Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 3

Asan’ny Apostoly 10:1–12:25

‘Nandray ny Tenin’Andriamanitra Ireo Hafa Firenena’

‘Nandray ny Tenin’Andriamanitra Ireo Hafa Firenena’

ASAN’NY APOSTOLY 11:1

Vonona hitory ny vaovao tsara amin’ny hafa firenena tsy voafora ve ireo Jiosy mpanara-dia an’i Jesosy? Ho hitantsika ato amin’ity fizarana ity fa nampiova ny fon’ny Kristianina ny fanahin’i Jehovah, ka tsy nitsara an-tendrony ny hafa firenena intsony izy ireo. Tena nandrisika azy ireo hitory any amin’ny firenena rehetra izany.