Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 25

“Ampakariko any Amin’i Kaisara ny Raharaha!”

“Ampakariko any Amin’i Kaisara ny Raharaha!”

Modely ho antsika ny nataon’i Paoly, tamin’izy niaro ny vaovao tsara

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 25:1–26:32

1, 2. a) Inona no toe-javatra niainan’i Paoly? b) Inona no fanontaniana mipetraka rehefa nampakarin’i Paoly tany amin’i Kaisara ny raharaha?

 MBOLA tsara ambina tao Kaisaria i Paoly. Roa taona talohan’izao, tamin’izy tany Jodia, dia efa intelo izy, fara fahakeliny, no saika hovonoin’ny Jiosy, tao anatin’ny andro vitsivitsy. (Asa. 21:27-36; 23:10, 12-15, 27) Mbola tsy nahafaty azy ny fahavalony hatreto, nefa nitady hirika foana izy ireo. Tsinjon’i Paoly fa mbola mety hatolotra eo am-pelatanan’izy ireo izy, ka hoy izy tamin’i Festosy, governora romanina: “Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!”—Asa. 25:11.

2 Nanohana an’izany fanapahan-kevitr’i Paoly ho any Roma izany ve i Jehovah? Zava-dehibe amintsika ny valin’izany, satria mitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno koa isika amin’izao andro farany izao. Tokony ho fantatsika raha azontsika tahafina ny nataon’i Paoly, rehefa ‘miaro ny vaovao tsara sy manamafy orina azy io araka ny lalàna’ isika.—Fil. 1:7.

‘Mijoro eto anoloan’ny fitsarana aho’ (Asa. 25:1-12)

3, 4. a) Nahoana ny Jiosy no nangataka ny hitondrana an’i Paoly tany Jerosalema, ary ahoana no tsy nahafaty an’i Paoly? b) Ahoana no anampian’i Jehovah ny mpanompony ankehitriny?

3 Nankany Jerosalema i Festosy, governoran’i Jodia, telo andro taorian’ny nandraisany fahefana. * Nihaino an’ireo lehiben’ny mpisorona sy lohandohany teo amin’ny Jiosy izy tany, tamin’izy ireo niampanga an’i Paoly ho nanao heloka bevava. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy nitandro fihavanana taminy sy tamin’ny Jiosy rehetra io governora romanina vaovao io. Hoy àry izy ireo tamin’i Festosy: Ento hotsaraina atỳ Jerosalema i Paoly. Nitetika ny hamono an’i Paoly teny an-dalana avy tany Kaisaria nankany Jerosalema anefa ireo fahavalo ireo. Tsy neken’i Festosy ny fangatahan’izy ireo. Hoy izy: ‘Aoka ireo lehibenareo hiara-midina amiko [any Kaisaria] hiampanga an-dralehilahy, raha nanao zavatra tsy nety izy.’ (Asa. 25:5) Tsy maty indray àry i Paoly teo.

4 Nanampy an’i Paoly tamin’ny alalan’i Jesosy foana i Jehovah, isaky ny niatrika fitsarana izy. Tsarovy fa efa nilaza taminy i Jesosy tao amin’ny fahitana hoe: “Mahereza!” (Asa. 23:11) Tojo fanakantsakanana sy fandrahonana koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Tsy miaro antsika amin’ny zava-manahirana rehetra i Jehovah, nefa manome antsika fahendrena sy hery hiaretana. Afaka miantehitra foana amin’ny “hery fanampiny” omen’ilay Andriamanitsika be fitiavana isika.—2 Kor. 4:7.

5. Ahoana no nitsaran’i Festosy an’i Paoly?

5 Rehefa afaka andro maromaro, dia “nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana” tany Kaisaria i Festosy. * Nijoro teo anatrehany i Paoly sy ireo mpiampanga azy. Tsy marim-pototra ny fiampangan’izy ireo, ka hoy i Paoly: “Tsy nanota tamin’ny Lalàn’ny Jiosy aho, na tamin’ny tempoly na tamin’i Kaisara.” Tsy nanan-tsiny ilay apostoly ka mendrika ny hafahana. Inona no ho fanapahan-kevitr’i Festosy? Nila sitraka tamin’ny Jiosy izy ka nanontany an’i Paoly hoe: “Tianao ve ny hiakatra ho any Jerosalema ka hotsaraina eo anatrehako ny amin’izany zavatra izany?” (Asa. 25:6-9) Hevitra adaladala re izany! Raha halefa hotsaraina any Jerosalema i Paoly, dia ireo mpiampanga azy no hitsara azy ka azo antoka fa ho faty izy. Nifidy ny hamadika ny rariny teo i Festosy, mba hiarovana ny sezany. Izany koa taloha no nataon’i Pontio Pilato Governora, tamin’izy nitsara olona ambony lavitra noho i Paoly. (Jaona 19:12-16) Mety hanolana ny rariny koa ny mpitsara ankehitriny, satria te hahazo sitraka amin’ny olona sasany. Tsy mahagaga àry raha mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny ny fitsarana, amin’ny raharaha mahakasika ny vahoakan’Andriamanitra.

6, 7. Nahoana i Paoly no nampakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara, ary inona no modely nomeny ho an’ny tena Kristianina ankehitriny?

6 Ny ain’i Paoly no notandindomin-doza rehefa nila sitraka tamin’ny Jiosy i Festosy. Nampiasa ny zony tamin’ny naha Romanina azy àry i Paoly, ka hoy izy tamin’i Festosy: “Mijoro eto anoloan’ny fitsaran’i Kaisara aho, ary eto no tokony hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy tamin’ny Jiosy aho, ary fantatrao tsara koa izany. ... Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” Raha vao nampakatra fitsarana ny Romanina iray, dia tsy azo nofoanana intsony izany matetika. Nanamafy izany ny tenin’i Festosy hoe: “Nampakarinao any amin’i Kaisara ny raharaha, ka dia ho any amin’i Kaisara tokoa ianao.” (Asa. 25:10-12) Nampakatra fitsarana i Paoly, ary modely ho an’ny tena Kristianina ankehitriny izany. Mitory any amin’ny fitsarana koa isika mba hiarovana ny vaovao tsara, rehefa “mitetika ny hanisy ratsy amin’ny alalan’ny lalàna” ny mpanohitra. *Sal. 94:20.

7 Navela hitondra ny raharaha tany Roma àry i Paoly, rehefa avy nigadra roa taona mahery noho ny heloka tsy nataony akory. Nisy manam-pahefana iray te hahita azy anefa talohan’ny nandehanany.

Mampakatra fitsarana isika raha resy

‘Tsy nanda aho, fa nankatò’ (Asa. 25:13–26:23)

8, 9. Inona no anton-dian’i Agripa Mpanjaka tany Kaisaria?

8 Andro vitsivitsy taorian’ny nilazan’i Paoly fa hampakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara izy, dia nitsidika an’i Festosy “ara-pomba fifanajana” i Agripa Mpanjaka sy Berenika anabaviny. * Fanaon’ny mpitondra ambony tamin’izany ny nitsidika an’izay governora vaovao. Lasa governora i Festosy ka niarahaba azy i Agripa. Te hanatsara ny fifandraisana angamba i Agripa, satria mety hisy hilana an’izany amin’ny hoavy.—Asa. 25:13.

9 Noresahin’i Festosy tamin’i Agripa Mpanjaka ny momba an’i Paoly ka te hihaino azy izy. Nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana izy roa lahy ny ampitson’iny. Nanaitra ny sain’ny olona ny fahefan’izy ireo sy ny fomba nanetriketrika nandraisana azy, nefa mbola nanaitra kokoa ny teny holazain’ilay voafonja teo anatrehan’izy ireo.—Asa. 25:22-27.

10, 11. Ahoana no nanajan’i Paoly an’i Agripa, ary inona avy no noresahiny rehefa nitantara ny fiainany tamin’i Agripa izy?

10 Nisaotra an’i Agripa tamim-panajana i Paoly, satria navela hiteny hiaro ny tenany teo anatrehany. Niaiky koa i Paoly fa mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy i Agripa. Hoy i Paoly, avy eo, rehefa nitantara ny fiainany: “Efa Fariseo aho, ka nanaraka ilay sekta hentitra indrindra tao amin’ny fivavahanay.” (Asa. 26:5) Efa Fariseo i Paoly ka nanantena fa ho avy ny Mesia. Kristianina kosa izy izao, ary sahy nilaza fa i Jesosy Kristy io Mesia nandrasana hatry ny ela io. Samy nino i Paoly sy ireo niampanga azy fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’ny razamben’izy ireo. Io finoana io no antony nitsarana an’i Paoly tamin’io andro io. Vao mainka liana tamin’izay holazain’i Paoly àry i Agripa. *

11 Nampahatsiahivin’i Paoly ny nampahoriany ny Kristianina, ka hoy izy: “Raha izaho aloha dia tena nihevitra aho tany anatiko tany fa tokony hanao zavatra maro hanoherana ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta. ... Satria tezitra mafy dia mafy [tamin’ny mpanara-dia an’i Kristy] aho, dia vitako hatramin’ny nanenjika azy tany amin’ny tanàna ivelany mihitsy aza.” (Asa. 26:9-11) Tsy nanitatra i Paoly rehefa nilaza izany, satria maro no nahalala fa nahery setra tamin’ny Kristianina izy. (Gal. 1:13, 23) Lasa saina angamba i Agripa hoe: ‘Inona no nampiova ny olona toa an’i Paoly?’

12, 13. a) Inona no nolazain’i Paoly rehefa nitantara ny niovany izy? b) Ahoana no nitsipahan’i Paoly “ny hazo fanindronana”?

12 Mamaly izany ny tenin’i Paoly manaraka. Hoy izy: “Nandeha ho any Damaskosy [aho] fa nahazo fahefana sy fanomezan-dalana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona, dia nahita hazavana teny an-dalana, tamin’ny mitataovovonana, ry mpanjaka ô, dia hazavana namirapiratra mihoatra noho ny masoandro. Nanjelanjelatra avy tany an-danitra ilay izy, ka nanodidina ahy sy izay niara-dia tamiko. Dia lavo tamin’ny tany daholo izahay rehetra, ary nandre feo aho nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo hoe: ‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao? Ianao ihany ange no ho voan’ny ataonao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana ianao e!’ Fa hoy aho: ‘Iza moa ianao, tompoko?’ Dia hoy ny Tompo: ‘Izaho no Jesosy izay enjehinao.’ ” *Asa. 26:12-15.

13 Toy ny hoe ‘nitsipaka ny hazo fanindronana’ i Paoly talohan’iny zava-nahagaga iny. Mandratra tena ny biby rehefa mitsipaka an’ilay tendrony maranitra amin’ny hazo fanindronana. Nanimba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra koa i Paoly satria nanohitra ny sitrapony. Niova anefa io olona tso-po diso lalana io, rehefa niseho taminy teny an-dalana ho any Damaskosy i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty.—Jaona 16:1, 2.

14, 15. Inona no nolazain’i Paoly momba ny fiovana nataony?

14 Niova tokoa i Paoly. Hoy izy tamin’i Agripa: ‘Tsy nanda aho, fa nankatò an’ilay fahitana avy tany an-danitra. Koa nankany amin’izay tany Damaskosy aho aloha, ary avy eo nankany amin’izay tany Jerosalema sy eran’ny faritr’i Jodia ary tany amin’ny firenen-kafa, nitondra ilay hafatra hoe tokony hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo ka hampiseho amin’ny ataony fa nibebaka.’ (Asa. 26:19, 20) Nanao an’ilay asa nampanaovin’i Jesosy azy i Paoly, nandritra ny taona maro. Inona no vokany? Nibebaka ireo nandray ny teny notoriny, ary niala tamin’ny fitondran-tena maloto sy ny fanaovana ny tsy marina, ka niverina tamin’Andriamanitra. Lasa olom-pirenena vanona izy ireny, ary nampirisika ny olona hanaja lalàna sy tsy hanakorontana.

15 Nitondra soa àry ny fitorian’i Paoly, saingy tsy nisy dikany tamin’ireo Jiosy nanohitra azy izany. Hoy i Paoly: “Izany no antony nisamboran’ny Jiosy ahy tao amin’ny tempoly ka saika namonoany ahy. Nahazo ny fanampian’Andriamanitra anefa aho, ka mbola mijoro ho vavolombelona mandraka androany, na amin’ny madinika na amin’ny lehibe.”—Asa. 26:21, 22.

16. Ahoana no anahafantsika an’i Paoly rehefa manazava ny finoantsika amin’ny mpitsara sy ny manam-pahefana isika?

16 “Vonona foana” hiaro ny finoany ny tena Kristianina. (1 Pet. 3:15) Rehefa manazava ny finoantsika amin’ny mpitsara sy ny manam-pahefana isika, dia tsara ny hanahafantsika an’izay nataon’i Paoly tamin’izy niteny teo anatrehan’i Agripa sy Festosy. Mety hanohina ny fon’izy ireny isika raha milaza amim-panajana fa nanatsara ny fiainantsika ny fahamarinana, sady nanatsara ny fiainan’ireo mandray ny hafatra torintsika.

“Ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao” (Asa. 26:24-32)

17. Ahoana no fihetsik’i Festosy rehefa nandre ny tenin’i Paoly, ary inona no mitovy amin’izany ankehitriny?

17 Sarotra tamin’ireo manam-pahefana roa lahy ireo ny tsy hihontsina tamin’ny teny naharesy lahatra nataon’i Paoly. Diniho izay nitranga: “Ary raha mbola nilaza izany i Paoly ho fiarovan-tenany, dia niantsoantso i Festosy hoe: ‘Lasa adala ianao, ry Paoly! Mahalasa adala anao ny fianarana be!’ ” (Asa. 26:24) Maro koa no manao toa an’i Festosy ankehitriny, ka mihevitra fa mafana fo tafahoatra ny olona mampianatra izay tena lazain’ny Baiboly. Matetika no sarotra amin’ny olon-kendrin’ity tontolo ity ny manaiky an’ilay fampianaran’ny Baiboly hoe mbola hitsangana ny maty.

18. Ahoana no navalin’i Paoly an’i Festosy? Inona no vokatr’izany teo amin’i Agripa?

18 Hoy anefa i Paoly tamin’ilay governora: “Tsy lasa adala aho akory, ry Festosy Governora hajaina ô, fa milaza tenin’ny fahamarinana sy tenin’olona misaina tsara. Mahalala tsara izany ny mpanjaka ka sahy miresaka aminy momba izany aho. ... Mino ny Mpaminany ve ianao, ry Agripa Mpanjaka? Fantatro fa mino ianao.” Hoy i Agripa: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” (Asa. 26:25-28) Tsy fantatra raha vokatry ny fo io teniny io na tsia. Hita eo anefa fa nisy vokany lalina tamin’ilay mpanjaka ny fitorian’i Paoly.

19. Inona no tsapan’i Festosy sy Agripa momba an’i Paoly?

19 Nitsangana i Agripa sy Festosy, ka nidika izany fa nifarana ny fitsarana. “Sady niala teo izy ireo no nifampiresaka hoe: ‘Tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty na hamatorana azy io lehilahy io.’ Hoy koa i Agripa tamin’i Festosy: ‘Raha tsy nampakatra ny raharaha any amin’i Kaisara izy, dia ho efa nafahana.’ ” (Asa. 26:31, 32) Fantatr’izy ireo fa tsy nanan-tsiny i Paoly. Nankasitrahan’izy ireo kokoa angamba ny Kristianina, nanomboka teo.

20. Inona no vokatry ny fitorian’i Paoly tamin’ny manam-pahefana?

20 Toa tsy nisy nanaiky ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo manam-pahefana ambony tao amin’iny tantara iny. Raha izany no izy, nisy nahatsara azy ve ny nisehoan’i Paoly teo anatrehan’izy ireo? Eny. Inona tokoa no vokany rehefa ‘nentina teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny governora’ tao Jodia i Paoly? (Lioka 21:12, 13) Afaka nitory tamin’ny manam-pahefana romanina izy. Tsy nisy afaka nitory tamin’izy ireny angamba, raha tsy izany. Nampahery an’ireo mpiray finoana taminy koa ny zavatra niainany sy ny tsy fivadihany.—Fil. 1:12-14.

21. Inona avy no vokatra tsara mety ho azontsika rehefa mitory foana isika?

21 Toy izany koa ankehitriny. Mitory foana isika na eo aza ny fitsapana sy ny fanoherana, ary misy vokany tsara izany. Ho afaka hitory amin’ny manam-pahefana angamba isika. Mety ho sarotra mantsy ny hahita fomba hafa hitoriana amin’izy ireny. Mampahery ny mpiray finoana amintsika koa isika rehefa miaritra sy tsy mivadika, hany ka vao mainka sahy mitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno izy ireo.

^ feh. 3 Jereo ilay efajoro hoe “ Porsio Festosy: Governora Romanina.”

^ feh. 5 Seza iray natao teo ambony sehatra ilay “toeram-pitsarana” resahina eto. Ambony toerana àry ilay mpitsara, ka noheverina fa tsy azo nivalozana sy tsy maintsy nohajaina ny didy navoakany. Nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana i Pilato tamin’izy nandinika an’ireo fiampangana an’i Jesosy.

^ feh. 8 Jereo ilay efajoro hoe “ Heroda Agripa II.”

^ feh. 10 Kristianina i Paoly ka nanaiky an’i Jesosy ho Mesia. Nihevitra an’i Paoly ho mpivadi-pinoana kosa ireo Jiosy nanda an’i Jesosy.—Asa. 21:21, 27, 28.

^ feh. 12 Nilaza i Paoly fa nandeha “tamin’ny mitataovovonana” izy. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Mahamay be amin’ny mitataovovonana ka niala sasatra ny mpanao dia lavitra, raha tsy hoe tena maika be angaha. Hita avy amin’izany fa tsy nitandro hasasarana i Paoly nanenjika ny Kristianina.”