Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 10

‘Niroborobo Hatrany ny Tenin’i Jehovah’

‘Niroborobo Hatrany ny Tenin’i Jehovah’

Nafahana tao am-ponja i Petera, ary niely foana ny vaovao tsara na teo aza ny fanenjehana

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 12:1-25

1-4. Inona no nanjo an’i Petera? Inona no ho tsapanao raha ianao no Petera?

 INJAY fa nikaratoka mafy tao aorian’i Petera ilay vavahady vy lehibe. Mifatotra rojo vy eo anelanelan’ny mpiambina roa izy, ary entina mankao amin’ny efitra higadrany. Ora maro, na andro maro angamba, no niandrasany tao mandra-pilaza taminy an’izay hatao aminy. Rindrin’ny fonja, bara vy, rojo vy, ary ireo niambina azy no hany mba hitany.

2 Vaovao ratsy no ren’i Petera: Tapa-kevitra ny hamono azy ny mpanjaka, dia i Heroda Agripa I. * Haseho vahoaka i Petera aorian’ny Paska, ary hovonoina mba hampifaliana ny vahoaka. Tsy resaka fotsiny izany, satria vao tsy ela io mpanjaka io no namono ny apostoly Jakoba.

3 Harivariva ny andro, ary ny ampitso i Petera no hovonoina. Inona no tao an-tsainy, tao amin’ilay efitra maizimaizina nisy azy? Tsaroany ve fa niteny taminy i Jesosy taona vitsivitsy lasa hoe hofatorana izy indray andro any, ka hoentina tsy satry any amin’izay hamonoana azy? (Jaona 21:18, 19) Nihevitra angamba i Petera hoe tonga ity ilay fotoana.

4 Inona no ho tsapanao raha ianao no Petera? Maro no ho kivy, ka hihevitra fa tsy misy azo antenaina intsony. Misy tokoa ve ny toe-javatra mahatonga ny mpanara-dia an’i Kristy ho very fanantenana tanteraka? Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’i Petera sy ny Kristianina hafa rehefa nisy fanenjehana? Andeha hojerentsika izany.

“Naharitra nivavaka mafy” izy ireo (Asa. 12:1-5)

5, 6. a) Nahoana i Heroda Agripa I no nampijaly ny fiangonana kristianina, ary inona no nataony? b) Nahoana no fitsapana ho an’ny fiangonana ny nahafatesan’i Jakoba?

5 Noresahin’ny toko teo aloha fa lasa Kristianina i Kornelio sy ny fianakaviany. Niavaka teo amin’ny tantaran’ny fiangonana kristianina ny niovan’ireo hafa firenena ireo. Sosotra anefa ireo Jiosy tsy Kristianina rehefa nahalala hoe Kristianina jiosy maro no niara-nivavaka tamin’ny tsy Jiosy.

6 Mpanao politika tena fetsy i Heroda ka nanararaotra izany mba hilana sitraka tamin’ny Jiosy. Nanomboka nampijaly ny Kristianina àry izy. Reny angamba fa olona tena akaiky an’i Jesosy ny apostoly Jakoba. “Novonoiny tamin’ny sabatra [àry] i Jakoba, rahalahin’i Jaona.” (Asa. 12:2) Tena fitsapana ho an’ny fiangonana izany! Anisan’ireo telo lahy nahita an’i Jesosy niova tarehy i Jakoba, sady nanatri-maso ny fahagagana sasany tsy hitan’ny apostoly hafa. (Mat. 17:1, 2; Mar. 5:37-42) Tena nafana fo i Jakoba sy Jaona rahalahiny, ka nantsoin’i Jesosy hoe “Zanaky ny Varatra.” (Mar. 3:17) Namoy vavolombelona be herim-po sy tsy nivadika àry ny fiangonana, sady namoy apostoly tena tiany.

7, 8. Inona no nataon’ny fiangonana rehefa nogadraina i Petera?

7 Nahafaly ny Jiosy ny namonoana an’i Jakoba, araka ny nantenain’i Agripa. Vao mainka nandrisika azy hamono an’i Petera izany. Hitantsika tetsy am-piandohana fa nasainy nosamborina i Petera. Tsaroan’i Agripa angamba anefa fa tsy nahavita nihazona an’ireo apostoly ny fonja, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-5. Nasainy nofatorana rojo vy teo anelanelan’ny mpiambina roa àry i Petera. Mpiambina 16 no nifandimby niambina azy andro aman’alina. Tsy hahita hirika handosirana mihitsy i Petera amin’izay. Hiharan’ny sazy tokony hampiharina amin’i Petera ireo mpiambina ireo raha tafavoaka i Petera. Inona no azon’ny mpiray finoana natao, tao anatin’izany zava-tsarotra izany?

8 Nahafantatra tsara ny tokony hatao ny fiangonana. Hoy ny Asan’ny Apostoly 12:5: “Koa notanana am-ponja i Petera, fa ny fiangonana kosa naharitra nivavaka mafy tamin’Andriamanitra ho azy.” Nivavaka mafy tamin’ny fony manontolo ho an’ilay rahalahy malalany izy ireo. Tsy nampamoy fo azy ireo ny nahafatesan’i Jakoba, ary tsy nahatonga azy ireo hihevitra hoe tsy tena misy heriny ny vavaka. Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny vavaka. Hamaly vavaka izy raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany. (Heb. 13:18, 19; Jak. 5:16) Misy zava-dehibe azon’ny Kristianina ianarana avy amin’izany.

9. Inona no ianarantsika momba ny vavaka, raha jerena izay nataon’ny mpiray finoana tamin’i Petera?

9 Misy mpiray finoana ve fantatrao hoe miaritra ny mafy? Enjehina ve izy ireo? Sa voarara ny asa fitoriana any aminy? Sa tra-boina izy? Nahoana raha mivavaka amin’ny fo manontolo ho azy ireo? Tsy dia miharihary angamba ny zava-manahirana ny sasany, anisan’izany ny olana ara-pianakaviana, fahakiviana, na zavatra hafa misedra finoana. Raha eritreretinao mialoha ny vavaka hataonao, dia mety hahita anarana maromaro horesahina amin’i Jehovah “Mpihaino vavaka” ianao. (Sal. 65:2) Ilainao koa ange ny vavak’ireo rahalahy sy anabavy raha tojo zava-tsarotra ianao e!

Mivavaka ho an’ireo rahalahintsika migadra noho ny finoany isika

“Araho aho” (Asa. 12:6-11)

10, 11. Tantarao izay nataon’ny anjely mba hanafahana an’i Petera tao am-ponja.

10 Nanahy momba izay hanjo azy ve i Petera? Tsy tena fantatsika ny amin’izany. Natory be teo anelanelan’ny mpiambina roa mailo dia mailo izy, tamin’io alina farany naha tao am-ponja azy io. Fantatr’io lehilahy nanam-pinoana io fa na inona na inona hitranga ny ampitso, dia tsy nisy natahorany satria eo i Jehovah. (Rom. 14:7, 8) Na ahoana na ahoana, dia tsy azony an-tsaina mihitsy ny fahagagana hitranga tsy ho ela. Nisy hazavana nanjelanjelatra tampoka tao amin’ilay efitra nisy azy. Nisy anjely nijoro teo, ka nofohaziny haingana i Petera. Tsy nahita azy io ny mpiambina. Nilatsaka ho azy ny rojo vy namatotra ny tanany, na dia toa tsy ho azo tapahina mihitsy aza!

‘Tonga teo amin’ilay vavahady vy mankao an-tanàna izy ireo. Dia nisokatra ho azy ilay vavahady mba handehanany.’​—Asan’ny Apostoly 12:10

11 Nanome baiko fohy sy mazava an’i Petera ilay anjely. Hoy izy: “Mitsangàna haingana! ... Misikìna ary afatory ny kapanao. ... Anaovy ny akanjonao ivelany.” Nankatò avy hatrany i Petera. Hoy ilay anjely avy eo: “Araho aho”, ary nanaraka azy i Petera. Niala tao amin’ilay efitra figadrana izy ireo, nandalo an’ireo mpiambina teo ivelany, ary nitsaitsaika nanatona an’ilay vavahady vy lehibe. Ahoana izao no hivoahana eo? Vetivety i Petera dia nahazo ny valiny raha niserana tao an-tsainy io fanontaniana io. “Nisokatra ho azy” mantsy ilay varavarana rehefa nanatona izy ireo. Tsy hitahita akory dia efa tafavoaka an’ilay vavahady izy ireo, ary nanaraka lalana iray. Nanjavona ilay anjely avy eo, ka i Petera sisa no teo. Teo izy vao tonga saina fa hay tena izy ilay izy fa tsy fahitana. Afaka izy!—Asa. 12:7-11.

12. Nahoana no mampahery ny mieritreritra ny namonjen’i Jehovah an’i Petera?

12 Tsy mampahery ve ny mieritreritra hoe tsy voafetra ny hery amonjen’i Jehovah ny mpanompony? Mpanjaka notohanan’ny fitondrana natanjaka indrindra tamin’izany no nanao am-ponja an’i Petera. Nivoaka fotsiny avy tao am-ponja anefa izy! Tsy ny mpanompon’i Jehovah rehetra no anaovany fahagagana toy izany. Tsy nanao fahagagana hanafahana an’i Jakoba, ohatra, izy. Tsy nanao toy izany tamin’i Petera koa izy tatỳ aoriana, rehefa tanteraka ilay tenin’i Jesosy taminy. Tsy manantena hafahana amin’ny fomba mahagaga ny Kristianina ankehitriny. Tsarovy anefa fa tsy miova i Jehovah. (Mal. 3:6) Tsy ho ela izy dia hampiasa ny Zanany mba hanafaka olona an-tapitrisany voagejan’ny fahafatesana, izay toy ny fonja tsy mamela mahazo. (Jaona 5:28, 29) Tena mampahery antsika izany fampanantenana izany rehefa miatrika fitsapana isika.

‘Nahita azy izy ireo ka gaga’ (Asa. 12:12-17)

13-15. a) Ahoana no fihetsiky ny fiangonana tao an-tranon’i Maria rehefa tonga i Petera? b) Inona indray izao no tantarain’ny Asan’ny Apostoly? Inona foana no nataon’i Petera ho an’ireo rahalahiny sy anabaviny kristianina?

13 Nijoro teo amin’ilay lalana maizina i Petera, ary nieritreritra izay haleha. Nahita hevitra izy avy eo. Nipetraka tsy lavitra teo mantsy ny vehivavy kristianina iray atao hoe Maria. Efa maty vady izy io, ary azo lazaina hoe nanan-karena, satria nanana trano lehibe azon’ny fiangonana nivoriana. Zanany i Jaona Marka, ary eto no iresahana voalohany an’i Marka, ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Lasa toy ny zanak’i Petera mihitsy izy, tatỳ aoriana. (1 Pet. 5:13) Efa alina be ny andro, nefa mbola nivavaka mafy tao an-tranon’i Maria ny Kristianina maro anisan’io fiangonana io. Azo antoka fa nivavaka izy ireo mba hanafahana an’i Petera. Tsy nampoizin’izy ireo anefa ny namalian’i Jehovah an’ilay vavaka!

14 Nandondòna teo amin’ilay vavahady nankeo amin’ny tokotany teo anoloan’ny trano i Petera. Nankeny am-bavahady ny mpanompovavy iray atao hoe Roda. Be mpanana io anarana grika io, ary midika hoe “Raozy.” Toy ny nanonofy izy nandre ny feon’i Petera! Tsy novohany ny vavahady, fa navelany nijoro tao ivelany tao i Petera. Faly be izy nihazakazaka nankany an-trano. Nezahiny noresena lahatra ny fiangonana hoe i Petera no tao. Nilaza izy ireo fa lasa adala i Roda, nefa vao mainka izy nanizingizina fa i Petera mihitsy no tao. Nanaiky ihany ny sasany, saingy nilaza fa anjely nisolo tena an’i Petera angamba no tao. (Asa. 12:12-15) Nandondòna tao foana i Petera mandra-pamohan’izy ireo ny vavahady.

15 “Nahita azy” tao am-bavahady izy ireo ka “gaga”! (Asa. 12:16) Horakoraka re izao! Tsy maintsy nampangina azy ireo i Petera mba hitantarany izay nitranga. Nasain’i Petera nolazain’izy ireo tamin’i Jakoba mpianatra sy ny rahalahy hafa izany, ary niala tao izy avy eo mba tsy ho tratran’ny miaramilan’i Heroda. Nanohy ny fanompoany tany amin’ny toerana azo antoka kokoa i Petera avy eo, ary tsy nivadika mihitsy. Tsy miresaka momba azy intsony ny Asan’ny Apostoly raha tsy any amin’ny toko faha-15. Anisan’ny nandamina an’ilay adihevitra momba ny famorana izy tamin’izay. Ny fitorian’ny apostoly Paoly sy ny dia nataony indray izao no tantarain’ny Asan’ny Apostoly. Matoky anefa isika fa nampahery an’ireo rahalahiny sy anabaviny i Petera, tany amin’izay nalehany. Marina fa nandao an’ireo olona tao an-tranon’i Maria i Petera, nefa faly izy ireo.

16. Nahoana no azo antoka fa ho maro ny zavatra hahafaly amin’ny hoavy?

16 Manao zavatra mihoatra noho izay antenain’ny mpanompony i Jehovah indraindray, ka dibo-kafaliana izy ireo. Izany no tsapan’ireo mpiray finoana tamin’i Petera, tamin’iny alina iny. Izany koa indraindray no tsapantsika, rehefa tena mitahy antsika i Jehovah. (Ohab. 10:22) Amin’ny hoavy, dia ho hitantsika ho tanteraka maneran-tany ny zava-drehetra nampanantenain’i Jehovah. Tena ho tsara lavitra noho izay eritreretintsika ny zavatra hisy amin’izay. Afaka manantena àry isika fa ho be ny zavatra hahafinaritra antsika amin’ny hoavy, raha tsy mivadika isika.

“Namely an’i Heroda ny anjelin’i Jehovah” (Asa. 12:18-25)

17, 18. Inona no nahatonga an’i Heroda hodokafan’ny olona?

17 Gaga koa i Heroda nandre hoe tafavoaka i Petera. Tsy nahafaly an’i Heroda izany. Nampanao savahao avy hatrany izy, ary nofotopotorana ireo mpiambina. “Nentina hosazina” izy ireo, ary azo inoana fa novonoina. (Asa. 12:19) Mpanjaka tsy namindra fo sy tsy niantra i Heroda Agripa. Mbola handray ny valin’asany ve io lehilahy tsy mifaditrovana io?

18 Mety ho nahatsiaro ho afa-baraka i Agripa rehefa tsy nahavita namono an’i Petera. Nionona ihany anefa ny fony tsy ela taorian’izay, satria voatery namitram-pihavanana taminy ny fahavalony sasany, ary azo inoana fa may erỳ izy hikabary teo anoloan’ny vahoaka maro be. Nilaza i Lioka fa “nanao akanjona mpanjaka i Heroda” rehefa niomana hikabary. Nilaza i Josèphe mpahay tantara jiosy fa vita tamin’ny volafotsy ilay akanjo nanaovan’i Heroda. Namirapiratra sy nanjelatra àry ilay mpanjaka rehefa notarafin’ny hazavana. Nikabary, avy eo, ilay mpanjaka nanambony tena, ka niantsoantso ny vahoaka sady nandoka azy hoe: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!”—Asa. 12:20-22.

19, 20. a) Nahoana no nosazin’i Jehovah i Heroda? b) Nahoana no mampahery antsika ny tantara momba ny nahafatesan’i Heroda Agripa?

19 Voninahitra tokony ho an’Andriamanitra izany, ary nahita izay nitranga Izy. Afaka nisoroka loza i Heroda, satria azony nahitsy ny tenin’ny vahoaka na, fara faharatsiny, nolaviny. Hita tamin’i Heroda anefa ny fahamarinan’ity ohabolana ity: “Ny fireharehana mialoha ny fahalavoana.” (Ohab. 16:18) “Teo no ho eo ihany, dia namely an’i Heroda ny anjelin’i Jehovah”, ka maty tamin’ny fomba nahatsiravina io mpanjaka nirehareha sy tia tena io. “Lanin’ny kankana izy, ka tapitra ny ainy.” (Asa. 12:23) Araka ny filazan’i Josèphe, dia tampoka io nanjo an’i Agripa io, ary takatr’ilay mpanjaka fa ny nanekeny ny fandokafan’ny olona no nahafaty azy. Nilaza i Josèphe fa nijalijaly dimy andro i Agripa vao maty. *

20 Toa afa-maina fotsiny ny mpanao ratsy indraindray. Tsy tokony hahagaga antsika izany, satria ‘izao tontolo izao manontolo eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Sahiran-tsaina indraindray ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika, rehefa toa afa-maina fotsiny ny mpanao ratsy. Mampahery antsika àry ny tantara toa an’io nanjo an’i Heroda io. Nanao zavatra mantsy i Jehovah, ka mampahatsiahy antsika mpanompony rehetra izany fa tia rariny izy. (Sal. 33:5) Tsy maintsy handresy ny rariny, na ho ela na ho haingana.

21. Inona no tena resahin’ny Asan’ny Apostoly toko faha​-12? Nahoana izany no mety hampahery antsika?

21 Izao no faran’ilay tantara: “Niroborobo sy niely hatrany ... ny tenin’i Jehovah.” (Asa. 12:24) Vao mainka mampahery antsika izany! Mety hampahatsiaro antsika ny fomba itahian’i Jehovah ny fitoriana ankehitriny, io fitantarana momba ny fandrosoan’ny asa fitoriana io. Tsy ny nahafatesan’ny apostoly iray sy ny nanafahana apostoly iray hafa no tena resahin’ny Asan’ny Apostoly toko faha​-12, fa ny momba an’i Jehovah sy izay nataony mba hampandamòka ny tetik’i Satana, izay nikasa handrava ny fiangonana kristianina sy hampitsahatra ny fitorian’ireo mpitory be zotom-po. Tsy nahomby ireo tetik’i Satana ireo, ary tsy hahomby daholo koa ny tetika rehetra toy izany. (Isaia 54:17) Asa iray hahomby foana kosa no ataon’ireo miandany amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Tsy mampahery ve izany? Voninahitra ho antsika ny mandray anjara amin’ny fampielezana “ny tenin’i Jehovah” ankehitriny!

^ feh. 2 Jereo ilay efajoro hoe  “Heroda Agripa I.”

^ feh. 19 Nanoratra ny dokotera iray fa mahafaty ny kankana rehefa manentsina tsinay, ary mety ho izany ireo soritr’aretina voalazan’i Josèphe sy Lioka. Mivoaka any amin’ny vava ny kankana toy izany indraindray, na mivoaka amin’ny vatan’ilay olona rehefa maty izy. Hoy ny boky iray: ‘Dokotera i Lioka ary marina tsara ny zavatra nosoratany, ka tena hita hoe nahatsiravina tokoa ny fomba nahafatesan’i Heroda.’