Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 6 • Asan’ny Apostoly 15:36–18:22

“Andao Amin’izay Isika Hiverina Hitsidika An’ireo Rahalahy”

“Andao Amin’izay Isika Hiverina Hitsidika An’ireo Rahalahy”

Asan’ny Apostoly 15:36

Inona no andraikitra lehibe ananan’ny mpiandraikitra ny faritra, eo anivon’ny fiangonana kristianina? Inona no fitahiana ho azontsika raha manaiky an-tsitrapo ny fanendrena antsika isika? Ahoana no hahaizantsika mandresy lahatra amin’ny Soratra Masina, ary nahoana isika no mila mahay manovaova ny fitoriantsika arakaraka ny olona iresahantsika? Ho hitantsika ny valin’ireo fanontaniana ireo, sy ny hafa koa, rehefa hanara-dia ny apostoly Paoly amin’ny dia misionera faharoa nataony isika.