Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 22

“Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”

“Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”

Tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Paoly ka nankany Jerosalema

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 21:1-17

1-4. Nahoana i Paoly no nankany Jerosalema, ary inona no niandry azy tany?

 NAMPIHETSI-PO ilay fisarahana tao Mileto. Mafy tamin’i Paoly sy Lioka ny handao an’ireo anti-panahin’i Efesosy, izay lasa akaikin’ny fony. Nijoro teo an-tokotanin-tsambo ireo misionera roa. Ny zavatra nilain’izy ireo tamin’ilay dia no nameno ny entany. Nentiny koa ilay vola nangonina hanampiana an’ireo Kristianina sahirana tany Jodia, ary tiany ho azo antoka hoe ho tonga soa aman-tsara ilay izy.

2 Iny ilay sambo fa nandao an’ilay seranana be tabataba, rehefa nabontsin’ny rivotra ireo lainy. Nibanjina an’ireo rahalahiny maloka endrika terỳ amoron-dranomasina izy roa lahy, sy ireo fito hafa niara-dia taminy. (Asa. 20:4, 14, 15) Tsy nitsahatra nikopakopa-tanana izy ireo teny an-tsambo, raha tsy efa tsy tazany intsony ireo rahalahy.

3 Niara-niasa akaiky tamin’ireo anti-panahin’i Efesosy i Paoly, nandritra ny telo taona teo ho eo. Notarihin’ny fanahy masina ho any Jerosalema anefa izy izao. Fantapantany ihany ny niandry azy, satria efa niteny tamin’ireo anti-panahy ireo izy hoe: “Efa an-dalana ho any Jerosalema aho satria tsy maintsy manaraka ny fitarihan’ny fanahy masina, kanefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, afa-tsy izay ambaran’ny fanahy masina amiko foana isan-tanàna, dia ny hoe misy gadra sy fahoriana miandry ahy any.” (Asa. 20:22, 23) ‘Tsy maintsy nanaraka ny fitarihan’ny fanahy masina’ i Paoly ka nankany Jerosalema, na dia notandindomin-doza aza. Izy mihitsy koa anefa no te hanaraka ny fitarihan’ny fanahy. Sarobidy taminy ny ainy, nefa ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra taminy.

4 Izany koa ve no tsapanao? Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia mampanantena fa ny hanao ny sitrapony no ho zava-dehibe indrindra amintsika. Namela ohatra tsara ny apostoly Paoly, ka handray soa isika rehefa mandinika ny tsy fivadihany.

‘Tazanay ny nosy Sipra’ (Asa. 21:1-3)

5. Taiza avy ny lalan-dry Paoly nankany Tyro?

5 Tsy niolikolika ny lalan’ilay sambo nitondra an’i Paoly sy ireo namany fa “nanitsy.” Tsara ny fitsokan’ny rivotra ka tonga tany Kosy androtr’iny ihany ilay sambo. (Asa. 21:1) Toa nijanona tao ilay sambo nandritra ny alina, ary avy eo nankany Rodo sy Patara. Tany amoron-tsiraka atsimon’i Azia Minora no nisy an’i Patara. Tao ry Paoly no nandray sambo lehibe iray, izay nitondra azy nivantana tany Tyro, any Fenisia. Teny an-tsambo, dia tazan’izy ireo ‘teo ankaviany ny nosy Sipra.’ (Asa. 21:3) Nahoana no niresaka an’io tsipiriany io i Lioka mpanoratra ny Asan’ny Apostoly?

6. a) Nahoana no nety ho nampahery an’i Paoly ny nahatazana an’i Sipra? b) Inona no tsapanao rehefa saintsaininao ny fomba nitahian’i Jehovah anao sy nanampiany anao?

6 Nanondro an’ilay nosy angamba i Paoly, ka nitantara ny fanompoany tao. Nandalo tao izy, niaraka tamin’i Barnabasy sy Jaona Marka, tamin’ny dia misionera voalohany nataony, sivy taona teo ho eo talohan’izay. Tao no nihaonan’izy ireo tamin’i Elyma mpilalao ody, izay nanohitra ny fitorian’izy ireo. (Asa. 13:4-12) Nisaintsaina momba ny zava-nitranga tao i Paoly rehefa nahita an’ilay nosy. Nampahery azy angamba izany ka vonona hiatrika an’izay hitranga izy. Mahasoa antsika koa ny misaintsaina ny fomba nitahian’Andriamanitra antsika sy ny nanampiany antsika hiaritra fitsapana, ka lasa mitovy fihetseham-po amin’i Davida isika. Hoy mantsy izy: “Maro ny fahorian’ny olo-marina, nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.”—Sal. 34:19.

‘Hitanay ireo mpianatra’ (Asa. 21:4-9)

7. Inona no nataon’i Paoly sy ireo namany rehefa tonga tany Tyro?

7 Sarobidy tamin’i Paoly ny fifaneraserana tamin’ny mpiray finoana taminy, ka tsy andriny izay hiarahana tamin’izy ireo. Rehefa tonga tany Tyro izahay, hoy i Lioka, dia “notadiavinay ireo mpianatra ka hitanay.” (Asa. 21:4) Fantatr’i Paoly sy ireo namany fa nisy Kristianina tao Tyro ka notadiaviny, ary azo inoana fa tany izy ireo no nipetraka. Afaka mahita mpiray finoana vonon-kandray antsika koa isika, na aiza na aiza alehantsika. Mana-namana eran’izao tontolo izao ireo tia an’Andriamanitra sy manaraka ny fivavahana marina. Izany no iray amin’ireo fitahiana lehibe azontsika, noho ny fahamarinana.

8. Ahoana no tokony handraisantsika ny Asan’ny Apostoly 21:4?

8 Toa hafahafa ny zavatra nolazain’i Lioka, tamin’izy nitantara ny zava-nitranga nandritra ireo fito andro nijanonan’izy ireo tany Tyro. Hoy izy: “Notarihin’ny fanahy” ireo rahalahy tany Tyro mba ‘hiteny imbetsaka tamin’i Paoly tsy hankany Jerosalema.’ (Asa. 21:4) Niova hevitra ve i Jehovah, ka nosakanany tsy hankany Jerosalema i Paoly? Tsia. Efa nilaza ny fanahy masina fa hampijalina any Jerosalema i Paoly, fa tsy hoe tsy tokony hankany. Noho ny fanampian’ny fanahy masina anefa, dia toa fantatr’ireo rahalahy tao Tyro fa ho mafy ny hanjo an’i Paoly any Jerosalema. Niahy an’i Paoly àry izy ireo ka nampirisika azy mafy mba tsy hiakatra any Jerosalema. Notandindomin-doza i Paoly ka tsy nahagaga raha te hiaro azy izy ireo. Tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’i Jehovah anefa i Paoly, ka nanohy ny diany nankany Jerosalema.—Asa. 21:12.

9, 10. a) Inona no nety ho tsaroan’i Paoly, rehefa niahy azy ny rahalahy tany Tyro ka niteny azy? b) Inona no toe-tsaina fahita ankehitriny, ary nahoana izany no mifanohitra amin’ny tenin’i Jesosy?

9 Niteny an’i Paoly ireo rahalahy, noho ny fiahiana azy. Tsaroan’i Paoly angamba tamin’izay fa tojo fanoherana toy izany koa i Jesosy, tamin’izy niteny tamin’ny mpianany hoe ho any Jerosalema ka hampijalina sy hovonoina. Nentin’ny fihetseham-po i Petera ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.” Hoy anefa i Jesosy: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina eo anoloako ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.” (Mat. 16:21-23) Tapa-kevitra ny hanao izay nasain’Andriamanitra nataony i Jesosy, ka vonona ny hanao sorona ny tenany. Toy izany koa i Paoly. Azo inoana fa niahy an’i Paoly ireo rahalahy tany Tyro, toy ny niahian’i Petera an’i Jesosy, saingy tsy takatr’izy ireo ny sitrapon’Andriamanitra.

Mitaky fahafoizan-tena ny manara-dia an’i Jesosy

10 Tsara fanahy amin’ny tenany koa ny olona maro ankehitriny, ka mitady tany malemy hanorenam-pangady. Inona, ohatra, ny fivavahana tian’ny olona? Izay tsy manasarotra ny fiainany sy tsy dia mitaky ezaka. Samy hafa be amin’izany anefa ny toe-tsaina tian’i Jesosy hananan’ny mpanara-dia azy, satria hoy izy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Mat. 16:24) Tsara sady fahendrena ny manara-dia an’i Jesosy, saingy tsy mora.

11. Inona no mampiseho fa niraiki-po tamin’i Paoly sy nampahery azy ny mpianatra tany Tyro?

11 Kely sisa dia hanohy ny diany i Paoly sy Lioka ary ireo niaraka taminy. Nampihetsi-po ny nandaozan’izy ireo an’i Tyro. Hita fa niraiki-po tamin’i Paoly sy tena nampahery azy teo amin’ny fanompoany ireo rahalahy tany. Nanatitra an-dry Paoly hatrany amoron-dranomasina ireo lehilahy sy ny zaza amam-behivavy. Niara-nandohalika nivavaka izy ireo, ary nifanao veloma. Nandray sambo hafa i Paoly sy Lioka ary ireo niara-dia taminy, ka nanohy ny diany hatrany Ptolemaisy. Nihaona tamin’ireo rahalahy tao izy ireo, ary nijanona iray andro teo amin’izy ireo.—Asa. 21:5-7.

12, 13. a) Inona no mampiseho fa mpitory tsy nivadika i Filipo? b) Nahoana i Filipo no modely tsara ho an’ny raim-pianakaviana kristianina?

12 Milaza i Lioka fa nankany Kaisaria i Paoly sy ireo niara-dia taminy, avy eo, ary “niditra tao an-tranon’i Filipo mpitory ny vaovao tsara.” * (Asa. 21:8) Azo antoka fa faly izy ireo nahita an’i Filipo. Roapolo taona teo ho eo talohan’izay i Filipo no notendren’ny apostoly ho anisan’ireo nizara sakafo ho an’ny Kristianina tany Jerosalema, taoriana kelin’ny niforonan’ny fiangonana kristianina. Efa hatry ny ela i Filipo no mpitory be zotom-po. Nandeha nitory tany Samaria izy rehefa niparitaka noho ny fanenjehana ny mpianatra. Nitory tamin’ilay tandapa etiopianina sy nanao batisa azy izy, tatỳ aoriana. (Asa. 6:2-6; 8:4-13, 26-38) Izany ka tena mpitory tsy nivadika!

13 Tsy nety lefy ny zotom-pon’i Filipo teo amin’ny fanompoana. Nanorim-ponenana tany Kaisaria izy, ary mbola revo tamin’ny asa fitoriana, satria niantso azy hoe “mpitory ny vaovao tsara” i Lioka. Fantatsika koa fa nanan-janakavavy efatra naminany izy. Toa midika izany fa nanara-dia an-drainy izy ireo. * (Asa. 21:9) Azo antoka fa nanao zavatra betsaka i Filipo mba hahatonga ny ankohonany hifandray tsara amin’i Jehovah. Tokony hanahaka azy koa ny raim-pianakaviana kristianina, ka ho loha laharana eny amin’ny fanompoana, ary hanampy ny zanany ho tia manompo.

14. Inona no vokatry ny fiarahan’i Paoly tamin’ireo mpiray finoana taminy? Inona koa no azontsika atao ankehitriny?

14 Na taiza na taiza nalehan’i Paoly, dia nitady an’ireo mpiray finoana taminy izy, ka niaraka tamin’izy ireo. Azo antoka fa nahafaly an’ireo rahalahy teo an-toerana ny nampiantrano an’io misionera mpitety faritany io sy ny namany. Azo inoana fa nisy “fifampaherezana” teo amin’izy ireo. (Rom. 1:11, 12) Afaka manao toy izany koa isika ankehitriny. Handray soa maro ianao raha mampiantrano ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, na tsotra toy inona aza ny tranonao.—Rom. 12:13.

‘Vonona ny ho faty’ aho (Asa. 21:10-14)

15, 16. Inona no hafatra nentin’i Agabo, ary inona no vokany teo amin’ireo nandre izany?

15 Mbola tao an-tranon’i Filipo i Paoly no tonga ny vahiny iray nohajaina. Tsy iza izany fa i Agabo. Fantatr’ireo olona tao an-tranon’i Filipo fa mpaminany i Agabo. Efa naminany izy hoe hisy mosary lehibe tamin’ny fotoana nanjakan’i Klaodio. (Asa. 11:27, 28) Lasa saina angamba ny rehetra hoe: ‘Inona no anton-dian’i Agabo? Inona no hafatra entiny?’ Nibanjina azy ny rehetra tamin’izy naka ny fehikibon’i Paoly, izay tsy inona fa lamba lavalava nafatotra teo amin’ny andilana, ary azo nasiana vola na zavatra hafa. Io no namatoran’i Agabo ny tongony aman-tanany. Niteny izy avy eo, ary nampieritreritra ny teniny. Hoy izy: “Izao no lazain’ny fanahy masina: ‘Toy izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, ary hatolotr’izy ireo eo an-tanan’ny olona hafa firenena izy.’ ”—Asa. 21:11.

16 Nohamafisin’ilay faminaniana fa ho any Jerosalema i Paoly. Voalaza tao koa fa hatolotra “eo an-tanan’ny olona hafa firenena” izy rehefa hitory amin’ireo Jiosy any. Nisy vokany lalina tamin’izay nanatrika teo ilay faminaniana. Hoy i Lioka: “Rehefa nandre izany izahay sy ireo tao amin’io toerana io, dia niangavy an’i Paoly mba tsy hiakatra ho any Jerosalema. Fa namaly izy hoe: ‘Fa nahoana ianareo no mitomany sy manaketraka ny foko toy izao? Izaho ange vonona ny hafatotra e, ary na ny ho faty any Jerosalema koa aza, noho ny anaran’i Jesosy Tompo.’ ”—Asa. 21:12, 13.

17, 18. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tena tapa-kevitra izy, ary ahoana no nataon’ireo rahalahy?

17 Eritrereto ange e! Niangavy an’i Paoly tsy handeha tany Jerosalema ireo rahalahy, anisan’izany i Lioka. Nitomany ny sasany. Tsapan’i Paoly fa tia sy niahy azy izy ireo, ka niteny tamim-pitiavana izy hoe “manaketraka ny foko” ianareo, na “manakivy” ahy ianareo, araka ny andikan’ny Baiboly sasany an’ilay teny grika. Mbola tapa-kevitra ny ho any Jerosalema izy, toy ny efa nolazainy tamin’ireo rahalahy tany Tyro, ka tsy navelany hampiova hevitra azy ny fiangaviana sy ny ranomaso. Nohazavainy kosa hoe nahoana no tsy maintsy ho any izy. Be herim-po sy tena tapa-kevitra izy! Nanahaka an’i Jesosy izy, ka tapa-kevitra ny hankany Jerosalema. (Heb. 12:2) Tsy te ho maritiora i Paoly, nefa raha tsy maintsy hitranga izany, dia raisiny ho voninahitra ny hoe maty satria nanara-dia an’i Kristy Jesosy.

18 Ahoana no nataon’ireo rahalahy? Nohajainy ny fanapahan-kevitr’i Paoly. Hoy ny Baiboly: “Koa tsy nety niova hevitra mihitsy izy ary nanaiky ny teniny izahay, ka nanao hoe: ‘Aoka ny sitrapon’i Jehovah no hatao.’ ” (Asa. 21:14) Tsy niziriziry tamin’ny heviny ireo niezaka nandresy lahatra an’i Paoly tsy ho any Jerosalema. Nihaino an’i Paoly izy ireo ary nilefitra, ka nanaiky ny sitrapon’i Jehovah, na dia sarotra tamin’izy ireo aza izany. Niroso ho amin’ny dia hitarika azy ho amin’ny fahafatesana i Paoly. Ho mora kokoa aminy ny hiatrika izany raha tsy nitady hampiova hevitra azy, ireo tia azy.

19. Inona no lesona sarobidy ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Paoly?

19 Misy lesona sarobidy ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Paoly: Tsy irintsika mihitsy ny hanao izay hampiova hevitra an’ireo mahafoy tena amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy amin’ny raharaha miankina aman’aina ihany anefa no azo ampiharana izany. Sarotra amin’ny ray aman-dreny maro, ohatra, ny mahita ny zanany mandao ny tokantrano mba hanompo an’i Jehovah any an-tany lavitra. Tapa-kevitra ny tsy hanakivy an-janany anefa izy ireo. Izao no tsapan’i Phyllis, izay mipetraka any Angletera, rehefa lasa misionera tatsy Afrika ny zanany vavitokana: “Nihetsi-po be aho. Mafy tamiko ny nieritreritra hoe ho any an-tany lavitra any ny zanako. Faly sahirana aho. Tena nataoko antom-bavaka ilay izy. Fanapahan-keviny anefa ilay izy, ka tsy te hampiova hevitra azy aho. Izaho rahateo efa nampianatra azy foana hoe ataovy loha laharana ilay Fanjakana. Efa 30 taona izao no nanompoany tany an-tany hafa, ary misaotra an’i Jehovah isan’andro aho noho ny tsy fivadihany.” Tsara ny hampaherezantsika an’ireo mpiray finoana mahafoy tena ho an’i Jehovah!

Tsara ny hampaherezantsika an’ireo mpiray finoana mahafoy tena ho an’i Jehovah

“Faly nandray anay ny rahalahy” (Asa. 21:15-17)

20, 21. Inona no mampiseho fa tian’i Paoly ny niaraka tamin’ireo rahalahy, ary nahoana izy no tia an’izany?

20 Nanohy ny diany i Paoly rehefa vita ny fiomanana. Niaraka taminy ireo rahalahy, ka hita avy amin’izany fa nanampy an’i Paoly tamin’ny fony manontolo izy ireo. Nitady an’ireo mpiara-manompo taminy i Paoly sy ireo namany, isaky ny tonga tao amin’ny toerana iray, tamin’io dia nankany Jerosalema io. Nitady an’ireo mpianatra izy ireo tany Tyro, ary niaraka tamin’izy ireo nandritra ny fito andro. Niarahaba an’ireo mpiray finoana izy ireo tany Ptolemaisy, ary niaraka tamin’izy ireo iray andro. Nipetraka andro maromaro tao an-tranon’i Filipo izy ireo tany Kaisaria. Nanatitra an-dry Paoly tany Jerosalema ny mpianatra sasany tao Kaisaria. Mpianatra efa ela, antsoina hoe Menasona, no nampiantrano azy ireo tany Jerosalema. Hoy i Lioka rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo: “Faly nandray anay ny rahalahy.”—Asa. 21:17.

21 Tian’i Paoly tokoa ny niaraka tamin’ireo mpiray finoana taminy, satria nampahery an’i Paoly izy ireny. Izany koa no tsapantsika ankehitriny. Azo antoka fa nahatonga an’i Paoly ho vonona hiatrika an’ireo mpanohitra te hamono azy, izany fampaherezana azony izany.

^ feh. 12 Jereo ilay efajoro hoe “ Kaisaria: Renivohitr’i Jodia.”