Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 9

“Tsy Mijery Tavan’olona Andriamanitra”

“Tsy Mijery Tavan’olona Andriamanitra”

Nanomboka nitory tamin’ny hafa firenena tsy voafora ny Kristianina

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 10:1–11:30

1-3. Inona no fahitana hitan’i Petera, ary nahoana isika no mila mahatakatra ny dikany?

 FARARANON’NY taona 36 tamin’izay. Nahazo masoandro tsara i Petera ka nafana erỳ tamin’izy nivavaka tao an-tampon’ny trano iray teo amoron-dranomasina, tao Jopa. Efa andro vitsivitsy izy izao no nivahiny tao amin’io trano io. Azo lazaina hoe tsy nitsara olona an-tendrony izy, matoa tsy nampaninona azy ny nipetraka tao amin’i Simona mpanao hoditra. Tsy ny Jiosy rehetra mantsy no hiara-mipetraka amin’olona toy izany. a Tsy ho ela anefa dia ho takatr’i Petera tsara fa tsy mizaha tavan’olona i Jehovah.

2 Nahita fahitana i Petera tamin’izy nivavaka. Tsy maintsy ho sahiran-tsaina izay Jiosy nahita an’io fahitana io. Nisy zavatra toy ny lamba, nidina avy tany an-danitra, ary biby nambaran’ny Lalàna ho maloto no tao. Nilazana i Petera hoe vonoy ka hano. Hoy anefa izy: “Mbola tsy nihinan-javatra maloto sy tsy madio mihitsy aho.” Tsy indray mandeha fa intelo i Petera no nilazana hoe: “Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.” (Asa. 10:14-16) Very hevitra i Petera, nefa tsy ela dia azony ny dikany.

3 Inona no dikan’ilay fahitana? Zava-dehibe ny hahatakarantsika ny dikany, satria fahamarinana lalina no raketin’izy io, dia ny fomba fihevitr’i Jehovah ny olona. Tsy afaka hitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno isika, raha tsy mitovy amin’ny an’Andriamanitra ny fomba fihevitsika ny olona. Andeha hodinihintsika ireo zava-nitranga tamin’iny fotoana iny, mba hahatakarantsika ny dikan’ilay fahitana.

“Nitalaho tsy tapaka tamin’Andriamanitra” (Asa. 10:1-8)

4, 5. Iza moa i Kornelio, ary inona no nitranga tamin’izy nivavaka?

4 Tsy fantatr’i Petera ny zava-nitranga omalin’iny. Nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra koa ny lehilahy iray tany Kaisaria, izay 50 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Jopa. Kornelio no anaran-dralehilahy, ary “mpivavaka be” izy. Manamboninahitra tao amin’ny tafika romanina izy. b Raim-pianakaviana fakan-tahaka koa izy, satria “natahotra an’Andriamanitra izy sy ny ankohonany manontolo.” Tsy mpanaraka ny Fivavahana Jiosy izy, fa hafa firenena tsy voafora. Niantra an’ireo Jiosy sahirana anefa izy, ka nanome fanampiana. “Nitalaho tsy tapaka tamin’Andriamanitra” io lehilahy tso-po io.​—Asa. 10:2.

5 Nahita fahitana i Kornelio tamin’izy nivavaka, tamin’ny telo tolakandro teo ho eo, ka nilazan’ny anjely iray hoe: “Efa nohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataonao, ary hitany koa ny fiantranao ny mahantra, ka tsy hadinony izany.” (Asa. 10:4) Nandefa olona haka an’i Petera i Kornelio, araka izay nasain’ilay anjely nataony. Nadiva hisantatra zava-baovao mbola tsy azon’ny hafa firenena tsy voafora mihitsy i Kornelio, satria efa handray ny vaovao tsara hahazoana famonjena izy.

6, 7. a) Mamaly ny vavaky ny olona tso-po te hahafantatra ny marina momba azy Andriamanitra. Manomeza ohatra. b) Inona no azo tsoahana avy amin’izany?

6 Olona tso-po maro ankehitriny no mivavaka mba hahalala ny marina momba an’Andriamanitra. Mamaly ny vavak’izy ireny ve Andriamanitra? Diniho izao: Nandray gazety Tilikambo Fiambenana niresaka momba ny fitaizan-janaka ny ramatoa iray any Albania. c Hoy izy tamin’ilay Vavolombelona tonga teo am-baravarany: “Gaga angamba ianao raha ilazako fa vao nivavaka tamin’Andriamanitra mihitsy aho mba hanampiany ahy hitaiza ny zanako vavy, dia nirahiny hankatỳ ianao. Tena tao amin’ny nilako azy mihitsy ny zavatra noresahinao!” Nianatra àry izy sy ny zanany, ary nianatra koa tatỳ aoriana ny vadin’ilay ramatoa.

7 Maningana ve izany? Tsia! Imbetsaka no nitrangan’izany maneran-tany ka tsy azo lazaina hoe kisendrasendra fotsiny. Inona àry no azo tsoahana avy amin’izany? Voalohany, mamaly ny vavaky ny olona tso-po mitady azy i Jehovah. (1 Mpanj. 8:41-43; Sal. 65:2) Faharoa, manampy antsika eo amin’ny asa fitoriana ny anjely.​—Apok. 14:6, 7.

“Sahiran-tsaina i Petera” (Asa. 10:9-23a)

8, 9. Inona no nampahafantarin’ny fanahy masina an’i Petera, ary ahoana no nataony?

8 Mbola tao an-tampon-trano i Petera, ary “sahiran-tsaina” momba ny dikan’ilay fahitana. Tamin’izay no tonga teo amin’ilay trano ireo olona nirahin’i Kornelio. (Asa. 10:17) Tsarovy fa intelo i Petera no nilaza fa tsy hihinana sakafo nambaran’ny Lalàna ho maloto. Ho vonona hiaraka amin’ireo lehilahy ireo ve izy, ka hiditra any an-tranon’ny hafa firenena? Nampiasain’i Jehovah ny fanahy masina mba hampahafantarana ny sitrapony. Izao àry no nolazaina tamin’i Petera: “Misy telo lahy mitady anao ireo! Koa mitsangàna dia midìna, ary aza misalasala mihitsy fa mandehana miaraka aminy, satria izaho no naniraka an-dry zareo.” (Asa. 10:19, 20) Azo inoana fa nanomana an’i Petera hanaiky ny fitarihan’ny fanahy masina ilay fahitana.

9 Rehefa fantatr’i Petera fa Andriamanitra no nilaza tamin’i Kornelio mba hampaka azy, dia nampandrosoiny ‘hivahiny tao aminy’ ireo hafa firenena ireo. (Asa. 10:23a) Efa nahitsin’io apostoly nankatò io sahady ny fisainany, mba hifanaraka amin’ny zava-baovao fantany momba ny fanatanterahan’Andriamanitra ny sitrapony.

10. Ahoana no ampahafantaran’i Jehovah ny fikasany, ary inona avy no fanontaniana tokony hosaintsainintsika?

10 Hatramin’izao andro izao, dia ataon’i Jehovah mahafantatra tsikelikely ny fikasany ny vahoakany. (Ohab. 4:18) Manome ny fanahy masina izy mba hitarika an’ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Mahazo fanazavana vaovao momba ny Baiboly isika indraindray, ary mety hiova ny fomba anaovana ny zavatra sasany eo anivon’ny fandaminana. Saintsaino àry izao: ‘Ahoana no ataoko rehefa misy fanatsarana toy izany? Manaiky ny fitarihan’ny fanahy masina ve aho?’

‘Nasain’i Petera natao batisa izy ireo’ (Asa. 10:23b-48)

11, 12. Inona no nataon’i Petera rehefa tonga tany Kaisaria, ary inona no takany?

11 Ny ampitson’ny nahitan’i Petera an’ilay fahitana, dia niainga ho any Kaisaria izy sy ny olona sivy, izay tsy iza fa ireo olona telo nirahin’i Kornelio sy “rahalahy [jiosy] enina” avy tao Jopa. (Asa. 11:12) Efa niandry an’i Petera i Kornelio ka novoriny “ny havany sy ny namany akaiky”, izay hafa firenena daholo angamba. (Asa. 10:24) Tonga i Petera, ary zavatra tsy noeritreretiny hatao mihitsy no nataony: Niditra tao an-tranon’ny hafa firenena tsy voafora izy! Hoy izy: “Fantatrareo tsara fa tsy azon’ny Jiosy atao ny mifanerasera amin’ny hafa firenena na ny manatona azy. Nasehon’Andriamanitra tamiko anefa fa tsy tokony hiantso olona hoe maloto na tsy madio aho.” (Asa. 10:28) Takatr’i Petera àry hoe tsy resaka karazan-tsakafo azo hanina fotsiny no tiana hambara tamin’ilay fahitana, fa midika koa hoe tsy tokony “hiantso olona hoe maloto” izy, na dia hafa firenena aza ilay olona.

“Efa niandry azy ireo tokoa i Kornelio, ary efa namory ny havany sy ny namany akaiky.”​—Asan’ny Apostoly 10:24

12 Vonona hihaino an’i Petera ireo olona niandry azy. Hoy i Kornelio: “Ireto daholo izahay eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino an’izay rehetra nasain’i Jehovah lazainao aminay.” (Asa. 10:33) Ahoana no ho fihetseham-ponao raha miteny toy izany aminao ny olona liana? Izao no voalohan-tenin’i Petera: “Azoko tsara amin’izay izao fa tsy mijery tavan’olona Andriamanitra, fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.” (Asa. 10:34, 35) Takatr’i Petera fa tsy ny firazanan’ny olona na ny fireneny na zavatra hafa etỳ ivelany no itsaran’Andriamanitra ny olona. Nohazavain’i Petera avy eo ny fanompoan’i Jesosy sy ny nahafatesany ary ny nananganana azy tamin’ny maty.

13, 14. a) Nahoana no misy heviny manokana ny hoe niova ho Kristianina i Kornelio sy ny hafa firenena toa azy, tamin’ny taona 36? b) Nahoana isika no tsy tokony hitsara ivelany?

13 “Raha mbola teo am-piresahana an’izany i Petera”, dia nilatsaka tamin’ny “hafa firenena” ny fanahy masina. (Asa. 10:44, 45) Sambany no nilatsaka tamin’olona mbola tsy vita batisa ny fanahy masina, ary eo ihany ny Soratra Masina no miresaka zavatra toy izany. Mariky ny fankasitrahan’Andriamanitra izany tamin’i Petera, ka “nasainy natao batisa” ireo hafa firenena ireo. (Asa. 10:48) Rehefa niova ho Kristianina ireo hafa firenena ireo tamin’ny taona 36, dia nifarana ilay fe-potoana nanehoana fankasitrahana manokana an’ireo Jiosy. (Dan. 9:24-27) Tamin’io i Petera no nampiasa an’ilay lakile fahatelo sady farany tamin’ireo ‘lakilen’ny Fanjakana.’ (Mat. 16:19) Afaka ny ho tonga Kristianina voahosotry ny fanahy ny hafa firenena tsy voafora, rehefa nampiasaina io lakile io.

14 Fantatsika fa “tsy mijery tavan’olona Andriamanitra.” (Rom. 2:11) Sitrapony “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra.” (1 Tim. 2:4) Tsy tokony hitsara ivelany àry isika. Nirahina hitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno isika. Tafiditra amin’izany ny fitoriana amin’ny olona rehetra, na inona na inona firazanany, fireneny, fivavahany, na fitafiany.

‘Tsy nanohitra intsony izy ireo ka nanome voninahitra an’Andriamanitra’ (Asa. 11:1-18)

15, 16. Nahoana no nifanditra tamin’i Petera ny Kristianina jiosy sasany, ary inona no fanazavana nomeny?

15 May hitantara izay nitranga angamba i Petera ka nankany Jerosalema. Toa mbola tsy tonga tany akory izy dia efa ren’ny tany hoe “nanaiky ny tenin’Andriamanitra” ny hafa firenena tsy voafora. “Nanakiana azy ny mpomba ny famorana”, taoriana kelin’ny nahatongavany. “Niditra tao an-tranon’ny tsy mifora [i Petera] sady niara-nisakafo taminy”, ka sahiran-tsaina izy ireo. (Asa. 11:1-3) Afaka ny ho lasa mpanara-dia an’i Kristy ve ny hafa firenena? Tsy izany no niadian-kevitra teto. Nanizingizina kosa ireo mpianatra jiosy fa tsy heken’i Jehovah hanompo azy ny hafa firenena raha tsy mitandrina ny Lalàna, anisan’izany ny famorana. Sarotra tamin’ny mpianatra jiosy sasany ny nanaiky hoe tsy nanan-kery intsony ny Lalàn’i Mosesy.

16 Inona no fanazavana nomen’i Petera? Nanome ireto porofo efatra ireto izy mba hampisehoana fa nisy fitarihan’i Jehovah tao, araka ny Asan’ny Apostoly 11:4-16: 1) Ilay fahitana azony avy tamin’Andriamanitra (Andininy 4-10); 2) ilay didy avy tamin’ny fanahy masina (Andininy 11, 12); 3) ilay anjely niseho tamin’i Kornelio (Andininy 13, 14); ary 4) ny nandatsahana ny fanahy masina tamin’ny hafa firenena. (Andininy 15, 16) Tena mampieritreritra ny teny famaranany. Hoy izy: “Nomen’Andriamanitra fanomezana maimaim-poana [fanahy masina] isika [Jiosy] satria nino an’i Jesosy Kristy Tompo. Koa raha nomen’Andriamanitra an’izany fanomezana izany koa izy ireo [hafa firenena lasa mpino], dia iza moa aho no hahasakana an’Andriamanitra?”​—Asa. 11:17.

17, 18. a) Nahoana no fitsapana ho an’ireo Kristianina jiosy ilay fanazavan’i Petera? b) Nahoana no sarotra ny miaro ny firaisan-tsain’ny fiangonana, ary inona avy no fanontaniana tokony hosaintsainintsika?

17 Fitsapana ho an’ireo Kristianina jiosy ilay fanazavan’i Petera. Ho vitan’izy ireo ve ny tsy hitsara an-tendrony intsony, ka handray an’ireo hafa firenena vao vita batisa ireo ho Kristianina? Hoy ny tohin’ny tantara: “Rehefa naheno an’izany izy ireo [ny apostoly sy Kristianina jiosy hafa], dia tsy nanohitra intsony. Nanome voninahitra an’Andriamanitra kosa izy ireo, ka niteny hoe: ‘Hay ve ka tian’Andriamanitra hibebaka koa ny hafa firenena mba hahazoan’izy ireo fiainana e!’” (Asa. 11:18) Niaro ny firaisan-tsain’ny fiangonana izany toe-tsaina tsara izany.

18 Mety ho sarotra koa ankehitriny ny miray saina foana, satria avy amin’ny “firenena sy foko sy firazanana ary fiteny rehetra” ny vahoakan’i Jehovah. (Apok. 7:9) Samy hafa firazanana sy kolontsaina ary fiaviana ny olona eo anivon’ny fiangonana maro. Tsara raha mandini-tena isika hoe: ‘Efa foana ato am-poko ve ny fitsarana olona an-tendrony? Miady mafy ve aho mba tsy hisy vokany eo amin’ny fifandraisako amin’ireo rahalahiko kristianina ny toe-tsain’izao tontolo izao mampisaratsaraka, toy ny fanavakavahana sy ny fanindrahindrana ny fireneko sy ny foko misy ahy ary ny kolontsaiko?’ Tsarovy izay nanjo an’i Petera (Kefasy), taona maromaro taorian’ny niovan’ny hafa firenena ho Kristianina. Voataonan’ny hafa hitsara an-tendrony izy, ka “niala” fa tsy niaraka tamin’ireo Kristianina hafa firenena. Tsy maintsy nanitsy azy i Paoly, noho izany. (Gal. 2:11-14) Tokony hitandrina foana àry isika mba tsy hitsara an-tendrony.

“Be dia be no lasa mpino” (Asa. 11:19-26a)

19. Nanomboka nitory tamin’iza ireo Kristianina jiosy tany Antiokia, ary inona no vokany?

19 Nanomboka nitory tamin’ny hafa firenena tsy voafora ve ireo mpanara-dia an’i Jesosy? Mariho izay nitranga tatỳ aoriana, tany Antiokia any Syria. d Be Jiosy tao, nefa tsy dia nifankahala ny Jiosy sy ny hafa firenena. Faritany nety tsara mba hitoriana tamin’ny hafa firenena àry i Antiokia. Tao ny mpianatra jiosy sasany no nanomboka nitory ny vaovao tsara tamin’ny “olona miteny grika.” (Asa. 11:20) Tsy ny Jiosy niteny grika ihany no nitoriana fa ny hafa firenena tsy voafora koa. Nitahy ny asa i Jehovah ka “be dia be no lasa mpino.”​—Asa. 11:21.

20, 21. Inona no mampiseho fa nanetry tena i Barnabasy, ary ahoana no anahafantsika azy eo amin’ny fanompoana?

20 Nandefa an’i Barnabasy tany Antiokia ny fiangonana tao Jerosalema, mba hikarakara an’io saha nahavokatra io. Be loatra ny olona liana ka tsy vitany irery ny nanampy azy ireny. Iza àry no tena ho afaka hanampy? I Saoly, izay ho tonga apostolin’ny hafa firenena. (Asa. 9:15; Rom. 1:5) Hatahotra ve i Barnabasy sao hisongona azy i Saoly? Tsia. Nanetry tena kosa izy, ka izy mihitsy no nankany Tarsosy mba hitady an’i Saoly, ary nitondra azy ho any Antiokia mba hanampy azy. Herintaona no nanampian’izy roa lahy ny fiangonan’i Antiokia.​—Asa. 11:22-26a.

21 Ahoana no ampisehoantsika fa manetry tena isika eo amin’ny fanompoana? Mila miaiky isika fa voafetra ihany ny vitantsika. Tsy mitovy ny zavatra haintsika sy manavanana antsika. Mahay mametraka boky sy gazety, ohatra, ny sasany, saingy sarotra aminy ny miverina mitsidika, na manomboka fampianarana Baiboly. Raha misy lafiny tianao hohatsaraina amin’ny fanompoanao, nahoana raha mangataka fanampiana? Mety hahita vokatra kokoa ianao raha manao izany, ary ho be kokoa ny fifalianao eo amin’ny fanompoana.​—1 Kor. 9:26.

“Handefa fanampiana ... ho an’ireo rahalahy” (Asa. 11:26b-30)

22, 23. Inona no mampiseho fa tia ny rahalahiny ireo Kristianina tany Antiokia, ary ahoana no anahafantsika azy ireo?

22 Tany Antiokia no “niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina, noho ny fitarihan’Andriamanitra.” (Asa. 11:26b) Tena mety ho an’ireo mpanara-dia an’i Kristy io anarana ankasitrahan’Andriamanitra io. Toy ny mpirahalahy tokoa ve ny Jiosy sy ny hafa firenena lasa Kristianina? Diniho izay nitranga rehefa nisy mosary lehibe tamin’ny taona 46 tany ho any. e Ny mahantra no tena nitondra faisana tamin’ny mosary, satria sady tsy nanam-bola izy ireo no tsy nanana tahirin-tsakafo. Nila fanampiana àry ireo Kristianina jiosy tany Jodia, nandritra ilay mosary, satria toa nahantra ny ankamaroany. Fantatr’ireo rahalahy tany Antiokia izany, ka nandefa “fanampiana ... ho an’ireo rahalahy nipetraka tany Jodia” izy ireo, anisan’izany ireo Kristianina hafa firenena. (Asa. 11:29) Izany ka tena fitiavan-drahalahy!

23 Manao toy izany koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Miezaka manampy isika rehefa fantatsika fa mila fanampiana ny rahalahintsika any an-tany hafa na ao amin’ny faritra misy antsika. Tsy miandry ela ny Komitin’ny Sampana fa manangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba hikarakarana an’ireo rahalahy tra-boina vokatry ny rivo-doza, horohoron-tany, tondra-drano, sy ny toy izany. Hita amin’izany fa mpirahalahy tokoa isika.​—Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 3:17.

24. Ahoana no ampisehoantsika fa zava-dehibe amintsika ny dikan’ilay fahitana hitan’i Petera?

24 Zava-dehibe amin’ny tena Kristianina ny hevitr’ilay fahitana hitan’i Petera tao an-tampon’ilay trano tany Jopa, 1 900 taona mahery izay. Tsy mijery tavan’olona ilay Andriamanitra ivavahantsika. Tiany hitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno isika. Tafiditra amin’izany ny fitoriana amin’ny olona rehetra, na inona na inona firazanany na fireneny, ary na mahantra izy na manankarena. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hitory ny vaovao tsara amin’izay rehetra maniry hihaino.​—Rom. 10:11-13.

Miezaka manampy isika rehefa mila fanampiana ny rahalahintsika

a Nataon’ny Jiosy sasany tsinontsinona ny mpanao hoditra satria mikirakira hodi-biby sy fatim-biby, ary maharikoriko ireo akora hafa ampiasainy. Noheverina ho tsy mendrika hankao amin’ny tempoly ny mpanao hoditra. Tsy tokony ho latsaka ny 50 hakiho, na 22 metatra, miala ny tanàna koa ny toerana iasany. Izany angamba no nahatonga ny tranon’i Simona ho teo “amoron-dranomasina.”​—Asa. 10:6.

b Jereo ilay efajoro hoe “ Kornelio sy ny Tafika Romanina.”

d Jereo ilay efajoro hoe “ Antiokia any Syria”, pejy 73.

e Milaza i Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa tamin’ny fotoana nitondran’i Klaodio Mpanjaka (taona 41-54) no nisian’io “mosary lehibe” io.