Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 17

‘Nandresy Lahatra Azy Ireo Tamin’ny Soratra Masina’ Izy

‘Nandresy Lahatra Azy Ireo Tamin’ny Soratra Masina’ Izy

Ny fomba ahitana fahombiazana rehefa mampianatra, sy ny ohatra tsaran’ireo Berianina

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 17:1-15

1, 2. Iza avy no niainga tany Filipy ho any Tesalonika, ary inona no nety ho tao an-tsain’izy ireo?

 MAMAKIVAKY tendrombohitra maro ilay lalana be mpandeha nataon’ny injeniera romanina. Re teny amin’io lalana io daholo indraindray na ny feon’ampondra, na ny fikatrokatroky ny kodiaran-kalesy eo amin’ilay rarivato matevina, na ny tabataban’ireo mpandeha maro samihafa, izay azo inoana fa nisy miaramila sy mpivarotra ary mpanao asa tanana. Efa nahavita 130 kilaometatra mahery tamin’io lalana io izao i Paoly sy Silasy ary Timoty, rehefa niainga tao Filipy ho any Tesalonika. Sarotra ny dia, indrindra ho an’i Paoly sy Silasy. Nokapohina tamin’ny hazo mantsy izy roa lahy tany Filipy ka mbola tsy sitrana ny ratrany.—Asa. 16:22, 23.

2 Mbola lavitra ny dia, ka inona no nataon’izy telo lahy mba hanalana lalana? Niresaka izy ireo. Mbola tao an-tsainy ilay zava-nahafaly tany Filipy. Lasa mpino mantsy ilay mpiambina fonja sy ny ankohonany, ka vao mainka izy telo lahy tapa-kevitra ny hitory ny tenin’Andriamanitra foana. Efa akaiky an’i Tesalonika anefa izy ireo, ka nety ho lasa saina hoe handray tsara azy ireo ve ny Jiosy tao amin’io tanàna amoron-tsiraka io. Hisy hanafika na hikapoka mihitsy ve izy ireo, toy ny tany Filipy?

3. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny ohatra navelan’i Paoly, izay nisikina herim-po mba hitory?

3 Nampahafantatra ny fihetseham-pony i Paoly, tatỳ aoriana, tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina tany Tesalonika. Hoy izy: “Rehefa avy nijaly sy nalam-baraka tany Filipy aloha izahay—araka ny efa fantatrareo—dia nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika mba hitory taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.” (1 Tes. 2:2) Toa te hilaza àry i Paoly fa natahotra hiditra tao Tesalonika izy, indrindra taorian’ilay zava-nitranga tany Filipy. Tsapanao ve ny fihetseham-pony? Ady mafy ho anao koa ve indraindray ny mitory ny vaovao tsara? Niantehitra tamin’i Jehovah i Paoly mba hanatanjaka azy sy hanampy azy hisikina herim-po. Hanampy anao ho toy izany koa ny fandinihana ny ohatra navelan’i Paoly.—1 Kor. 4:16.

‘Nandresy lahatra tamin’ny Soratra Masina’ izy (Asa. 17:1-3)

4. Nahoana no azo inoana fa roatokombolana mahery i Paoly no tany Tesalonika?

4 Milaza ny fitantarana fa nitory tao amin’ny synagoga tany Tesalonika i Paoly, nandritra ny Sabata telo. Midika ve izany fa roatokombolana fotsiny izy no tany? Tsy voatery ho izany. Tsy fantatsika hoe efa tonga hafiriana tany i Paoly vao nankany amin’ny synagoga. Hita amin’ireo taratasin’i Paoly koa fa nanana asa fivelomana izy sy ireo namany, tany Tesalonika. (1 Tes. 2:9; 2 Tes. 3:7, 8) Indroa koa izy no nahazo fanampiana avy tamin’ireo rahalahy tany Filipy, nandritra ny nijanonany tany Tesalonika. (Fil. 4:16) Azo inoana àry fa roatokombolana mahery izy no tany.

5. Ahoana no fomba nitorian’i Paoly tamin’ny olona?

5 Nisikina herim-po mba hitory i Paoly ka niresaka tamin’ireo tao amin’ny synagoga. Araka ny fanaony, dia ‘niezaka nandresy lahatra azy ireo, niorina tamin’ny Soratra Masina izy. Dia nohazavainy sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy. “Ilay Jesosy izay toriko aminareo”, hoy izy, “no Kristy.” ’ (Asa. 17:2, 3) Mariho fa tsy nanao izay hampihetsi-po ny olona izy fa nampisaintsaina azy kosa. Fantany fa nahalala sy nanaja ny Soratra Masina ireo nihaino azy, saingy tsy nahazo ny hevitr’izy io. Nampiasa ny Soratra Masina àry i Paoly mba handresen-dahatra sy hanazavana ary hanaporofoana fa i Jesosy avy any Nazareta no Mesia na Kristy nampanantenaina.

6. Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny Soratra Masina mba handresen-dahatra, ary inona no vokany?

6 Nanaraka ny modely navelan’i Jesosy i Paoly. Ny Soratra Masina mantsy no nataon’i Jesosy fototry ny fampianarany. Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy, ohatra, i Jesosy fa tsy maintsy hijaly sy ho faty ary hatsangana amin’ny maty ny Zanak’olona, araka ny Soratra Masina. (Mat. 16:21) Niseho tamin’ny mpianany izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Na izany fotsiny aza, dia efa nampiseho fa nilaza ny marina izy. Mbola nomen’i Jesosy porofo hafa anefa izy ireo. Izao no vakintsika momba izay nolazainy tamin’ny mpianatra sasany: “Nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra, nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra.” Inona no vokany? Hoy ireo mpianatra: “Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy niresaka tamintsika teny an-dalana, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?”—Lioka 24:13, 27, 32.

7. Nahoana no zava-dehibe ny hampiasana ny Soratra Masina ho fototry ny fampianarantsika?

7 Misy heriny ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 4:12) Mampiasa azy io ho fototry ny fampianarany àry ny Kristianina ankehitriny, toa an’i Jesosy sy Paoly ary ny apostoly hafa. Miezaka mandresy lahatra ny olona koa isika, ary manazava ny hevitry ny Soratra Masina sy manaporofo an’izay zavatra ampianarintsika, ka manokatra ny Baiboly mba hampisehoana amin’ny olona an’izay voalaza ao. Tsarovy fa tsy antsika ilay hafatra entintsika. Rehefa mazoto mampiasa Baiboly isika, dia manampy ny olona hahatakatra hoe tsy ny hevitsika no torintsika fa ny fampianaran’Andriamanitra. Tadidio koa fa ny Tenin’Andriamanitra no votoatin’ny hafatra torintsika. Azo itokisana tanteraka ny Teniny. Tsy manome toky anao ve izany, ka mahatonga anao hitory amim-pahasahiana toa an’i Paoly?

“Tonga mpino ny sasany” (Asa. 17:4-9)

8-10. a) Ahoana avy no nandraisan’ny olona tany Tesalonika ny vaovao tsara? b) Nahoana no nialona an’i Paoly ny Jiosy sasany? d) Inona no nataon’ireo Jiosy mpanohitra?

8 Efa tsapan’i Paoly fa marina ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa. Ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny teninareo koa.” (Jaona 15:20) Hitan’i Paoly tany Tesalonika fa samy hafa tokoa ny fandraisan’ny olona: Tonga dia nankatò ny teniny ny sasany, fa nanohitra kosa ny hafa. Hoy i Lioka momba an’ireo nandray tsara ny teny: “Tonga mpino [Kristianina] ny sasany tamin’ireo [Jiosy] ka niaraka tamin’i Paoly sy Silasy. Maro be koa ny Grika mpivavaka tamin’Andriamanitra no lasa mpino, ary tsy vitsy koa ny vehivavy nanan-kaja.” (Asa. 17:4) Azo antoka fa faly ireo mpianatra vaovao ireo satria nampiana hahatakatra tsara ny Soratra Masina.

9 Nankasitraka ny tenin’i Paoly ny sasany, fa ny hafa kosa tezitra be taminy. Nahavita nandresy lahatra ‘Grika maro be’ izy, ka nialona azy ny Jiosy sasany tany Tesalonika. Nisarika olona hanaraka ny Fivavahana Jiosy mantsy izy ireo, ka nampianatra ny Grika momba an’ireo fampianarana ao amin’ny Soratra Hebreo. Noheverin’izy ireo hoe efa azy àry ireo Grika ireo, nefa toa nangalarin’i Paoly tampoka, sady izay indray tao amin’ny synagoga mihitsy! Romotra ny Jiosy noho izany.

‘Nitaky ny hamoahana an’i Paoly sy Silasy ho eo amin’ny vahoaka izy ireo.’​—Asan’ny Apostoly 17:5

10 Inona avy eo no nitranga? Hoy i Lioka: “Velom-pialonana ... ny Jiosy, ka naka olona ratsy fanahy tamin’ireo mpidonana-poana teny an-tsena, ary namory vahoaka sy nampisavorovoro ny tanàna. Dia nanafika ny tranon’i Jasona izy ireo ary nitaky ny hamoahana an’i Paoly sy Silasy ho eo amin’ny vahoaka. Rehefa tsy nahita azy roa lahy tao izy ireo, dia nitaritarika an’i Jasona sy ny rahalahy sasany ho any amin’ny lehiben’ny tanàna, ka niantsoantso hoe: ‘Tonga eto koa izao ireny lehilahy manakorontana ny tany onenana ireny, ary nampiantrano azy i Jasona. Manohitra ny didin’i Kaisara izy rehetra ireo, ka milaza fa misy mpanjaka hafa, dia i Jesosy.’ ” (Asa. 17:5-7) Inona no vokatr’izany hatezeram-bahoaka izany teo amin-dry Paoly?

11. Inona avy no niampangana an-dry Paoly, ary inona no didy mety ho tao an-tsain’ireo niampanga azy? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Mahavita zava-mahatsiravina ny vahoaka romotra, satria mahery setra sy tsy voafehy. Io no nampiasain’ny Jiosy mba handroahana an’i Paoly sy Silasy. Nataon’ny Jiosy ‘nisavorovoro’ ny tao an-tanàna, ka nezahin’izy ireo noresena lahatra ny mpitondra hoe raharaha lehibe no niampangany an-dry Paoly. Inona no fiampangana nataon’ny Jiosy? Voalohany, “manakorontana ny tany onenana”, hono, i Paoly sy ireo mpitory namany. Tsy izy ireo anefa no niteraka savorovoro tany Tesalonika. Lehibe lavitra kosa ilay fiampangana faharoa. Nilaza, hono, ireo misionera ireo fa misy Mpanjaka hafa, dia i Jesosy. Nampangaina ho nandika ny didin’ny mpanjaka àry izy ireo. *

12. Inona no mampiseho fa mety ho zava-doza ny vokatr’ireo fiampangana ny Kristianina tany Tesalonika?

12 Tsarovy fa zavatra mitovy amin’izany no niampangan’ny mpitondra fivavahana an’i Jesosy. Hoy izy ireo tamin’i Pilato: “Ity lehilahy ity hitanay nampikomy ny firenenay ... sady nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.” (Lioka 23:2) Natolotr’i Pilato hovonoina i Jesosy, satria natahotra angamba izy sao hoeritreretin’ny mpanjaka hoe nilefitra tamin’ny fikasana hanongam-panjakana. Nety ho zava-doza koa ny vokatr’ireo fiampangana ny Kristianina tany Tesalonika. Izao no lazain’ny boky iray: “Tena mety ho loza ny nanjo azy ireo, satria ‘matetika dia ny ain’ilay voampanga no nanefa, raha vao namofompofona fanonganam-panjakana fotsiny ny zavatra nataony.’ ” Nahomby ve ilay tetik’ireo mpankahala?

13, 14. a) Nahoana no tsy nahomby ny vahoaka? b) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa malina toa an’i Kristy izy, ary ahoana no anahafantsika azy?

13 Tsy nahavita nampitsahatra ny asa fitoriana tany Tesalonika ny vahoaka. Nahoana? Voalohany, tsy hita izay nalehan’i Paoly sy Silasy. Toa tsy resy lahatra koa ireo lehiben’ny tanàna hoe marina ireo fiampangana. Nafahan’izy ireo àry i Jasona sy ireo rahalahy hafa nentina teo anatrehany, rehefa avy nasainy nanome “antoka”, izay angamba vola tsy maintsy naloa. (Asa. 17:8, 9) Nanaraka ny torohevitr’i Jesosy i Paoly ka ‘malina tahaka ny bibilava, nefa tsy nanan-tsiny tahaka ny voromailala.’ (Mat. 10:16) Mailo i Paoly ka nanalavitra ny loza, mba ho afaka hanohy ny fitoriany any an-toeran-kafa. Nisikina herim-po i Paoly, nefa tsy midika izany hoe tsy malina izy. Ahoana no azontsika anahafana azy?

14 Matetika no mampirisika vahoaka hanafika antsika ny mpitondra fivavahana milaza azy ho Kristianina. Lazainy ho mpamadika tanindrazana sy mpanongam-panjakana isika, ka ny mpitondra no taominy hanenjika antsika. Mialona koa ireo mpanenjika antsika ankehitriny, toa an’ireo tamin’ny taonjato voalohany ihany. Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy mitady fahasahiranana ny tena Kristianina. Tsy mifanandrina amin’ny vahoaka romotra isika, raha mbola azo atao. Ny hanohy ny fitoriana amim-pilaminana no tadiavintsika, ka rehefa tony angamba ny toe-draharaha vao miverina isika.

‘Ambony saina kokoa izy ireo’ (Asa. 17:10-15)

15. Ahoana no nandraisan’ny Berianina ny vaovao tsara?

15 Nalefa tany Beria, any amin’ny 65 kilaometatra, i Paoly sy Silasy mba hiarovana ny ainy. Nankany amin’ny synagoga i Paoly rehefa tonga tany, ka nitory tamin’ireo nivory tao. Akory ny hafaliany fa nihaino tsara ny olona! Nanoratra i Lioka fa “ambony saina kokoa noho ny Jiosy tany Tesalonika ny Jiosy tany Beria, satria faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.” (Asa. 17:10, 11) Nanambany an’ireo Tesalonianina nandray ny fahamarinana ve ireo teny ireo? Tsy izany mihitsy! Hoy i Paoly tamin’izy ireo, tatỳ aoriana: ‘Isaoranay mandrakariva Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra renareo avy taminay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra, izay miasa koa ao anatinareo mpino.’ (1 Tes. 2:13) Nahoana anefa no lazaina fa ambony saina ny Jiosy tany Beria?

16. Nahoana no tena mety ny nilazana hoe “ambony saina” ny Berianina?

16 Zava-baovao no ren’ny Berianina. Tsy niahiahy na nanakiana befahatany anefa izy ireo, nefa koa tsy hoe mora nambakaina. Nihaino tsara ny tenin’i Paoly aloha izy ireo. Nohamarininy, avy eo, ny zavatra nianarany, ka nodinihiny ny Soratra Masina, izay nohazavain’i Paoly taminy. Nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo, tsy hoe rehefa Sabata ihany fa isan’andro mihitsy. “Nazoto” nanao izany izy ireo, ka nahafoy tena nikaroka izay voalazan’ny Soratra Masina momba ilay fampianarana vaovao. Nanetry tena koa izy ireo ka niova, satria ‘maro tamin’izy ireo no tonga mpino.’ (Asa. 17:12) Tsy nahagaga raha nilaza i Lioka hoe “ambony saina” izy ireo!

17. Nahoana no tena mendri-piderana ny Berianina, ary ahoana no azontsika anahafana foana azy ireo, na efa ela aza isika no tonga mpino?

17 Tsy nahazo an-tsaina mihitsy ny Berianina hoe hosoratana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fomba nandraisany ny vaovao tsara, mba ho modely ho antsika. Araka izay nantenain’i Paoly sy nirin’i Jehovah mihitsy no nataon’izy ireo. Mampirisika ny olona handinika tsara ny Baiboly koa isika, mba hifototra tsara amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra inoan’izy ireo. Tsy tokony ho ambony saina intsony anefa ve isika rehefa tonga mpino? Vao mainka aza tena ilaina ny mazoto mandalina ny fampianaran’i Jehovah, sy mampihatra izany tsy misy hataka andro. Mamela an’i Jehovah hamolavola sy hanofana antsika araka ny sitrapony isika, raha manao izany. (Isaia 64:8) Hahazo sitraka tanteraka amin’ilay Raintsika any an-danitra isika amin’izay, ary ho azony ampiasaina foana.

18, 19. a) Nahoana i Paoly no niala tao Beria, nefa ahoana no nampisehoany fa nanana fikirizana izy ka ohatra tsara ho antsika? b) Iza indray izao no nitorian’i Paoly, ary taiza?

18 Tsy nijanona ela tao Beria i Paoly. Hoy ny Baiboly: “Rehefa ren’ny Jiosy avy any Tesalonika ... fa notorin’i Paoly tany Beria koa ny tenin’Andriamanitra, dia tonga tany koa izy ireo mba hampirisika sy hanakorontana ny vahoaka. Koa avy hatrany dia nasain’ireo rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina i Paoly, fa i Silasy sy Timoty kosa nijanona tao ihany. Nanatitra an’i Paoly hatrany Atena anefa ireo rahalahy, ary avy eo dia lasa, rehefa avy nampitondrain’i Paoly hafatra ho an’i Silasy sy Timoty mba hankanesan’izy roa lahy haingana araka izay azo atao, any aminy.” (Asa. 17:13-15) Tsy nitsahatra nanenjika ireo fahavalon’ny vaovao tsara! Mbola tsy ampy azy ireo ny nandroaka an’i Paoly niala tany Tesalonika, fa nankany Beria koa izy ireo ka nitady hanakorontana toy ny teo aloha. Tsy nahomby anefa izy ireo. Fantatr’i Paoly fa nidadasika ny faritany itoriany ka nifindra fotsiny izy. Enga anie ka ho tapa-kevitra toy izany koa isika ny hampandamòka ny tetik’ireo te hampitsahatra ny asa fitoriana!

19 Azo antoka fa niana-javatra betsaka i Paoly rehefa avy nitory tamin’ny Jiosy tany Tesalonika sy Beria. Tsapany izao fa zava-dehibe ny hitoriana amim-pahasahiana sy ny hahaizana mandresy lahatra amin’ny Soratra Masina. Izany koa no tsapantsika. Izao anefa dia ny hafa firenena tany Atena indray no nitorian’i Paoly. Nanao ahoana indray i Paoly tany? Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka izany.

^ feh. 11 Milaza ny manam-pahaizana iray fa namoaka didy ilay Kaisara tamin’izany hoe tsy azo atao ny maminany ny “hisian’ny mpanjaka na fanjakana vaovao ho avy, indrindra raha lazaina fa hisolo na hitsara ny mpanjaka eo amin’ny fitondrana ilay izy.” Azo inoana fa tian’ny fahavalon’i Paoly hadika vilana ny hafatra notoriny, ka horaisina ho fandikana an’io didy io. Jereo ilay efajoro hoe “ Ireo Kaisara sy ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly.”