Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 7

Torio “ny Vaovao Tsara Momba An’i Jesosy”

Torio “ny Vaovao Tsara Momba An’i Jesosy”

Modely ho antsika i Filipo mpitory ny vaovao tsara

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 8:4-40

1, 2. Niezaka nampitsahatra ny fitoriana ny vaovao tsara ny mpanenjika. Nahoana anefa no nifanohitra tamin’izany ny zava-nitranga?

 NIRONGATRA ny fanenjehana, ary “nihetraketraka mafy” tamin’ny fiangonana i Saoly. Habibiana no dikan’ny hoe ‘nihetraketraka mafy’, araka ny teny tany am-boalohany. (Asa. 8:3) Nandositra àry ny mpianatra. Nihevitra angamba ny olona sasany fa ho tratran’i Saoly ihany ny tanjony, dia ny hanafoana ny Fivavahana Kristianina. Nisy vokany tsy nampoizina anefa ny fiparitahan’ny Kristianina. Inona izany?

2 “Nitory ny vaovao tsaran’ny tenin’Andriamanitra” tany amin’izay nandosirany izy ireo. (Asa. 8:4) Eritrereto ange e! Tsy nampitsahatra ny fitoriana ny vaovao tsara ny fanenjehana, fa vao mainka kosa nampiely azy io! Tsy tsapan’ny mpanenjika fa izy ireo ihany no nahatonga ny fitoriana ilay Fanjakana hiely tany amin’ny faritra lavitra, rehefa niparitaka ireo mpianatra. Ho hitantsika fa toy izany koa no mitranga ankehitriny.

Ireo “niparitaka” (Asa. 8:4-8)

3. a) Iza moa i Filipo? b) Nahoana no mbola tsy dia nitoriana tao Samaria, nefa inona no nolazain’i Jesosy fa hatao ao amin’io faritany io?

3 Anisan’ireo “niparitaka” tany an-toeran-kafa i Filipo. * (Asa. 8:4; jereo ilay efajoro hoe “ Filipo ‘Mpitory ny Vaovao Tsara.”) Nankany Samaria izy. Mbola tsy dia nitoriana io tanàna io, satria nisy fotoana i Jesosy niteny tamin’ny apostoly hoe: “Aza miditra ao amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa any amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely ihany mandeha.” (Mat. 10:5, 6) Fantatr’i Jesosy anefa fa hisy fitoriana lehibe hatao ao, satria hoy izy talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”—Asa. 1:8.

4. Ahoana no nandraisan’ny Samaritanina ny fitorian’i Filipo, ary inona no mety ho nahatonga azy ireo hanao izany?

4 Hitan’i Filipo fa “efa masaka hojinjaina” ny tao Samaria. (Jaona 4:35) Nahavelom-bolo an’ireo mponina tao ny hafatra notoriny, ary mora takatra ny anton’izany. Tsy nifandray tamin’ny Samaritanina mantsy ny Jiosy, ary maro taminy aza no nanamavo azy ireo. Hitan’ny Samaritanina kosa fa natao ho an’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka ny vaovao tsara. Tsapan’izy ireo àry fa samy hafa be tamin’ny toe-tsain’ny Fariseo tia nanavakavaka ny toe-tsain’ireo mpitory ny vaovao tsara. Tsy nanavakavaka i Filipo fa nazoto nitory tamin’ny Samaritanina. Hita amin’izany fa tsy nitsara an-tendrony toa an’ireo mpanambany Samaritanina izy. Tsy mahagaga raha nihaino an’i Filipo ny Samaritanina “rehetra.”—Asa. 8:6.

5-7. Manomeza ohatra mampiseho fa nampiely ny vaovao tsara ny fiparitahan’ny Kristianina.

5 Tsy mampitsahatra ny fitorian’ny vahoakan’Andriamanitra koa ankehitriny ny fanenjehana, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Misy Kristianina alefa any am-ponja na terena ho any an-tany hafa. Matetika anefa izany no mahatonga ny olona any handre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Afaka nitory tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny Ady Lehibe II. Hoy ny Jiosy iray nihaona tamin’ireo Vavolombelona tany: ‘Nanana herin-tsaina ireo mpigadra Vavolombelon’i Jehovah ka niaiky aho fa niorina tamin’ny Soratra Masina ny finoany. Izany no nahatonga ahy ho Vavolombelon’i Jehovah.’

6 Nitoriana koa indraindray na dia ny mpanenjika aza, ka nandray ny fahamarinana ny sasany. Intỳ misy ohatra: Nafindra tany amin’ny toby fitanana tany Gusen, any Aotrisy, ny Vavolombelona atao hoe Franz Desch, ka afaka nampianatra Baiboly manamboninahitra iray. Faly be izy roa lahy rehefa tafahaona tao amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, taona maro tatỳ aoriana. Samy mpitory ny vaovao tsara izy mirahalahy tamin’izay!

7 Izany koa no nitranga rehefa nandositra tany an-tany hafa ny Kristianina, noho ny fanenjehana. Nisy fitoriana lehibe natao, ohatra, tany Mozambika, taoriana kelin’ny 1970, rehefa voatery nandositra tany ireo Vavolombelona avy tany Malawi. Nitohy foana ny fitoriana, na dia nisy fanenjehana koa aza tany Mozambika, tatỳ aoriana. Hoy i Francisco Coana: ‘Marina fa imbetsaka nosamborina ny sasany taminay noho ny asa fitoriana. Olona maro anefa no nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka natoky izahay fa nanampy anay Andriamanitra, toy ny nanampiany an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany.’

8. Inona no vokatry ny fiovana ara-politika sy ara-toe-karena eo amin’ny asa fitoriana?

8 Mazava ho azy fa tsy ny fanenjehana ihany no nahatonga ny Fivavahana Kristianina hiely tany an-tany hafa. Mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ny olona samihafa fiteny avy any amin’ny tany maro, noho ny fiovana ara-politika sy ara-toe-karena. Mandositra ady sy te hiala amin’ny fahantrana ny olona sasany, ka mifindra any amin’ny toerana azo antoka kokoa, ary manomboka mianatra Baiboly. Maro ny mpitsoa-ponenana ka nisy faritany miteny vahiny nosokafana. Maherin’ny 100, ohatra, ny fiteny ampiasain’ny olona any San Diego, any Etazonia. Maro àry ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny vahiny, any San Diego. Miezaka koa ve ianao mba hitory amin’ny olona ‘avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’, ao amin’ny faritaninao?—Apok. 7:9.

“Mba omeo izany fahefana izany koa aho” (Asa. 8:9-25)

“Rehefa hitan’i Simona fa ny fametrahan-tanan’ny apostoly no nanomezana ny fanahy masina, dia notolorany vola izy roa lahy.”​—Asan’ny Apostoly 8:18

9. Iza moa i Simona, ary inona no nahatonga azy hanatona an’i Filipo?

9 Nanao famantarana maro tao Samaria i Filipo. Nanasitrana olona nalemy izy, ary nandroaka fanahy ratsy mihitsy aza. (Asa. 8:6-8) Nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny lehilahy iray atao hoe Simona, ka tena talanjona. Mpampiasa herin’ny maizina izy, ary tena nohajaina satria hoy ny olona momba azy: “Io lehilahy io no Herin’Andriamanitra.” Hitan’i Simona tamin’ireo fahagagana nataon’i Filipo anefa ny tena herin’Andriamanitra, ka tonga mpino izy. (Asa. 8:9-13) Nisy zava-nitranga nisedra azy anefa taoriana kelin’izay. Inona izany?

10. a) Inona no nataon’i Petera sy Jaona tao Samaria? b) Inona no nataon’i Simona rehefa hitany fa nandray ny fanahy masina ireo mpianatra vaovao nametrahan’i Petera sy Jaona tanana?

10 Rehefa hitan’ny apostoly ilay fitomboana tao Samaria, dia nirahiny ho any i Petera sy Jaona. (Jereo ilay efajoro hoe “ Nampiasa Ireo ‘Lakilen’ilay Fanjakana’ i Petera.”) Nametra-tanana tamin’ireo mpianatra vaovao izy roa lahy rehefa tonga, ka samy nandray ny fanahy masina ireo. * Nanaitra ny sain’i Simona ny zavatra hitany, ka hoy izy tamin’ireo apostoly: “Mba omeo izany fahefana izany koa aho. Amin’izay, dia handray fanahy masina koa izay hametrahako tanana.” Nanome vola azy roa lahy mihitsy aza i Simona, satria nanantena ny hividy an’izany hery avy amin’Andriamanitra izany!—Asa. 8:14-19.

11. Ahoana no nananaran’i Petera an’i Simona, ary ahoana no nandraisany izany?

11 Hentitra ny tenin’i Petera tamin’i Simona. Hoy izy: “Aoka ho fongana miaraka aminao ny farantsa volafotsinao. Heverinao angaha fa azo vidim-bola ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra? Tsy manana anjara amin’izao fanompoana izao mihitsy ianao, satria tsy mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao.” Nampirisika an’i Simona izy avy eo mba hibebaka sy hangataka famelan-keloka. Hoy izy: “Mitalahoa amin’i Jehovah sao mba hamela heloka anao izy tamin’izany teti-dratsin’ny fonao izany.” Tsy ratsy toetra i Simona. Naniry hanao izay mahitsy izy, saingy tsy nisaina tsara fotsiny teto. Koa niangavy an’ireo apostoly izy hoe: “Ianareo no aoka hitalaho amin’i Jehovah ho ahy, mba tsy hisy hanjo ahy izany voalazanareo izany.”—Asa. 8:20-24.

12. Inona no fanao ratsy fahita eo anivon’ny fivavahana, ary inona no porofo fa voafandrik’izy io ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?

12 Notenenin’i Petera mafy i Simona, ary fampitandremana ho antsika koa ny teniny. Misy manao toa an’i Simona koa eo anivon’ny fivavahana, ka manome vola mba hahazoana toerana na mitaky vola mba hanomezana toerana. Tena fanao eo anivon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izany. Izao, ohatra, no voalazan’ny Rakipahalalana Britannica (1878), fanontana fahasivy: ‘Miaiky ny mpianatra fa nisy fanomezana na fitakiana vola foana tao ambadiky ny fifidianana Papa. Matetika io fanao ratsy tamin’ny fifidianana Papa io no nanafintohina indrindra sy nahamenatra indrindra ary nibaribary indrindra.’

13. Inona no tokony hotandreman’ny Kristianina mba tsy hahatonga azy hanao toa an’i Simona?

13 Tsy maintsy mitandrina ny Kristianina mba tsy hanao toa an’i Simona, satria fahotana izany. Tsy tokony hila sitraka amin’olona afaka hanome antsika andraikitra fanampiny eo anivon’ny fiangonana isika, ka hoe hototofantsika fanomezana izy na hodokadokafantsika. Hitandrina koa anefa ireo heverina hoe afaka manome andraikitra ny hafa, mba tsy hiangatra amin’ny mpanankarena. Tokony hitondra tena toy ny “kely indrindra” kosa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, ka hiandry ny fanahin’i Jehovah hanendry azy. (Lioka 9:48) Tsy tokony hisy olona ‘hitady voninahitra ho an’ny tenany’ eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra.—Ohab. 25:27.

“Tena azonao ve izay vakinao?” (Asa. 8:26-40)

14, 15. a) Iza moa ilay “tandapa etiopianina”, ary ahoana no nahitan’i Filipo azy? b) Ahoana no nandraisan’ilay Etiopianina ny hafatra notorin’i Filipo? Nahoana no tsy hoe taitaitra fotsiny izy dia natao batisa? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

14 Nasain’ny anjelin’i Jehovah nandeha tamin’ilay lalana avy any Jerosalema ho any Gaza i Filipo. Lasa saina angamba izy hoe nahoana. Tsy ela anefa dia fantany ny antony, tamin’izy nihaona tamin’ny tandapa etiopianina iray, izay “namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany.” (Jereo ilay efajoro hoe “ Novosirina ve Ilay Etiopianina?”) Nasain’ny fanahy masin’i Jehovah nanenjika ny kalesin’io lehilahy io i Filipo. Sady nihazakazaka teo anilan’ilay kalesy i Filipo no nanontany hoe: “Tena azonao ve izay vakinao?” Hoy ilay Etiopianina: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?”—Asa. 8:26-31.

15 Nasain’ilay Etiopianina nankao anaty kalesy i Filipo. Nafana erỳ ny resak’izy ireo! Efa hatry ny ela no tsy fantatra hoe iza ilay “ondry” na ‘mpanompo’ ao amin’ny faminanian’i Isaia. (Isaia 53:1-12) Nohazavain’i Filipo tamin’ilay tandapa etiopianina anefa, teny an-dalana, fa tanteraka tamin’i Jesosy Kristy io faminaniana io. Toa an’ireo natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33 ilay Etiopianina, ka fantany avy hatrany izay tokony hataony, satria efa mpanaraka ny Fivavahana Jiosy izy. “Io misy rano”, hoy izy tamin’i Filipo, “ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” Nataon’i Filipo batisa avy hatrany ilay Etiopianina! * (Jereo ilay efajoro hoe “ Batisa ‘Anaty Rano.’”) Nentin’ny fanahin’i Jehovah ho any Asdoda i Filipo, taorian’izay, satria tany no faritany vaovao nitoriany ny vaovao tsara.—Asa. 8:32-40.

16, 17. Hazavao fa mandray anjara amin’ny asa fitoriana ankehitriny ny anjely.

16 Voninahitra ho an’ny Kristianina koa ankehitriny ny manao asa mitovy amin’ny an’i Filipo. Mazàna izy ireo no afaka mitory ilay Fanjakana amin’izay olona tojo azy, toy ny any anaty fitateram-bahoaka. Tsy kisendrasendra fotsiny matetika no ihaonan’izy ireo amin’ny olona tso-po. Efa ampoizina izany, satria milaza ny Baiboly fa mitarika ny asa fitoriana ny anjely, mba handre ilay hafatra ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Apok. 14:6) Efa nilaza koa i Jesosy fa anjely no hitarika ny asa fitoriana. Tao amin’ilay fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary, dia nilaza izy fa ‘ny anjely no mpijinja’ mandritra ny fotoam-pijinjana, izany hoe ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Nilaza koa izy fa ny anjely no “hanangona an’izay rehetra mahatonga ny hafa hanota sy izay mpandika lalàna, ka hamoaka an’ireny avy ao amin’ny fanjakany.” (Mat. 13:37-41) Ny anjely koa no manangona an’ireo handova ilay Fanjakana any an-danitra, ary avy eo ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa.” Tian’i Jehovah hotaomina ho ao anatin’ny fandaminany mantsy izy ireo.—Apok. 7:9; Jaona 6:44, 65; 10:16.

17 Inona no porofo fa mitarika ny asa fitoriana ny anjely? Milaza ny olona sasany fa teo am-pivavahana mba hangataka ny fanampian’Andriamanitra izy no tonga nitory taminy isika. Niara-nitory tamin’ny ankizikely iray, ohatra, ny mpitory roa. Efa ho tamin’ny 12 antoandro tamin’izay, ka nikasa hody ireo Vavolombelona roa. Nahagaga anefa fa may hankao amin’ilay trano manaraka ilay ankizikely. Izy mihitsy àry no nandeha teny, ka nandondòna. Ramatoa tanora iray no nanokatra varavarana, ary nanatona mba hiresaka taminy ireo Vavolombelona roa. Gaga izy ireo rehefa nilazan’ilay ramatoa fa teo am-pivavahana izy, ary nangataka tamin’Andriamanitra mba haniraka olona hitsidika azy ka hanampy azy hahazo ny hevitry ny Baiboly. Nanaiky hianatra Baiboly àry izy!

“Ampio re aho, Andriamanitra ô, na dia tsy tena fantatro aza ianao”

18. Nahoana no tsy tokony hoheverina ho tsy dia misy dikany ny fanompoana?

18 Anisan’ny fiangonana kristianina ianao, ka voninahitra ho anao ny miara-miasa amin’ny anjely, eo am-panaovana an’ilay asa fitoriana lehibe indrindra eo amin’ny tantara. Aza heverina ho tsy dia misy dikany ny fanompoanao. Ho faly dia faly ianao rehefa miezaka foana mba hitory “ny vaovao tsara momba an’i Jesosy.”—Asa. 8:35.

^ feh. 3 Tsy apostoly io Filipo io, fa anisan’ireo ‘fito lahy tsara laza’, izay notendrena handamina ny fizarana sakafo isan’andro ho an’ireo mpitondratena niteny grika sy hebreo tao Jerosalema, araka ny hitantsika tao amin’ny toko faha-5 amin’ity boky ity.—Asa. 6:1-6.

^ feh. 10 Amin’ny ankapobeny, dia voahosotry ny fanahy masina, na mandray ny fanahy masina, ny mpianatra vaovao tamin’izany, rehefa atao batisa. Afaka nanantena ny ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Jesosy any an-danitra àry izy ireo. (2 Kor. 1:21, 22; Apok. 5:9, 10; 20:6) Tamin’ity indray mandeha ity anefa, dia tsy voahosotry ny fanahy ireo mpianatra vaovao rehefa natao batisa. Tsy nandray ny fanahy masina, sy ireo fahaizana mahagaga avy tamin’izy io, ireo Kristianina vao vita batisa ireo, raha tsy efa avy nametra-tanana taminy i Petera sy Jaona.

^ feh. 15 Tsy hoe taitaitra fotsiny izy dia natao batisa. Efa mpanaraka ny Fivavahana Jiosy izy, ka nahalala ny Soratra Masina, anisan’izany ny faminaniana momba ny Mesia. Fantany tamin’io fotoana io ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra, ka azo natao batisa avy hatrany izy.