Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 1

‘Mandehana, Ataovy Mpianatra ny Olona’

‘Mandehana, Ataovy Mpianatra ny Olona’

Topy maso momba ny Asan’ny Apostoly. Nahoana izy io no mahakasika antsika?

1-6. Mitantarà zava-nitranga mampiseho fa mitory ao anatin’ny toe-javatra maro samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah.

 TANORA Vavolombelon’i Jehovah any Ghana i Rebecca, ary ataony faritany itoriana ny any am-pianarany. Asiany boky sy gazety ara-baiboly foana ao anaty kitapony. Mitady hirika hitoriana amin’ny mpiara-mianatra aminy izy mandritra ny fakan-drivotra. Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny ankizy maromaro iray kilasy aminy izy.

2 Mandeha an-tongotra 25 kilaometatra ao anatin’ny hafanam-be ny mpisava lalana roa eto Madagasikara, mba hankanesana any amin’ny tanàna kely iray. Mankany foana izy ireo, satria misy olona maromaro ampianariny Baiboly any.

3 Nanamboatra lakana lehibe ireo Vavolombelona any Paragoay sy ireo mpiasa an-tsitrapo avy any amin’ny firenena 15 hafa, mba hitoriana amin’ny tanàna manamorona ny reniranon’i Paragoay sy Paraná. Goavana ilay izy, satria azon’ny olona 12 atao fonenana. Io trano mitsinkafona io no ampiasain’ireo mpitory be zotom-po, mba hitoriana ny vaovao tsara any amin’ny toerana tsy ho tongan’ny mpitory mihitsy raha tsy misy lakana.

4 Any amin’ny Tendrontany Avaratra, dia manararaotra mitory amin’ny mpizaha tany avy any amin’ny firenena maro ny Vavolombelona any Alaska. Sambo maro mpitondra mpizaha tany mantsy no tonga any rehefa mafana ny andro. Mitsena azy ireo eny amin’ny seranana ny Vavolombelona, ary mitondra boky sy gazety amin’ny fiteny maro be. Mahasarika ny maso erỳ ny fomba andaharany azy ireny. Tena ilaina any koa ny fiaramanidina, mba hitoriana any amin’ireo tanàna kely mitokana. Afaka mandre ny vaovao tsara koa àry ireo Aléoutes, Athabascan, Tsimshian, ary Klinket.

5 Hafakely ny faritanin’i Larry, any Texas, any Etazonia. Mipetraka ao amin’ny trano fitaizana ny be antitra izy, ary ao no faritaniny. Niharan-doza izy ka tsy afa-miala eo ambony seza misy kodiarana. Be atao anefa izy, satria mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana, anisan’izany ilay fanantenany avy ao amin’ny Baiboly hoe handeha indray izy rehefa hitondra ny tany io Fanjakana io.—Isaia 35:5, 6.

6 Mandeha sambo telo andro avy ao Mandalay ny Vavolombelona maromaro any amin’ny faritra avaratr’i Myanmar, mba hanatrehana fivoriambe. Mazoto mitory ny vaovao tsara izy ireo, ka mitondra boky sy gazety ara-baiboly, ary manolotra izany amin’ny mpandeha. Isaky ny mijanona amin’ny tanàna iray ilay sambo, dia midina izy ireo ka mitety haingana an’ilay tanàna mba hanolotra boky sy gazety. Efa misy olon-kafa tonga ao amin’ilay sambo mandra-piveriny, ka “faritany vaovao” no miandry azy ireo.

7. Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpivavaka amin’i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana avy no anaovany izany, ary inona no tanjony?

7 Asehon’ireo ohatra vitsivitsy ireo fa ‘mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno’ ny mpivavaka amin’i Jehovah eran-tany. (Asa. 28:23, f.a.p.) Mandeha isan-trano izy ireo, miresaka amin’ny olona eny an-dalana, ary mitory an-telefaonina. Mitady hirika hitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, na any anaty fitateram-bahoaka, na eny amin’ny zaridainam-panjakana, na any am-piasana rehefa fiatoana. Samy hafa ny fomba ampiasain’izy ireo, nefa iray ihany ny tanjony, dia ny hitory ny vaovao tsara, na aiza na aiza ahitana olona.—Mat. 10:11.

8, 9. a) Nahoana no tena mahagaga ny fitaran’ny asa fitoriana? b) Inona no fanontaniana manitikitika antsika, ary inona no mila atao mba hahitana ny valiny?

8 Maro be ankehitriny ireo mitory ilay Fanjakana, any amin’ny tany maherin’ny 235. Iray amin’ireny ve ianao, ry mpamaky hajaina? Raha izany no izy, dia anisan’ireo manitatra ny asa fitoriana ilay Fanjakana ianao! Tena mahagaga ny zava-bita eo amin’ny fitoriana maneran-tany. Goavana ny olana atrehin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary raran’ny fanjakana sy enjehina mihitsy aza izy ireo any amin’ny tany sasany. Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona any amin’ny firenena rehetra anefa izy ireo.

9 Izao anefa no fanontaniana manitikitika antsika: Nahoana no tsy nisy zava-tsarotra nahasakana ny fandrosoan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, eny fa na dia ny fanoheran’i Satana aza? Mba hamaliana izany, dia mila mijery ny zava-nisy tamin’ny taonjato voalohany isika. Manohy ilay asa efa natomboka tamin’izany mantsy isika Vavolombelon’i Jehovah.

Nirahina hanao asa goavana

10. Nanokan-tena hanao inona i Jesosy, ary inona no fantany momba an’io asa io?

10 Nanokan-tena hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy Kristy, ilay nanorina ny fiangonana kristianina. Efa fiainany mihitsy izany! Hoy izy, indray mandeha: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Fantatr’i Jesosy fa tsy ho vitany samirery ilay asa natombony. Efa nilaza izy taloha kelin’ny nahafatesany, fa hotorina “any amin’ny firenena rehetra” ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Mar. 13:10) Iza anefa no hanao izany, ary amin’ny fomba ahoana?

‘Mandehana ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’​—Matio 28:19

11. Inona ilay asa lehibe nanirahan’i Jesosy ny mpianany, ary inona no fanampiana ho azon’izy ireo eo am-panaovana izany?

11 Niseho tamin’ny mpianany i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka naniraka azy ireo hanao izao asa lehibe izao: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:19, 20) Ilay teny hoe ‘homba anareo aho’ dia midika fa hanampy an’ireo mpianany izy rehefa mitory sy mampianatra izy ireo. Mila fanampiana izy ireo, satria efa nilaza i Jesosy fa ho “halan’ny firenena rehetra” izy ireo. (Mat. 24:9) Hisy fanampiana hafa koa ho azon’ny mpianatra. Nilaza i Jesosy talohan’ny niakarany tany an-danitra, fa hahazo hery avy amin’ny fanahy masina ny mpianany, ka ho vavolombelony “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.”—Asa. 1:8.

12. Inona avy no fanontaniana lehibe mipetraka, ary nahoana no zava-dehibe ny hahalalantsika ny valiny?

12 Mipetraka àry ireto fanontaniana lehibe ireto: Zava-dehibe tamin’ny apostolin’i Jesosy sy ireo mpianatra hafa tamin’ny taonjato voalohany ve io asa nanirahana azy ireo io? Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fomba feno ve ireo lehilahy sy vehivavy kristianina ireo, na dia vitsy sy nenjehina tamin-kabibiana aza? Tena nanampy azy ireo hanao mpianatra ve i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely? Nanampy azy ireo tokoa ve ny fanahy masina? Hita ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ao amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa. Zava-dehibe ny hahalalantsika ny valin’izany satria nampanantena i Jesosy fa hitohy “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” io asa io. Ho an’ny tena Kristianina rehetra àry io asa io, ka natao ho antsika amin’izao fotoan’ny farany izao koa. Noho izany, dia tena mahaliana antsika ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly.

Topy maso momba ny Asan’ny Apostoly

13, 14. a) Iza no nanoratra ny Asan’ny Apostoly, ary ahoana no nahazoany an’ireo fanazavana ao? b) Inona no resahina ao amin’ny Asan’ny Apostoly?

13 Iza no nanoratra ny Asan’ny Apostoly? Tsy voalaza ao mihitsy ny anaran’ny mpanoratra. Hita amin’ireo teny voalohandohany ao anefa, fa ilay nanoratra ny Filazantsaran’i Lioka ihany no nanoratra azy io. (Lioka 1:1-4; Asa. 1:1, 2) Efa hatramin’ny taloha ny olona no nihevitra fa i Lioka no nanoratra ny Asan’ny Apostoly. “Dokotera malala” izy, ary nitandrina rehefa nanoratra tantara. (Kol. 4:14) Tantara tao anatin’ny 28 taona teo ho eo no voalaza ao, nanomboka tamin’ny taona 33, izay niakaran’i Jesosy tany an-danitra, ka hatramin’ny taona 61 tany ho any, tamin’ny apostoly Paoly voafonja tany Roma. Samy ampiasain’i Lioka ny hoe “izy ireo” sy ny hoe “izahay” ka midika izany fa teo izy tamin’ny ankamaroan’ny zavatra tantarainy. (Asa. 16:8-10; 20:5; 27:1) Mpikaroka tena nitandrina i Lioka, ary azo inoana fa nahazo fanazavana mivantana avy tamin’i Paoly, Barnabasy, Filipo, ary olon-kafa voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly.

14 Mitantara ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony i Lioka ao amin’ny Filazantsarany, izay nosoratany taloha kokoa. Inona kosa no resahiny ao amin’ny Asan’ny Apostoly? Ny zavatra nolazain’ny mpanara-dia an’i Jesosy sy nataony, izany hoe, ny tantaran’ireo olona nahavita asa niavaka, na dia noheverin’ny mpitazana ho ‘tsy dia nahita fianarana sy olon-tsotra’ aza ny ankamaroany. (Asa. 4:13) Ny niorenan’ny fiangonana kristianina sy ny niroboroboany àry no resahina ao. Hita ao koa ny fomba nitorian’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy ny toe-tsainy. (Asa. 4:31; 5:42) Misongadina ao ny anjara asan’ny fanahy masina eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. (Asa. 8:29, 39, 40; 13:1-3; 16:6; 18:24, 25) Miharihary ao koa ny foto-kevitry ny Baiboly, dia ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy. Hita ao fa tsy voasakana ny fitoriana ilay Fanjakana, na dia teo aza ny fanoherana mafy.—Asa. 8:12; 19:8; 28:30, 31.

15. Inona avy no soa horaisintsika amin’ny fandinihana ny Asan’ny Apostoly?

15 Mahafinaritra sy manatanjaka finoana ny mandinika ny bokin’ny Asan’ny Apostoly! Sahy sy be zotom-po ireo Kristianina voalohany ka namela ohatra ho antsika. Hisy heriny ao am-pontsika izany raha saintsainintsika. Haniry hanahaka ny finoan’ireo namantsika tamin’ny taonjato voalohany ireo isika, ka ho vonona kokoa hanatanteraka an’izao asa nanirahana antsika izao: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona.’ Natao hanampiana anao handalina ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ity boky vakinao ity.

Boky natao hanampiana antsika

16. Inona no zava-kendrena telo namoahana an’ity boky ity?

16 Inona no zava-kendren’ity boky ity? Navoaka izy ity 1) mba hahatonga antsika hatoky bebe kokoa fa mampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanampiana antsika amin’ny asa fitoriana sy fampianarana, 2) mba handrisihana antsika bebe kokoa amin’ny fanompoana, rehefa mandinika ny ohatr’ireo mpanara-dia an’i Kristy tamin’ny taonjato voalohany isika, ary 3) mba hanajantsika kokoa ny fandaminan’i Jehovah, ary koa ireo mitarika ny asa fitoriana sy miandraikitra ny fiangonana.

17, 18. Ahoana no itondrana ny fanazavana ato amin’ity boky ity? Inona avy ireo lafiny hanampy anao rehefa mianatra samirery?

17 Ahoana no itondrana ny fanazavana ato amin’ity boky ity? Misy fizarana valo izy ity, ka mandinika ampahany amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny fizarana tsirairay. Tsy natao hamakafakana ny andininy tsirairay ao amin’ny Asan’ny Apostoly ireo toko ato anatiny. Ny kendrena kosa dia ny haka fianarana avy amin’ireo tantara ao, sy ny hanampy antsika hampihatra an’ireo hevitra dinihina. Omena eo am-piandohan’ny toko tsirairay ny hevi-dehibe ao amin’ilay toko, sy ny ampahany hodinihina ao amin’ny Asan’ny Apostoly.

18 Hanampy anao ny lafiny hafa amin’ity boky ity, rehefa mianatra samirery ianao. Misy sary tsara tarehy ato. Mampiseho an’ireo zava-nitranga mahaliana ao amin’ny Asan’ny Apostoly izy ireny, ary hanampy anao haka sary an-tsaina an’ilay tantara. Toko maro no misy efajoro manome fanazavana fanampiny. Ny efajoro sasany miresaka momba ny olona ao amin’ny Baiboly, izay nanana finoana mendri-kotahafina. Ny sasany indray manome tsipiriany momba ny toerana, na zava-nitranga, na fombafomba, na olona hafa voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Lehibe koa ny sisim-pejy ka azonao anoratana rehefa mianatra ianao.

Hita amin’ny fomba iasanao ny faritaninao ve fa efa akaiky ny farany?

19. Tokony handini-tena momba ny inona isika tsindraindray?

19 Manampy anao handini-tena amim-pahatsorana ity boky ity. Na efa ela ianao no mpitory na vao haingana, dia tsara raha dinihinao tsindraindray izay heverinao ho zava-dehibe eo amin’ny fiainanao, sy ny toe-tsainao momba ny fanompoana. (2 Kor. 13:5) Saintsaino izao: ‘Hita eo amin’ny fanompoako ve fa mihevitra ny farany ho efa akaiky aho? (1 Kor. 7:29-31) Tena inoako ve ny vaovao tsara toriko, ary be zotom-po ve aho? (1 Tes. 1:5, 6) Manao izay rehetra azoko atao ve aho eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana?’—Kol. 3:23.

20, 21. Nahoana no tena maika ilay asa nanirahana antsika, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

20 Tadidio foana fa nirahina hanao asa lehibe isika, dia ny hitory sy hampianatra. Maika kokoa io asa io, isaky ny mifarana ny andro iray. Manatona haingana ny faran’ity tontolo ity. Ain’olona maro be noho ny hatramin’izay no tandindomin-doza ankehitriny. Tsy fantatsika hoe firy ny olona manana toe-po tsara mbola handray ny hafatra torintsika. (Asa. 13:48) Adidintsika anefa ny manampy ny olona toy izany, dieny mbola tsy tara loatra.—1 Tim. 4:16.

21 Zava-dehibe àry ny hanarahantsika ny ohatr’ireo mpitory ilay Fanjakana be zotom-po tamin’ny taonjato voalohany. Ianaro tsara ity boky ity. Enga anie izany hampitombo ny zotom-ponao sy ny fahasahianao, rehefa mitory. Enga anie ianao ho vao mainka ho tapa-kevitra hitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba feno!—Asa. 28:23, f.a.p.

DATY NIAVAKA TEO AMIN’NY FIELEZAN’NY FIVAVAHANA KRISTIANINA TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY

  1. Taona 33

    Natsangana tamin’ny maty i Jesosy

    Nirahin’i Jesosy hanao mpianatra ny mpanara-dia azy

    Nilatsaka ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta

    Niforona ny fiangonana kristianina

  2. 33-34 tany ho any

    Maty maritiora i Stefana

    Natao batisa ilay tandapa etiopianina

  3. 34 tany ho any

    Lasa Kristianina i Saoly avy any Tarsosy

  4. 34-36 tany ho any

    Nitory tany Damaskosy i Saoly

  5. 36 tany ho any

    Dian’i Paoly voalohany tany Jerosalema, tamin’izy efa mpanara-dia an’i Kristy

    Nitsidika an’i Petera tany Jerosalema i Paoly (Gal. 1:18)

  6. 36

    Lasa Kristianina i Kornelio

    Hafa firenena voalohany lasa Kristianina

  7. 41 tany ho any

    Nosoratana ny Matio

    Fahitana hitan’i Paoly: “Lanitra fahatelo” (2 Kor. 12:2)

  8. 44 tany ho any

    Naminany mosary i Agabo

    Maty maritiora i Jakoba (zanak’i Zebedio)

    Natao am-ponja i Petera, ary nafahan’ny anjely

  9. 44

    Maty i Heroda Agripa I

  10. 46 tany ho any

    Tonga ilay mosary

    Nanatitra fanampiana tany Jerosalema i Paoly

  11. 47-48 tany ho any

    Dia misionera voalohany nataon’i Paoly

  12. 49 tany ho any

    Adihevitra momba ny famorana, tany Antiokia

    Fivoriana tao Jerosalema

    Nanitsy an’i Petera i Paoly (Gal. 2:11-14)

  13. 49-52 tany ho any

    Dia misionera faharoa nataon’i Paoly

    Nitory tany Sipra i Barnabasy sy Marka

  14. 49-50 tany ho any

    Noroahin’i Klaodio ny Jiosy tao Roma

  15. 50 tany ho any

    Nankany amin’i Paoly tany Troasy i Lioka

    Fahitana hitan’i Paoly: Lehilahy makedonianina

    Nankany Filipy i Paoly

    Niforona ny fiangonan’i Filipy

    Niforona ny fiangonan’i Tesalonika

    Nankany Atena i Paoly

  16. 50-52 tany ho any

    Nankany Korinto i Paoly

    Nosoratana ny 1 Tesalonianina

    Nosoratana ny Galatianina

  17. 51 tany ho any

    Nosoratana ny 2 Tesalonianina

  18. 52-56 tany ho any

    Dia misionera fahatelo nataon’i Paoly

  19. 52-55 tany ho any

    Tany Efesosy i Paoly

  20. 55 tany ho any

    Nosoratana ny 1 Korintianina

    Nalefa tany Korinto i Titosy

    Nosoratana ny 2 Korintianina

  21. 56 tany ho any

    Nosoratana ny Romanina

    Natsangan’i Paoly tamin’ny maty i Eotyka, tany Troasy

    Tao amin’i Filipo tao Kaisaria i Paoly sy Lioka

    Voasambotra tao Jerosalema i Paoly

  22. 56-58 tany ho any

    Notanana tany Kaisaria i Paoly

    Nosoratana ny Lioka

  23. 58 tany ho any

    Nandimby an’i Feliksa i Festosy

  24. 58

    Nihaino an’i Paoly i Heroda Agripa II

  25. 59-61 tany ho any

    Nogadraina voalohany tany Roma i Paoly

  26. 60-61 tany ho any

    Nosoratana ny Kolosianina

    Nosoratana ny Efesianina

    Nosoratana ny Filemona

    Nosoratana ny Filipianina

  27. 60-65 tany ho any

    Nosoratana ny Marka

  28. 61 tany ho any

    Nosoratana ny Asan’ny Apostoly

    Nosoratana ny Hebreo

  29. 61-64 tany ho any

    Nosoratana ny 1 Timoty

    Navela tany Kreta i Titosy (Tit. 1:5)

    Nosoratana ny Titosy

  30. Talohan’ny 62

    Nosoratana ny Jakoba

  31. 62-64 tany ho any

    Nosoratana ny 1 Petera

  32. 64 tany ho any

    Nosoratana ny 2 Petera

  33. 65 tany ho any

    Nogadraina fanindroany tany Roma i Paoly

    Nosoratana ny 2 Timoty

    Nankany Dalmatia i Titosy (2 Tim. 4:10)

    Novonoina i Paoly