Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 6

“Feno Hatsaram-panahy sy Hery” i Stefana

“Feno Hatsaram-panahy sy Hery” i Stefana

Sahy nitory ny fahamarinana teo anatrehan’ny Fitsarana Avo i Stefana. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 6:8–8:3

1-3. a) Inona no toe-javatra nampahatahotra niainan’i Stefana, nefa nanao ahoana ny fihetsiny? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

 TSARAINA eo anatrehan’ny Fitsarana Avo i Stefana. Lehilahy 71 no nipetraka nanao antsasa-paribolana tao amin’ny efitra lehibe iray, izay azo inoana fa teo akaikin’ny tempoly tao Jerosalema. Olona ambony sy manam-pahefana ireo mpitsara, ary tsy nanisy vidiny an’io mpianatr’i Jesosy io ny ankamaroany. I Kaiafa Mpisoronabe no namory an’ireo mpitsara ireo. Izy no nitarika ny fitsarana rehefa nanameloka an’i Jesosy Kristy ho faty io Fitsarana Avo io, volana vitsivitsy talohan’izay. Natahotra ve i Stefana?

2 Fihetseham-po hafa mihitsy no hita soritra teny amin’ny endrik’i Stefana! Nibanjina azy ny mpitsara, ka nahita fa “sahala amin’ny tarehin’anjely” ny tarehiny. (Asa. 6:15) Mitondra hafatra avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny anjely ka milamin-tsaina sy tony ary tsy matahotra. Toy izany koa i Stefana, hany ka nahamarika izany na dia ireo mpitsara nankahala mafy azy aza. Nahoana izy no tony dia tony?

3 Ahalalantsika zavatra maro ny valin’io fanontaniana io. Tokony ho fantatsika koa ny nahatonga an’i Stefana ho amin’io toe-javatra sarotra io. Ahoana no niarovany ny finoany, talohan’io? Ahoana no anahafantsika azy?

“Nampirisihin’izy ireo ny vahoaka” (Asa. 6:8-15)

4, 5. a) Nahoana no tena nilaina teo anivon’ny fiangonana i Stefana? b) Inona no dikan’ny hoe “feno hatsaram-panahy sy hery” i Stefana?

4 Efa fantatsika fa tena nilaina i Stefana, teo anivon’ilay fiangonana kristianina vao niforona. Hitantsika tao amin’ilay toko teo aloha fa anisan’ireo fito lahy nanetry tena sy vonon-kanampy an’ireo apostoly izy, rehefa nantsoina. Vao mainka hita hoe nanetry tena izy, rehefa dinihina ireo fahaizana mahagaga nomen’Andriamanitra azy. Milaza ny Asan’ny Apostoly 6:8 fa afaka nanao “zava-mahagaga sy famantarana lehibe” toy ny apostoly sasany izy, ary “feno hatsaram-panahy sy hery.” Inona no dikan’izany?

5 Tsara fanahy sy nalemy paika izy ka tian’ny olona. Nahay nandresy lahatra izy, ka niaiky ny ankamaroan’ireo nihaino azy fa tso-po izy, ary nahasoa azy ireo ny fahamarinana noresahiny. Feno hery izy satria niasa taminy ny fanahin’i Jehovah, noho izy nanaiky tamim-panetren-tena ny fitarihan’izy io. Tsy nampirehareha azy ny zava-bitany, fa i Jehovah kosa no nomeny ny voninahitra rehetra, ary nitady izay hahasoa an’ireo nihaino azy izy. Tsy nahagaga àry raha tsy namela azy tamin’izao fotsiny ny mpanohitra azy!

6-8. a) Inona ireo zavatra roa niampangana an’i Stefana, ary nahoana? b) Nahoana no mahasoa antsika ny ohatra navelany?

6 Lehilahy maro no niady hevitra tamin’i Stefana, nefa ‘tsy voatohitr’izy ireo ny fahendreny sy ny fanahy masina izay nampiteny azy.’ * Tsy hitan’izy ireo intsony izay hatao ka “nampirisika olona mangingina” izy ireo mba hanendrikendrika an’io mpianatra tsy manan-tsiny io. “Nampirisihin’izy ireo [koa] ny vahoaka” sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dalàna, mba hitondra an-keriny an’i Stefana ho any amin’ny Fitsarana Avo. (Asa. 6:9-12) Zavatra roa no niampangan’ny mpanohitra azy: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy Mosesy izy. Tamin’ny fomba ahoana?

7 Nilaza ireo mpanendrikendrika fa niteny ratsy an’Andriamanitra i Stefana, satria niteny zava-dratsy momba ny “toerana masina”, izany hoe ny tempoly tao Jerosalema. (Asa. 6:13) Nampangaina ho niteny ratsy an’i Mosesy koa i Stefana, satria niteny zava-dratsy momba ny Lalàn’i Mosesy, hono, ka nanova ny fanao nolovana tamin’i Mosesy. Fiampangana goavana izany, satria tena zava-dehibe tamin’ny Jiosy ny tempoly, sy ny andinindininy tamin’ny Lalàn’i Mosesy, ary ireo lovantsofina nampidirin’izy ireo ho anisan’ny Lalàna. Te hilaza àry ireo mpiampanga azy fa olona nampidi-doza i Stefana ka mendrika ny ho faty!

8 Mampalahelo fa matetika no mampiasa tetika toy izany ny olona mpivavaka, mba hanakantsakanana ny asan’ny mpanompon’Andriamanitra. Hatramin’izao, dia misy olona mpivavaka mampirisika an’ireo manam-pahefana hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah. Inona no tokony hatao rehefa misy milaza zavatra diso na tsy tena marina momba antsika? Hiana-javatra betsaka avy amin’i Stefana isika.

Sahy nitory momba an’ilay “Andriamanitry ny voninahitra” (Asa. 7:1-53)

9, 10. Inona no nolazain’ireo mpanakiana ny lahatenin’i Stefana? Inona no tsara hotadidintsika?

9 Hitantsika tetsy aloha fa tony be toy ny tarehin’anjely ny tarehin’i Stefana, tamin’izy nandre ny fiampangana azy. Nitodika tany aminy i Kaiafa ary nanontany azy momba izany fiampangana izany. Hoy izy: “Izany tokoa ve no izy?” (Asa. 7:1) I Stefana indray àry izao no niteny.

10 Misy manakiana hoe lava be ny lahatenin’i Stefana nefa tsy mamaly an’ireo fiampangana azy. Modely ho antsika anefa ny fomba niarovany ny vaovao tsara. (1 Pet. 3:15) Tadidio fa nampangaina ho niteny ratsy an’Andriamanitra izy satria nanivaiva ny tempoly, hono. Nampangaina ho niteny ratsy an’i Mosesy koa izy, satria hoe niteny zava-dratsy momba ny Lalàna. Namaly i Stefana ka nozarainy ho telo ny tantaran’ny Israely, ary nasongadiny tsara ny hevitra sasany. Andeha hojerentsika ny fizarana tsirairay.

11, 12. a) Nahay nampiasa ny ohatr’i Abrahama i Stefana. Hazavao. b) Nahoana i Stefana no niresaka momba an’i Josefa?

11 Tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny. (Asa. 7:1-16) Nohajain’ny Jiosy i Abrahama noho ny finoany, ka izy no noresahin’i Stefana voalohany, satria io no hevi-dehibe niombonany tamin’ny mpihaino azy. Nasongadiny fa niseho voalohany tamin’i Abrahama i Jehovah, “Andriamanitry ny voninahitra”, tany Mezopotamia. (Asa. 7:2) Vahiny tao amin’ny Tany Nampanantenaina i Abrahama, ka tsy nanana tempoly na Lalàn’i Mosesy. Ahoana àry no mbola hanizingizinana hoe tsy maintsy eo ireo zavatra ireo vao afaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra ny olona?

12 Nanaja be an’i Josefa, taranak’i Abrahama, koa ireo nihaino an’i Stefana. Nampahatsiahy azy ireo anefa i Stefana fa nanenjika an’io olo-marina io sy nivarotra azy ho andevo ireo rahalahiny, izay razamben’ny fokon’ny Israely. Nampiasa azy hanavotra ny Israely tamin’ny mosary anefa Andriamanitra. Azo inoana fa fantatr’i Stefana hoe nisy lafiny nampitovy an’i Josefa sy Jesosy Kristy. Tsy nolazainy anefa izany, mba hihaino azy ela araka izay azo atao ny olona.

13. Nahoana no azo lazaina fa namaly ny fiampangana azy i Stefana rehefa niresaka momba an’i Mosesy? Inona no hevi-dehibe novelabelariny?

13 Tamin’ny andron’i Mosesy. (Asa. 7:17-43) Niresaka betsaka momba an’i Mosesy i Stefana, ary tena nety izany. Maro tamin’ireo anisan’ny Fitsarana Avo mantsy no Sadoseo, ka ny boky nosoratan’i Mosesy ihany no neken’izy ireo ho anisan’ny Baiboly. Tadidio koa fa nampangaina ho niteny ratsy an’i Mosesy i Stefana. Namaly mivantana an’io fiampangana io izy. Hita tamin’ny teniny mantsy fa tena nohajainy i Mosesy sy ny Lalàna. (Asa. 7:38) Nomarihiny koa fa nolavin’ireo nokasainy hovonjena i Mosesy, tamin’izy 40 taona. Imbetsaka izy ireo no nanohitra ny fitarihan’i Mosesy, 40 taona mahery tatỳ aoriana. * Nohazavain’i Stefana tsikelikely àry ity hevi-dehibe ity: Imbetsaka ny vahoakan’Andriamanitra no nanda an’izay notendren’i Jehovah hitarika azy ireo.

14. Inona avy no hevitra nohamafisin’i Stefana tamin’izy niresaka ny ohatr’i Mosesy?

14 Nampahatsiahy i Stefana fa efa nilaza i Mosesy hoe hisy mpaminany toa an’i Mosesy eo amin’ny Israely. Iza izany, ary ahoana no handraisan’ny olona azy? Tany amin’ny faran’ny lahateniny vao novalian’i Stefana ireo. Nanasongadina hevi-dehibe iray koa izy: Hitan’i Mosesy fa afaka ny ho masina ny toerana rehetra. Masina, ohatra, ilay toerana niresahan’i Jehovah taminy tao anaty voaroy nirehitra. Midika ve izany fa ao amin’ny trano iray toy ny tempoly tao Jerosalema ihany no azo ivavahana amin’i Jehovah? Andeha hojerentsika ny amin’izany.

15, 16. a) Nahoana no tena nilaina ny niresahan’i Stefana momba ny tranolay? b) Nahoana no nampidirin’i Stefana tamin’ny lahateniny ny tempolin’i Solomona?

15 Ny tranolay sy ny tempoly. (Asa. 7:44-50) Nampahatsiahivin’i Stefana an’ilay fitsarana fa tamin’ny mbola tsy nisy tempoly, dia nasain’Andriamanitra nanao tranolay azo afindrafindra i Mosesy, ary io no nampiasaina tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Iza no sahy hilaza fa ambany noho ny tempoly ny tranolay, nefa i Mosesy mihitsy no nanompo tao?

16 Nanorina ny tempoly tao Jerosalema i Solomona, tatỳ aoriana. Notarihin’ny fanahy masina izy rehefa nivavaka, ka nilaza hevi-dehibe iray, araka izao nilazan’i Stefana azy izao: ‘Tsy monina ao amin’ny trano nataon-tanana ilay Avo Indrindra.’ (Asa. 7:48; 2 Tant. 6:18) Mety hampiasa tempoly i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany, kanefa tsy hoe mipetraka ao izy. Tsy tokony hihevitra àry ny mpanompon’Andriamanitra hoe tsy maintsy misy trano aorina vao eken’Andriamanitra ny fivavahana. Nasongadin’i Stefana io hevitra io teo am-pamaranana, ka nampiasa andininy ao amin’ny bokin’i Isaia izy, ary nilaza hoe: “Ny lanitra no seza fiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano manao ahoana no hataonareo ho ahy?, hoy i Jehovah. Ary toerana manao ahoana no honenako? Tsy ny tanako ihany ve no nanao ireo zava-drehetra ireo?”—Asa. 7:49, 50; Isaia 66:1, 2.

17. Nahoana ny lahatenin’i Stefana no a) nampibaribary ny tao an-tsain’ireo nihaino azy? b) namaly an’ireo fiampangana azy?

17 Rehefa dinihina ny lahatenin’i Stefana teo anoloan’ny Fitsarana Avo, tsy miaiky ve ianao fa hainy ny nampibaribary ny tao an-tsain’ireo mpiampanga azy? Nohazavainy fa tsy fikasana fotsiny ny fikasan’i Jehovah fa tanteraka miandalana, ary tsy voasakantsakan’ny fanao nentim-paharazana. Izay fatra-panaja an’ilay tempoly tsara tarehy sy ireo fanao noforonina avy tamin’ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy nahatakatra ny antony nanomezana ny Lalàna sy nanorenana ny tempoly. Nampipoitra an’ity fanontaniana lehibe ity ilay lahatenin’i Stefana: Tsy ny fankatoavana an’i Jehovah ve no fomba tsara indrindra anajana ny Lalàna sy ny tempoly? Voaporofon’i Stefana àry fa nety ny nataony, satria nankatò an’i Jehovah araka izay fara heriny izy.

18. Ahoana avy no azontsika anahafana an’i Stefana?

18 Inona no ianarantsika avy amin’ny lahatenin’i Stefana? Tena nahay Soratra Masina izy. Tokony hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra toa azy àry isika, raha tiantsika ny hanazava “ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.” (2 Tim. 2:15) Tsara fanahy sy nahay nandanjalanja i Stefana, ary azontsika ianarana koa izany. Tsy tia azy maizina ireo nihaino azy, nefa nitady marimaritra iraisana foana izy, ka hevitra tena tian’izy ireo no noresahiny. Nanaja an’ireo nihaino azy koa i Stefana, ka nantsoiny hoe “raiamandreny” ireo anti-panahy. (Asa. 7:2) Tokony ‘halemy fanahy sy hanaja lalina’ koa isika, rehefa miresaka ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—1 Pet. 3:15.

19. Inona no nampiseho fa sahy nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ireo mpitsara i Stefana?

19 Mety hanafintohina olona ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, nefa tsy miahotra ny hiresaka azy ireny isika. Tsy manalefaka ny didim-pitsaran’i Jehovah koa isika. Ohatra tsara i Stefana tamin’izany lafiny izany. Azo inoana fa fantany hoe tsy hampiova an’ireo mpitsara mafy fo ireo ny porofo rehetra nomeny. Rehefa namarana ny lahateniny àry i Stefana, dia nentanin’ny fanahy masina ka sahy nilaza fa mitovy ihany izy ireo sy ny razambeny, izay nanda an’i Josefa sy Mosesy ary ny mpaminany rehetra. (Asa. 7:51-53) Ireo mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo ireo tokoa no namono ny Mesia, izay efa nambaran’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra. Mbola tsy nisy olona nandika ny Lalàn’i Mosesy mihoatra noho izy ireo!

“Jesosy Tompo ô, raiso ny aiko” (Asa. 7:54–8:3)

“Tezitra mafy izy ireo tao am-pony tao rehefa nandre izany ka nihidy vazana taminy.”​—Asan’ny Apostoly 7:54

20, 21. Ahoana no nataon’ny Fitsarana Avo rehefa nandre ny tenin’i Stefana? Ahoana no nampaherezan’i Jehovah azy?

20 Tsy azo lavina ny fahamarinan’ny tenin’i Stefana ka romotry ny hatezerana ireo mpitsara. Tsy niseho ho mendri-kaja intsony izy ireo fa nihidy vazana tamin’i Stefana. Tsy maintsy efa tsinjon’i Stefana fa tsy hamindrana fo izy, toa an’i Jesosy Tompony ihany.

21 Nila herim-po hiatrehana ny zavatra niandry azy i Stefana. Azo antoka fa tena nampahery azy ny fahitana nomen’i Jehovah azy. Nahita ny voninahitr’Andriamanitra i Stefana, ary nahita an’i Jesosy nijoro teo ankavanan’ny Rainy. Nanampin-tsofina ireo mpitsara rehefa nitantara an’ilay fahitana i Stefana. Nahoana? Satria efa nilaza tamin’io fitsarana io i Jesosy fa izy no Mesia, ary tsy ho ela izy dia ho eo ankavanan’ny Rainy. (Mar. 14:62) Noporofoin’ilay fahitana hitan’i Stefana fa marina ny tenin’i Jesosy. Io Fitsarana Avo io mantsy no nanolotra ny Mesia hovonoina. Indray nirohotra nanao izay hitoraham-bato an’i Stefana àry izy rehetra. *

22, 23. Inona no itovizan’ny fomba nahafatesan’i Stefana sy Jesosy? Nahoana ny Kristianina ankehitriny no afaka matoky an’i Jehovah, toa an’i Stefana?

22 Be itovizana ny fomba nahafatesan’i Stefana sy Jesosy Tompony: Samy tony izy ireo, ary natoky tanteraka an’i Jehovah sy namela ny helok’ireo namono azy. Mbola hitan’i Stefana tao amin’ny fahitana angamba ny Zanak’olona sy ny Rainy ka hoy izy: “Jesosy Tompo ô, raiso ny aiko.” Azo antoka fa fantatr’i Stefana ilay teny mampahery nolazain’i Jesosy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” (Jaona 11:25) Farany, dia nivavaka nivantana tamin’Andriamanitra i Stefana, ary niteny mafy hoe: “Jehovah ô, aza atao ho helony anie izao!” Nodimandry izy rehefa avy niteny izany.—Asa. 7:59, 60.

23 Tamin’ireo mpanara-dia an’i Kristy àry, dia i Stefana no maritiora voalohany tantarain’ny Baiboly. (Jereo ilay efajoro hoe  “Ny Dikan’ny hoe ‘Maritiora’ ”) Tsy izy anefa no ho farany. Mbola misy mpanompon’i Jehovah vonoina koa hatramin’izao, noho ny tsy fivadihany. Mpivavaka sy mpanao politika mafana fo, na olona manohitra mafy azy ireo, no manao izany. Matoky toa an’i Stefana anefa isika fa ho tanteraka ilay fampanantenan’i Jesosy hoe hatsangana ny maty. Efa Mpanjaka izao i Jesosy, ka mampiasa ny fahefana lehibe nomen-dRainy azy. Hatsangany amin’ny maty ireo mpanara-dia azy tsy mivadika, ary tsy hisy hahasakana azy.—Jaona 5:28, 29.

24. Nahoana no azo lazaina fa nandray anjara tamin’ny famonoana an’i Stefana i Saoly? Inona avy no vokatra tsara sy maharitra nateraky ny fahafatesan’i Stefana?

24 Nanatri-maso ny nitoraham-bato an’i Stefana ny tovolahy atao hoe Saoly. Nankasitrahany ny namonoana an’i Stefana, ary nambenany mihitsy aza ny akanjon’ireo nitora-bato azy. Nenjehina mafy ny Kristianina, tsy ela taorian’izay, ary i Saoly no mpitarika an’izany. Nisy vokany tsara sy maharitra anefa ny nahafatesan’i Stefana. Nampahery Kristianina hafa tsy hivadika sy hivoaka ho mpandresy koa ny ohatra tsara navelany. Nanenina mafy koa i Saoly, ilay lasa nantsoina matetika hoe Paoly, rehefa nahatadidy izay nataony tamin’ny namonoana an’i Stefana. (Asa. 22:20) Nanampy an’ireo namono an’i Stefana izy, nefa izao no tsapany tatỳ aoriana: ‘Mpanevateva an’Andriamanitra aho, sady mpanenjika no mpanambany olona.’ (1 Tim. 1:13) Tsy hadinon’i Paoly mihitsy i Stefana sy ilay lahateny mampiaiky nataony. Misy hevitra avy amin’ny lahatenin’i Stefana aza ny sasany amin’ny lahatenin’i Paoly sy ny taratasiny. (Asa. 7:48; 17:24; Heb. 9:24) Nanam-pinoana sy be herim-po tokoa i Stefana, ary “feno hatsaram-panahy sy hery.” Nahavita nanaraka tsara ny ohatra navelany i Paoly, tamin’ny farany. Ary isika?

^ feh. 6 Nisy nanohitra azy ny tao amin’ny “Synagogan’ireo Nomena Fahafahana.” Iza no anisan’io synagoga io? Angamba andevo afaka, izay nanaraka ny Fivavahana Jiosy, na koa babo azon’ny Romanina saingy efa afaka. Avy any Kilikia kosa ny mpanohitra sasany, toa an’i Saoly avy any Tarsosy. Tsy milaza anefa ny fitantarana raha toa i Saoly ka anisan’ireo olona avy any Kilikia, izay tsy nahatohitra an’i Stefana.

^ feh. 13 Ahalalana zavatra tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly ny lahatenin’i Stefana. Anisan’izany ny fianarana nataon’i Mosesy tany Ejipta, ny taonany tamin’izy nandositra niala tao Ejipta, ary ny fotoana nijanonany tany Midianina.

^ feh. 21 Toa tsy namela ny Fitsarana Avo Jiosy hanameloka olona ho faty ny lalàna romanina. (Jaona 18:31) Na ahoana na ahoana, dia toa vahoaka romotra no namono an’i Stefana, fa tsy hoe ny fitsarana no nanameloka azy ho faty.