Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 27

“Nitory Tamin’ny Fomba Feno”

“Nitory Tamin’ny Fomba Feno”

Izy Nitory foana i Paoly na dia voafonja tany Roma aza

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 28:11-31

1. Inona no natokisan’i Paoly sy ny namany, ary nahoana?

 NIAINGA tao amin’ny Nosy Malta any Mediterane ny sambo iray, ary nizotra nankany Italia. Azo inoana fa sambo lehibe nitondra varimbazaha izy io. Nisy marika hoe “Zanakalahin’i Zeosy” ny lohan’ilay sambo. Taona 59 tany ho any tamin’izay. Nandeha tamin’io sambo io ny apostoly Paoly, izay mbola voafonja ka nambenana. Niaraka taminy koa i Lioka sy Aristarko, mpiray finoana taminy. (Asa. 27:2) Tsy toa an’ireo mpitory ny vaovao tsara ireo ny tantsambo tao, fa nitady fiarovana tamin’i Castor sy Pollux, kambana mirahalahy zanak’i Zeosy andriamanitra grika. (Asa. 28:11) Nanompo an’i Jehovah kosa i Paoly sy ny namany, ary efa nilaza i Jehovah fa hitory ny fahamarinana any Roma i Paoly, sady hijoro eo anatrehan’i Kaisara.—Asa. 23:11; 27:24.

2, 3. Taiza avy ny lalan’ilay sambo nitondra an’i Paoly? Iza no nanampy azy nandritra an’ilay dia manontolo?

2 Nijanona telo andro tao Syrakosa ilay sambo. Tanàna tsara tarehy any Sisila izy io, ary tsy mena-mitaha amin’i Atena sy Roma. Nankany Regioma, eo amin’ny tendrony atsimon’i Italia, ilay sambo, avy eo. Natosiky ny rivotra avy any atsimo ilay sambo rehefa niala tao Regioma, ka ny afakampitso dia efa tonga tao amin’ilay seranana italianina atao hoe Potioly (akaikin’i Naples ankehitriny). Vetivety kely ny nanaovany an’ilay 320 kilaometatra nankany Potioly.—Asa. 28:12, 13.

3 Ity no tapany farany amin’ilay dian’i Paoly ho any Roma. Hiseho eo anatrehan’i Néron Mpanjaka izy any. Nomba an’i Paoly foana ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, nandritra ilay dia manontolo. (2 Kor. 1:3) Ho hitantsika fa nanampy azy foana Andriamanitra, ary tsy nihena mihitsy ny zotom-pon’ilay misionera.

‘Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly ary nihanahery’ (Asa. 28:14, 15)

4, 5. a) Ahoana no nandraisana an-dry Paoly tao Potioly, ary nahoana izy no nomena fahalalahana be? b) Inona no soa mety horaisin’ny Kristianina tsara fitondran-tena, na any am-ponja aza?

4 “Nahita rahalahy” ry Paoly tao Potioly, “ary niangaviana hijanona fito andro teo amin’izy ireo.” (Asa. 28:14) Tena nahay nandray vahiny ireo rahalahy ireo ka modely ho antsika! Azo inoana fa be ny soa noraisin’izy ireo, noho ny fampaherezana azony avy tamin-dry Paoly. Nahoana no nanana fahalalahana be toy izany io voafonja mbola nambenana io? Satria natoky be an’ilay apostoly angamba ireo miaramila romanina niambina azy.

5 Toy izany koa ankehitriny. Tsara fitondran-tena ny mpanompon’i Jehovah any am-ponja sy any amin’ny toby fitanana, ka matetika no omena fahalalahana sy tombontsoa manokana. Nanomboka nianatra Baiboly, ohatra, ny lehilahy iray tany Romania, izay voasazy higadra 75 taona, noho ny halatra nataony. Niova be izy ka navelan’ny tompon’andraikitra hiantsena irery tany an-tanàna, mba hividy zavatra nilain’ny fonja. Ny zava-dehibe anefa dia hoe manome voninahitra an’i Jehovah ny fitondran-tena tsarantsika.—1 Pet. 2:12.

6, 7. Nahoana no azo lazaina hoe niavaka ny fitiavan’ireo rahalahy romanina?

6 Azo inoana fa nandeha an-tongotra 50 kilaometatra teo ho eo ry Paoly avy tao Potioly nankao Capoue, tanàna eny amin’ny Lalana Apianina, izay mankany Roma. Vato fisaka lehibe no nanaovana an’io lalana rarivato malaza io. Mahafinaritra erỳ ny mitazana ny ambanivohitr’i Italia rehefa mandeha amin’io lalana io, ary tazana koa indraindray ny Ranomasina Mediterane. Tokotokony ho 60 kilaometatra tsy hidirana ao Roma, dia mamakivaky honahona io lalana io, ary teo no nisy ny Tsenan’i Apio. “Nandre ny momba anay” ny rahalahy tao Roma, hoy i Lioka, ka tonga hatrany amin’ny Tsenan’i Apio mihitsy ny sasany, fa ny hafa kosa niandry tany amin’ny Tranombahiny Telo, izay toerana fialana sasatra, 50 kilaometatra teo ho eo tsy hidirana ao Roma. Niavaka tokoa ny fitiavan’izy ireo!—Asa. 28:15.

7 Tsy nety ho an’ny mpanao dia lavitra efa trotraky ny dia ny Tsenan’i Apio, satria tsy nahafahana niala sasatra tsara. Nilaza i Horace, mpanoratra romanina, fa “feno tantsambo” ilay tsena, ary “miavona ny mpiasan’ny hotely.” Nolazainy koa fa “nankaloiloy ny rano” tao. Tsy nety nihinan-kanina tao aza izy. Na teo aza izany rehetra izany, dia nahafaly an’ireo rahalahy avy tany Roma ny niandry an-dry Paoly tao. Tian’izy ireo mantsy ny hiaraka tamin-dry Paoly, tamin’ny tapany farany tamin’ilay dia.

8. Nahoana i Paoly no nisaotra an’Andriamanitra “raha vao nahita” an’ireo rahalahy?

8 “Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly raha vao nahita an’ireo [rahalahy], ary nihanahery.” (Asa. 28:15) Nampahery sy nampionona an’i Paoly na dia ny nahita fotsiny an’ireo rahalahiny tsy foiny ireo aza. Nisy fantany angamba tamin’izy ireo. Nahoana i Paoly no nisaotra an’Andriamanitra? Fantany fa anisan’ny vokatry ny fanahy ny tena fitiavana. (Gal. 5:22) Mandrisika ny Kristianina koa ankehitriny ny fanahy masina, ka mahafoy tena ho an’ny rahalahiny izy ireo, sady mampionona an’ireo mila izany.—1 Tes. 5:11, 14.

9. Ahoana no azontsika anahafana an’ireo rahalahy nitsena an’i Paoly?

9 Ny fanahy masina, ohatra, no mandrisika an’ireo rahalahy handray tsara ny mpiandraikitra mpitety faritany, sy ny mpanompo manontolo andro hafa. Maro amin’izy ireny no namoy zavatra betsaka, mba hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa. Eritrereto àry izao: ‘Inona no mbola azoko atao mba hanohanako ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra? Afaka mampiantrano na manasa azy hisakafo ve aho? Afaka manokana fotoana hiarahana manompo aminy sy ny vadiny ve aho, raha manambady izy?’ Ho be ny fitahiana ho azonao raha manao izany ianao. Eritrereto ny hafalian’ireo rahalahy romanina, rehefa nihaino an-dry Paoly nitantara zavatra mampahery!—Asa. 15:3, 4.

“Toherin’ny olona hatraiza hatraiza izy io” (Asa. 28:16-22)

10. Natao ahoana i Paoly rehefa tonga tao Roma, ary inona no nataony taoriana kelin’ny nahatongavany?

10 Tonga tao Roma ry Paoly tamin’ny farany. “Navela hitokan-trano i Paoly, niaraka tamin’ilay miaramila niambina azy.” (Asa. 28:16) Matetika no nafatotra rojo vy tamin’ny mpiambina azy ny voafonja nambenana tany an-trano, mba tsy handosirany. Izany no nanjo an’i Paoly, nefa tsy nahasakana azy tsy hitory ilay Fanjakana izany. Nampiantso an’ireo lohandohan’ny Jiosy tao Roma izy mba hampahafantatra ny tenany sy hitory amin’izy ireo, nefa vao telo andro monja no nialany sasatra taorian’ilay diany.

11, 12. Ahoana no nataon’i Paoly mba tsy hitsara azy an-tendrony ny Jiosy?

11 Hoy i Paoly: “Ry rahalahy, voafonja avy any Jerosalema aho, ary natolotra teo am-pelatanan’ny Romanina, na dia tsy mba nanao zavatra tsy nety tamin’olona sy tamin’ny fanaon-drazantsika aza. Saika hanafaka ahy ihany ny Romanina rehefa avy nanao famotorana, satria tsy nisy antony tokony hamonoana ahy ho faty. Nanohitra izany tsy nisy farany anefa ny Jiosy, ka voatery nampakatra ny raharaha any amin’i Kaisara aho, nefa tsy hoe manan-javatra iampangako ny fireneko aho akory.”—Asa. 28:17-19.

12 Niezaka nitady marimaritra iraisana tamin’ireo Jiosy nihaino azy i Paoly, rehefa niantso azy ireo hoe “rahalahy.” Nanaisotra an’izay fitsarana an-tendrony mety ho nananan’izy ireo koa izany. (1 Kor. 9:20) Nataony mazava tsara fa tsy hiampanga ny Jiosy mpiray firenena taminy no anton-diany, fa ny hampakatra fitsarana tany amin’i Kaisara. Mbola tsy nandre momba an’io raharaha io anefa ny Jiosy tao Roma. (Asa. 28:21) Nahoana no tsy tonga tany Roma ny vaovao avy tamin’ny Jiosy tany Jodia? Hoy ny boky iray: “Azo inoana fa ny sambo nitondra an’i Paoly no anisan’ny tonga voalohany tany Italia, taorian’ny ririnina. Mbola tsy nisy tonga tany koa ny taratasy sy ny solontenan’ny manam-pahefana jiosy avy tany Jerosalema.”

13, 14. Ahoana no nataon’i Paoly rehefa nitory momba ilay Fanjakana izy, ary ahoana no anahafantsika azy?

13 Nitory momba ilay Fanjakana tamin’ireo Jiosy tonga tao aminy i Paoly, ka zavatra azo antoka fa hahaliana azy ireo no noresahiny. Hoy izy: “Koa izany no tena antony nangatahako mafy hahita sy hiresaka aminareo, satria noho ny fanantenan’ny Israely no itondrako ity rojo vy mamatotra ahy ity.” (Asa. 28:20) Tsy nisy io fanantenana io raha tsy teo ny Mesia sy ny Fanjakany, izay torin’ny fiangonana kristianina. Hoy ireo anti-panahy jiosy taminy: ‘Heverinay fa mety raha mandre izay hevitrao izahay, satria raha ny amin’io sekta io, dia tena fantatray fa toherin’ny olona hatraiza hatraiza izy io.’—Asa. 28:22.

14 Tahafo àry i Paoly rehefa mitory ny vaovao tsara ianao, ka miresaha hevitra mampisaintsaina, na mametraha fanontaniana mahaliana. Misy soso-kevitra tena tsara, ohatra, ao amin’ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina sy Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mampiasa tsara an’ireo boky ireo ve ianao?

“Nitory tamin’ny fomba feno” i Paoly ka modely ho antsika (Asa. 28:23-29)

15. Inona avy ireo zavatra efatra nisongadina tamin’ny fitorian’i Paoly?

15 Jiosy “maro kokoa no tonga” tao an-tranon’i Paoly, rehefa tonga ny fotoana nifanaovana. ‘Sady nitory tamin’ny fomba feno momba ny fanjakan’Andriamanitra i Paoly no nandresy lahatra azy momba an’i Jesosy, avy tamin’ny lalàn’i Mosesy sy tamin’ny Mpaminany.’ (Asa. 28:23, f.a.p.) Zavatra efatra no nisongadina tamin’ilay fitorian’i Paoly. Voalohany, ny Fanjakan’Andriamanitra no tena notoriny. Faharoa, niezaka “nandresy lahatra” izy. Fahatelo, nampiasa ny Soratra Masina izy mba hampisaintsainana ny olona. Fahefatra, nahafoy tena izy satria nitory “nanomboka tamin’ny maraina ka hatramin’ny hariva.” Modely ho antsika tokoa izy! Inona no vokany? “Nino izay voalaza ny sasany”, fa ny hafa kosa tsy nino. Nilaza i Lioka fa tsy nifanara-kevitra ny olona, ka “niala tsikelikely.”—Asa. 28:24, 25a.

16-18. Nahoana i Paoly no tsy gaga rehefa nanda ny fitoriany ny Jiosy tany Roma, ary ahoana no tokony hataontsika rehefa lavin’ny olona ny hafatra torintsika?

16 Tsy nahagaga an’i Paoly ny fihetsiky ny Jiosy, satria efa fahita izany, sady efa nilaza an’izany ny faminanian’ny Baiboly. (Asa. 13:42-47; 18:5, 6; 19:8, 9) Niala tsikelikely ireo Jiosy tsy nino, ka hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Marina mihitsy ny tenin’ny fanahy masina tamin’ny razanareo, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, hoe: ‘Mandehana any amin’ity firenena ity ka lazao hoe: “Hihaino ianareo ka handre nefa tsy hahazo ny hevitr’izany mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy. Fa efa nanjary donto ny fon’ity vahoaka ity.” ’ ” (Asa. 28:25b-27) Fo “mafy” na “feno tavy” no hevitr’ilay teny grika nadika hoe “donto.” Tsy andairan’ny hafatra momba ilay Fanjakana ny fo toy izany. Loza tokoa izany!

17 Tsy toa an’ireo Jiosy ireo ny “hafa firenena”, fa ‘azo antoka hihaino’, hoy i Paoly namarana ny teniny. (Asa. 28:28; Sal. 67:2; Isaia 11:10) Natoky an’io teniny io ilay apostoly, satria izy mihitsy no nahita fa maro ny hafa firenena nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana.—Asa. 13:48; 14:27.

18 Toa an’i Paoly, dia tsy tokony halahelo isika raha tsy mandray ny vaovao tsara ny olona. Fantatsika mantsy fa vitsy ihany no hahita ny lalana mankany amin’ny fiainana. (Mat. 7:13, 14) Tokony hahafaly antsika sy horaisintsika amim-pitiavana ny olona tso-po miandany amin’ny fivavahana marina.—Lioka 15:7.

“Nitory ny fanjakan’Andriamanitra” (Asa. 28:30, 31)

19. Inona no mampiseho fa nahay nanararaotra fotoana i Paoly?

19 Mampahery sy feno fitiavana ny teny namaranan’i Lioka ny fitantarany. Hoy izy: “Nipetraka roa taona ngarangidina tao amin’ny trano nohofany i Paoly, ary nandray tsara an’izay rehetra tonga tao aminy, ka nitory ny fanjakan’Andriamanitra taminy ary nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamim-pahasahiana, sady tsy nisy fanakantsakanana.” (Asa. 28:30, 31) Modely miavaka ho antsika i Paoly noho izy nahay nandray vahiny sy nanam-pinoana ary be zotom-po!

20, 21. Iza avy no nandray soa tamin’ny fitorian’i Paoly tany Roma?

20 Anisan’ireo noraisin’i Paoly tsara tao aminy i Onesimosy. Mpanompo nandositra avy tany Kolosia izy io. Nampian’i Paoly ho tonga Kristianina i Onesimosy, ka lasa ‘rahalahy mendri-pitokisana sy malalany.’ Nantsoin’i Paoly hoe ‘zanany naterany’ mihitsy aza izy. (Kol. 4:9; Filem. 10-12) Tena nampahery an’i Paoly ny niovan’i Onesimosy! *

21 Nandray soa tamin’ny modely navelan’i Paoly koa ny hafa. Hoy izy tamin’ny Filipianina: “Vao mainka aza nampandroso ny vaovao tsara ny zavatra manjo ahy. Vokatr’izany, dia lasa fantatr’olona maro eo amin’ireo Mpiambina an’i Kaisara sy ny olona hafa rehetra fa noho ny amin’i Kristy no mahatonga ahy ho voafatotra. Koa vao mainka sahy mitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin-tahotra ny ankamaroan’ireo rahalahy ao amin’ny Tompo, satria mahazo toky izy ireo noho ny fifatorako ato am-ponja.”—Fil. 1:12-14.

22. Porofoy fa nahay nanararaotra ny fotoana nihazonana azy tany Roma i Paoly.

22 Nohararaotin’i Paoly ny fotoana nihazonana azy tany Roma mba hanoratana taratasy tena mahasoa, izay lasa anisan’ny Soratra Grika Kristianina. * Mariho fa noharin’i Paoly tamin’ny fiadiana fiarovan’ny miaramila romanina ny fiadiana fiarovana avy amin’Andriamanitra, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina. (Efes. 6:11-17) Nahita an’io hevitra io angamba izy rehefa nijery an’ilay miaramila niambina azy. (Asa. 28:16) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hahita fanoharana tsara koa isika, raha mahay mandinika ny manodidina antsika.

23, 24. Ahoana no anahafan’ny Kristianina maro an’i Paoly, na dia gadraina tsy ara-drariny aza izy ireo?

23 Tsy resahin’ny Asan’ny Apostoly ny fotoana nanafahana an’i Paoly. Nafahana anefa izy rehefa avy nigadra efa-taona teo ho eo: Roa taona tany Kaisaria, ary roa taona tany Roma. * (Asa. 23:35; 24:27) Faly foana izy ary tsy nitsahatra nitory, ka nanompo an’Andriamanitra araka izay fara heriny. Mpanompon’i Jehovah maro koa ankehitriny no faly foana ka tsy mitsahatra mitory, na dia gadraina tsy ara-drariny noho ny finoany aza. Diniho ny Rahalahy Adolfo, izay nigadra tany Espaina satria tsy nety nanao miaramila. Hoy ny manamboninahitra iray taminy: “Mahagaga anay mihitsy ianao ity. Efa ataonay mitondra faisana ianao, nefa arakaraka ny anaovanay izany, dia vao mainka ianao mitsikitsiky sy manao teny mahafinaritra.”

24 Nanjary natoky an’i Adolfo ny mpiambina, ka navela hivoha mihitsy ny efitra figadrany. Tonga ao aminy ny miaramila mba hanontany zavatra ao amin’ny Baiboly. Nankao aminy mihitsy aza ny mpiambina iray mba hamaky Baiboly, ka i Adolfo indray no niambina. Ny voafonja indray àry no “niambina” ny mpiambina! Enga anie ny modelin’ny Vavolombelona tsy mivadika toy ireny ka handrisika antsika ‘ho sahy hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin-tahotra’, na dia ao anatin’ny sarotra aza isika.

25, 26. Inona ilay faminaniana tanteraka tao anatin’ny 30 taona latsaka? Ahoana no ahatanterahan’izy io ankehitriny?

25 “Nitory ny fanjakan’Andriamanitra” tamin’izay tonga tao amin’ilay trano nihazonana azy, ilay apostolin’i Kristy. Mampahery tokoa ny teny mamarana ny Asan’ny Apostoly! Hitantsika ao amin’ny toko voalohany izao asa nanirahan’i Jesosy ny mpanara-dia azy izao: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asa. 1:8) Tsy ampy 30 taona tatỳ aoriana, dia efa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny hafatra momba ilay Fanjakana. * (Kol. 1:23) Mahery tokoa ny fanahin’Andriamanitra!—Zak. 4:6.

26 Io fanahy io koa no manome hery ny sisa amin’ireo rahalahin’i Kristy sy ny “ondry hafa” namany, mba ‘hitorian’izy ireo amin’ny fomba feno momba ny fanjakan’Andriamanitra’, any amin’ny tany 230 mahery! (Jaona 10:16; Asa. 28:23, f.a.p.) Manao izay fara herinao ve ianao amin’io asa io?

^ feh. 20 Te hihazona an’i Onesimosy i Paoly, saingy nandika ny lalàna romanina izy raha nanao izany, sady tsy nanaja ny zon’ilay Kristianina tompon’i Onesimosy. Niverina tany amin’i Filemona tompony àry i Onesimosy, ary nampitondrain’i Paoly taratasy, izay nampirisika an’i Filemona handray an’io mpanompony io ho anisan’ny rahalahy kristianina.—Filem. 13-19.