Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 3

“Feno Fanahy Masina”

“Feno Fanahy Masina”

Ny vokatry ny nandatsahana ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 2:1-47

1. Nanao ahoana ny tao Jerosalema rehefa tonga ny Pentekosta?

 NISOMEBISEBY sy nientanentana erỳ ny olona, teny an-dalamben’i Jerosalema. a Niakatra ny setroka avy teo amin’ny alitaran’ny tempoly, ary ny Levita kosa nihira ny Hallel (Salamo 113-118), izay angamba hira mifamaly. Feno vahiny teny an-dalambe. Avy any amin’ny toerana lavitra toa an’i Elama, Mezopotamia, Kapadokia, Ponto, Ejipta, ary Roma, izy ireo. b Fa nisy inona? Pentekosta na “andron’ny voaloham-bokatra”, tamin’izay. (Nom. 28:26) Tamin’io fety fanao isan-taona io no nifarana ny fijinjana vary orza, ary nanomboka ny fijinjana varimbazaha. Andro nahafaly izy io.

2. Inona no zava-mahagaga nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33?

2 Taona 33 tamin’izay. Lohataona ny andro, ary antonony tsara ny hafanana. Nisy zava-nitranga tamin’ny sivy maraina teo ho eo, ary hampitolagaga mandritra ny taonjato maro izany. “Nisy feo mafy tonga avy any an-danitra, toy ny rivo-mahery nifofofofo.” (Asa. 2:2) Nanenika an’ilay trano nivorian’ireo mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo ilay feo. Nisy zava-mahagaga nitranga avy eo: Lela maro toy ny afo no niseho, ary nisy iray avy nankeo ambonin’ny mpianatra tsirairay. c “Feno fanahy masina” izy ireo, ka niteny tamin’ny fiteny vahiny. Rehefa nivoaka an’ilay trano izy ireo, dia gaga ireo vahiny nifanena taminy, satria afaka niresaka tamin’izy ireo “tamin’ny fiteniny avy” ny mpianatra.​—Asa. 2:1-6.

3. a) Nahoana no andro manan-tantara teo amin’ny fivavahana marina ny Pentekosta taona 33? b) Inona no ifandraisan’ny lahatenin’i Petera sy ny fampiasana an’ireo ‘lakilen’ilay Fanjakana’?

3 Andro manan-tantara teo amin’ny fivavahana marina iny andro iny. Tamin’izay mantsy no niforona ny firenena iray, dia ny Israely ara-panahy, na ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (Gal. 6:16) Tsy izay ihany anefa. Nampiasa ny voalohany tamin’ireo ‘lakilen’ilay Fanjakana’ i Petera tamin’io andro io, tamin’izy nandaha-teny tamin’ny vahoaka. Nanokatra fitahiana manokana ho an’ny sokajin’olona samy hafa ny tsirairay tamin’ireo lakile telo ireo. (Mat. 16:18, 19) Nampiasaina ilay lakile voalohany, ka afaka nandray ny vaovao tsara sy ho voahosotry ny fanahy masina ny Jiosy, sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. d Lasa anisan’ny Israely ara-panahy àry izy ireo, ka nanantena ny ho mpanjaka sy mpisorona ao amin’ny Fanjakan’ny Mesia. (Apok. 5:9, 10) Tatỳ aoriana, dia nahazo an’io fitahiana io koa ny Samaritanina, ary avy eo ny hafa firenena. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo zava-nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33?

“Teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra” (Asa. 2:1-4)

4. Hazavao fa ilay fiangonana niforona tamin’ny taona 33 no nitombo, ka nampisy ny fiangonana kristianina ankehitriny.

4 Mpianatra 120 teo ho eo no anisan’ny fiangonana kristianina, tamin’ny voalohany. “Teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra”, izany hoe, tao amin’ny efitrano iray ambony rihana. (Asa. 2:1) Voahosotry ny fanahy masina izy ireo. Lasa an’arivony ny olona vita batisa anisan’io fiangonana io, rehefa nifarana iny andro iny. Vao santatry ny fitaran’ilay fandaminana tsy mitsaha-mitombo ankehitriny izany! Olona matahotra an’Andriamanitra, izany hoe ny fiangonana kristianina, no ampiasaina ‘hitory maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’, alohan’ny hifaranan’izao tontolo izao.​—Mat. 24:14.

5. Inona no fitahiana azo rehefa miaraka amin’ny fiangonana, na tamin’ny taonjato voalohany izany na ankehitriny?

5 Manatanjaka ny finoan’ny voahosotra sy ny “ondry hafa” koa ny fiangonana kristianina. (Jaona 10:16) Nankasitraka ny fifanohanan’ny olona teo anivon’ny fiangonana i Paoly, tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma. Hoy izy: “Tena te hahita anareo ... aho, satria te hizara fanomezana ara-panahy aminareo. Amin’izay ianareo ho mafy orina, na raha tsorina dia hoe mba ho afaka hifampahery isika. Dia hampahery anareo ny finoako, ary ny anareo koa hampahery ahy.”​—Rom. 1:11, 12.

6, 7. Nasain’i Jesosy nitory tany amin’ny firenena rehetra ny mpianany. Ahoana no anatanterahana izany ankehitriny?

6 Mitovy ny tanjon’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy ankehitriny. Asa sarotra nefa mahafinaritra no nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy. Ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina izy ireo, sady ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.”​—Mat. 28:19, 20.

7 Ny Vavolombelon’i Jehovah no ampiasaina hanao an’io asa io ankehitriny. Mazava ho azy fa sarotra ny mitory amin’ny olona samihafa fiteny. Mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 1000 mahery anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Manana antony ifaliana ianao raha mivory tsy tapaka sy mitory ary manao mpianatra. Vitsy ihany eto an-tany no nahazo tombontsoa manokana hitory ny anaran’i Jehovah. Nahazo izany anefa ianao!

8. Ahoana no andraisan’ny tsirairay fitahiana eo anivon’ny fiangonana?

8 Tian’i Jehovah Andriamanitra hiaritra amim-pifaliana ianao mandritra izao fotoan-tsarotra izao, ka nomeny hanampy anao ireo rahalahy eran-tany. Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina hebreo: “Andao ... isika hifampiahy mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, hoatran’ny sasany efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa. Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitanareo fa mihamanakaiky ilay andro.” (Heb. 10:24, 25) Nanome antsika ny fiangonana i Jehovah mba hampaherezantsika ny hafa, sy hahazoantsika fampaherezana. Aoka ianao ho akaiky foana an’ireo rahalahy sy anabavinao ara-panahy. Aza afoy mihitsy ny fiarahantsika mivory!

“Samy naheno ... tamin’ny fiteniny avy” (Asa. 2:5-13)

Rentsika ry zareo miteny amin’ny fitenintsika avy, momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.’—Asan’ny Apostoly 2:11

9, 10. Inona no ezaka nataon’ny sasany mba hitoriana amin’ny olona miteny vahiny?

9 Eritrereto izay tsapan’ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Azo inoana fa nisy fiteny iray niombonan’ny ankamaroan’izy ireo. Teny grika na hebreo angamba izany. Izao anefa dia “samy naheno an’ireo mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy izy ireo.” (Asa. 2:6) Azo antoka fa nanohina ny fon’izy ireo ny nandre ny vaovao tsara tamin’ny fitenin-drazany. Tsy nomena fahaizana mahagaga hiteny amin’ny fiteny vahiny ny Kristianina ankehitriny. Maro anefa no miezaka mba ho afaka hitory ilay Fanjakana amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Nianatra teny vahiny ny sasany mba hiarahana manompo amin’ny fiangonana miteny vahiny eny akaikiny, na mba hifindrana any an-tany hafa mihitsy. Matetika izy ireo no mahita fa gaga ny olona itoriany, noho ny ezaka ataony.

10 Nianatra teny gujarati, ohatra, i Christine sy ny Vavolombelona fito hafa. Noarahabain’i Christine tamin’ny teny gujarati ny vehivavy iray miara-miasa aminy, ka gaga ary te hahafantatra ny antony. Afaka nitory tsara taminy àry i Christine. Hoy ilay vehivavy taminy: ‘Tsy misy fivavahana hafa hampirisika ny mpikambana ao aminy hianatra fiteny sarotra hoatran’ny teny gujarati. Misy zava-dehibe tianareo hambara matoa ianareo manao an’izany.’

11. Inona no azontsika atao rehefa miomana mba hitory amin’ny olona miteny vahiny isika?

11 Mazava ho azy fa tsy isika rehetra no afaka mianatra teny vahiny. Afaka miomana hitory amin’ny olona miteny vahiny anefa isika. Amin’ny fomba ahoana? Azontsika ampiasaina, ohatra, ny programa JW Language® mba hianarana fomba fiarahabana tsotsotra amin’ny fiteny fampiasan’ny ankamaroan’ny olona any amin’ny toerana misy antsika. Afaka mianatra fehezanteny vitsivitsy amin’ilay fiteny koa isika, amin’izay mety ho liana ny olona mampiasa an’ilay fiteny. Asaivo miditra ao amin’ny jw.org ilay olona, dia raha mety dia atoroy azy ny video sy ny boky sy gazety isan-karazany misy ao amin’ilay fiteny. Raha mampiasa an’ireny fitaovana ireny isika rehefa mitory, dia ho falifaly hoatran’ireo rahalahy tamin’ny taonjato voalohany satria gaga ny olona avy tamin’ny firenen-kafa naheno ny vaovao tsara “tamin’ny fiteniny avy.”

‘Nitsangana i Petera’ (Asa. 2:14-37)

12. a) Ahoana no niresahan’i Joela mpaminany momba ilay zava-mahagaga tamin’ny Pentekosta taona 33? b) Nahoana no efa nampoizina ho tanteraka tamin’ny taonjato voalohany ny faminanian’i Joela?

12 “Nitsangana” mba handaha-teny tamin’ilay vahoaka avy amin’ny firenena maro i Petera. (Asa. 2:14) Nohazavainy fa Andriamanitra no nanome an’ilay fahaizana mahagaga nahafahana niteny tamin’ny fiteny samihafa, ho fahatanterahan’izao faminanian’i Joela izao: “Handatsahako ny fanahiko ny karazan’olona rehetra.” (Joela 2:28) Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Hangataka amin’ny Ray aho, ka homeny mpanampy hafa ianareo.” Nilaza i Jesosy fa ny fanahy masina io mpanampy io.​—Jaona 14:16, 17.

13, 14. Ahoana no nataon’i Petera mba hanohinana ny fon’ny olona, ary ahoana no anahafantsika azy?

13 Hentitra ny teny namaranan’i Petera ny lahateniny. Hoy izy: “Aoka ... ho fantatry ny taranak’Israely rehetra mazava tsara fa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny Jesosy novonoinareo teo amin’ny tsato-kazo iny.” (Asa. 2:36) Marina fa tsy nanatri-maso ny namonoana an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ny ankamaroan’ireo nihaino an’i Petera, nefa tompon’andraikitra tamin’io asa ratsy io ilay firenena manontolo. Mariho anefa fa nanaja an’ireo Jiosy iray firenena taminy i Petera, sady nanohina ny fon’izy ireo. Ny hampibebaka an’ireo nihaino azy no tanjony, fa tsy ny hanameloka. Nahatezitra ny vahoaka ve ny tenin’i Petera? Tsia. “Voatsindrona” kosa ny fon’izy ireo, ka nanontany izy ireo hoe: “Inona izany no tokony hataonay?” Azo inoana fa nanohina ny fon’ny maro ny teny feno fanajana nataon’i Petera, ka nibebaka izy ireo.​—Asa. 2:37.

14 Azontsika ianarana ny fomba nampiasain’i Petera hanohinana ny fon’ny olona. Tsy voatery hotoherintsika daholo izay hevi-diso resahin’ny olona itoriantsika. Aleo kosa miresaka hevitra iombonana. Ho afaka hampisaintsaina azy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, raha mitady marimaritra iraisana. Raha manao izany isika rehefa mitory, dia matetika no ho vonona kokoa handray ny hafatra torintsika ny olona tso-po.

“Aoka samy hatao batisa ... ianareo tsirairay” (Asa. 2:38-47)

15. a) Inona no nolazain’i Petera, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny olona? b) Nahoana ireo olona an’arivony nandre ny vaovao tsara tamin’ny Pentekosta no nahafeno fepetra hatao batisa androtr’iny ihany?

15 Tamin’ilay andro nahafaly tamin’ny Pentekosta taona 33, dia hoy i Petera tamin’ireo Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa ... ianareo tsirairay.” (Asa. 2:38) Vokatr’izany, dia 3000 teo ho eo no natao batisa, angamba tao amin’ny dobo tao Jerosalema, na tsy lavitra teo. e Taitaitra fotsiny ve ireo olona ireo? Te hilaza ve io fitantarana io fa tokony ho maika hatao batisa ny olona mianatra Baiboly sy ny zanaky ny ray aman-dreny kristianina, na mbola tsy vonona aza? Tsy izany velively. Tsarovy fa efa nianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra ireo natao batisa tamin’io andro Pentekosta io, na Jiosy izany, na ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Firenena efa voatokana ho an’i Jehovah koa no nisy azy ireo. Efa voaporofo koa ny zotom-pon’izy ireo, satria nanao dia lavitra ny sasany mba hanatrehana an’io fety fanao isan-taona io. Neken’izy ireo koa ireo fahamarinana lehibe momba ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Taorian’izay izy ireo vao vonona hanohy ny fanompoany an’Andriamanitra. Mpanara-dia an’i Kristy kosa izy ireo izao, sady vita batisa.

16. Inona no mampiseho fa nahafoy tena ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

16 Notahin’i Jehovah tokoa io antokon’olona io. Hoy ny fitantarana: “Ary niaraka daholo izay lasa mpino, ka nikambanany daholo ny zava-drehetra. Nivarotra ny taniny sy ny fananany izy ireo, ka ny vola azo dia nozarainy tamin’ny rehetra, araka izay nilain’ny tsirairay.” f (Asa. 2:44, 45) Azo antoka fa te ho be fitiavana sy hahafoy tena toy izany koa ny tena Kristianina rehetra.

17. Inona avy no dingana takina amin’ny olona iray maniry hatao batisa?

17 Misy dingana maromaro takin’ny Soratra Masina vao afaka manokan-tena ho an’Andriamanitra sy atao batisa ny olona iray. Tsy maintsy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ilay olona. (Jaona 17:3) Mila maneho finoana izy, ary mibebaka noho ny zavatra nataony taloha, ka tena malahelo noho izany. (Asa. 3:19) Tsy maintsy miova izy avy eo, ka manomboka manao zavatra tsara mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Rom. 12:2; Efes. 4:23, 24) Avy eo dia manokan-tena ho an’Andriamanitra izy ka milaza izany ao anatin’ny vavaka. Aorian’izay izy vao atao batisa.​—Mat. 16:24; 1 Pet. 3:21.

18. Inona no tombontsoa ananan’ireo mpianatr’i Kristy vita batisa?

18 Efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa ve ianao ka mpianatr’i Kristy? Ankasitraho ilay tombontsoa anananao. Afaka ny hahavita be amin’ny fitoriana sy ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah ianao, toy ireo mpianatra tamin’ny taonjato voalohany, izay feno fanahy masina!

a Jereo ilay efajoro hoe “ Jerosalema: Foiben’ny Fivavahana Jiosy”, pejy 23.

b Jereo ireto efajoro ireto: “ Roma: Renivohi-panjakana”, pejy 24; “ Jiosy Tany Mezopotamia sy Ejipta”, pejy 25; ary “ Fivavahana Kristianina Tany Ponto”, pejy 26.

c Tsy afo ara-bakiteny ireo “lela” ireo, fa “hoatran’ny afo.” Midika izany fa toy ny lelafo mazava no fahitana an’ilay izy teo ambonin’ny mpianatra tsirairay.

d Jereo ilay efajoro hoe “ Ireo Niova ho Amin’ny Fivavahana Jiosy”, pejy 27.

e Olona 7402 no natao batisa tao amin’ny dobo enina, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Kiev, any Ukraine, tamin’ny 7 Aogositra 1993. Adiny roa sy fahefany vao vita daholo ny batisa.

f Natao io fandaharana vonjimaika io, satria vahiny maro no nijanona tao Jerosalema mba hianatra bebe kokoa momba ilay finoany vaovao. Fanomezana an-tsitrapo izy io, fa tsy hoe niombom-pananana ny Kristianina.​—Asa. 5:1-4.