Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 26

“Tsy Hisy Aminareo Hamoy ny Ainy”

“Tsy Hisy Aminareo Hamoy ny Ainy”

Hita fa tena nanam-pinoana sy be fitiavana i Paoly tamin’izy vaky sambo

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 27:1–28:10

1, 2. Inona no nampiavaka an’ity dian’i Paoly ity, ary inona no zavatra sasany nety ho nampanahy azy?

 TSY afaka tao an-tsain’i Paoly ilay tenin’i Festosy Governora hoe: “Ho any amin’i Kaisara tokoa ianao.” Tena hisy vokany eo amin’ny hoaviny mantsy izany. Efa roa taona i Paoly no tao am-ponja, ka mba hiova kely ny zavatra hitan’ny masony, mandritra ilay dia lavitra ho any Roma. (Asa. 25:12) Mamohafoha fahatsiarovana maro ao an-tsain’i Paoly anefa ny dia an-dranomasina, ankoatra ny tsiotsio-drivotra sy ny faravodilanitra mahafinaritra. Nety ho maro koa ny fanontaniana lehibe tonga tao an-tsainy, satria hotsaraina eo anatrehan’i Kaisara izy.

2 Imbetsaka i Paoly no “saika nahita loza tany an-dranomasina”, satria efa intelo vaky sambo izy, ary efa indray andro sy indray alina no teny an-dranomasina. (2 Kor. 11:25, 26) Tena tsy mitovy amin’ireo dia misionera nataony tamin’izy mbola olona afaka koa ity dia ity. Voafonja izy izao, ary lavitra be ilay dia avy tao Kaisaria nankany Roma, satria 3 000 kilaometatra mahery. Ho tody soa ve izy? Ary raha ho tody soa ihany izy, toy ny hoe nila loza ve izy nankany Roma? Tadidio fa ny mpitondra ambony indrindra teo amin’ny tontolon’i Satana tamin’izany no hitsara azy.

3. Tapa-kevitra ny hanao inona i Paoly, ary inona no hodinihintsika ato?

3 Rehefa avy namaky ny tantaran’i Paoly ianao, heverinao ve fa kivy sy namoy fo izy noho izay niandry azy? Tsy izany mihitsy! Fantany fa zava-tsarotra no miandry azy, nefa tsy tena fantany hoe inona. Tsy navelany hanamatroka an’ilay fifaliana tsapany amin’ny fanompoana, ny fanahiana momba ny zavatra tsy azony anoarana. (Mat. 6:27, 34) Fantatr’i Paoly fa tokony hanararaotra hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra foana izy, na dia amin’ny mpitondra fanjakana aza, satria izany no sitrapon’i Jehovah. (Asa. 9:15) Tapa-kevitra ny hanatanteraka an’ilay asa nanirahana azy izy, na inona na inona mitranga. Toy izany koa ve isika? Andao àry isika hiaraka amin’i Paoly amin’ity dia manan-tantara ity. Hodinihintsika hoe inona no soa raisintsika avy amin’ny ohatra navelany.

“Notoherin’ny rivotra izahay” (Asa. 27:1-7a)

4. Inona ilay sambo nandehanan’i Paoly, ary iza no niaraka taminy?

4 Nankinina tamin’ny manamboninahitra romanina iray atao hoe Jolio i Paoly sy ny gadra hafa. Nifidy ny handeha tamin’ny sambo iray tonga tao Kaisaria i Jolio. Avy taiza io sambo mpitondra entam-barotra io? Avy tany amin’ny seranan’i Adramytena, izay any amoron-tsiraka andrefan’i Azia Minora sady tandrifin’i Mitylena, tanàna any amin’ny Nosy Lesbos. Hianavaratra ilay sambo ary hiankandrefana avy eo, ka hijanona tsindraindray mba hametraka sy hampakatra entana. Tsy tena nety ho an’ny mpandeha ny sambo toy izany, indrindra ho an’ny voafonja. (Jereo ilay efajoro hoe “ Dia An-dranomasina.”) Maro ny mpanao heloka bevava nampiarahina tamin’i Paoly. Soa ihany fa nisy Kristianina roa, fara fahakeliny, niaraka taminy, dia i Aristarko sy Lioka. I Lioka no nanoratra an’ilay fitantarana. Tsy fantatsika raha samy nandoa ny saran-dalany ireo naman’i Paoly ireo, na nikarakara azy fotsiny.—Asa. 27:1, 2.

5. Afaka nihaona tamin’iza i Paoly tao Sidona, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

5 Nianavaratra ilay sambo ka nijanona tao Sidona, any amoron-tsirak’i Syria, rehefa avy namita 110 kilaometatra teo ho eo tao anatin’ny iray andro. Toa tsy nentin’i Jolio ho toy ny mpanao heloka bevava i Paoly, angamba noho izy Romanina mbola tsy voaheloka. (Asa. 22:27, 28; 26:31, 32) Navelany hidina an-tanety i Paoly mba hihaona tamin’ny mpiray finoana taminy. Azo inoana fa faly ireo rahalahy sy anabavy, satria afaka nikarakara an’ilay apostoly efa nigadra ela be. Ary ianao? Inona no toe-javatra azonao ampisehoana fa mahay mandray vahiny koa ianao? Hahazo fampaherezana ianao raha manao izany.—Asa. 27:3.

6-8. Nanao ahoana ny dian’i Paoly avy tao Sidona nankao Kinido, ary nanararaotra nitory tamin’iza avy izy?

6 Niala tao Sidona ilay sambo ka nanaraka ny morontsiraka, ary nandalo an’i Kilikia, tany akaikin’i Tarsosy, tanàna niavian’i Paoly. Tsy niresaka toeran-kafa nijanonan’izy ireo i Lioka, saingy nilaza zavatra nampanahy, dia ny hoe “notoherin’ny rivotra” izy ireo. (Asa. 27:4, 5) Azo inoana anefa fa nanararaotra nitory ny vaovao tsara foana i Paoly. Azo antoka fa nitoriany ny voafonja hafa sy ny olon-kafa tao an-tsambo, anisan’izany ny tantsambo sy ny miaramila ary ny olona teny amin’ny seranana nijanonan’ny sambo. Ary isika? Manararaotra mitory foana ve isika?

7 Tonga tao Myra, seranana any amoron-tsiraka atsimon’i Azia Minora, ilay sambo, tamin’ny farany. Tao dia tsy maintsy nifindra tamin’ny sambo nankany Roma i Paoly sy ny olona sasany, satria ny ho any Roma no anton-diany. (Asa. 27:6) I Ejipta no mpamatsy varimbazaha an’i Roma tamin’izany, ary nijanona tao Myra ny sambo ejipsianina mpitondra varimbazaha. Nahita sambo ho any Roma àry i Jolio, ka nasainy nifindra tao ireo miaramila sy voafonja. Toa lehibe noho ilay voalohany io sambo io. Nitondra varimbazaha sy olona 276 izy io: Tao ny tantsambo, miaramila, voafonja, ary angamba koa olon-kafa ho any Roma. Nihamaro àry ny olona azon’i Paoly nitoriana rehefa niova sambo izy, ary azo inoana fa nohararaotiny izany.

8 Taiza indray izy ireo no nijanona? Tao Kinido, eo amin’ny zorony atsimoandrefan’i Azia Minora. Vita iray andro teo ho eo ilay dia avy tao Myra nankao Kinido, raha tsara ny fitsokan’ny rivotra. Nilaza anefa i Lioka fa “nandeha niadana nandritra ny andro maromaro ilay sambo, ary sahirana vao tonga tao Kinido.” (Asa. 27:7a) Niharatsy ny toetrandro. (Jereo ilay efajoro hoe “ Ireo Rivotra Mitsoka any Amin’ny Ranomasina Mediterane.”) Eritrereto ny nanjo ny olona tao an-tsambo rehefa nisetra tafio-drivotra sy onja mahery ilay sambo.

“Natsipitsipin’ilay tafio-drivotra” (Asa. 27:7b-26)

9, 10. Inona no zava-tsarotra nitranga tany Kreta sy ny manodidina?

9 Nikasa hanohy ny dia miankandrefana ilay kapitenin-tsambo, avy teo Kinido. Hoy anefa i Lioka, izay nahita ny zava-nitranga: “Tsy namela anay handroso ny rivotra.” (Asa. 27:7b) Nanalavitra ny morontsiraka ilay sambo, ka tsy nanampy azy io intsony ny fikorianan’ny ranomasina teny amorony. Nanosika an’ilay sambo nianatsimo avy eo ny rivo-mahery avy any avaratrandrefana. Haingana be angamba no nanosehan’ny rivotra azy io. Teo aloha, dia niaro ny sambo tamin’ny rivotra ny Nosy Sipra, ary toy izany koa izao ny Nosy Kreta. Nihatsara kely ny dia rehefa avy nandalo an’i Salmona, teo amin’ny sisiny atsinanan’i Kreta, ilay sambo. Nandeha tany atsimon’i Kreta mantsy ilay sambo ka voaro kokoa tamin’ny rivo-mahery. Izay vao mba tonitony ireo tao an-tsambo! Mbola natahotra anefa ny tantsambo, satria efa akaiky ny ririnina, nefa mbola teny an-dranomasina izy ireo.

10 Marina ilay tenin’i Lioka hoe: “Sahirana izahay vao afaka nanara-morona [an’i Kreta], ary tonga teo amin’ny seranana atao hoe Seranana Kanto.” Sarotra ny nitondra an’ilay sambo, na dia efa voaron’ilay nosy aza izy ireo. Nahita helodranomasina kely azo nijanonana izy ireo tamin’ny farany. Misy mihevitra fa teo no niolaka nianavaratra ny morontsiraka. Hafiriana izy ireo no nijanona teo? Elaela, satria “efa lasa be ny fotoana”, hoy i Lioka. Tsy azo nivalamparana anefa ny fotoana, satria vao mainka nampidi-doza ny nandeha sambo rehefa Septambra sy Oktobra.—Asa. 27:8, 9.

11. Inona no torohevitra nomen’i Paoly, nefa inona no fanapahan-kevitra noraisina?

11 Nila hevitra tamin’i Paoly angamba ny mpandeha sasany, noho izy efa mpandeha sambo tao Mediterane. Nilaza izy fa tsy tokony handeha intsony ilay sambo, satria hiteraka “fahasimbana sy fahavoazana be” izany, ary angamba hisy maty mihitsy. Te hanohy ny dia anefa ny mpitondra sambo sy ny tompon-tsambo, satria toa nihevitra fa nilaina maika ny nitady toerana azo antoka kokoa. Noresen’izy ireo lahatra handeha i Jolio. Nihevitra ny ankamaroan’ny olona fa tsara ny mankany Foiniksa, izay seranana tao Kreta ihany saingy mbola lavitra. Lehibe sy tsara kokoa angamba io seranana io, ka azo nijanonana nandritra ny ririnina. Toa nalefaka ny fitsokan’ny rivotra avy tany atsimo, ka nandeha ihany izy ireo.—Asa. 27:10-13.

12. Inona avy ny loza nananontanona an’ilay sambo rehefa nandao an’i Kreta, ary inona no nataon’ny tantsambo mba hisorohana ny loza?

12 Vao mainka sarotra ny dia, avy eo, satria nisy “rivo-mahery” avy any avaratratsinanana. Niaro kely azy ireo ny “nosy kely atao hoe Kaoda”, izay 65 kilaometatra eo ho eo avy teo amin’ny Seranana Kanto. Mbola natahorana hianatsimo anefa ilay sambo, ka nahina hidona amin’ny dongom-pasika any akaikin’ny morontsirak’i Afrika. Te hisoroka an’izany ireo tantsambo, ka naka an’ilay lakan-kely notaritin’ilay sambo. Feno rano angamba ilay izy ka sahirana be izy ireo. Niezaka namatotra ny fanambanin’ny sambo tamin’ny tady na rojo izy ireo avy eo, mba tsy hahavaky ny sambo, ary nampidininy ireo tady nihazona ny lay. Niezaka mafy izy ireo nitondra an’ilay sambo nisetra an’ilay tafio-drivotra. Mbola “natsipitsipin’ilay tafio-drivotra” ihany anefa ilay sambo. Eritrereto ange ny tebitebin’ireo mpandeha e! Nanary ny fitaovan’ilay sambo izy ireo tamin’ny andro fahatelo, angamba mba hampitsingevana kokoa an’ilay sambo.—Asa. 27:14-19.

13. Nanao ahoana ny fiainana teny ambony sambo nandritra ilay tafio-drivotra?

13 Azo inoana fa nihorohoro ny rehetra! Tsy nanary toky anefa i Paoly sy ny namany. Efa nanome toky an’i Paoly mantsy ny Tompo fa hitory any Roma izy, ary nohamafisin’ny anjely izany tatỳ aoriana. (Asa. 19:21; 23:11) Tsy niato mihitsy ilay rivo-mahery, nandritra ny tapa-bolana. Tsy tazana ny masoandro sy ny kintana noho ny oram-be sy ny rahona matevina, ka tsy fantatr’ilay mpitondra sambo hoe taiza izy ireo ary nankaiza. Na ny nisakafo aza tsy vita intsony. Ahoana moa no mbola hieritreretana sakafo, nefa efa mafy ny hatsiaka sy ny orana sy ny tsy fahazakana sambo ary ny tahotra?

14, 15. a) Nahoana no nampahatsiahivin’i Paoly ilay fampitandremana nomeny? b) Inona no ianarantsika avy amin’ilay hafatra mahavelom-panantenana nolazain’i Paoly?

14 Nitsangana i Paoly, ary nampahatsiahy an’ilay fampitandremana nomeny. Tsy nilaza anefa izy hoe: ‘Io àry ilay efa nolazaiko!’ Noporofoin’ny zava-nitranga kosa fa tokony ho narahina ny teniny. Hoy izy avy eo: “Manoro hevitra anareo aho mba tsy ho kivy, satria tsy hisy aminareo hamoy ny ainy, fa ny sambo ihany no hafoy.” (Asa. 27:21, 22) Tena nampahery ny olona izany teny izany! Azo inoana fa faly be koa i Paoly satria afaka nilaza an’izany hafatra nahavelom-panantenana avy amin’i Jehovah izany. Tadidio fa tena misy vidiny amin’i Jehovah ny ain’ny tsirairay, ary sarobidy aminy ny olona tsirairay. Hoy ny apostoly Petera: ‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.’ (2 Pet. 3:9) Tokony hotorintsika amin’ny olona maro araka izay azo atao àry ny hafatra mahavelom-panantenana avy amin’i Jehovah. Tena maika ny asa fitoriana, satria aina no vonjena.

15 Azo inoana fa maro tamin’ireo tao an-tsambo no efa nitorian’i Paoly momba ‘ny fanantenana an’ilay fampanantenana nataon’Andriamanitra.’ (Asa. 26:6; Kol. 1:5) Toa efa ho rendrika izao ilay sambo, ka afaka nilaza antony tokony hananana fanantenana i Paoly. Hoy izy: ‘Nisy anjely nitsangana teo anilako halina, ka nanao hoe: “Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy mijoro eo anatrehan’i Kaisara ianao. Tsara fanahy Andriamanitra ka hitsimbina ny ain’izay rehetra miara-dia aminao ato an-tsambo.” ’ Nampirisika azy ireo i Paoly hoe: “Koa mahereza! Mino an’Andriamanitra aho ka fantatro fa ho tanteraka tokoa izay nolazainy tamiko. Tsy maintsy hidona amin’ny nosy iray anefa isika.”—Asa. 27:23-26.

‘Tonga soa aman-tsara teny an-tanety ny rehetra’ (Asa. 27:27-44)

‘Nisaotra an’Andriamanitra teo anatrehan’ny rehetra izy.’​—Asan’ny Apostoly 27:35

16, 17. a) Inona no toe-javatra nohararaotin’i Paoly mba hivavahana, ary inona no vokany? b) Ahoana no nahatanterahan’ilay tenin’i Paoly?

16 Nentin’ny rivotra ilay sambo nandritra ilay tapa-bolana nampitebiteby, ary nahavita 870 kilaometatra teo ho eo. Toa nandre dobok’onja anefa ireo tantsambo avy eo. Nalatsak’izy ireo àry ny vatofantsika teo amin’ny vodisambo, mba tsy hoentin’ny rano ilay sambo. Amin’izay koa dia ho afaka hitodika any an-tanety ny lohan-tsambo, sao mba afaka hiantsona ihany. Saika handositra ireo tantsambo tamin’izay, saingy nosakanan’ny miaramila. Hoy i Paoly tamin’ilay manamboninahitra sy ny miaramila: “Raha tsy mijanona ato an-tsambo ireo olona ireo, dia tsy ho voavonjy ianareo.” Tsy dia nihetsika intsony izao ilay sambo, ka nampirisihin’i Paoly hihinan-kanina ny rehetra, ary nomeny toky indray fa tsy ho faty izy ireo. “Nisaotra an’Andriamanitra teo anatrehan’ny rehetra” izy avy eo. (Asa. 27:31, 35) Modely ho an’i Lioka sy Aristarko ary ho an’ny Kristianina ankehitriny ilay vavaka fisaorana nataony. Mampahery sy mampionona ny hafa koa ve ny vavaka ampahibemaso ataonao?

17 Rehefa avy nivavaka i Paoly, dia “nihanahery ny rehetra ka nihinan-kanina.” (Asa. 27:36) Nanarian’izy ireo koa ny varimbazaha tao an-tsambo, mba ho maivana ilay sambo ka hitsingevana kokoa rehefa manatona ny morona. Rehefa maraina ny andro, dia notapahin’ireo tantsambo ny vatofantsika sy ny tady namatotra ny fivoy familiana teo amin’ny vodisambo, ary nampiakariny ny lay anoloana mba ho mora kokoa ny hampidona an’ilay sambo amin’ny tany. Nidona tamin’ny dongom-pasika, na fotaka, angamba ny lohan’ilay sambo avy eo, fa ny vodisambo kosa novakivakin’ny onja. Te hamono an’ireo voafonja ny miaramila sasany mba tsy hisy handositra, nefa tsy nanaiky i Jolio. Nasainy nilomano na nanao izay tsy hampilentika azy ny rehetra. Tanteraka ilay tenin’i Paoly hoe tsy hisy ho faty izy 276. ‘Tonga soa aman-tsara teny an-tanety ny rehetra.’ Taiza anefa io tany nisy azy ireo io?—Asa. 27:44.

“Tena tia olona” sy “tsara fanahy” (Asa. 28:1-10)

18-20. Ahoana no nampisehoan’ny mponin’i Malta fa “tena tia olona” sy “tsara fanahy” izy ireo? Inona no fahagagana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Paoly?

18 Tody tao amin’ny nosy iray izy 276, ary fantatra fa i Malta any atsimon’i Sisila izy io. (Jereo ilay efajoro hoe “ Aiza no Misy An’i Malta?”) Hafa fiteny ny mponina tao. “Tena tia olona” sy “tsara fanahy” izy ireo, ka nandrehitra afo mba hanafana an’ireo vahiny kotsa sy nangovitra ireo, satria nangatsiaka sy nanorana ny andro. (Asa. 28:2) Nisy fahagagana nitranga koa noho io afo io.

19 Te hanampy i Paoly ka nanangona kitay, ary nandroso izany tao anaty afo. Nisy bibilava misy poizina anefa nivoaka avy tao, ka nanaikitra azy, ary niraikitra tamin’ny tanany. Nihevitra ireo mponin’i Malta fa sazy avy amin’Andriamanitra izany. *

20 Hitan’ny olona tao hoe nokaikerin’ilay bibilava i Paoly, ka nihevitra izy ireo fa “hivonto” izy. Milaza ny boky iray fa “teny fampiasa amin’ny fitsaboana” ilay teny grika nampiasain’i Lioka teo. Tsy mahagaga raha teny toy izany no tonga voalohany tao an-tsain’i “Lioka dokotera malala.” (Asa. 28:6; Kol. 4:14) Nakifik’i Paoly anefa ilay bibilava ary tsy naninona izy.

21. a) Manomeza ohatra mampiseho fa marina tsara ny fitantaran’i Lioka. b) Inona no fahagagana nataon’i Paoly, ary inona no vokatr’izany tamin’ny mponin’i Malta?

21 Nipetraka tao amin’ilay faritra i Poplio, lehilahy mpanankarena sady nanan-tany. Izy angamba no lehiben’ny miaramila romanina tao Malta. Nilaza i Lioka fa “lehiben’ilay nosy” i Poplio. Io anaram-boninahitra io mihitsy no ao amin’ireo soratra tranainy roa hitan’ny mpikaroka tao Malta. Nampiantrano an’i Paoly sy ny namany nandritra ny telo andro i Poplio. Narary anefa ny rainy. Marina sy voafaritra tsara ny teny nilazan’i Lioka an’ilay aretina. Hoy izy: “Teo am-pandriana [ilay lehilahy] fa nanavy sady nivalan-dra.” Nivavaka sy nametra-tanana taminy i Paoly ka sitrana izy. Gaga ny mponina tao, ka nitondra marary hafa mba hositranina. Nitondra fanomezana ho an-dry Paoly izy ireo ka nahazo izay nilainy ry Paoly.—Asa. 28:7-10.

22. a) Ahoana no nideran’ny manam-pahaizana iray ny fitantaran’i Lioka an’ilay dia nankany Roma? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?

22 Marina tsara ilay fitantarana ny dian’i Paoly nodinihintsika hatreto. Hoy ny manam-pahaizana iray: ‘Iray amin’ireo fitantarana mazava sy amin’ny an-tsipiriany indrindra ao amin’ny Baiboly, ilay fitantaran’i Lioka. Marina tsara ireo tsipiriany nolazainy momba ny fahaiza-mitondra sambo tamin’ny taonjato voalohany sy ny toetrandro tany amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane.’ Tsy maintsy ho avy tamin’ny olona nandrakitra an-tsoratra an’izay nitranga io fitantarana io. Azo inoana fa nandray an-tsoratra i Lioka tamin’izy niaraka tamin’i Paoly. Raha izany no izy, dia nanan-javatra maro hosoratana izy momba an’ilay tapany farany amin’ilay dia. Inona no hitranga rehefa tonga any Roma i Paoly? Andeha hodinihintsika izany.

^ feh. 19 Nisy bibilava misy poizina tao Malta tamin’izany, matoa fantatry ny mponina tao io karazana bibilava io. Tsy misy azy io intsony any izao. Angamba izany vokatry ny fiovan’ny tontolo iainana nandritra ny taonjato maro, na koa lany tamingana ilay izy noho ny fitomboan’ny mponina.