Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 8

“Nandry Feizay ny Fiangonana”

“Nandry Feizay ny Fiangonana”

Lasa mpitory be zotom-po i Saoly na dia nanenjika mafy ny Kristianina aza

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 9:1-43

1, 2. Inona no nokasain’i Saoly hatao tany Damaskosy?

 EFA akaiky an’i Damaskosy ireo lehilahy nikasa hanao ratsy tao, ary hita hoe vinitra. Tian’izy ireo havoaka avy ao an-tranony ireo mpianatr’i Jesosy, ka hofatorany sy hataony afa-baraka ary hoentiny any Jerosalema, mba hofaizin’ny Fitsarana Avo.

2 Azo lazaina hoe efa nandatsa-dra i Saoly, mpitarika an’ireo lehilahy ireo. * Vao tsy ela izay, dia faly erỳ izy nijery ny nitoraham-bato an’i Stefana. Olona nafana fo toa an’i Saoly no namono an’io mpianatr’i Jesosy tia fivavahana io. (Asa. 7:57–8:1) Mbola tsy ampy an’i Saoly ny nanenjika an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy tao Jerosalema, ka nataony izay hitaran’ny afom-panenjehana. Tiany hofoanana tanteraka ilay sekta mampidi-doza atao hoe “Ny Lalana.”—Asa. 9:1, 2; jereo ilay efajoro hoe “ Nahazo Alalana ho any Damaskosy i Saoly.”

3, 4. a) Inona no nanjo an’i Saoly? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

3 Tampoka teo, dia nisy hazavana nanjelanjelatra nanodidina an’i Saoly. Nahita ilay hazavana ireo mpiara-dia taminy, ka taitra mafy sy tsy nahateny. Jambena tanteraka i Saoly, ary lavo tamin’ny tany. Efa tsy nahita intsony ny masony tamin’izy nandre feo avy tany an-danitra, nanao hoe: “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?” Nivarahontsana izy ary nanontany hoe: “Iza moa ianao, tompoko?” Tena nitsatoka tao am-pony ny valiny azony, nanao hoe: “Izaho no Jesosy izay enjehinao.”—Asa. 9:3-5; 22:9.

4 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy voalohany tamin’i Saoly? Inona no soa raisintsika rehefa dinihintsika ireo zava-nitranga tamin’ny fotoana niovan’i Saoly? Inona no lesona azontsika tsoahana avy amin’izay nataon’ny fiangonana, rehefa nandry feizay izy ireo taorian’ny niovan’i Saoly?

“Nahoana no manenjika ahy ianao?” (Asa. 9:1-5)

5, 6. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy tamin’i Saoly?

5 Rehefa nampiato ny dian’i Saoly ho any Damaskosy i Jesosy, dia tsy niteny hoe: “Nahoana no manenjika ny mpianatro ianao?” Hoy kosa izy: “Nahoana no manenjika ahy ianao?” (Asa. 9:4) Toy ny hoe i Jesosy mihitsy no iharan’ny fitsapana mahazo ny mpanara-dia azy.—Mat. 25:34-40, 45.

6 Mijaly ve ianao noho ny finoanao an’i Kristy? Matokia fa tsapan’i Jehovah sy Jesosy ny manjo anao. (Mat. 10:22, 28-31) Tsy voatery hanaisotra ny fitsapana i Jehovah ankehitriny. Tsarovy fa hitan’i Jesosy ny nataon’i Saoly tamin’ny namonoana an’i Stefana. Hitany koa ny nataon’i Saoly tao Jerosalema. Notaritaritiny hivoaka ny trano mantsy ireo mpianatra tsy nivadika tao. (Asa. 8:3) Tsy nisakana an’izany anefa i Jesosy. Na izany aza, dia nampiasa an’i Kristy i Jehovah ka nanome hery an’i Stefana sy ny mpianatra hafa mba tsy hivadihan’izy ireo.

7. Inona no tsy maintsy ataonao mba ho vitanao ny miaritra fanenjehana?

7 Afaka miaritra fanenjehana koa ianao. Amin’ny fomba ahoana? 1) Aza mivadika mihitsy, na inon-kidona na inon-kihatra. 2) Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. (Fil. 4:6, 7) 3) Avelao i Jehovah no hamaly. (Rom. 12:17-21) 4) Matokia fa homen’i Jehovah hery hiaretana ianao, mandra-pahatongan’ny fotoana hanesorany an’ilay fitsapana.—Fil. 4:12, 13.

‘Ry Saoly, rahalahy. Ny Tompo no naniraka ahy’ (Asa. 9:6-17)

8, 9. Nety ho nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Ananiasy tamin’ilay iraka nampanaovina azy?

8 Novalian’i Jesosy aloha ilay fanontanian’i Saoly hoe: “Iza moa ianao, tompoko?”, ary hoy izy avy eo: “Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.” (Asa. 9:6) Nentina ho any amin’ilay trano hipetrahany tany Damaskosy i Saoly, izay efa tsy nahita intsony. Nivavaka sy tsy nihinan-kanina izy nandritra ny telo andro. Tamin’izay fotoana izay i Jesosy no niresaka an’i Saoly tamin’ny mpianatra iray tao Damaskosy. Ananiasy no anarany, ary “tsara laza teo amin’ny Jiosy rehetra” tao izy.—Asa. 22:12.

9 Nifamahofaho be ihany ny fihetseham-pon’i Ananiasy. Niresaka taminy nivantana i Jesosy Kristy Lohan’ny fiangonana, izay efa tafatsangana tamin’ny maty, ary nifidy azy hamita iraka manokana. Voninahitra izany, nefa asa sarotra koa! Hoy i Ananiasy rehefa nilazana fa mila miresaka amin’i Saoly: “Tompo ô, efa reko tamin’olona maro ny momba izany lehilahy izany, sy ny zava-dratsy maro nataony tamin’ny olonao masina tany Jerosalema. Eto izy izao, ary nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona mba hamatotra an’izay rehetra miantso ny anaranao.”—Asa. 9:13, 14.

10. Inona no ianarantsika momba an’i Jesosy, rehefa dinihina ny nataony tamin’i Ananiasy?

10 Tsy nibedy an’i Ananiasy noho ilay fanahiany i Jesosy, fa nanome azy toromarika mazava kosa. Nanaja azy i Jesosy ka nolazainy taminy ny antony nanirahany azy hanao an’io asa manokana io. Hoy izy momba an’i Saoly: “Fanaka voafidy ho ahy izany lehilahy izany, mba hitondra ny anarako any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely. Fa hasehoko mazava aminy ny zavatra maro tsy maintsy iaretany noho ny anarako.” (Asa. 9:15, 16) Nankatò avy hatrany i Ananiasy. Nitady an’i Saoly izy, ary hoy izy rehefa nihaona taminy: “Ry Saoly, rahalahy. Ny Tompo, eny, ilay Jesosy niseho taminao teny amin’ny lalana nalehanao, no naniraka ahy mba hahitan’ny masonao indray sy mba hahafeno fanahy masina anao.”—Asa. 9:17.

11, 12. Inona no ianarantsika rehefa dinihina ny tantara manodidina ny niovan’i Saoly?

11 Zavatra maromaro no mazava amintsika, rehefa dinihina ny tantara manodidina ny niovan’i Saoly. Hita fa tena mitarika ny asa fitoriana i Jesosy, araka ny efa nampanantenainy. (Mat. 28:20) Marina fa tsy miresaka mivantana amin’olona izy ankehitriny. Tena mitarika ny asa fitoriana anefa izy, ka mampiasa ny mpanompo mendri-pitokisana, izay notendreny hiandraikitra an’ireo mpanompo ao an-tranony. (Mat. 24:45-47) Mandamina ny asa fitoriana ny Filan-kevi-pitantanana. Mandefa mpitory sy mpisava lalana ary misionera izy io, mba hitady an’izay te hianatra bebe kokoa momba an’i Kristy. Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha, fa maro amin’ny olona toy izany no nivavaka mba hampian’Andriamanitra, ary nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga nitsidika azy avy eo.—Asa. 9:11.

12 Nankatò i Ananiasy ary nanao izay nampanaovina azy, ka nahazo fitahiana. Ary ianao? Mankatò ny didin’i Jesosy ve ianao ka mitory amin’ny fomba feno, na dia matahotra aza? Mampitebiteby ny sasany ny mitory isan-trano sy miresaka amin’olona tsy fantany. Sarotra amin’ny hafa koa ny mitory any amin’ny toeram-piasana, na eny an-dalana, na an-telefaonina. Niezaka nandresy ny tahotra i Ananiasy, ka afaka nanampy an’i Saoly handray ny fanahy masina. * Nahomby i Ananiasy satria natoky an’i Jesosy, ary nihevitra an’i Saoly ho rahalahy. Inona àry no hanampy anao handresy ny tahotra? Toa an’i Ananiasy, dia matokia fa mitarika ny asa fitoriana i Jesosy. Aoka koa ianao hangoraka ny olona, ary hihevitra fa mety ho tonga rahalahy na dia olona tena mampatahotra aza.—Mat. 9:36.

‘Nitory izy ka nilaza fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra’ (Asa. 9:18-30)

13, 14. Ahoana no azonao anahafana an’i Saoly, raha mianatra Baiboly ianao nefa mbola tsy vita batisa?

13 Nampiharin’i Saoly avy hatrany ny zavatra nianarany. Sitrana izy ary nanaiky hatao batisa avy eo, ka niaraka akaiky tamin’ireo mpianatra tao Damaskosy. “Avy hatrany [koa izy] dia nitory tany amin’ny synagoga ka nilaza fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra.”—Asa. 9:20.

14 Raha mianatra Baiboly ianao nefa mbola tsy vita batisa, ho vonona hampihatra ny zavatra ianaranao ve ianao, toa an’i Saoly? Ekena fa nahita maso an’ilay fahagagana nataon’i Kristy taminy i Saoly, ary nandrisika azy hanao zavatra izany. Nisy olon-kafa koa anefa nahita ny fahagagana nataon’i Jesosy. Fariseo maro, ohatra, no nahita azy nanasitrana lehilahy maty tanana. Jiosy maro be koa no nahalala fa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izy. Tsy rototra anefa ny maro tamin’izy ireo ary nanohitra mihitsy aza. (Mar. 3:1-6; Jaona 12:9, 10) Tsy toy izany kosa i Saoly fa niova. Nahoana izy no niova, nefa ny hafa tsy toy izany? Satria Andriamanitra no natahorany kokoa noho ny olona, ary tena nankasitrahany ny famindram-pon’i Kristy taminy. (Fil. 3:8) Raha manahaka azy ianao, dia tsy hamela na inona na inona hanakana anao tsy ho tonga mpitory sy ho vita batisa.

15, 16. Inona no nataon’i Saoly tany amin’ny synagoga, ary ahoana no nandraisan’ny Jiosy tao Damaskosy ny fitoriany?

15 Gaga sy taitra ary tezitra ny vahoaka rehefa nanomboka nitory momba an’i Jesosy tany amin’ny synagoga i Saoly. Hoy izy ireo: “Ka tsy io ve ilay fatra-panenjika an’ireo niantso izany anarana izany tany Jerosalema e?” (Asa. 9:21) Nohazavain’i Saoly ny antony nampiova ny fiheverany an’i Jesosy, ka “nanome porofo tsara lahatra izy fa i Jesosy no Kristy.” (Asa. 9:22) Tsy ny rehetra anefa no hiaiky, na eo aza ny porofo tsara lahatra. Tsy izany no hahatonga ny olona hampandefitra ny hambom-pony na hiala amin’ny finoana nahazatra azy. Tsy kivy anefa i Saoly.

16 Mbola niady hevitra tamin’i Saoly ny Jiosy tao Damaskosy, telo taona tatỳ aoriana. Nitady hamono azy izy ireo tamin’ny farany. (Asa. 9:23; 2 Kor. 11:32, 33; Gal. 1:13-18) Rehefa fantatra ny tetik’izy ireo, dia naleon’i Saoly niala mangingina tao an-tanàna. Tsy nampaninona azy ny natao tao anaty sobika ka nampidinina avy teo amin’ny varavarankelin’ny manda. Milaza i Lioka fa mpianatr’i Saoly no nanampy azy handositra, tamin’iny alina iny. (Asa. 9:25) Toa midika izany fa nisy tonga mpanara-dia an’i Kristy ny olona sasany nandre ny fitorian’i Saoly tao Damaskosy.

17. a) Ahoana avy no andraisan’ny olona ny fahamarinana torintsika? b) Inona foana no tokony hataontsika, ary nahoana?

17 Nanomboka noresahinao tamin’ny havana aman-tsakaiza sy ny olon-kafa angamba ireo zava-tsoa nianaranao. Mety ho nanantena ianao fa hanaiky ny fahamarinana izy ireo, noho ireo porofo mazava tsara ao amin’ny Baiboly. Nanaiky angamba ny sasany, fa ny maro kosa tsy nanaiky. Mety ho nataon’ny ankohonanao fahavalo mihitsy aza ianao. (Mat. 10:32-38) Mety hiova anefa na dia ny mpanohitra aza, raha hatsarainao foana ny fahaizanao mandresy lahatra amin’ny alalan’ny Soratra Masina, ary manana fitondran-tena tsara foana ianao.—Asa. 17:2; 1 Pet. 2:12; 3:1, 2, 7.

18, 19. a) Inona no vokany rehefa narovan’i Barnabasy i Saoly? b) Inona no hataontsika raha tiantsika ny ho toa an’i Barnabasy sy Saoly?

18 Tsy nahagaga raha tsy nino ny mpianatra hoe efa mpianatra koa i Saoly, tamin’izy tonga tao Jerosalema. Narovan’i Barnabasy anefa izy, ka noraisin’ny apostoly sy niaraka tamin’izy ireo elaela. (Asa. 9:26-28) Tsy tia sehoseho i Saoly, nefa koa tsy nahamenatra azy ny vaovao tsara. (Rom. 1:16) Sahy nitory tao Jerosalema izy, na dia tao aza izy no tena nanenjika mafy ny mpianatr’i Jesosy Kristy. Lotika ny fon’ny Jiosy tao Jerosalema rehefa fantany fa namadika azy ilay nandrandrain’izy ireo, ka notadiaviny hovonoina i Saoly. “Rehefa tsikaritr’ireo rahalahy izany, dia nentiny nidina tany Kaisaria [i Saoly], ka nalefany tany Tarsosy.” (Asa. 9:30) Neken’i Saoly ny toromarika nomen’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fiangonana. Samy nandray soa àry i Saoly sy ny fiangonana.

19 Mariho fa i Barnabasy no tonga dia nanao zavatra hanampiana an’i Saoly. Azo inoana fa izany no nahatonga an’ireo mpanompon’i Jehovah be zotom-po ireo ho mpinamana be. Toa an’i Barnabasy ve ianao ka vonona hanampy an’ireo vaovao, sy hiara-miasa aminy eny amin’ny fanompoana ary hanampy azy handroso ara-panahy? Ho be ny valisoanao raha manao izany ianao. Raha mpitory vaovao kosa ianao, ho toa an’i Saoly ve ianao ka hanaiky hampiana? Hitombo ny fahaizanao mitory sy mampianatra, raha miara-miasa amin’ny mpitory za-draharaha ianao. Vao mainka hahita fifaliana ianao, ary ho mpinamana tsy mifankafoy ianareo.

“Maro no nino” (Asa. 9:31-43)

20, 21. Nanararaotra nanao inona ny mpanompon’Andriamanitra taloha sy ankehitriny, rehefa “nandry feizay” ny tany misy azy?

20 Taorian’ny niovan’i Saoly sy ny nandehanany, dia “nandry feizay ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria.” (Asa. 9:31) Ahoana no nataon’ny mpianatra rehefa tao anatin’ny “mora” toy izany? (2 Tim. 4:2) “Nihanatanjaka” izy ireo, hoy ny fitantarana. Nanome ohatra sy nanatanjaka ny finoan’ny mpianatra ny apostoly sy ny rahalahy nanana andraikitra, ary ny fiangonana kosa “nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy masina.” Nohararaotin’i Petera, ohatra, izany fotoana izany mba hampaherezana an’ireo mpianatra tao amin’ny tanànan’i Lyda, any amin’ny Lemak’i Sarôna. Olona maro teny amin’ny manodidina no “niova sy nanaiky ny Tompo”, noho ny ezaka nataony. (Asa. 9:32-35) Tsy nikatsaka zavatra hafa ny mpianatra, fa niezaka nifampiahy sy nitory ny vaovao tsara kosa. Vokatr’izany, dia “tsy nitsaha-nitombo” ny fiangonana.

21 “Nandry feizay” koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-20. Nirodana tampoka ny fitondrana nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra efa am-polony taona maro, ka nihanalefaka na foana mihitsy ny fandrarana. Nanararaotra nitory ampahibemaso àry ny Vavolombelona an’aliny, ary tsy mampino ny vokatra azo. Efa ho 16 000, ohatra, ny mpitory tany Rosia rehefa nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, tamin’ny 1991. Tamin’ny 2007 anefa, izany hoe 16 taona monja tatỳ aoriana, dia efa maherin’ny 150 000 no mazoto mitory ny vaovao tsara any.

22. Ahoana no azonao anararaotana ny fahalalahana anananao?

22 Hararaotinao tsara ve ny fahalalahana anananao? Tian’i Satana hikatsaka vola aman-karena ianao, fa tsy hanompo an’i Jehovah, raha misy fahalalahana ara-pivavahana ao amin’ny taninao. (Mat. 13:22) Aza variana amin-javatra hafa, fa hararaoty kosa ny fotoana isian’ny filaminana. Hararaoty hitoriana amin’ny fomba feno sy hanatanjahana ny fiangonana izany. Tsarovy fa mety hiova tampoka ny fiainanao.

23, 24. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Tabita? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

23 Diniho ny nanjo ny mpianatra iray atao hoe Tabita, na Dorkasy. Nipetraka tao Jopa, tanàna tsy lavitra an’i Lyda, izy. Nampiasa tsara ny fotoanany sy ny fananany io anabavy tsy nivadika io, ka “be tokoa ny asa soa vitany sy ny fiantrany ny mahantra.” Tampoka teo anefa, dia narary izy ary maty. * Nalahelo be ny mpianatra tao Jopa, indrindra fa ireo mpitondratena nanaovany soa. Tonga tao amin’ilay trano nisy ny faty i Petera, ary nanao fahagagana mbola tsy nataon’ny apostolin’i Jesosy mihitsy. Nivavaka izy, ary natsangany tamin’ny maty i Tabita! Eritrereto ny fifalian’ny mpitondratena sy ny mpianatra hafa, rehefa nantsoin’i Petera izy ireo ka natolony azy ireo i Tabita efa velona. Nampahery azy ireo hiatrika ny fitsapana ho avy izany! Tsy nahagaga raha “nanjary fantatry ny olona eran’i Jopa” iny fahagagana iny, “ka maro no nino ny Tompo.”—Asa. 9:36-42.

Ahoana no azonao anahafana an’i Dorkasy?

24 Hevitra lehibe roa no ianarantsika avy amin’iny fitantarana mampahery momba an’i Tabita iny: 1) Mihelina ihany ny fiainana. Zava-dehibe àry ny hiezahantsika hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra, dieny mbola afaka manao izany! (Mpito. 7:1) 2) Azo antoka ny fitsanganana amin’ny maty. Hitan’i Jehovah ny asa soa maro nataon’i Tabita, ka namaly soa azy izy. Hotsaroany koa ny asa mafy ataontsika ka hatsangany amin’ny maty isika, raha maty alohan’ny Hara-magedona. (Heb. 6:10) Aoka àry isika tsy hitsahatra hitory momba an’i Kristy, na ‘mandry feizay’ isika, na ao anatin’ny “sarotra.”—2 Tim. 4:2.

^ feh. 2 Jereo ilay efajoro hoe “ Saoly Fariseo.”

^ feh. 12 Ny apostoly ihany, amin’ny ankapobeny, no afaka mampita amin’olon-kafa an’ireo fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy masina. Maningana kosa ity indray mandeha ity, satria toa nanome fahefana an’i Ananiasy i Jesosy mba hampita izany tamin’i Saoly, izay “fanaka voafidy.” Taorian’ny niovany, dia nitokana ela be tany an-toeran-kafa i Saoly ka tsy nihaona tamin’ny apostoly 12. Azo inoana anefa fa nanao zavatra izy nandritra an’io fotoana io. Toa nataon’i Jesosy àry izay hananany ny hery nilainy, mba haharetany amin’ny asa fitoriana nanirahana azy.

^ feh. 23 Jereo ilay efajoro hoe “ Be Tokoa ny Asa Soa Vitan’i Dorkasy.