Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 13

‘Nifanditra Be’ Izy Ireo

‘Nifanditra Be’ Izy Ireo

Nentina hodinihin’ny filan-kevi-pitantanana ilay adihevitra momba ny famorana

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 15:1-12

1-3. a) Inona no natahorana hampizarazara ny fiangonana kristianina tany am-boalohany? b) Nahoana no hahasoa antsika ny fandinihana an’io tantara io?

 FALY erỳ i Paoly sy Barnabasy! Vao tafaverina tao Antiokia any Syria izy ireo, rehefa avy nanao ny dia misionera voalohany. Faly be izy ireo fa ‘nosokafan’Andriamanitra ho an’ny hafa firenena ny varavaran’ny finoana.’ (Asa. 14:26, 27) Lasa resa-be tao Antiokia koa ny vaovao tsara, ary “maro be” ny hafa firenena nanampy isa ny fiangonana kristianina.—Asa. 11:20-26.

2 Tsy ela dia re tany Jodia io fitomboana io. Tsy nahafaly ny rehetra anefa izany, fa vao mainka nampirongatra ny adihevitra momba ny famorana. Ahoana no tokony ho fifandraisan’ny Jiosy mpino sy ny hafa firenena mpino? Tokony hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ve ny hafa firenena? Nampifanditra be ilay adihevitra ka natahorana hizarazara mihitsy ny fiangonana. Ahoana no handaminana izany?

3 Handray lesona lehibe maro isika eo am-pandinihana an’io tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly io. Hanampy antsika tsy hanaonao foana izany, raha misy adihevitra mety hampizarazara koa ankehitriny.

“Raha tsy forana” ianareo (Asa. 15:1)

4. Inona no hevi-diso naelin’ny mpino sasany, ary inona no fanontaniana aterak’izany?

4 Hoy i Lioka mpianatra: “Nisy olona nidina [tany Antiokia] avy any Jodia ary nampianatra ny rahalahy hoe: ‘Tsy ho voavonjy ianareo, raha tsy forana araka ny fanaon’i Mosesy.’ ” (Asa. 15:1) Tsy voalaza raha anisan’ilay sekta jiosy atao hoe Fariseo ireo “olona” ireo talohan’ny niovany ho Kristianina. Nanizingizina tafahoatra ny Lalàna io sekta io, ka toa mbola nisy heriny teo amin’izy ireo izany. Mety ho nihambo ho solontenan’ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema koa izy ireo. (Asa. 15:23, 24) Nahoana anefa ny Jiosy mpino no mbola nampirisika ny olona hoforana, na dia efa 13 taona lasa aza no nitarihan’Andriamanitra ny apostoly Petera mba handray ny hafa firenena ho anisan’ny fiangonana kristianina? *Asa. 10:24-29, 44-48.

5, 6. a) Inona no nety ho nahatonga ny Kristianina jiosy sasany mbola hampirisika ny olona hoforana? b) Anisan’ny fifanekena tamin’i Abrahama ve ny fifanekena ny amin’ny famorana? Hazavao. (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

5 Antony maro no nety ho nahatonga izany. Anisan’izany ny hoe i Jehovah mihitsy no nandidy ny hamorana ny zazalahy, ary midika izy io fa manana fifandraisana manokana aminy ilay olona. Efa nisy talohan’ny fifaneken’ny Lalàna koa ny famorana, ary lasa anisan’ny Lalàna. I Abrahama sy ny ankohonany no voalohany noforana. * (Lev. 12:2, 3) Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy maintsy noforana ny vahiny vao nahazo tombontsoa sasany, toy ny fihinanana ny Paska. (Eks. 12:43, 44, 48, 49) Naloto sy tsinontsinona tamin’ny Jiosy ny olona tsy mifora.—Isaia 52:1.

6 Nila nanam-pinoana sy nanetry tena ny Jiosy mpino mba hanekena an’ilay fampianarana vaovao. Nosoloana fifanekena vaovao ny fifaneken’ny Lalàna, ka tsy hoe vahoakan’Andriamanitra avy hatrany izay teraka Jiosy. Ahoana kosa ny amin’ireo Kristianina jiosy niara-nonina tamin’ny Jiosy, toa an’ireo mpino tany Jodia? Nila herim-po izy ireo mba hanekena an’i Kristy sy handraisana ny hafa firenena tsy voafora ho mpiray finoana aminy.—Jer. 31:31-33; Lioka 22:20.

7. Inona no fahamarinana tsy takatry ny “olona” sasany?

7 Tsy niova ny fitsipik’Andriamanitra, satria hita taratra ao amin’ny fifanekena vaovao ihany ny votoatin’ny Lalàn’i Mosesy. (Mat. 22:36-40) Izao, ohatra, no nosoratan’i Paoly momba ny famorana, tatỳ aoriana: “Ny ao anaty no maha Jiosy azy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy, fa tsy ny fehezan-dalàna an-tsoratra.” (Rom. 2:29; Deot. 10:16) Tsy nahatakatra izany fahamarinana izany ireo “olona” avy tany Jodia, fa nanizingizina kosa hoe tsy nofoanan’Andriamanitra mihitsy ny lalàna momba ny famorana. Ho azo resen-dahatra ihany ve izy ireo?

“Nifanditra sy niady hevitra” (Asa. 15:2)

8. Nahoana no nalefa tany amin’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema ilay adihevitra momba ny famorana?

8 Hoy ihany i Lioka: “Nifanditra sy niady hevitra be tamin’izy ireo [olona avy any Jodia] i Paoly sy Barnabasy. Koa notendren’izy ireo [anti-panahy] izy roa lahy mbamin’ny sasany taminy, mba hiakatra ho any amin’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema, hitondra ilay adihevitra.” * (Asa. 15:2) Samy niziriziry tamin’ny heviny ny andaniny sy ny ankilany matoa “nifanditra sy niady hevitra”, ary tsy voalamin’ny fiangonana tao Antiokia izany. Nahay nitandro ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina ilay fiangonana ka nitondra an’ilay adihevitra tany amin’ny “apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema”, izany hoe tany amin’ny filan-kevi-pitantanana. Inona no azo ianarana avy amin’ny anti-panahin’i Antiokia?

Nanizingizina ny sasany hoe ‘tokony hasaina hitandrina ny lalàn’i Mosesy’ ny hafa firenena

9, 10. Inona no ohatra tsara navelan’ireo rahalahy tany Antiokia, ary koa i Paoly sy Barnabasy?

9 Intỳ ny lesona lehibe iray: Tokony hatoky ny fandaminan’Andriamanitra isika. Eritrereto ange e! Fantatry ny rahalahy tao Antiokia fa Jiosy daholo ireo Kristianina anisan’ny filan-kevi-pitantanana. Natoky anefa izy ireo fa hifanaraka amin’ny Soratra Masina ny fomba handaminan’ny filan-kevi-pitantanana an’ilay adihevitra. Nahoana? Natoky ilay fiangonana fa hitari-dalana i Jehovah, ka hampiasa ny fanahy masina sy Jesosy Kristy Lohan’ny fiangonana. (Mat. 28:18, 20; Efes. 1:22, 23) Manaova toa an’ireo mpino tany Antiokia raha misy adihevitra lehibe mitranga ankehitriny. Matokia ny fandaminan’Andriamanitra sy ny Kristianina voahosotra anisan’ny Filan-kevi-pitantanana.

10 Tena ilaina koa ny fanetren-tena sy ny faharetana. Notendren’ny fanahy masina ho any amin’ireo firenena i Paoly sy Barnabasy. Tsy izany fahefany izany anefa no nampiasain’izy ireo handaminana avy hatrany an’io adihevitra io, tany Antiokia. (Asa. 13:2, 3) Hoy kosa i Paoly, tatỳ aoriana: ‘Noho ny zavatra naharihary tamiko no niakarako tany [Jerosalema].’ (Gal. 2:2) Midika izany fa nisy fitarihan’Andriamanitra tao. Miezaka hanetry tena sy hanam-paharetana koa ny anti-panahy ankehitriny, raha misy fanontaniana mety hampizarazara. Tsy mifanditra izy ireo, fa mitady ny fitarihan’i Jehovah, ka mandinika ny Soratra Masina sy ireo toro lalana omen’ny mpanompo mendri-pitokisana.—Fil. 2:2, 3.

11, 12. Nahoana no tena ilaina ny miandry an’i Jehovah?

11 Indraindray dia tsy maintsy miandry an’i Jehovah hanome fanazavana bebe kokoa isika, amin’ny zavatra sasany. Tadidio fa tsy nahariharin’i Jehovah hoe tokony hoforana sa tsia ny hafa firenena, raha tsy tamin’ny taona 49 tany ho any, izany hoe 13 taona teo ho eo taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina tamin’i Kornelio tamin’ny taona 36. Fa nahoana no ela be toy izany? Te hanome fotoana ampy ho an’ny Jiosy tso-po angamba i Jehovah, mba hampifanarahan’izy ireo ny fisainany amin’ny fiovana lehibe toy izany. Mafy tamin’izy ireo tokoa ny nanafoanana an’ilay fifanekena naharitra 1 900 taona, dia ny fifanekena ny amin’ny famorana izay natao tamin’i Abrahama, ilay razambeny tena tiany.—Jaona 16:12.

12 Manam-paharetana sy tsara fanahy ilay Raintsika any an-danitra, ka sambatra isika ampianariny sy volavolainy. Hitondra soa ho antsika foana izany. (Isaia 48:17, 18; 64:8) Aoka àry isika tsy hiziriziry amin’ny hevitsika mihitsy, na hanakiana ny fanovana eo anivon’ny fandaminana sy ny fanitsiana ny fanazavana ny andinin-teny sasany. (Mpito. 7:8) Raha hitanao fa mitady hanao izany ianao, na dia kely aza, dia mivavaha ka saintsaino ny toro lalana ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha​-15. *

13. Ahoana no ampisehoantsika fa manam-paharetana toa an’i Jehovah isika eny amin’ny fanompoana?

13 Mila manam-paharetana isika rehefa sarotra amin’ny olona ampianarintsika Baiboly ny miala amin’ny finoana sy fombafomba tsy araka ny Soratra Masina. Tokony havelantsika hisy fotoana ampy tsara àry mba hiasan’ny fanahin’Andriamanitra ao am-pon’ilay mpianatra. (1 Kor. 3:6, 7) Tsara koa raha ataontsika antom-bavaka ny momba an’ilay olona. Amin’ny fotoana mety, dia hanampy antsika hahalala izay tokony hataontsika Andriamanitra.—1 Jaona 5:14.

Nitantara “tamin’ny an-tsipiriany” zavatra mampahery (Asa. 15:3-5)

14, 15. Ahoana no nanajan’ny fiangonana tao Antiokia an’i Paoly sy Barnabasy ary ireo niara-dia taminy, ary nahoana izy ireo no fitahiana ho an’ny mpiray finoana taminy?

14 Hoy ihany i Lioka: “Naterin’ny fiangonana teny antenatenan-dalana ireo lehilahy ireo. Dia nanohy ny diany namakivaky an’i Fenisia sy Samaria izy ireo, sady nitantara tamin’ny an-tsipiriany ny nitodihan’ny hafa firenena tamin’Andriamanitra, ka faly dia faly ny rahalahy rehetra.” (Asa. 15:3) Naterin’ny fiangonana teny antenatenan-dalana i Paoly sy Barnabasy ary ireo niara-dia taminy. Midika izany fa tia sy nanaja azy ireo ilay fiangonana, ka naniry ny hitahian’Andriamanitra azy ireo. Mbola ohatra tsara ho antsika koa ny rahalahy tany Antiokia teo. Hajainao koa ve ireo rahalahy sy anabavinao kristianina, “indrindra fa izay mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana”, izany hoe ireo anti-panahy?—1 Tim. 5:17.

15 Fitahiana ho an’ny Kristianina tany Fenisia sy Samaria ry Paoly, satria notantarain’izy ireo “tamin’ny an-tsipiriany” ny vokatry ny asa fitoriana tany amin’ny hafa firenena. Anisan’ny nihaino izany angamba ny Jiosy mpino, izay nandositra tany taorian’ny namonoana an’i Stefana. Mampahery an’ireo rahalahintsika koa, indrindra fa ireo miaritra fitsapana, ny fitantarana ny fomba itahian’i Jehovah ny asa fanaovana mpianatra. Tena mandray soa avy amin’ny fitantarana toy ireny ve ianao, ka manatrika fivoriana sy fivoriambe, ary mamaky fitantarana sy tantaram-piainana ao amin’ny boky aman-gazetintsika?

16. Inona no mampiseho fa lasa adihevitra be ny famorana?

16 Tonga tao Jerosalema ireo solontena avy any Antiokia, rehefa avy nandeha 550 kilaometatra nianatsimo. Hoy i Lioka: “Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo, dia nandray tsara azy ny fiangonana sy ny apostoly ary ny anti-panahy. Dia notantarain’izy ireo indray ny zavatra maro nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy ireo. Fa nitsangana kosa ny sasany tamin’ireo mpino izay efa tao amin’ny sektan’ny Fariseo, ka nanao hoe: ‘Tokony hoforana ireny ary hasaina hitandrina ny lalàn’i Mosesy.’ ” (Asa. 15:4, 5) Lasa adihevitra be nila nalamina ilay hoe tokony hoforana sa tsia ny tsy Jiosy lasa Kristianina.

“Nivory ny apostoly sy ny anti-panahy” (Asa. 15:6-12)

17. Iza no anisan’ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema, ary nahoana no nisy “anti-panahy” anisan’izy io?

17 Milaza ny Ohabolana 13:10 fa ‘hendry izay mila hevitra amin’ny hafa.’ Nanaraka an’io toro lalana mahasoa io “ny apostoly sy ny anti-panahy”, ka ‘nivory mba handinika ilay raharaha’ momba ny famorana. (Asa. 15:6) Nisolo tena ny fiangonana kristianina manontolo “ny apostoly sy ny anti-panahy”, ary toy izany koa ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny. Nahoana no nisy “anti-panahy” niara-nanompo tamin’ny apostoly? Tadidio fa efa novonoina ny apostoly Jakoba, ary nisy fotoana nampidirana am-ponja ny apostoly Petera. Izany koa angamba no nanjo ny apostoly hafa. Azo antoka àry fa hisy rahalahy hiantsoroka andraikitra foana eo, satria teo ireo rahalahy voahosotra hafa nahafeno fepetra.

18, 19. Inona no nolazain’i Petera, ary inona no tokony ho takatr’ireo nihaino azy?

18 Hoy ihany i Lioka: “Nisy adihevitra be tamin’izay, ka nitsangana i Petera ary nilaza ... hoe: ‘Ry rahalahy, fantatrareo tsara fa efa hatrany am-piandohana Andriamanitra no nifidy ahy teo aminareo, mba ho avy amin’ny vavako no handrenesan’ny hafa firenena ny tenin’ny vaovao tsara, ka hinoany. Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo no nanome porofo ny amin’izany ka nandatsaka ny fanahy masina tamin’izy ireo, toy ny nataony tamintsika koa. Ary tsy nasiany fahasamihafana mihitsy isika sy izy ireo, fa nodioviny tamin’ny finoana koa ny fon’ireo.’ ” (Asa. 15:7-9) Milaza ny boky iray fa ilay teny grika nadika hoe “adihevitra” eo amin’ny andininy faha-7, dia midika koa hoe “fitadiavana” na ‘fanadihadiana.’ Hita àry fa toa tsy nitovy hevitra ireo rahalahy, nefa tsy nisalasala naneho ny heviny.

19 Nampahatsiahy ny rehetra i Petera fa teo izy tamin’ny taona 36, rehefa nilatsaka voalohany tamin’ny hafa firenena tsy voafora ny fanahy masina, izany hoe tamin’i Kornelio sy ny ankohonany. Koa raha i Jehovah aza tsy nanisy fahasamihafana intsony teo amin’ny Jiosy sy ny tsy Jiosy, iza no olombelona mbola ho sahy hanao izany? Ny finoana an’i Kristy koa no manadio ny fon’ny mpino, fa tsy ny fanarahana ny Lalàn’i Mosesy.—Gal. 2:16.

20. Nahoana ireo mpanohana ny famorana no azo lazaina fa ‘nitsapa toetra an’Andriamanitra’?

20 Noresahin’i Petera ireo porofo tsy azo lavina avy ao amin’ny tenin’Andriamanitra sy avy amin’ny fanahy masina, ka hoy izy namarana ny teniny: “Koa nahoana ianareo no mitsapa toetra an’Andriamanitra, ka terenareo hasiana zioga ny vozon’ny mpianatra nefa samy tsy nahazaka izany na ny razantsika na isika? Matoky anefa isika fa hovonjena amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Tompo, tahaka ireny olona ireny koa.” (Asa. 15:10, 11) ‘Nitsapa toetra an’Andriamanitra’ ireo mpanohana ny famorana, izany hoe ‘nisedra ny faharetany’, araka ny andikan’ny Baiboly hafa azy. Notadiavin’izy ireo hoterena hankatò ny Lalàna ny hafa firenena, nefa na ny Jiosy aza tsy tena nahatandrina izany ka voaheloka ho faty. (Gal. 3:10) Tokony hahay hankasitraka kosa ny Jiosy nihaino an’i Petera, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy.

21. Inona no anjara birikin’i Barnabasy sy Paoly, tamin’ilay fivoriana?

21 Voatsindron’ny tenin’i Petera ireo nihaino azy ka “nangina” daholo. Notantarain’i Barnabasy sy Paoly, avy eo, “ny famantarana sy ny zava-mahagaga maro nasehon’Andriamanitra, tamin’ny alalan’izy roa lahy, teo amin’ny hafa firenena.” (Asa. 15:12) Taorian’izay ny apostoly sy ny anti-panahy vao afaka namakafaka ny porofo rehetra sy afaka nandray fanapahan-kevitra mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’Andriamanitra momba ny famorana.

22-24. a) Ahoana no anarahan’ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny ny modely navelan’ny filan-kevi-pitantanana tany am-boalohany? b) Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy rehetra fa manaja ny rafitra napetrak’i Jehovah izy ireo?

22 Mitady tari-dalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny rehefa mivory, ary mivavaka mafy mba hahazo ny fanahy masina. (Sal. 119:105; Mat. 7:7-11) Zaraina mialoha amin’ny tsirairay àry ny lisitry ny zavatra hodinihina, mba hahafahany hisaintsaina sy hivavaka momba izany. (Ohab. 15:28) Tsy misalasala milaza ny heviny amim-panajana ireo rahalahy voahosotra ireo rehefa mivory. Ampiasaina matetika ny Baiboly mandritra an’ilay fivoriana.

23 Tokony hanao toy izany koa ny anti-panahy. Raha tsy voalamina amin’ny fivorian’ny anti-panahy ny raharaha lehibe iray, dia mety hanontany ny biraon’ny sampana izy ireo, na hanontany an’ireo voatendry ho solontenany, toy ny mpiandraikitra mpitety faritany. Mety hanoratra any amin’ny Filan-kevi-pitantanana kosa, avy eo, ny sampana, raha ilaina.

24 Tahin’i Jehovah tokoa ireo manetry tena, tsy mivadika, manam-paharetana, ary manaja ny rafitra napetrany. Hovalian-tsoa ireo manao izany, ka hilamina tsara sy handroso ara-panahy ary hiray saina, araka ny ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka.

^ feh. 5 Mbola manan-kery hatramin’izao ny fifanekena tamin’i Abrahama, ary tsy anisan’izy io ny fifanekena ny amin’ny famorana. Nanomboka nanan-kery ny fifanekena tamin’i Abrahama tamin’ny 1943 T.K., rehefa niampita an’i Eofrata mba ho any Kanana i Abrahama (Abrama tamin’izany). Efa 75 taona izy tamin’izay. Tatỳ aoriana kosa ny fifanekena ny amin’ny famorana, izany hoe tamin’ny 1919 T.K., rehefa 99 taona i Abrahama.—Gen. 12:1-8; 17:1, 9-14; Gal. 3:17.

^ feh. 8 Nety ho anisan’ireo solontena nalefa i Titosy, Kristianina grika. Lasa mpiara-miasa nitokisan’i Paoly sy nisolo tena azy izy, tatỳ aoriana. (Gal. 2:1; Tit. 1:4) Toa an’i Titosy, dia afaka ny ho voahosotry ny fanahy ny hafa firenena tsy voafora.—Gal. 2:3.