Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 5

“Andriamanitra no Mpitondra Anay ka Izy no Tsy Maintsy Ankatoavinay”

“Andriamanitra no Mpitondra Anay ka Izy no Tsy Maintsy Ankatoavinay”

Nanome modely ho an’ny tena Kristianina rehetra ny apostoly

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 5:12–6:7

1-3. a) Nahoana ny apostoly no notsaraina, ary inona ilay raharaha raha tsorina? b) Nahoana no mahaliana antsika izay nataon’ny apostoly?

 NIHAROMOTRY ny hatezerana ireo mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy! Notsaraina tao mantsy ny apostolin’i Jesosy. Fa nahoana? Hentitra ny tenin’i Josefa Kaiafa, mpisoronabe sady filohan’ny Fitsarana Avo: “Efa noraranay mafy ianareo tsy hampianatra intsony amin’izany anarana izany.” Tezitra izy, ary na ny anaran’i Jesosy aza tsy tiany hotononina akory. Hoy izy: “Nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema, ary tapa-kevitra ianareo ny hanao anay ho tompon’andraikitra amin’ny ran’izany lehilahy izany.” (Asa. 5:28) Mazava ny tiany holazaina: Aza mitory intsony, raha tsy te hahita!

2 Ahoana no hataon’ny apostoly? I Jesosy, izay nomen’Andriamanitra fahefana, no naniraka azy ireo hitory. (Mat. 28:18-20) Hatahotra olona ve izy ireo ka hangina, sa hisikina herim-po ka hitory foana? Raha tsorina, dia hoe: Andriamanitra sa olona no hankatoavin’izy ireo? Avy hatrany i Petera dia nisolo tena ny apostoly rehetra, ka niteny tamim-pahasahiana, ary hentitra ny teniny.

3 Tena Kristianina isika, ka mahaliana antsika izay nataon’ny apostoly rehefa norahonan’ny Fitsarana Avo izy ireo. Nirahin’Andriamanitra hitory koa isika, ary mety ho tojo fanoherana. (Mat. 10:22) Mety hametra na handrara ny asantsika ny mpanohitra. Ahoana no hataontsika? Handray soa isika rehefa mandinika izay nataon’ny apostoly sy izay nahatonga azy ireo hotsaraina tany amin’ny Fitsarana Avo. *

‘Nosokafan’ny anjelin’i Jehovah ny varavarana’ (Asa. 5:12-21a)

4, 5. Nahoana no “velom-pialonana” i Kaiafa sy ny Sadoseo?

4 Tsarovy fa rehefa norarana tsy hitory intsony i Petera sy Jaona tamin’ny voalohany, dia namaly hoe: “Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” (Asa. 4:20) Mbola nitory tao amin’ny tempoly i Petera sy Jaona ary ny apostoly hafa, taorian’io fifanatrehana tamin’ny Fitsarana Avo io. Nanao famantarana lehibe ny apostoly, anisan’izany ny fanasitranana ny marary sy ny famoahana demonia. “Teo amin’ny lala-mitafon’i Solomona” no nanaovan’izy ireo izany. Teo amin’ny ilany atsinanan’ny tempoly no nisy azy io, ary Jiosy maro no nivory teo. Nahagaga fa na ny alok’i Petera fotsiny aza dia efa nahasitrana! Nandray tsara ny Tenin’Andriamanitra ny olona maro sitrana tamin’ny aretiny, ka “niampy hatrany ireo nino ny Tompo, ary maro be izy ireny, na lahy na vavy.”—Asa. 5:12-15.

5 “Velom-pialonana” i Kaiafa sy ny Sadoseo, izany hoe ilay sekta nisy azy, ka nataon’izy ireo am-ponja ny apostoly. (Asa. 5:17, 18) Tezitra be izy ireo satria nilaza ny apostoly fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty anefa ny Sadoseo. Nilaza koa ny apostoly fa izay mino an’i Jesosy ihany no hovonjena. Natahoran’ny Sadoseo hamaly faty anefa ny Romanina, raha i Jesosy no eken’ny vahoaka ho Mpitarika. (Jaona 11:48) Tsy mahagaga raha nanao izay ho afany ny Sadoseo mba tsy hitorian’ny apostoly intsony.

6. Iza ankehitriny no tena manao izay hanenjehana antsika, ary nahoana izany no tsy tokony hahagaga?

6 Olona mpivavaka koa ankehitriny no tena manao izay hanenjehana antsika. Matetika izy ireny no mampirisika ny manam-pahefana sy ny fampitam-baovao mba hampitsahatra ny fitoriantsika. Tokony hahagaga ve izany? Tsia! Mamaky bantsilana ny fivavahan-diso ny hafatra torintsika. Manafaka ny olona tso-po tsy ho andevon’ny finoana sy fanao tsy araka ny Soratra Masina ny fahamarinana. (Jaona 8:32) Matetika àry no velom-pialonana sy mankahala antsika ny mpitondra fivavahana, noho ny hafatra torintsika.

7, 8. Inona no vokatry ny baikon’ilay anjely teo amin’ireo apostoly, ary inona no fanontaniana tsara saintsainintsika?

7 Tao am-ponja ny apostoly teo am-piandrasana ny fitsarana azy. Nanontany tena angamba izy ireo raha ho faty maritiora na tsia. (Mat. 24:9) Nisy zavatra tena tsy nampoizina anefa ny alin’iny: ‘Nosokafan’ny anjelin’i Jehovah ny varavaran’ny fonja.’ * (Asa. 5:19) Izao no toromarik’ilay anjely, avy eo: “Mijoroa ao amin’ny tempoly, ary aza mitsahatra mitory.” (Asa. 5:20) Azo inoana fa nanome toky an’ireo apostoly io baiko io hoe nety ny nataony. Ny tenin’ilay anjely koa angamba no nampahery azy ireo tsy hihemotra mihitsy, na inon-kidona na inon-kihatra. Nanana finoana matanjaka sy be herim-po izy ireo, ka “niditra vao maraina be tao amin’ny tempoly”, ary “nampianatra.”—Asa. 5:21.

8 Saintsaino àry izao: ‘Hanana finoana matanjaka sy ho be herim-po ve aho ka hitory foana, raha tojo toe-javatra toy izany?’ Asa tena lehibe no ataontsika, dia ny ‘fitoriana amin’ny fomba feno momba ny fanjakan’Andriamanitra.’ Mampahery ny mahalala fa ampian’ny anjely sy tarihiny isika eo am-panaovana izany.—Asa. 28:23, f.a.p.; Apok. 14:6, 7.

“Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona” (Asa. 5:21b-33)

“Dia nentiny ireo apostoly, ka nampijoroany tao amin’ny tranon’ny Fitsarana Avo Jiosy.”​—Asan’ny Apostoly 5:27

9-11. Ahoana no nataon’ny apostoly rehefa norarana tsy hitory intsony izy ireo, ary nahoana izany no modely ho an’ny tena Kristianina?

9 Vonona hitsara an’ireo apostoly izao i Kaiafa sy ireo mpitsara hafa tao amin’ny Fitsarana Avo. Tsy nahafantatra an’izay nitranga tao am-ponja ny fitsarana, ka nandefa mpiambina haka an’ireo voafonja. Eritrereto ny fahatairan’ireo mpiambina rehefa hitany fa tsy tao ireo voafonja, na dia ‘nihidy mafy tsara [aza] ny fonja, ary nijoro teo am-baravarana ireo mpiambina.’ (Asa. 5:23) Tsy ela ilay lehiben’ny mpiambina ny tempoly dia nahalala fa niverina tao amin’ny tempoly indray ireo apostoly, ka mitory momba an’i Jesosy Kristy, nefa izany indrindra no nampidirana am-ponja azy ireo. Nandeha haingana tany amin’ny tempoly ilay lehibe sy ireo mpiambina mba haka an’ireo voafonja, sy hitondra azy ireo any amin’ny Fitsarana Avo.

10 Hitantsika teo am-piandohan’ity toko ity fa nilaza mazava ireo mpitondra fivavahana tezitra ireo hoe tsy tokony hitory intsony ny apostoly. Ahoana no nataon’ny apostoly? Sahy namaly toy izao i Petera, mpitondra tenin’izy ireo: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.” (Asa. 5:29) Nanome modely ho an’ny tena Kristianina rehetra àry ny apostoly. Tsy tokony hankatoavina intsony ny mpitondra, rehefa mandrara ny zavatra takin’Andriamanitra, na mitaky zavatra raran’Andriamanitra. Andriamanitra no naniraka antsika hitory ny vaovao tsara, ka tsy hampitsahatra izany isika na dia raran’ny “manam-pahefana” aza. (Rom. 13:1) Hitory ny Fanjakan’Andriamanitra foana isika, saingy hitady fomba tsy miharihary loatra.

11 Tsy nahagaga raha romotry ny hatezerana ireo mpitsara, noho ny teny feno fahasahiana nolazain’ny apostoly. Tapa-kevitra ny ‘hamono’ ny apostoly izy ireo. (Asa. 5:33) Toa tsy maintsy ho faty maritiora ireo vavolombelona sahy sy be zotom-po ireo. Hisy mpiaro anefa izy ireo, ary olona tsy noeritreretiny mihitsy!

“Tsy ho vitanareo ny handrava azy” (Asa. 5:34-42)

12, 13. a) Inona no torohevitra nomen’i Gamaliela an’ireo mpiara-miasa taminy, ary ahoana no nataon’izy ireo? b) Inona no mety hataon’i Jehovah mba hiarovana ny vahoakany ankehitriny? Inona no azontsika antoka raha avelany ‘hijaly noho ny fahamarinana’ isika?

12 Nandray fitenenana i Gamaliela, “mpampiana-dalàna nohajain’ny rehetra.” * Nanaja azy tsara ny mpiara-miasa taminy noho ny fahefana nananany. “Nasainy navoaka vetivety” mihitsy aza ny apostoly. (Asa. 5:34) Efa nisy fikomiana, hoy izy, tamin’ny lasa, nefa rava maina ireny rehefa maty ny mpitarika azy. Nampirisihin’i Gamaliela àry ny fitsarana mba hanam-paharetana sy hilefitra amin’ny apostoly. Vao tsy ela rahateo no maty i Jesosy mpitarika azy ireo. Naharesy lahatra ilay tenin’i Gamaliela hoe: “Aza mitsabaka amin’izay ataon’ireo lehilahy ireo, fa avelao izy—raha avy amin’olombelona mantsy izao fikasana na asa izao, dia ho rava, fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho vitanareo ny handrava azy—sao dia ho lasa mpiady amin’Andriamanitra ianareo.” (Asa. 5:38, 39) Nanaiky ny toroheviny ireo mpitsara. Nasain’izy ireo nokapohina anefa ny apostoly ary norarany “tsy hiteny tamin’ny anaran’i Jesosy intsony.”—Asa. 5:40.

13 Mety hampiasa olona ambony toa an’i Gamaliela koa i Jehovah ankehitriny, mba hiarovana ny vahoakany. (Ohab. 21:1) Afaka mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hahatonga ny mpitondra, na ny mpitsara, na ny mpanao lalàna, hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony. (Neh. 2:4-8) Zavatra roa anefa no azo antoka, raha avelany ‘hijaly noho ny fahamarinana’ isika. (1 Pet. 3:14) Voalohany, afaka manome antsika hery mba hiaretana Andriamanitra. (1 Kor. 10:13) Faharoa, ‘tsy hahavita handrava’ ny asan’Andriamanitra ny mpanohitra.—Isaia 54:17.

14, 15. a) Nisy vokany teo amin’ny apostoly ve ny kapoka, ary nahoana? b) Mitantarà zava-nitranga mampiseho fa miaritra amim-pifaliana ny vahoakan’i Jehovah.

14 Nanaiky lembenana na nampihena ny zotom-pony ve ny apostoly rehefa nokapohina? Tsia. “Niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo, sady faly.” (Asa. 5:41) Nahoana izy ireo no faly? Tsy noho ny fanaintainana avy tamin’ilay kapoka akory, fa noho ny fahafantarany fa nenjehina izy ireo satria tsy nivadika tamin’i Jehovah, sy nanara-dia an’i Jesosy.—Mat. 5:11, 12.

15 Miaritra amim-pifaliana toa an’ireo rahalahintsika tamin’ny taonjato voalohany isika, rehefa mijaly noho ny vaovao tsara. (1 Pet. 4:12-14) Tsy mahafaly antsika ny rahonana sy enjehina ary atao am-ponja, nefa tena afa-po isika satria tsy mivadika. Diniho, ohatra, i Henryk Dornik, izay niaritra ny mafy nandritra ny taona maro, teo ambany fitondrana jadona. Tsaroany fa nalefan’ny manam-pahefana tany amin’ny toby fitanana izy sy ny rahalahiny, tamin’ny Aogositra 1944. Hoy ireo mpanohitra: “Tsy laitra akisoka amin’ny heviny mihitsy izy ireo. Mahafaly azy ny fampijaliana atao aminy.” Hoy koa ny Rahalahy Dornik: “Tsy te hijaly aho, kanefa tena faly satria niaritra fahoriana noho ny tsy fivadihako tamin’i Jehovah. Tony foana aho tamin’izany ary nisikina herim-po.”—Jak. 1:2-4.

Mitory “isan-trano” isika, hoatran’ny apostoly

16. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly fa tapa-kevitra hitory amin’ny fomba feno izy ireo, ary ahoana no ataontsika rehefa mitory, mba hanahafana azy ireo?

16 Niverina nitory tsy nisy hataka andro ny apostoly. Tsy nitakemotra izy ireo fa “nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy ... isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-trano.” * (Asa. 5:42) Tapa-kevitra hitory amin’ny fomba feno ireo mpitory be zotom-po ireo. Mariho fa nitory tany an-tranon’olona izy ireo, araka ny toromarik’i Jesosy Kristy. (Mat. 10:7, 11-14) Vitan’izy ireo àry ny nameno an’i Jerosalema tamin’ny fampianarany. Manao toy ny apostoly koa isika rehefa mitory, ka mitety ny trano tsirairay ao amin’ny faritanintsika. Izany no ahafantarana antsika. Hita amin’izany fa te hitory amin’ny fomba feno isika, mba handre ny vaovao tsara ny rehetra. Notahin’i Jehovah ve ny fanompoantsika isan-trano? Eny! An-tapitrisany no mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’izao andro farany izao, ary maro no sambany nandre ny vaovao tsara rehefa nandondòna tao aminy ny Vavolombelona.

Nikarakara “raharaha tsy maintsy hatao” ireo lehilahy mahafeno fepetra (Asa. 6:1-6)

17-19. Inona ilay raharaha mora nampisaratsaraka? Inona no vahaolana nomen’ny apostoly?

17 Vao niforona kelikely ny fiangonana, dia efa nisy loza nandrahona azy avy tao anatiny. Olona nivahiny tao Jerosalema ny ankamaroan’ireo mpianatra natao batisa, ka te hiana-javatra bebe kokoa, alohan’ny hodiany. Nanome vola an-tsitrapo àry ny mpianatra tao Jerosalema mba ho sakafon’izy ireo sy hikarakarana izay nilainy. (Asa. 2:44-46; 4:34-37) Nisy raharaha saro-pady nila nalamina anefa. “Natao tsirambina” mantsy ny mpitondratena niteny grika, “tamin’ny fizaran-tsakafo isan’andro.” (Asa. 6:1) Tsy natao toy izany anefa ireo mpitondratena niteny hebreo. Toa nisy fanavakavahana àry tao. Tena mora mampisaratsaraka ny toy izany.

18 Ny apostoly no filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana tamin’izany. Hitan’izy ireo fa tsy ho fahendrena ny “hamela ny tenin’Andriamanitra” ka “hizara sakafo eny an-databatra.” (Asa. 6:2) Inona no vahaolana? Nasain’izy ireo nitady olona fito “feno fanahy masina sy fahendrena” ny mpianatra, mba hotendren’ny apostoly hikarakara an’io “raharaha tsy maintsy hatao” io. (Asa. 6:3) Lehilahy mahafeno fepetra no nilaina satria toa tsy fizarana sakafo fotsiny ilay izy, fa teo koa ny fitantanam-bola, fividianana entana, ary fitanana an-tsoratra tsara. Nanana anarana grika ireo voafantina, ka mety ho mora kokoa tamin’ireo mpitondratena tafintohina ny nanaiky azy ireo. Nodinihin’ny apostoly ilay fanolorana ary nivavaka momba izany izy ireo, ka nanendry lehilahy fito mba hikarakara an’io “raharaha tsy maintsy hatao” io. *

19 Tsy nanana andraikitra hitory ny vaovao tsara intsony ve izy fito lahy satria efa notendrena hizara sakafo? Tsy izany mihitsy! Anisan’ireo voatendry i Stefana, izay mpitory nahay sy sahy. (Asa. 6:8-10) Anisan’izy fito lahy koa i Filipo, izay antsoina hoe “mpitory ny vaovao tsara.” (Asa. 21:8) Mazava àry fa mpitory nazoto foana izy fito lahy ireo.

20. Ahoana no anarahantsika ny modely nomen’ny apostoly?

20 Manaraka ny modely nomen’ny apostoly ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Tsy maintsy manana ny fahendren’Andriamanitra ireo lehilahy atolotra hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Tokony ho hita koa fa miasa aminy ny fanahy masina. Eo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanana, dia tendrena ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ireo lehilahy mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina. * (1 Tim. 3:1-9, 12, 13) Azo lazaina fa voatendrin’ny fanahy masina ireo mahafeno fepetra. Maro ny ‘raharaha tsy maintsy ataon’ireny’ lehilahy miasa mafy ireny. Mety hisy fandaharana ataon’ny anti-panahy, ohatra, mba hanampiana an’ireo zokiolona tsy mivadika, izay tena mila fanampiana. (Jak. 1:27) Ny anti-panahy sasany indray voatana be amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, na fandaminana fivoriambe, na asa mifandray amin’ny hopitaly. Ny mpanampy amin’ny fanompoana kosa misahana andraikitra tsy mifandray mivantana amin’ny asa fiandrasana sy fampianarana. Marina fa manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana sy ny fandaminana ireny lehilahy voatendry ireny. Tokony ho hainy anefa ny mampifandanja izany amin’ilay andraikitra nomen’Andriamanitra, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—1 Kor. 9:16.

“Tsy nitsahatra niroborobo ny tenin’Andriamanitra” (Asa. 6:7)

21, 22. Inona no mampiseho fa notahin’i Jehovah ilay fiangonana vao niforona?

21 Vao niforona ilay fiangonana dia efa niharam-panenjehana avy etỳ ivelany, ary nisy olana natahorana hampisaratsaraka koa tao anatiny. Tafavoaka soa aman-tsara anefa izy io, noho ny fanampian’i Jehovah. Nisongadina ny fitahian’i Jehovah, satria “tsy nitsahatra niroborobo ny tenin’Andriamanitra, ka nihamaro be ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema, ary mpisorona maro be no nanjary nanaiky ny finoana.” (Asa. 6:7) Io no iray amin’ireo tatitra momba ny fandrosoan’ny asa, hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly. (Asa. 9:31; 12:24; 16:5; 19:20; 28:31) Tsy mampahery antsika koa ve ankehitriny ny mandre tatitra momba ny fandrosoan’ny asa fitoriana any an-tany hafa?

22 Tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy nilefitra mihitsy ireo mpitondra fivavahana romotry ny hatezerana. Efa nanangasanga ny fanenjehana mahery vaika. Tsy ela dia tojo fanoherana sy nampiharana herisetra i Stefana, araka ny ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka.

^ feh. 3 Jereo ilay efajoro hoe  “Fitsarana Avo Jiosy.”

^ feh. 7 Io no voalohany amin’ireo andininy 20 eo ho eo, izay miresaka mivantana momba ny anjely, ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Anjely koa ireo “roa lahy niakanjo fotsy” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:10.

^ feh. 12 Jereo ilay efajoro hoe  “Gamaliela: Nohajain’ireo Raby.”

^ feh. 16 Jereo ilay efajoro hoe  “Fitoriana ‘Isan-trano.’

^ feh. 18 Mety ho nahafeno ny fepetra takina amin’ny anti-panahy ireo lehilahy ireo, satria andraikitra mavesatra ny nikarakara an’io “raharaha tsy maintsy hatao” io. Tsy milaza anefa ny Soratra Masina hoe oviana no nanomboka nisy lehilahy notendrena ho anti-panahy na mpiandraikitra, teo anivon’ny fiangonana kristianina.

^ feh. 20 Ny fiangonana no nanolotra an’ireo lehilahy fito tsara laza, fa ny apostoly kosa no tena nanendry.