Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 14

“Nifanara-kevitra Izahay Rehetra”

“Nifanara-kevitra Izahay Rehetra”

Izay nataon’ny filan-kevi-pitantanana mba handraisana fanapahan-kevitra nampiray saina ny fiangonana

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 15:13-35

1, 2. a) Inona avy no fanontaniana lehibe tsy maintsy nalamin’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no nanampy azy ireo handray fanapahan-kevitra tsara?

 TSINDRIAN-DAONA ny rehetra. Nifampijerijery ireo apostoly sy anti-panahy tao amin’ilay efitra tao Jerosalema. Tsapan’izy ireo fa fotoan-dehibe tamin’izay. Nampipoitra fanontaniana lehibe mantsy ilay adihevitra momba ny famorana: Tokony hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ve ny Kristianina? Tokony hisy fahasamihafana ve eo amin’ny Kristianina jiosy sy hafa firenena?

2 Nandinika porofo maro ireo lehilahy nitana andraikitra ireo. Nodinihin’izy ireo ny Teny faminanian’i Jehovah sy ireo porofon’ny fitahiany nolazain’ireo vavolombelona nanatri-maso. Samy naneho tsara ny heviny izy ireo. Lasa maro be ny porofo azo nandaminana an’ilay adihevitra, ka hita tokoa fa nitarika azy ireo ny fanahin’i Jehovah. Hanaraka ny fitarihan’i Jehovah ve izy ireo?

3. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny Asan’ny Apostoly toko faha-15?

3 Tena nitaky finoana sy herim-po ny nanaiky ny fitarihan’ny fanahy masina teo. Mety ho vao mainka hankahala azy ireo mantsy ny mpitondra fivavahana jiosy. Nanohitra azy ireo koa ireo lehilahy teo anivon’ny fiangonana, izay tapa-kevitra ny hitarika ny vahoakan’Andriamanitra hiverina indray amin’ny Lalàn’i Mosesy. Inona no hataon’ny filan-kevi-pitantanana? Andeha hojerentsika. Ho hitantsika fa nanome modely harahin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ireo lehilahy ireo. Tokony hanaraka an’izany modely izany koa isika Kristianina, rehefa mandray fanapahan-kevitra na mandia fotoan-tsarotra.

“Mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Mpaminany” (Asa. 15:13-21)

4, 5. Inona ny teny faminaniana noresahin’i Jakoba tamin’ilay adihevitra?

4 Nandray fitenenana i Jakoba mpianatra, rahalahin’i Jesosy. * Izy angamba no mpitari-draharaha tamin’ilay fivoriana. Toa izy no namintina ny hevitra niombonan’ny rehetra, ka hoy izy: “Efa notantarain’i Simeona tamin’ny an-tsipiriany ny nanombohan’Andriamanitra nihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany. Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Mpaminany.”—Asa. 15:14, 15.

5 Azo inoana fa nanampy an’i Jakoba hahatadidy andininy nety tsara mba handaminana an’ilay adihevitra ny lahatenin’i Simeona, na Simona Petera, sy ny porofo naroson’i Barnabasy sy Paoly. (Jaona 14:26) Nilaza i Jakoba fa “mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Mpaminany”, ary nampiasa ny Amosa 9:11, 12 izy avy eo. Anisan’ny Soratra Hebreo ny bokin’i Amosa, ary ao amin’ilay ampahany antsoina hoe “Mpaminany” no misy azy io. (Mat. 22:40; Asa. 15:16-18) Ho hitanao fa tsy tena mitovy amin’ny ao amin’ny bokin’i Amosa ankehitriny ny voalazan’ilay andininy nampiasain’i Jakoba. Azo inoana fa nampiasa teny avy tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo izy. Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika izy io.

6. Hazavao fa nanampy tamin’ny fandaminana an’ilay adihevitra ny Soratra Masina.

6 Nilaza mialoha tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany i Jehovah fa hatsangany “ny trano rantsankazon’i Davida”, na ny tarana-mpanjaka hitondra mandra-pahatongan’ny Fanjakan’ny Mesia. (Ezek. 21:26, 27) Tsy hifandray afa-tsy amin’ny firenena jiosy indray ve i Jehovah? Tsia. Milaza koa ilay faminaniana fa hangonina ho anisan’ny “olona antsoina amin’ny anaran[’Andriamanitra]” ireo “avy amin’ny firenena rehetra.” Tadidio fa vao avy nanaporofo i Petera hoe: “Tsy nasian[’Andriamanitra] fahasamihafana mihitsy isika [Kristianina jiosy] sy izy ireo [hafa firenena tonga mpino], fa nodioviny tamin’ny finoana koa ny fon’ireo.” (Asa. 15:9) Raha tsorina, dia tian’Andriamanitra handova ilay Fanjakana ny Jiosy sy ny hafa firenena. (Rom. 8:17; Efes. 2:17-19) Tsy milaza mihitsy ny faminaniana fa mila forana na mila miova ho amin’ny Fivavahana Jiosy aloha ireo hafa firenena tonga mpino.

7, 8. a) Inona no soso-kevitr’i Jakoba? b) Ahoana no tokony handraisantsika ny tenin’i Jakoba?

7 Noho izany porofo avy ao amin’ny Soratra Masina izany, sy noho ireo porofo mafonja vao avy notantaraina, dia nanome soso-kevitra i Jakoba. Hoy izy: “Koa izao no hevitro: Tsy mety ny manome fahasahiranana an’ireo hafa firenena izay mitodika amin’Andriamanitra, fa aoka hanoratra ho azy ireo isika mba hifadiany ny zavatra voaloton’ny sampy, sy hifadiany ny fijangajangana sy ny biby nokendaina ary ny ra. Efa hatramin’ny ela be mantsy i Mosesy no nanana olona isan-tanàna nitory momba azy, satria novakina mafy tao amin’ny synagoga isan-tsabata izay nosoratany.”—Asa. 15:19-21.

8 Rehefa nilaza i Jakoba hoe: “Koa izao no hevitro”, tiany haseho ve fa nanana fahefana teo amin’ireo rahalahy izy, angamba noho izy nitari-draharaha tamin’ilay fivoriana? Izy ve no tonga dia nanapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao? Tsy izany mihitsy! Ilay teny grika nadika hoe “hevitro” dia mety hidika koa hoe “fahitako azy.” Tsy nampanjaka ny heviny i Jakoba fa nandroso hevitra hodinihina fotsiny, noho ireo porofo vao avy notantaraina sy izay resahin’ny Soratra Masina momba ilay adihevitra.

9. Inona no soa azo avy amin’ny soso-kevitr’i Jakoba?

9 Tsara ilay soso-kevitr’i Jakoba, satria narahin’ny apostoly sy ny anti-panahy ilay izy. Inona no soa azo avy amin’izany? Voalohany, tsy hanome “fahasahiranana” an’ireo Kristianina hafa firenena ilay soso-kevitra, satria tsy mitaky ny hanarahany ny Lalàn’i Mosesy. (Asa. 15:19) Faharoa, ho voahaja ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina jiosy. Efa an-taonany maro mantsy no “novakina mafy” tamin’izy ireo “tao amin’ny synagoga isan-tsabata izay nosoratan[’i Mosesy].” * (Asa. 15:21) Hampifandray tsara an’ireo Kristianina jiosy sy hafa firenena ilay soso-kevitra. Hampifaly an’i Jehovah koa ilay izy, satria mifanaraka amin’ny fikasany. Saika nandrava ny firaisan-tsaina sy ny filaminan’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra iny olana iny, nefa tena tsara ny fomba nandaminana azy. Ohatra tena tsara ho an’ny Kristianina ankehitriny koa izany.

Albert Schroeder, nandaha-teny tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1998

10. Manahaka ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny. Hazavao.

10 Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha, fa manahaka ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Mitady ny tari-dalan’i Jehovah Mpanjakan’izao Rehetra Izao sy Jesosy Kristy Lohan’ny fiangonana izy ireo amin’ny zava-drehetra. * (1 Kor. 11:3) Ahoana no anaovany izany? Hoy i Albert Schroeder, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nanomboka tamin’ny 1974 mandra-pahavitan’ny fanompoany teto an-tany tamin’ny Martsa 2006: “Mivory isaky ny alarobia ny Filan-kevi-pitantanana. Atomboka amin’ny vavaka io fivoriana io mba hangatahana ny tari-dalan’ny fanahin’i Jehovah. Misy ezaka mafy atao mba ho azo antoka fa mifanaraka tsara amin’ny Baiboly ny fomba andaminana ny raharaha rehetra sy izay fanapahan-kevitra raisina.” Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nandritra ny taona maro i Milton Henschel, ary nahavita ny fanompoany teto an-tany tamin’ny Martsa 2003. Nametraka an’izao fanontaniana lehibe izao izy, tamin’ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-101 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada: ‘Iza no fikambanana hafa fantatrareo hoe mijery izay lazain’ny Baiboly aloha ny filan-kevi-pitantanany vao mandray fanapahan-kevitra lehibe?’ Mazava ny valiny.

“Haniraka an’izay olona voafidy” (Asa. 15:22-29)

11. Ahoana no fomba nilazana tamin’ny fiangonana ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana?

11 Niray hevitra ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema rehefa nandray fanapahan-kevitra momba ny famorana. Tsy maintsy atao mazava sy mampahery ary feno fitiavana anefa ny fomba ilazana an’ilay fanapahan-kevitra, mba hitovy ny zavatra ataon’ireo fiangonana. Ahoana no fomba tsara indrindra anaovana izany? Hoy ny fitantarana: “Sitraky ny apostoly sy ny anti-panahy mbamin’ny fiangonana iray manontolo ny haniraka an’izay olona voafidy eo amin’izy ireo mba hiaraka amin’i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia i Jodasy izay atao hoe Barsabasy, sy Silasy, izay samy nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny rahalahy.” Nanoratra taratasy koa izy ireo ka nampitondraina an’ireo lehilahy ireo, mba hovakina any amin’ny fiangonana rehetra eran’i Antiokia sy Syria ary Kilikia.—Asa. 15:22-26.

12, 13. a) Inona no soa azo tamin’ny nanirahana an’i Jodasy sy Silasy? b) Inona no soa azy tamin’ny nandefasan’ny filan-kevi-pitantanana taratasy?

12 “Nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny rahalahy” i Jodasy sy Silasy, ka nahafeno fepetra hisolo tena ny filan-kevi-pitantanana. Ny naha teo azy efa-dahy, dia nanamafy fa tsy valin’ilay fanontaniana momba ny famorana fotsiny ilay hafatra nentiny, fa tari-dalana vaovao avy amin’ny filan-kevi-pitantanana koa. Hampifandray akaiky ny Kristianina jiosy tao Jerosalema sy ny Kristianina hafa firenena tany an-toeran-kafa, ireo roa lahy “voafidy” ireo. Hendry sy be fitiavana tokoa ireo rahalahy naniraka azy! Azo inoana fa vao mainka nampilamina sy nampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra ny nanirahana azy ireo.

13 Nanome tari-dalana mazava tsara ho an’ny Kristianina hafa firenena ilay taratasy. Tsy ny momba ny famorana fotsiny no noresahina tao, fa izay tsy maintsy atao koa mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fitahiany. Izao no votoatin’ilay taratasy: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana. Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo. Mirary soa ho anareo izahay!”—Asa. 15:28, 29.

14. Nahoana no miray saina ny vahoakan’i Jehovah nefa misara-bazana izao tontolo izao?

14 Mitovy ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ataony, na dia 7 000 000 eo ho eo aza izy ireo maneran-tany, any amin’ny fiangonana 100 000 mahery. Nahoana no miray saina izy ireo, nefa misara-bazana sy mikorontana izao tontolo izao? Satria manome azy ireo tari-dalana mazava tsara i Jesosy Kristy Lohan’ny fiangonana, ka mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47) Miray saina koa izy ireo satria vonona hanaraka ny tari-dalan’ny Filan-kevi-pitantanana ny rahalahy maneran-tany.

“Faly izy ireo noho ilay fampaherezana” (Asa. 15:30-35)

15, 16. Nanao ahoana no niafaran’ilay adihevitra momba ny famorana, ary inona avy no nahatonga izany?

15 Rehefa tonga tany Antiokia ireo rahalahy avy tany Jerosalema, dia “namory mpianatra maro sady nanolotra an’ilay taratasy.” Ahoana no nandraisan’ireo rahalahy an’ilay tari-dalana avy amin’ny filan-kevi-pitantanana? “Rehefa voavakin’ireo mpianatra ilay [taratasy], dia faly izy ireo noho ilay fampaherezana.” (Asa. 15:30, 31) “Nampahery an’ireo rahalahy tamin’ny lahateny maro, sady nanatanjaka azy” i Jodasy sy Silasy. Izany no niantsoana azy roa lahy hoe “mpaminany”, toa an’i Barnabasy sy Paoly ary ny olon-kafa. Nanambara na nampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra mantsy ny mpaminany.—Asa. 13:1; 15:32; Eks. 7:1, 2.

16 Hita tokoa hoe nitahy ny zava-drehetra i Jehovah ka tena tsara ny vahaolana hita mba handaminana an’ilay adihevitra. Nahoana no tsara fiafara iny raharaha iny? Satria mazava sy ara-potoana ny tari-dalan’ny filan-kevi-pitantanana, ary mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitarihan’ny fanahy masina. Tamim-pitiavana koa no niresahana an’ireo fanapahan-kevitra tamin’ny fiangonana.

17. Inona no modely arahin’ny mpiandraikitra mpitety faritany rehefa mitsidika fiangonana?

17 Manome tari-dalana ara-potoana ho an’ny rahalahy maneran-tany koa ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Rehefa misy fanapahan-kevitra raisina, dia atao mazava sy mivantana ny fampitana izany amin’ny fiangonana. Fomba iray anaovana izany ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Mitety fiangonana ireny rahalahy mahafoy tena ireny, ka mampahery sy manome tari-dalana mazava. Manahaka an’i Paoly sy Barnabasy izy ireo, ka manokana ora maro ‘hampianarana sy hitoriana ny vaovao tsara momba ny tenin’i Jehovah miaraka amin’ny olon-kafa maro.’ (Asa. 15:35) ‘Mampahery an’ireo rahalahy amin’ny lahateny maro’ izy ireo ‘sady manatanjaka azy’, toa an’i Jodasy sy Silasy.

18. Inona no tokony hataon’ny vahoakan’i Jehovah mba hitahiany azy ireo foana?

18 Inona kosa no hampilamina sy hampiray saina ny fiangonana maneran-tany, na dia misara-bazana aza izao tontolo izao? Tadidio fa i Jakoba mpianatra no nanoratra an’ireto teny ireto, tatỳ aoriana: “Ny fahendrena avy any ambony ... dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò ... Ambonin’izany, dia afafin’ny mpampihavana ny voan’ny fahamarinana, ary ao anatin’ny toe-tsaina tia fihavanana no anaovany izany.” (Jak. 3:17, 18) Tsy fantatsika raha ilay fivoriana tao Jerosalema no tao an-tsain’i Jakoba na tsia. Hitantsika avy tamin’ny fandinihana ny Asan’ny Apostoly toko faha​-15 anefa, fa rehefa miray saina sy mahay miara-miasa ihany isika vao tahin’i Jehovah.

19, 20. a) Inona no mampiseho fa nilamina sy niray saina ny fiangonan’i Antiokia? b) Inona izao no azon’i Paoly sy Barnabasy natao?

19 Hita fa nilamina sy niray saina ny fiangonan’i Antiokia. Tsy nifanditra tamin’ireo rahalahy avy tany Jerosalema ny rahalahy tao, fa tena faly tamin’ny fitsidihan’i Jodasy sy Silasy. “Nijanona kelikely tao [mantsy] izy roa lahy, ary avy eo dia navelan’ireo rahalahy handeha soa aman-tsara ho any amin’izay naniraka azy”, izany hoe tany Jerosalema. * (Asa. 15:33) Matoky isika fa faly koa ireo rahalahy tany Jerosalema, rehefa nandre azy roa lahy nitantara ny diany. Vita soa aman-tsara ny asa nanirahana azy ireo noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah!

20 Nijanona tany Antiokia i Paoly sy Barnabasy. Afaka nifantoka tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara izao izy ireo. Loha laharana koa izy ireo tamin’io asa io. Manao toy izany koa ny mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny, rehefa mitsidika fiangonana. (Asa. 13:2, 3) Fitahiana ho an’ny vahoakan’i Jehovah tokoa izany! Inona anefa ny asa mbola nampanaovin’i Jehovah an’ireo mpitory be zotom-po ireo, ary inona koa no fitahiana mbola azony? Hamaly izany ny toko manaraka.

Mandray soa ny Kristianina ankehitriny, noho ny sakafo ara-panahy omen’ny Filan-kevi-pitantanana sy ireo solontenany

^ feh. 4 Jereo ilay efajoro hoe “ Jakoba ‘Rahalahin’ny Tompo.’

^ feh. 9 Tsara ny niresahan’i Jakoba an’izay nosoratan’i Mosesy. Tsy ny Lalàna ihany no nosoratan’i Mosesy fa teo koa ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona sy ireo zava-nitranga nahafantarana ny sitrapony, talohan’ny nisian’ny Lalàna. Hita mazava ao amin’ny Genesisy, ohatra, ny fiheveran’Andriamanitra ny ra sy ny fijangajangana ary ny fanompoan-tsampy. (Gen. 9:3, 4; 20:2-9; 35:2, 4) Nampahafantatra toro lalana tokony harahin’ny olona rehetra àry i Jehovah, na Jiosy izy ireo na hafa firenena.

^ feh. 10 Jereo ilay efajoro hoe “ Filan-kevi-pitantanana Ankehitriny.”

^ feh. 19 Eo amin’ny andininy faha-34, dia misy Baiboly mampiditra hevitra hoe naleon’i Silasy nijanona tany Antiokia. (Fandikan-teny Katolika) Azo inoana anefa fa vao nampidirina tatỳ aoriana io hevitra io.