Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 15

“Nanatanjaka ny Fiangonana” Izy Ireo

“Nanatanjaka ny Fiangonana” Izy Ireo

Manampy ny fiangonana hatanjaka amin’ny finoana ny mpiandraikitra mpitety faritany

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 15:36–16:5

1-3. a) Iza ilay namana vaovao hiara-dia amin’i Paoly? Lazao ny mombamomba azy io. b) Inona no hianarantsika ato amin’ity toko ity?

 LASA saina ny apostoly Paoly nijery an’ilay tovolahy niaraka taminy, tamin’izy ireo namakivaky faritra mikitoantoana teny anelanelan’ireo tanàna. Timoty no anaran’io tovolahy tanora sy mavitrika io, ary 20 taona teo ho eo angamba izy. Nihananalavitra ny tanàna niaviany izy, arakaraka ny nandehanany. Dify tsikelikely ny faritr’i Lystra sy Ikonioma, rehefa nihafolaka ny andro. Inona no miandry azy ireo? Fantapantatr’i Paoly ihany izany, satria io no dia misionera faharoa nataony. Fantany fa loza sy zava-tsarotra maro no miandry azy ireo. Ho zakan’ilay tovolahy ve izany?

2 Natoky be an’io tovolahy nanetry tena io i Paoly, ary mihoatra noho ny fatokisan’i Timoty ny tenany aza angamba izany. Vao mainka niaiky i Paoly, noho ireo zava-nitranga vao haingana, fa namana tena nety taminy no tokony hiara-dia aminy. Fantany fa mila vonona tanteraka sy miray saina ny mpiandraikitra mpitety faritany, satria ilana an’izany ilay asa miandry azy ireo, dia ny fitsidihana fiangonana sy fanatanjahana ny finoan’izy ireo. Nahoana i Paoly no nieritreritra izany? Antony iray angamba ny tsy fifanarahan’izy sy Barnabasy, izay nahatonga azy roa lahy hisaraka.

3 Inona no fomba tsara indrindra handaminana tsy fifanarahana? Hiana-javatra maro momba izany isika ato amin’ity toko ity. Ho hitantsika ato koa ny antony nifidianan’i Paoly an’i Timoty hiara-dia taminy, sy ny andraikitra lehibe tanan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny.

‘Andao isika hiverina hitsidika ireo rahalahy’ (Asa. 15:36)

4. Inona no nokasain’i Paoly hatao tamin’ny dia misionera faharoa?

4 Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha fa nampahery ny fiangonana tao Antiokia i Paoly sy Barnabasy ary Jodasy sy Silasy, rehefa nilaza ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana momba ny famorana. Inona no nataon’i Paoly avy eo? Noresahiny an’i Barnabasy ny dia manaraka nokasainy hatao. Hoy izy: “Andao aloha isika hiverina hitsidika ireo rahalahy any amin’ny tanàna tsirairay nitoriantsika ny tenin’i Jehovah, mba hahitantsika hoe manao ahoana izy ireo izay.” (Asa. 15:36) Tsy hoe te hamangivangy an’ireo Kristianina vaovao ireo fotsiny i Paoly. Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny tena antony nanaovan’i Paoly ny dia misionera faharoa. Voalohany, mbola hampahafantatra an’ilay fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana izy. (Asa. 16:4) Faharoa, mpiandraikitra mpitety faritany i Paoly, ka tapa-kevitra ny hampahery ny fiangonana sy hanampy azy ireo hatanjaka amin’ny finoana. (Rom. 1:11, 12) Manahaka ny modely navelan’ny apostoly ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Ahoana no anaovany izany?

5. Ahoana no anomezan’ny Filan-kevi-pitantanana tari-dalana sy fampaherezana ny fiangonana?

5 Mampiasa ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Kristy ankehitriny mba hitarihana ny fiangonana. Ireo lehilahy voahosotra mendri-pitokisana ireo no manome tari-dalana sy fampaherezana ny fiangonana eran-tany, amin’ny alalan’ny taratasy, boky aman-gazety, fivoriana, ary amin’ny fomba hafa. Miezaka hifandray akaiky amin’ny fiangonana tsirairay koa izy ireo, ka mampiasa an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany an’arivony maneran-tany. Ny Filan-kevi-pitantanana no manendry mivantana an’ireo anti-panahy mahafeno fepetra mba ho mpiandraikitra mpitety faritany.

6, 7. Inona no sasany amin’ny andraikitry ny mpiandraikitra mpitety faritany?

6 Miezaka ny hampahery sy hiahy manokana an’ireo rehetra eo anivon’ny fiangonana tsidihiny ny mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny. Amin’ny fomba ahoana? Manaraka ny ohatra navelan’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, toa an-dry Paoly, izy ireo. Nampirisihin’i Paoly toy izao ny mpiandraikitra toa azy: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany na amin’ny mora na amin’ny sarotra, mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, manomeza torohevitra, ary aoka ianao hahari-po tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao izany rehetra izany. ... Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara.”—2 Tim. 4:2, 5.

7 Mankatò izany ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, raha manambady izy, ka mandray anjara amin’ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana, miaraka amin’ny mpitory eo an-toerana. Mazoto mitory sy mahay mampianatra ireny mpiandraikitra ireny, ary misy vokany tsara eo amin’ny andian’ondry izany. (Rom. 12:11; 2 Tim. 2:15) Malaza ho mahafoy tena ireo manao asa fitetezam-paritany. Vonona hanompo ny hafa izy ireo ka mandeha foana, na ratsy aza ny andro, ary na mampidi-doza aza ny toerana haleha. (Fil. 2:3, 4) Mampahery sy mampianatra ary mananatra ny fiangonana tsirairay koa ny mpiandraikitra mpitety faritany, amin’ny alalan’ny lahateny ara-baiboly. Mandray soa ny rehetra eo anivon’ny fiangonana, raha mandinika ny fitondran-tenan’izy ireny sy manahaka ny finoany.—Heb. 13:7.

“Nisafoaka mafy” (Asa. 15:37-41)

8. Ahoana no nandraisan’i Barnabasy ny fanasan’i Paoly?

8 Nankasitrahan’i Barnabasy ilay soso-kevitr’i Paoly hoe ‘hitsidika an’ireo rahalahy.’ Niara-niasa tsara izy roa lahy tamin’izy ireo nitety faritany, ary efa fantany ny toerana sy ny olona hotsidihina. (Asa. 13:2–14:28) Toa nety tsara àry ilay hevitra hoe hiara-manao an’io asa io izy ireo. Nisy olana anefa. Hoy ny Asan’ny Apostoly 15:37: “I Barnabasy kosa efa tapa-kevitra ny hitondra an’i Jaona, izay atao koa hoe Marka”, zanak’olo-mpiray tam-po aminy. Tsy soso-kevitra fotsiny ny an’i Barnabasy. “Efa tapa-kevitra” ny hitondra an’i Marka hiaraka aminy amin’ilay dia misionera izy.

9. Nahoana i Paoly no tsy niombon-kevitra tamin’i Barnabasy?

9 Tsy nanaiky i Paoly. Nahoana? Hoy ilay fitantarana: “I Paoly kosa nihevitra fa tsy tokony hoentina i Marka, satria nandao azy roa lahy tany Pamfylia izy, ka tsy niaraka tamin’izy ireo hanao ilay asa.” (Asa. 15:38) Niaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy tamin’ilay dia misionera voalohany i Marka, saingy tsy nanohy hatramin’ny farany. (Asa. 12:25; 13:13) Niala an-daharana i Marka ka nody tany Jerosalema tamin’izy ireo tany Pamfylia, ary tsy lazain’ny Baiboly ny antony. Vao niandoha kelikely ny dian’izy ireo tamin’izay. Toa nihevitra i Paoly hoe tsy azo nanankinana andraikitra i Marka. Nisalasala angamba izy raha tena azo nianteherana i Marka.

10. Inona no niafaran’ilay tsy fifanarahan’i Paoly sy Barnabasy, ary inona no vokany?

10 Nikiry hitondra an’i Marka i Barnabasy, fa i Paoly kosa tsy nanaiky mihitsy. “Koa samy nisafoaka mafy izy roa lahy ka nisaraka”, hoy ny Asan’ny Apostoly 15:39. Nandray sambo nankany amin’ny Nosy Sipra, tany niaviany, i Barnabasy, ary nentiny i Marka. I Paoly kosa nanatanteraka an’izay efa nokasainy. Hoy ilay fitantarana: “Nifidy an’i Silasy [i Paoly] ka lasa, rehefa avy nankinin’ireo rahalahy tamin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah.” (Asa. 15:40) “Namakivaky an’i Syria sy Kilikia izy [roa lahy], ka nanatanjaka ny fiangonana tany.”—Asa. 15:41.

11. Inona no toetra ilaina mba tsy ho tapaka tanteraka ny fihavanantsika amin’ny olona nanafintohina antsika?

11 Mampahatsiahy antsika angamba iny tantara iny fa tsy lavorary isika. Efa voatendry ho solontena manokan’ny filan-kevi-pitantanana i Paoly sy Barnabasy. Toa lasa anisan’izy io mihitsy aza i Paoly. Tsy lavorary anefa izy roa lahy ka izany no nahatonga azy hifanditra tamin’iny fotoana iny. Navelany hanapaka tanteraka ny fihavanany ve iny zava-nitranga iny? Olona nanetry tena sy nanana ny sain’i Kristy izy roa lahy, na dia tsy lavorary aza. Azo inoana fa nifamela heloka sy nifampitondra toy ny mpirahalahy indray izy ireo. (Efes. 4:1-3) Niara-nanatontosa andraikitra kristianina hafa i Paoly sy Marka tatỳ aoriana. *Kol. 4:10.

12. Inona no toetra tokony hampiavaka ny mpiandraikitra ankehitriny, raha manahaka an’i Paoly sy Barnabasy izy ireo?

12 Marina fa nisafoaka mafy i Barnabasy sy Paoly tamin’iny, nefa tsy hoe efa toetran’izy ireo izany. Lehilahy be fitiavana sy nalala-tanana tokoa i Barnabasy ka tsy nantsoin’ny apostoly tamin’ilay anarany hoe Josefa, fa nantsoin’izy ireo hoe Barnabasy, izay midika hoe “Zanaky ny Fampiononana.” Be fitiavana sy nalemy fanahy koa i Paoly. (1 Tes. 2:7, 8) Tokony hanahaka an’i Paoly sy Barnabasy ny mpiandraikitra rehetra ankehitriny, anisan’izany ny mpiandraikitra mpitety faritany, ka hiezaka hanetry tena sy ho be fitiavana foana rehefa mifandray amin’ny anti-panahy hafa sy amin’ny andian’ondry.—1 Pet. 5:2, 3.

‘Tsara laza izy’ (Asa. 16:1-3)

13, 14. a) Iza moa i Timoty, ary ahoana no mety ho nihaonan’i Paoly taminy? b) Inona no nahatonga an’i Paoly hahamarika an’i Timoty? d) Inona no andraikitra nomena an’i Timoty?

13 Nankany Galatia, faritany romanina, i Paoly tamin’ilay dia misionera faharoa. Efa nisy fiangonana vitsivitsy tany. “Tonga tany Derbe sy Lystra koa izy.” Hoy ny Baiboly: “Ary nisy mpianatra atao hoe Timoty tao, izay zanaky ny vehivavy jiosy mpino, fa Grika kosa ny rainy.”—Asa. 16:1. *

14 Azo inoana fa nihaona tamin’ny fianakavian’i Timoty i Paoly tamin’ny taona 47 tany ho any, tamin’izy nandalo voalohany tao amin’ilay faritra. Nahamarika an’i Timoty izy rehefa niverina tany fanindroany, roa na telo taona tatỳ aoriana. Nahoana? Satria “tsara laza teo amin’ireo rahalahy” i Timoty. Tsy ny rahalahy tao amin’ny tanàna niaviany ihany no tia azy, fa na ireo rahalahy tsy anisan’ny fiangonany koa aza. Manazava ilay fitantarana fa samy nanan-javatra tsara holazaina momba azy ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma, izay 30 kilaometatra teo ho eo ny elanelany. (Asa. 16:2) Notarihin’ny fanahy masina ny anti-panahy ka nanankina andraikitra mavesatra tamin’i Timoty tanora. Nasaina nanampy an’i Paoly sy Silasy tamin’ny asa fitetezam-paritany izy.—Asa. 16:3.

15, 16. Inona no nahatonga an’i Timoty ho tsara laza?

15 Inona no nahatonga an’i Timoty ho tsara laza, na dia mbola tanora aza? Nahira-tsaina ve izy, sa tsara bika, sa nanan-talenta? Izany matetika no manaitra ny olona. I Samoela mpaminany aza, indray mandeha, nifantoka loatra tamin’ny bika aman’endrika. Nampahatsiahy azy anefa i Jehovah hoe: “Tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Sam. 16:7) Tsy ny fahaizan’i Timoty no nahatonga azy ho tsara laza teo amin’ny Kristianina hafa, fa ny toetra naha izy azy.

16 Niresaka momba ny toetra kristianina sasany nananan’i Timoty ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Nilaza izy fa tsara toetra sy be fitiavana ary nahafoy tena i Timoty, sady nazoto niantsoroka ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. (Fil. 2:20-22) Nanana “finoana tsy mihatsaravelatsihy” koa izy.—2 Tim. 1:5.

17. Ahoana no anahafan’ny tanora ankehitriny an’i Timoty?

17 Tanora maro ankehitriny no manahaka an’i Timoty, ka miezaka hanana toetra tsara. Tsara laza eo anatrehan’i Jehovah sy ny vahoakany àry izy ireny, na dia mbola kely aza. (Ohab. 22:1; 1 Tim. 4:15) Manana finoana tsy mihatsaravelatsihy izy ireny, ka tsy hoe maditra rehefa tsy misy mahita. (Sal. 26:4) Tanora maro toa an’i Timoty àry no manana andraikitra lehibe eo anivon’ny fiangonana. Tena mampahery an’izay rehetra tia an’i Jehovah izy ireny, rehefa mahafeno fepetra hitory ny vaovao tsara, ary manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa, rehefa mandeha ny fotoana.

‘Nihanatanjaka ny finoan’izy ireo’ (Asa. 16:4, 5)

18. a) Inona no andraikitra nomena an’i Paoly sy Timoty, noho izy ireo mpiandraikitra mpitety faritany? b) Inona no fitahiana azon’ny fiangonana?

18 Niara-niasa nandritra ny taona maro i Paoly sy Timoty. Mpiandraikitra mpitety faritany izy ireo ka nampanaovin’ny filan-kevi-pitantanana asa maro samihafa. Hoy ny Baiboly: “Nandeha nitety tanàna izy ireo ka nampita an’ilay didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hotandreman’ny olona.” (Asa. 16:4) Tena nankatò ny tari-dalan’ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema ny fiangonana. Inona no vokatr’izany? “Nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.”—Asa. 16:5.

19, 20. Nahoana ny Kristianina no tokony hankatò an’ireo “mitarika” eo aminy?

19 Mahazo fitahiana koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, noho izy ireo manaiky sy mankatò ny tari-dalan’ireo “mitarika” eo aminy. (Heb. 13:17) Miovaova foana ny sehatr’ity tontolo ity, ka tena ilain’ny Kristianina ny maharaka an’ireo sakafo ara-panahy omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45; 1 Kor. 7:29-31) Hiaro antsika tsy hiala amin’ny fahamarinana izany, sady hanampy antsika tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao mihitsy.—Jak. 1:27.

20 Tsy lavorary i Paoly sy Barnabasy ary Marka, mbamin’ireo anti-panahy voahosotra hafa tamin’ny taonjato voalohany. Tsy lavorary koa ny mpiandraikitra kristianina ankehitriny, anisan’izany ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. (Rom. 5:12; Jak. 3:2) Mendri-pitokisana anefa ny Filan-kevi-pitantanana, satria manaraka akaiky ny Tenin’Andriamanitra sy ny modely navelan’ireo apostoly. (2 Tim. 1:13, 14) Vokatr’izany, dia mahazo fampaherezana ny fiangonana ary matanjaka ny finoany.

^ feh. 11 Jereo ilay efajoro hoe “ Nahazo Andraikitra Maro i Marka.”