Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 7

Asan’ny Apostoly 18:23–21:17

‘Nampianatra Ampahibemaso sy Isan-trano’

‘Nampianatra Ampahibemaso sy Isan-trano’

ASAN’NY APOSTOLY 20:20

Nahoana isika no tokony hanetry tena sy hahay hanovaova ny fomba itoriantsika, arakaraka ny toe-javatra sy ny olona iresahantsika? Inona no fomba lehibe indrindra itoriana ny vaovao tsara? Ahoana no ampisehoantsika fa mbola zava-dehibe kokoa noho izay mahafinaritra antsika ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra? Hanampy antsika hamaly an’ireo fanontaniana lehibe ireo, ilay fitantarana mahafinaritra momba ny dia misionera fahatelo sady farany nataon’i Paoly.