintanin’izao tontolo izao.

  • 11 Maniraka ny apostoliny 11 sy ny mpianatra hafa i Jesosy, eo amin’ny tendrombohitra iray any Galilia.

  • 14 Miakatra eny amin’ny lanitra i Jesosy ary mibanjina azy ny apostoly.

  • 20 Miteny amin’ny fitenin’ireo vahiny tao Jerosalema ny mpianatra, tamin’ny Pentekosta.

  • 36 Apostoly mijoro eo anatrehan’i Kaiafa tezitra be. Mpiambina ny tempoly, vonona hisambotra raha vao mahazo baiko avy amin’ny Fitsarana Avo.

  • 44 Ambany: Nendrikendrehin’ny fitsarana tany Alemaina Atsinanana ho mpitsikilon’ny Amerikanina ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ny Ady Lehibe II.—Gazetiboky Neue Berliner Illustrierte, 3 Oktobra 1950.

  • 46 Nampangaina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy i Stefana. Sadoseo mpanankarena no erỳ lavidavitra, ary Fariseo nafana fo tafahoatra ireo eo ambany kokoa amin’ny sary.

  • 54 Petera mametra-tanana amin’ny mpianatra vaovao. Simona kosa ilay mihazona kitapo kely misy vola madinika.

  • 75 Miditra ny tranon’i Kornelio i Petera sy ireo niaraka taminy. Hita amin’ilay lamba manokana eo an-tsoroka havian’i Kornelio fa manamboninahitra mifehy miaramila 100 izy.

  • 83 Anjely mitari-dalana an’i Petera. Tao amin’ny Tilikambon’i Antonia angamba ilay fonja nisy an’i Petera.

  • 84 Ambany: Rotaka tany akaikin’i Montréal, any Québec, tamin’ny 1945.—Gazety Faran’ny Herinandro (anglisy), Jolay 1956.

  • 91 Noroahina hiala tao Antiokia any Pisidia i Paoly sy Barnabasy. Lakan-drano namatsy rano ny tanàna ilay tazana lavidavitra, ary angamba namboarina teo am-piandohan’ny taonjato voalohany.

  • 94 Tsy nanaiky hodokadokafana i Paoly sy Barnabasy tany Lystra. Matetika ny fanaovana sorona ampahibemaso no nampientanentana sy be tabataba ary nasiana mozika.

  • 100 Ambony: Mampahery ny fiangonana any Antiokia any Syria, i Silasy sy Jodasy. (Asa. 15:30-32) Ambany: Mpiandraikitra ny faritra manao lahateny any Ouganda.

  • 107 Nivory tany an-tranon’olona ny fiangonana tao Jerosalema.

  • 110 Ankavia miankavanana foana. Eo anoloana: Gerrit Lösch, David Splane, John Barr, Theodore Jaracz; ao aoriana: Stephen Lett, Anthony Morris, Guy Pierce, Samuel Herd, Geoffrey Jackson.

  • 124 Paoly sy Timoty eny ambony sambo romanina. Misy tilikambo fanilon-tsambo eny lavitra.

  • 139 Mandositra vahoaka mirotaka i Paoly sy Silasy, eo amin’ny tokotany iray misy vavahady.

  • 155 Miteny mafy an’ireo mpiampanga an’i Paoly i Galio. Mifanentana amin’ny toerana ambony tanany ilay akanjo fotsy misy sisiny lehibe volomparasy sy ilay karazana kiraro anaovany.

  • 158 Miresaka amin’ireo mpanefy volafotsy tao Efesosy i Demetrio. Amidy mba hatao fahatsiarovana ireo tempoly kelin’i Artemisy.

  • 171 Mankao an-tsambo i Paoly sy ireo namany. Tazana lavidavitra ilay Tsangambaton-tseranana Lehibe, izay naorina tamin’ny taonjato voalohany T.K.

  • 180 Ambany: Rahalahy tanora mampiditra an-tsokosoko boky ara-baiboly, rehefa voarara tany Kanada ny bokintsika taorian’ny 1940. (Sary natao tatỳ aoriana.)

  • 182 Nilefitra i Paoly ka nanaraka ny tenin’ireo anti-panahy. Mipetraka erỳ lavidavitra i Lioka sy Timoty, izay nanampy tamin’ny fanaterana an’ireo vola fanomezana.

  • 190 Zanak’anabavin’i Paoly miresaka amin’i Klaodio Lysia ao amin’ny Tilikambon’i Antonia. Tao angamba ny fonja nisy an’i Paoly. Tazana avy ao ny tempolin’i Heroda.

  • 206 Mivavaka ho an’ireo mpandeha efa reraka i Paoly, ao amin’ny lakalin-tsambo.

  • 222 Paoly mifatotra rojo vy amin’ny miaramila romanina, ary mitazana ny ilany amin’ny tanànan’i Roma.