Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 18

Mitadiava An’Andriamanitra, dia “Tena Hahita Azy” Ianao

Mitadiava An’Andriamanitra, dia “Tena Hahita Azy” Ianao

Nitady marimaritra iraisana i Paoly, ary novaovany arakaraka ny olona niresahany ny fitoriany

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 17:16-34

1-3. a) Nahoana no sosotra be ny apostoly Paoly tao Atena? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra navelany?

 SOSOTRA be i Paoly tao Atena, any Gresy. Toerana fandrantoana fianarana i Atena, ary tao no nampianatra i Socrate sy Platon ary Aristote, izay samy filozofa. Mpivavaka be ny Atenianina. Feno sampy ny toerana rehetra tazan’i Paoly, na tempoly, na tany malalaka, na arabe. Nivavaka tamin’andriamanitra maro mantsy ny Atenianina. Fantatr’i Paoly fa nankahala sampy i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. (Eks. 20:4, 5) Halan’ilay apostoly tsy nivadika koa àry ny sampy.

2 Tena nanafintohina ny zavatra hitan’i Paoly, tamin’izy niditra tao an-tsena. Sarivongana maro be mampiharihary filahiana no nitandahatra terỳ amin’ny zorony avaratrandrefana, akaikin’ny vavahady be. Ilay andriamanitra atao hoe Hermesy no tiana haseho tamin’ireo. Feno toerana masina koa tao an-tsena. Ahoana no hitorian’ilay apostoly be zotom-po amin’ireo olona vonton’ny fanompoan-tsampy ireo? Hahatsindry fo ve izy ka hahita marimaritra iraisana? Hahavita hanampy olona hitady sy hahita an’ilay tena Andriamanitra ve izy?

3 Nahay nandresy lahatra sy nandanjalanja ary nahay nanavaka i Paoly, tao amin’ilay lahateniny ho an’ireo avara-pianarana tao Atena, voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:22-31. Handinika ny ohatra navelan’i Paoly isika, ka hiana-javatra betsaka momba ny fomba hitadiavana marimaritra iraisana, mba hanampiana ny olona hisaintsaina.

Nampianatra “teny an-tsena” (Asa. 17:16-21)

4, 5. Taiza i Paoly no nitory tao Atena, ary nahoana no tsy mora ny nitory tao?

4 Nandalo tao Atena i Paoly tamin’ny taona 50 tany ho any, tamin’ny dia misionera faharoa nataony. * ‘Niezaka nandresy lahatra ny Jiosy tany amin’ny synagoga’ izy, toy ny fanaony, raha mbola niandry an’i Silasy sy Timoty avy any Beria. Nitady toerana azony nitoriana tamin’ny tsy Jiosy tao Atena koa izy, ka nankany “an-tsena.” (Asa. 17:17) Teo avaratrandrefan’ny Acropole ny tsenan’i Atena, ary efa ho 50 000 metatra tora-droa ny velarany. Tsy tsena fotsiny izy io. Milaza ny boky iray fa ny tsena no “foiben’ny toe-karena sy ny raharaham-panjakana ary ny kolontsaina tao an-tanàna.” Tia nivory tao ny Atenianina mba hanao resaky ny avara-pianarana.

5 Tsy mora ny nitory tamin’ireo olona hitan’i Paoly tao an-tsena. Anisan’ireny ny Epikoreanina sy ny Stôika, izay samy nanana ny filozofiany, sady nifandrafy. * Nino ny Epikoreanina fa tongatonga ho azy ny fiainana. Izao no fiheveran’izy ireo ny fiainana, raha fintinina: “Tsy ilaina ny matahotra an’Andriamanitra, tsy mandre manaintaina ny maty, ... azo iaretana ny zava-dratsy.” Ny fahaiza-misaina sy ny hevitra mitombina tsara kosa no tena zava-dehibe tamin’ny Stôika. Samy tsy nino an’ilay fitsanganana amin’ny maty nampianarin’ny mpianatr’i Kristy na ny Epikoreanina na ny Stôika. Tsy mifanaraka amin’ireo fahamarinana ambony karazana ninoan’ny tena Kristianina sy notorin’i Paoly, ny foto-pisainan’ireo antokon’olona roa ireo.

6, 7. Ahoana no nandraisan’ny avara-pianarana sasany ny fampianaran’i Paoly, ary inona no mitovy amin’izany ankehitriny?

6 Ahoana no nandraisan’ireo Grika avara-pianarana ny fampianaran’i Paoly? Teny grika midika hoe “be resaka” na “mpitsindroka voa” no nilazan’ny sasany an’i Paoly. (Asa. 17:18) Hoy ny manam-pahaizana iray, momba an’ilay teny grika: “Voronkely nitsindroka voan-javatra tetsy sy teroa no tiana holazaina tamin’io teny io, tany am-boalohany. Tatỳ aoriana kosa izy io dia niantsoana olona nitsindroka poti-kanina na zavatra narian’olona teny an-tsena. Lasa niantsoana olona nanangonangona fanazavana tetsy sy teroa izy io, indrindra fa olona tsy nahazo ny dikan’izy ireny akory.” Te hilaza àry ireo olona nahita fianarana ireo fa tsy nahay i Paoly ka namerina tenin’olona fotsiny. Ho hitantsika anefa fa tsy nampihontsina an’i Paoly izany fanabantiana izany.

7 Matetika koa ny olona no manabanty antsika Vavolombelon’i Jehovah, noho ny zavatra inoantsika ao amin’ny Baiboly. Lazain’ny mpampianatra sasany, ohatra, fa tena marina ny evolisiona, ka tsy maintsy manaiky azy io ianao raha mahira-tsaina. Te hilaza izy ireo hoe tsy mahay na inona na inona izay tsy mino ny evolisiona. Tian’ireo avara-pianarana hihevitra ny olona hoe “mpitsindroka” fanazavana isika, rehefa mampiseho izay lazain’ny Baiboly sy manaporofo fa misy ny Mpamorona. Tsy mampihontsina antsika anefa izany. Matoky izay lazaintsika kosa isika rehefa miaro ny finoantsika. Mino mantsy isika fa tsy ho nisy fiainana teto an-tany raha tsy teo ny Mpamorona iray tena mahay, dia i Jehovah Andriamanitra.—Apok. 4:11.

8. a) Ahoana no nandraisan’ny sasany ny fitorian’i Paoly? b) Inona no mety ho dikan’ny hoe nentina tany amin’ny Areopago i Paoly? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

8 Hafa kosa ny fihetsiky ny olona sasany nitorian’i Paoly tao an-tsena. Hoy izy ireo: ‘Toa mpitory momba ny andriamanitra vaovao izy io.’ (Asa. 17:18) Tena nitory andriamanitra vaovao tamin’ny Atenianina ve i Paoly? Tsy zavatra tsotsotra izany, satria anisan’ny nitsarana an’i Socrate sy nanamelohana azy ho faty ny fiampangana toy izany, taonjato maro talohan’izay. Tsy mahagaga àry raha nentina nankany amin’ny Areopago i Paoly ka nasaina nanazava an’ireo fampianarana hafahafa tamin’ny Atenianina ireo. * Ahoana no niarovan’i Paoly ny zavatra notoriny, teo anatrehan’ireo olona tsy nahalala ny Soratra Masina ireo?

“Ry Atenianina, hitako fa...” (Asa. 17:22, 23)

9-11. a) Ahoana no niezahan’i Paoly nitady marimaritra iraisana? b) Ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly rehefa manompo?

9 Tsarovy fa sosotra be i Paoly noho ireo sampy rehetra hitany. Niezaka ho tony anefa izy fa tsy namelively be ny fanompoan-tsampy. Tena nahay nandanjalanja izy, ka niezaka nitady marimaritra iraisana mba handresen-dahatra ny mpihaino azy. Izao no voalohan-teniny: “Ry Atenianina, hitako fa amin’ny zava-drehetra dia matahotra kokoa an’ireo andriamanitra ianareo raha oharina amin’ny olon-kafa.” (Asa. 17:22) Toa te hilaza i Paoly hoe: ‘Hitako fa mpivavaka be ianareo.’ Nidera azy ireo i Paoly noho izy ireo tia fivavahana. Takany fa mety handray tsara ny hafatra toriny ny olona sasany nohajambain’ny fampianaran-diso. Fantany fa na izy koa aza taloha mba nanao zavatra vokatry ny ‘tsy fahalalana sy ny tsy finoana.’—1 Tim. 1:13.

10 Niainga avy tamin’ilay marimaritra iraisana i Paoly, ka nilaza fa misy porofo manamarina hoe mpivavaka be ny Atenianina. Nambarany fa nahita alitara iray “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” izy. Milaza ny boky iray fa “fanaon’ny Grika sy ny firenen-kafa ny nanokana alitara ho ‘an’ny andriamanitra tsy fantatra.’ Natahotra mantsy izy ireo sao nisy andriamanitra hadino ka ho tezitra.” Ny alitara toa an’io no porofo fa niaiky ny Atenianina hoe nisy Andriamanitra tsy fantany. Io alitara io no nanombohan’i Paoly ny resaka, tamin’izy nitory ny vaovao tsara. Hoy izy: “Izay tsy fantatrareo nefa ivavahanareo, dia izy no toriko aminareo.” (Asa. 17:23) Tsy nivantana ny fanazavan’i Paoly nefa nisy vokany. Tsy nitory andriamanitra vaovao na hafahafa, araka ny nolazain’ny sasany, izy, fa nanazava kosa momba an’ilay Andriamanitra tsy fantatr’izy ireo, dia ilay tena Andriamanitra.

11 Ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly rehefa manompo? Raha mahay mandinika isika, dia mety ho hitantsika fa mpivavaka be ny olona iray, rehefa jerena ny zavatra eny aminy, na ny haingon-tranony, na ny eny an-tokotaniny. Afaka miteny isika hoe: ‘Hitako fa tena tia fivavahana ianao. Olona mpivavaka toa anao no tena tianay hiresahana.’ Mety hahita marimaritra iraisana isika raha mahay mandanjalanja ka tsy manakiana ny finoany. Tadidio fa tsy ny hitsara an-tendrony ny zavatra inoan’ny olona no tanjontsika. Maro amin’ny mpiara-manompo amintsika no nino tamim-pahatsorana fampianaran-diso, taloha.

Mitadiava marimaritra iraisana

“Tsy lavitra antsika tsirairay” Andriamanitra (Asa. 17:24-28)

12. Ahoana no nanovaovan’i Paoly ny fomba nitoriany?

12 Efa nahita marimaritra iraisana i Paoly, nefa ho vitany ve ny tsy hivaona amin’izany mandritra ny fitoriany? Fantany fa nianatra filozofia grika ireo nihaino azy, sady tsy nahalala ny Soratra Masina, ka novaovany ny fomba nitoriany. Voalohany, tsy teny nalaina mivantana avy ao amin’ny Soratra Masina no nanazavany ny fampianaran’ny Baiboly. Faharoa, tsy nanavaka ny tenany tamin’ny mpihaino azy izy, ka nampiasa teny toy ny hoe “isika” indraindray. Fahatelo, nindrana teny avy tao amin’ny asa soratra grika izy. Tiany haseho mantsy fa hita ao amin’ireny ny zavatra sasany nampianariny. Andeha hodinihintsika ilay lahatenin’i Paoly. Niresaka fahamarinana lehibe momba an’ilay Andriamanitra tsy fantatry ny Atenianina i Paoly. Inona avy izany?

13. Inona no nolazain’i Paoly momba ny niandohan’izao rehetra izao, ary inona no tiany holazaina?

13 Namorona an’izao rehetra izao Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy, eny, Izy izay Tompon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana.” * (Asa. 17:24) Tsy tongatonga ho azy izao rehetra izao. Ilay tena Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. (Sal. 146:6) Mila tempoly sy toerana masina ary alitara i Athéna sy ny andriamani-kafa mba hahazoana voninahitra. Tsy mba toy izany kosa ilay Mpanjaka Tompon’ny lanitra sy ny tany, satria tsy omby azy ny tempoly nataon-tanana. (1 Mpanj. 8:27) Te hilaza àry i Paoly hoe ambony lavitra ilay tena Andriamanitra, raha oharina amin’ny sampy nataon’olona, ao amin’ireo tempoly nataon-tanana.—Isaia 40:18-26.

14. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tsy mila olona hanampy azy Andriamanitra?

14 Tsy mila olona hanampy azy Andriamanitra. Fanaon’ny mpanompo sampy ny nampitafy lamba nirenty an’ireo sampiny, sy nanototra fanomezana lafo vidy ho azy ireny, na nanatitra sakafo sy zava-pisotro. Toy ny hoe nila izany izy ireny. Mety ho nino anefa ny filozofa grika sasany nihaino an’i Paoly fa tsy mila zavatra avy amin’olombelona ny andriamanitra. Raha izany no izy, dia azo inoana fa niombon-kevitra tamin’i Paoly izy ireo hoe “tsy mila karakarain’ny tanan’olona [Andriamanitra], toy ny hoe mila zavatra.” Eny, tsy misy zavatra azon’ny olombelona omena ny Mpamorona! Izy kosa aza no manome izay ilain’ny olona, dia “ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra”, toy ny masoandro sy orana ary tany lonaka. (Asa. 17:25; Gen. 2:7) Tsy mila olona hanampy azy Andriamanitra, satria Izy no Mpanome, fa ny olombelona no mpandray.

15. Ahoana no nanitsian’i Paoly an’ilay finoan’ny Atenianina hoe ambony noho ny tsy Grika izy ireo? Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’i Paoly?

15 Andriamanitra no nanao ny olona. Nino ny Atenianina fa ambony noho ny tsy Grika izy ireo. Mifanohitra amin’ny Baiboly ny fireharehana noho ny firenena na ny firazanan’ny tena. (Deot. 10:17) Nahay nandanjalanja i Paoly tamin’io raharaha saro-pady io. Mety ho nahalasa saina ny mpihaino azy ilay teniny hoe: “Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovan[’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Asa. 17:26) I Adama razamben’ny olombelona, izay voatantara ao amin’ny Genesisy, no noresahin’i Paoly. (Gen. 1:26-28) Iray ny razamben’ny olombelona, ka tsy misy firazanana na firenena ambony noho ny hafa. Takatry ny mpihaino ny tian’i Paoly hambara. Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’i Paoly? Marina fa mandanjalanja isika, nefa tsy hampandefitra ny fahamarinana satria hoe tiantsika handray azy io ny olona.

16. Inona no fikasan’ny Mpamorona, tamin’izy namorona ny olona?

16 Fikasan’Andriamanitra ny hahatonga ny olona ho akaiky azy. Efa ela be ireo filozofa nihaino an’i Paoly no niady hevitra momba ny dikan’ny fiainana, nefa mbola tsy nahita valiny nahafa-po. Inona tokoa ny fikasan’ny Mpamorona, tamin’izy namorona ny olona? Nahariharin’i Paoly ny valiny: Ny “hitadiavan’[ny olona] azy raha mitsapatsapa mitady azy izy ireo ka tena hahita azy tokoa. Raha ny marina anefa, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Asa. 17:27) Tena azo fantarina ilay Andriamanitra tsy fantatry ny Atenianina. Tsy lavitra an’ireo tena maniry hahita sy hahafantatra azy izy. (Sal. 145:18) Nampiasa ny teny hoe “antsika” i Paoly mba hilazana fa nila ‘nitady’ sy ‘nitsapatsapa nitady’ an’Andriamanitra koa izy.

17, 18. Nahoana no tokony haniry hanatona an’Andriamanitra ny olona? Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nanohinan’i Paoly ny fon’ireo nihaino azy?

17 Tokony haniry hanatona an’Andriamanitra ny olona. Hoy i Paoly: “Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.” Misy manam-pahaizana milaza fa niresaka an-kolaka ny tenin’i Épiménide i Paoly teo. Poety avy any Kreta tamin’ny taonjato fahenina T.K. izy io, sady “olo-malaza teo amin’ny fivavahan’ny Atenianina.” Nanome antony hafa tokony hanatonan’ny olona an’Andriamanitra i Paoly. Hoy izy: “Voalazan’ny poety sasany eo aminareo hoe: ‘Fa naterany koa isika.’ ” (Asa. 17:28) Tokony hahatsiaro ho manana rohim-pihavanana amin’Andriamanitra ny olona, satria izy no namorona ilay razamben’ny olona rehetra. Te hanohina ny fon’ireo nihaino azy i Paoly ka nindrana teny avy tao amin’ny asa soratra grika, izay azo inoana fa nohajain’ny mpihaino azy. * Mety hindrana teny avy ao amin’ny rakipahalalana na boky ara-tantara na boky hafa isika indraindray, toa an’i Paoly. Raha mindrana teny avy ao amin’ny boky hajain’ny olona, ohatra, isika, dia mety hiaiky ny olona tsy Vavolombelona fa tsy avy ao amin’ny Baiboly ireo fety sy fombafomba fanaon’ny fivavahan-diso.

18 Nampahafantatra fahamarinana lehibe momba an’Andriamanitra i Paoly hatreo. Hainy ny nanovaova ny fitoriany, arakaraka ny olona niresahany. Inona àry no tian’ilay apostoly hataon’ireo Atenianina nihaino azy? Nolazainy avy hatrany tao amin’ny tohin’ny lahateniny izany.

“Tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza” (Asa. 17:29-31)

19, 20. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa hadalana ny nivavaka tamin’ny sampy? b) Nila nanao inona ireo nihaino an’i Paoly?

19 Te handrisika ny mpihaino azy hanao zavatra i Paoly. Noresahiny indray ilay teny nalainy tao amin’ny asa soratra grika, ka hoy izy: “Koa satria naterak’Andriamanitra isika, dia tsy tokony hihevitra an’Andriamanitra ho tahaka ny volamena na volafotsy na vato, na tahaka ny sokitra vitan’ny fahaizan’olombelona sy ny fahiratan-tsainy.” (Asa. 17:29) Ahoana tokoa moa no hahatonga an’Andriamanitra ho toy ny sampy, izay asa tanan’olombelona, nefa ny olona aza asa tanany? Nahay nandresy lahatra i Paoly ka nasehony fa hadalana ny nivavaka tamin’ny sampy nataon’olombelona. (Sal. 115:4-8; Isaia 44:9-20) Tsy dia nanindrona loatra ny tenin’i Paoly satria nilaza izy hoe ‘isika dia tsy tokony...’

20 Nasehon’i Paoly fa nilaina ny nanao zavatra. Nieritreritra ireo nihaino azy hoe nankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoan-tsampy, ka hoy i Paoly: “Tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana toy izany ... Andriamanitra, fa ankehitriny kosa izy milaza fa tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza.” (Asa. 17:30) Nety ho sosotra ny sasany rehefa nampirisihina hibebaka. Niharihary tamin’ilay lahatenin’i Paoly anefa fa avy amin’Andriamanitra ny fiainan’izy ireo ka hataony ampamoaka izy ireo. Nila nitady an’Andriamanitra sy nianatra ny marina momba azy izy ireo, ary nila nampifanaraka ny fiainany tamin’ny fahamarinana. Nila niaiky ireo Atenianina fa nanota satria nanompo sampy, ka nila niova.

21, 22. Inona no famaranan-teny mavesa-danja nataon’i Paoly, ary inona no dikan’izany ho antsika?

21 Mavesa-danja ny teny namaranan’i Paoly ny lahateniny. Hoy izy: “Efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana [Andriamanitra], eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany azy io tamin’ny maty.” (Asa. 17:31) Ho avy ny Andro Fitsarana, ary antony lehibe hitadiavana an’ilay tena Andriamanitra izany. Tsy nanonona ny anaran’ilay mpitsara voatendry i Paoly, fa zavatra nanaitra ny sain’ny mpihaino azy kosa no noresahiny, dia ny hoe niaina teto an-tany ilay mpitsara, ary maty, nefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty.

22 Tena misy dikany ho antsika io famaranan-teny io. Fantatsika fa i Jesosy Kristy no Mpitsara notendren’Andriamanitra, ary maharitra arivo taona ilay Andro Fitsarana, izay mihamanatona haingana. (Jaona 5:22; Apok. 20:4, 6) Tsy atahorantsika ny Andro Fitsarana, satria fantatsika fa hitondra fitahiana tsy hay lazaina ho an’ireo tsy mivadika izy io. Izao no antoka fa ho tanteraka ilay fanantenantsika hoavy sambatra: Natsangana tamin’ny maty i Jesosy Kristy, ary izany no fahagagana lehibe indrindra!

‘Nisy tonga mpino’ (Asa. 17:32-34)

23. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona tamin’ilay lahatenin’i Paoly?

23 Tsy nitovy ny fihetsiky ny olona tamin’ilay lahatenin’i Paoly. Ny sasany “naneso” rehefa nandre momba ny fitsanganana amin’ny maty. Ny hafa kosa nanaja fotsiny fa tsy te hiditra lalina, ka nilaza hoe: “Amin’ny manaraka izahay mbola hihaino anao ny amin’izany.” (Asa. 17:32) Nisy vitsivitsy kosa nandray tsara, ary “lasa nanaraka azy ka tonga mpino, anisan’izany koa i Dionysio, mpitsara teny amin’ny Areopago, ary vehivavy atao hoe Damary, sy ny olon-kafa.” (Asa. 17:34) Mety haneso antsika koa ny olona sasany itoriantsika, fa ny hafa kosa handa amim-panajana. Faly anefa isika rehefa misy manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana ka tonga mpino.

24. Inona no ianarantsika avy amin’ilay lahatenin’i Paoly teo amin’ny Areopago?

24 Betsaka no azontsika ianarana avy amin’ilay lahatenin’i Paoly: Ny fomba hanaovana famelabelarana mirindra, sy ny fanomezana porofo mampiaiky, ary ny fanovaovana ny fitoriana arakaraka ny olona iresahana. Tokony hanam-paharetana sy handanjalanja koa isika rehefa miresaka amin’ireo nohajambain’ny fampianaran-diso. Izao koa ny lesona lehibe iray: Tsy tokony hampandefitra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly mihitsy isika, satria hoe te hampitony an’ireo mihaino antsika. Ho mpampianatra mahomby kokoa isika eny amin’ny fanompoana, raha manao toy ny apostoly Paoly. Vao mainka hahay hampianatra koa ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Ho haintsika àry ny hanampy ny hafa hitady sy hahita an’Andriamanitra.—Asa. 17:27.

^ feh. 5 Jereo ilay efajoro hoe “ Ny Epikoreanina sy ny Stôika.”

^ feh. 8 Teo avaratrandrefan’ny Acropole no nisy ny Areopago. Tao no nivory ny fitsarana tampony tao Atena. Nety ho ilay fitsarana, na ilay havoana mihitsy, no natao hoe “Areopago.” Misy manam-pahaizana àry milaza hoe nentina teny amin’io havoana io, na tsy lavitra teo, i Paoly. Ny hafa kosa miteny hoe nentina tany amin’ny fivorian’ny mpitsara tany an-toeran-kafa izy, angamba tany an-tsena.

^ feh. 13 Ny hoe “izao tontolo izao” dia avy amin’ny teny grika hoe kôsmôs, izay teny nilazan’ny Grika an’izao rehetra izao hita maso. Io heviny io angamba no tao an-tsain’i Paoly tamin’izy niezaka nitady marimaritra iraisana tamin’ireo Grika nihaino azy.

^ feh. 17 Nindrana teny avy ao amin’ny Phaenomena i Paoly. Tononkalo momba ny kintana izy io, ary nosoratan’i Aratus, poety stôika. Misy mitovy amin’ilay teny nampiasain’i Paoly koa ao amin’ny asa soratra grika hafa, toy ny Hira Fiderana An’i Zeosy, nosoratan’i Cléanthe, mpanoratra stôika.