Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 23

“Henoy Aho fa Hilaza ny Fiarovan-Tenako”

“Henoy Aho fa Hilaza ny Fiarovan-Tenako”

Niaro ny fahamarinana teo anoloan’ny vahoaka romotra sy ny Fitsarana Avo i Paoly

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 21:18–23:10

1, 2. Nahoana i Paoly no nankany Jerosalema, ary inona avy no olana niandry azy tany?

 NANDEHA tamin’ireo lalan-kely feno olona tao Jerosalema indray i Paoly. Tanàna tsy nanan-tsahala teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah i Jerosalema. Nireharehan’ny ankamaroan’ny mponina tao izany lazany izany. Fantatr’i Paoly fa maro tamin’ny Kristianina tao no mbola nifikitra tamin’ny Lalàna, ka tsy naharaka hoe efa niova ny fomba nifandraisan’i Jehovah tamin’ny vahoakany. Tsapan’i Paoly fa nila fanampiana ara-panahy izy ireo, ankoatra an’ilay fanampiana ara-bola, izay nokasainy haterina tany Jerosalema tamin’izy tany Efesosy. (Asa. 19:21) Tsy niova hevitra i Paoly, na dia fantany aza fa hisy loza hanjo azy.

2 Fa inona no olana niandry an’i Paoly tany Jerosalema? Avy amin’ny mpanara-dia an’i Kristy ny olana iray, satria nikorontan-tsaina ny sasany taminy noho ny tsaho niely momba an’i Paoly. Lehibe kokoa anefa ny olana avy amin’ireo fahavalon’i Kristy, satria hanendrikendrika sy hikapoka ary hitady hamono an’i Paoly izy ireo. Ho afaka hiteny hiaro ny tenany koa anefa i Paoly, noho ireny korontana ireny. Modely tsara ho antsika ny fanetren-tenany sy ny herim-pony ary ny finoany, teo am-piatrehana an’ireny olana ireny. Andeha hodinihintsika izany.

“Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo” (Asa. 21:18-20a)

3-5. a) Inona ilay fivoriana natrehin’i Paoly tao Jerosalema, ary inona no noresahina tao? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’io fivoriana io?

3 Nankany amin’ny anti-panahy niandraikitra ny fiangonana i Paoly sy ny namany, ny ampitson’ny nahatongavany tao Jerosalema. Tsy nisy voaresaka tao amin’ilay fitantarana ny apostoly mbola velona tamin’izany. Angamba izy ireo nanompo tany an-toeran-kafa. I Jakoba rahalahin’i Jesosy kosa no hitan-dry Paoly. (Gal. 2:9) Toa i Jakoba no nitarika ny fivoriana, ary “tao daholo ny anti-panahy rehetra”, niaraka tamin’i Paoly.​—Asa. 21:18.

4 Niarahaba an’ireo anti-panahy i Paoly, ary “nitantara tamin’ny an-tsipiriany ny zavatra nataon’Andriamanitra teo amin’ny hafa firenena, tamin’izy nitory tamin’izy ireny.” (Asa. 21:19) Nampahery tokoa izany! Faly be koa isika rehefa mandre ny fandrosoan’ny asa any an-tany hafa.​—Ohab. 25:25.

5 Azo inoana fa anisan’ny noresahin’i Paoly tao ilay fanomezana nentiny avy tany Eoropa. Azo antoka fa faly ireo rahalahy rehefa nandre fa niahy azy ireo ny rahalahy tany an-tany lavitra. Milaza tokoa ilay fitantarana fa rehefa nandre ny tatitr’i Paoly ireo anti-panahy, dia “nanome voninahitra an’Andriamanitra.” (Asa. 21:20a) Maro koa ankehitriny ny tra-boina na marary mafy. Manohina ny fon’izy ireny ny fanampiana ara-potoana sy ny teny mampahery avy amintsika mpiray finoana.

Mbola betsaka no “mafana fo be manaraka ny Lalàna” (Asa. 21:20b, 21)

6. Inona ilay olana nampahafantarina an’i Paoly?

6 Nilaza tamin’i Paoly, avy eo, ireo anti-panahy fa niteraka olana tao Jodia ny tsaho momba azy. Hoy izy ireo: “Hitanao, ry rahalahy, fa an’arivony ny Jiosy lasa mpino, ary mafana fo be manaraka ny Lalàna izy rehetra. Naheno tsaho momba anao anefa ry zareo hoe ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra any amin’ny firenena hafa mba tsy hankatò ny Lalàn’i Mosesy, ka milaza amin’izy ireo mba tsy hamora ny zanany na hanaraka ny fomba fanao hatramin’izay.” a​—Asa. 21:20b, 21.

7, 8. a) Inona no hevi-diso nananan’ny Kristianina tany Jodia? b) Nahoana izy ireo no tsy azo lazaina hoe nivadi-pinoana?

7 Nahoana ny Kristianina maro no mbola fatra-panaraka ny Lalàn’i Mosesy, nefa efa 20 taona mahery izy io no nofoanana? (Kol. 2:14) Tamin’ny taona 49, dia nanoratra ho an’ny fiangonana ny apostoly sy ny anti-panahy nivory tao Jerosalema, ka nanazava fa tsy voatery hoforana sy hasaina hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ireo mpino tsy jiosy. (Asa. 15:23-29) Tsy voaresaka tao amin’ilay taratasy anefa ny Jiosy mpino, ka maro taminy no tsy nahalala fa efa tsy nanan-kery intsony ny Lalàn’i Mosesy.

8 Tsy nahafeno fepetra ho Kristianina intsony ve ireny Jiosy ireny, noho izany hevi-diso izany? Tsia. Tsy mpanompo sampy izy ireo taloha ka hoe mbola nanohy ny fanaony. Avy amin’i Jehovah ilay Lalàna tena sarobidy tamin’izy ireo, fa tsy hoe fanao ratsy na avy amin’ny demonia. Ny fifanekena taloha anefa no nitaky ny hitandremana ny Lalàna, fa ny Kristianina kosa eo ambanin’ny fifanekena vaovao. Tsy nila nitandrina ny Lalàna intsony ireo nanaraka ny fivavahana madio. Tsy ampy fahalalana ireo Kristianina hebreo mbola fatra-panaraka ny Lalàna, ary tsy natokisany ny fiangonana kristianina. Nila nampifanaraka ny fisainany tamin’ny zava-baovao nampahafantarin’i Jehovah izy ireo. b​—Jer. 31:31-34; Lioka 22:20.

“Tsy misy mitombina ny tsaho naely” (Asa. 21:22-26)

9. Inona no nampianarin’i Paoly momba ny Lalàn’i Mosesy?

9 Ahoana kosa ny amin’ilay tsaho hoe nampianarin’i Paoly “mba tsy hamora ny zanany na hanaraka ny fomba fanao hatramin’izay” ny Jiosy tany amin’ireo firenena? Apostoly ho an’ny hafa firenena i Paoly, ka nohamafisiny tamin’ny hafa firenena fa tsy voatery hitandrina ny Lalàna izy ireo. Naharihariny koa fa diso hevitra izay nitady handresy lahatra an’ireo hafa firenena mpino hoe mila forana izy ireo ho fankatoavana ny Lalàn’i Mosesy. (Gal. 5:1-7) Nitory ny vaovao tsara tamin’ny Jiosy koa i Paoly, tany amin’ireo tanàna nandalovany. Azo antoka fa nohazavainy tamin’ireo nihaino azy hoe tsy nanan-kery intsony ny Lalàna rehefa maty i Jesosy, ary hamarinina noho ny finoana ny olona fa tsy noho ny asan’ny Lalàna.​—Rom. 2:28, 29; 3:21-26.

10. Hazavao fa nahay nandanjalanja i Paoly teo amin’ny resaka Lalàna sy famorana.

10 Teo koa anefa ireo mbola tia nitandrina ny fanao jiosy sasantsasany, toy ny tsy fiasana amin’ny Sabata sy ny fifadiana sakafo sasany. Nihevitra ny fihetseham-pon’izy ireny àry i Paoly. (Rom. 14:1-6) Tsy namorona fitsipika momba ny famorana koa izy. Noforany, ohatra, i Timoty mba tsy hiahiahy an’i Timoty ny Jiosy, satria Grika ny rainy. (Asa. 16:3) Ny tsirairay no hanapa-kevitra na hoforana na tsia. Hoy i Paoly tamin’ny Galatianina: “Tsy ny hoe forana na tsy forana no zava-dehibe, fa ny hoe mino sady maneho fitiavana.” (Gal. 5:6) Tsy ampy finoana anefa ny olona iray raha manaiky hoforana ho fankatoavana ny Lalàna, na mihevitra fa ilaina ny famorana mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah.

11. Inona no torohevitra nomen’ireo anti-panahy an’i Paoly, ary inona no tafiditra tamin’izany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Mbola nanahiran-tsaina ny Kristianina jiosy ihany ilay tsaho momba an’i Paoly, na dia tsy marina aza. Nanoro hevitra an’i Paoly toy izao àry ireo anti-panahy: “Misy efa-dahy efa nanao voady eto. Ento miaraka aminao ireo lehilahy ireo, dia mandehana ianareo midio araka ny takin’ny Lalàna, ary aloavy izay vola tokony haloan’izy ireo mba hanasolana ny lohany. Amin’izay dia ho fantatry ny rehetra fa tsy misy mitombina ny tsaho naely momba anao, fa mitondra tena tsara ianao sady manaraka ny Lalàna koa.” c​—Asa. 21:23, 24.

12. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa vonona ny hilefitra sy hanaraka ny tenin’ireo anti-panahy tao Jerosalema izy?

12 Afaka nilaza i Paoly hoe tsy ilay tsaho momba azy no tena olana fa ny Jiosy mpino fatra-panaraka ny Lalàn’i Mosesy. Vonona ny hilefitra anefa izy, raha mbola tsy nifanohitra tamin’ny fitsipik’Andriamanitra izany. Hoy izy, tany aloha kokoa: “Tamin’izay teo ambanin’ny lalàna, dia lasa hoatran’izay teo ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy eo ambanin’ny lalàna aza, mba hahazoako an’izay eo ambanin’ny lalàna.” (1 Kor. 9:20) Nanaraka ny tenin’ireo anti-panahy tao Jerosalema àry i Paoly, ka lasa “hoatran’izay teo ambanin’ny lalàna.” Afaka manahaka azy isika, ka hanaraka ny tenin’ny anti-panahy, fa tsy hanizingizina ny hanaovana izay tiantsika.​—Heb. 13:17.

Nilefitra i Paoly rehefa tsy nisy fitsipik’Andriamanitra voadika. Ary ianao?

“Tsy mendrika ny ho velona” izy (Asa. 21:27–22:30)

13. a) Nahoana no nampisy tabataba tao amin’ny tempoly ny Jiosy sasany? b) Ahoana no namonjena an’i Paoly?

13 Nisy olana tao amin’ny tempoly, rehefa ho tapitra ilay fotoana nanefan-dry Paoly voady. Nahita an’i Paoly tao amin’ny tempoly ny Jiosy avy any Azia, ka nampangainy ho nampiditra hafa firenena tao i Paoly. Nampisy korontana izy ireo ka nokapohiny i Paoly, ary saika maty raha tsy tonga ny mpitari-tafika romanina. Indrisy anefa fa nampidirin’izy io am-ponja i Paoly, ary efa-taona mahery tatỳ aoriana vao nafahana. Mbola tsy afa-doza anefa i Paoly tamin’iny fotoana iny. Rehefa nanontanian’ilay mpitari-tafika ny Jiosy hoe nahoana izy ireo no namely an’i Paoly, dia samy niantsoantso nilaza fiampangana samy hafa izy ireo. Tsy nisy azon’ilay mpitari-tafika ny tenin’izy ireo, noho ny tabataba. Voatery nobataina niala teo i Paoly tamin’ny farany. Rehefa hiditra tao amin’ny toby miaramila izy sy ny miaramila romanina, dia hoy i Paoly tamin’ilay mpitari-tafika: “Miangavy anao aho, avelao aho hiteny amin’ny olona.” (Asa. 21:39) Nanaiky ilay mpitari-tafika, ary nisikina herim-po mba hiaro ny finoany i Paoly.

14, 15. a) Inona no nohazavain’i Paoly tamin’ny Jiosy? b) Inona avy no nataon’ilay mpitari-tafika mba hahalalana izay nampahatezitra ny Jiosy?

14 Hoy i Paoly: “Henoy aho fa hilaza ny fiarovan-tenako.” (Asa. 22:1) Niteny hebreo tamin’ny vahoaka i Paoly, ka vao mainka nangina izy ireo. Nohazavainy tsara hoe nahoana izy no lasa mpanara-dia an’i Kristy. Hain’i Paoly ny niresaka zavatra azon’ny Jiosy nohamarinina. Nianatra teo an-tongotr’i Gamaliela mpampianatra malaza izy, ary nanenjika an’ireo mpanara-dia an’i Kristy, araka ny efa fantatry ny sasany nanatrika teo. Tamin’izy ho any Damaskosy anefa, dia niresaka taminy tao amin’ny fahitana i Kristy tafatsangana tamin’ny maty. Nahita hazavana be ireo niaraka taminy sady nandre feo, nefa tsy azony ilay feo henony. (Asa. 9:7; 22:9) Tsy maintsy nitondra an’i Paoly tany Damaskosy izy ireo avy eo, satria jamba i Paoly noho ilay fahitana. Tany dia nampahiratra azy tamin’ny fomba mahagaga i Ananiasy, izay fantatry ny Jiosy tao Damaskosy.

15 Nilaza koa i Paoly fa rehefa niverina tao Jerosalema izy, dia niseho taminy tao amin’ny tempoly i Jesosy. Nikorontana be ny Jiosy rehefa nandre izany, ka niantsoantso hoe: “Fongory tsy ho eto an-tany intsony io lehilahy io, fa tsy mendrika ny ho velona!” (Asa. 22:22) Novonjen’ilay mpitari-tafika i Paoly ka nasainy nentina tany amin’ny toby miaramila. Tena tiany ho fantatra ny antony nampahatezitra ny Jiosy tamin’i Paoly, ka nasainy niomana izy fa hofotopotorana sy hokaravasina. Fantatr’i Paoly anefa fa afaka niaro azy ny lalàna romanina, ka nambarany fa Romanina izy. Mampiasa ny lalàna koa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny, mba hiarovana ny finoany. (Jereo ireto efajoro ireto: “ Lalàna Romanina sy Olom-pirenena Romanina”, pejy 184, sy “ Ady any Amin’ny Fitsarana.”) Hitan’ilay mpitari-tafika fa tsy maintsy nitady fomba hafa hamotopotorana an’i Paoly izy, rehefa fantany fa Romanina i Paoly. Nentiny teo anatrehan’ny Fitsarana Avo àry izy ny ampitso, rehefa nasainy nivory tsy ara-potoana ny fitsarana.

“Fariseo aho” (Asa. 23:1-10)

16, 17. a) Tantarao izay nitranga rehefa niteny teo anatrehan’ny Fitsarana Avo i Paoly. b) Nahoana no modely ho antsika ny fanetren-tenan’i Paoly, tamin’izy nisy namely?

16 Izao no nanombohan’i Paoly ny fiarovan-tenany teo anoloan’ny Fitsarana Avo: “Ry rahalahy, nitondra tena tsara teo anatrehan’Andriamanitra aho, ka madio tanteraka ny feon’ny fieritreretako mandraka androany.” (Asa. 23:1) Izay ihany no voalazany, dia hoy ilay fitantarana: “Nasain’i Ananiasy mpisoronabe namely ny vavan’i Paoly àry ireo nijoro teo akaikiny.” (Asa. 23:2) Fanambaniana re izany! Hita fa nitsara an-tendrony izy ireo satria mbola tsy nanana porofo akory, dia toy ny efa nilaza hoe mpandainga i Paoly. Tsy nahagaga raha namaly i Paoly hoe: “Hamely anao koa Andriamanitra, ry rindrina voalalotra fotsy! Sady mipetraka hitsara ahy araka ny Lalàna ve ianao no mandika ny Lalàna ka manome baiko ny hamelezana ahy?”​—Asa. 23:3.

17 Tsy ilay olona namely an’i Paoly no nanaitra ny olona sasany nijoro teo, fa ny fihetsik’i Paoly. Hoy izy ireo: “Tevatevainao ve ny mpisoronaben’Andriamanitra?” Nampianatra azy ireo hanetry tena sy hanaja ny Lalàna ny valin-tenin’i Paoly. Hoy izy: “Tsy fantatro hoe mpisoronabe izy, ry rahalahy, fa voasoratra tokoa hoe: ‘Aza vingavingaina ny mpitondra eo amin’ny firenenao.’” d (Asa. 23:4, 5; Eks. 22:28) Hafa ny fomba nitondran’i Paoly ny resaka avy eo. Hitany fa Fariseo sy Sadoseo ireo anisan’ny Fitsarana Avo, ka hoy izy: “Ry rahalahy! Fariseo aho, ary zanaky ny Fariseo. Ny momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty no itsarana ahy.”​—Asa. 23:6.

Manahaka an’i Paoly isika, ka mitady marimaritra iraisana rehefa miresaka amin’ny olona tsy mitovy fivavahana amintsika

18. Nahoana i Paoly no nilaza fa Fariseo izy? Ahoana indraindray no mety hampiasantsika fanaporofoan-kevitra toy ny an’i Paoly?

18 Nahoana i Paoly no nilaza fa Fariseo izy? Satria “zanaky ny Fariseo” izy, izany hoe Fariseo ny fianakaviany. Maro àry no mbola nihevitra azy ho Fariseo. e Nahoana anefa i Paoly no nilaza fa nino ny fitsanganana amin’ny maty toa an’ireo Fariseo koa izy? Voalaza fa mino ny Fariseo hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona na dia maty aza ny vatana, ary hiaina ao amin’ny vatan’olombelona indray ny fanahin’ny olo-marina. Tsy nino an’ireo fampianaran’ny Fariseo ireo i Paoly, fa ny fitsanganana amin’ny maty araka izay nampianarin’i Jesosy no ninoany. (Jaona 5:25-29) Nekeny anefa ilay finoan’ny Fariseo hoe mbola misy fiainana azo antenaina aorian’ny fahafatesana. Nifanohitra tamin’ny finoan’ny Sadoseo izany, satria tsy nino izy ireo hoe hisy fiainana amin’ny hoavy. Mety hampiasa fanaporofoan-kevitra toy izany isika, rehefa miresaka amin’ny Katolika na Protestanta. Afaka milaza isika fa mino an’Andriamanitra tahaka azy ireo koa. Marina fa Andriamanitra telo izay iray no inoan’izy ireo, fa isika kosa mino an’ilay Andriamanitra nanome ny Baiboly. Samy mino anefa isika sy izy ireo hoe misy Andriamanitra.

19. Nahoana no lasa korontana be ilay fivorian’ny Fitsarana Avo?

19 Nampisara-kevitra ny Fitsarana Avo Jiosy ny teny nolazain’i Paoly. Izao no voalazan’ilay fitantarana: “Nisy savorovoro be tao, ary nitsangana ny sasany tamin’ireo mpanora-dalàna mpomba ny Fariseo, dia nanizingizina mafy hoe: ‘Tsy hitanay izay fahadisoan’io lehilahy io, fa raha nisy fanahy na anjely niresaka taminy ...’” (Asa. 23:9) Toa te hilaza izy ireo hoe anjely no niresaka tamin’i Paoly. Tena tsy tia maizina an’izany hevitra izany anefa ny Sadoseo, satria tsy nino ny fisian’ny anjely izy ireo. (Jereo ilay efajoro hoe “ Ny Sadoseo sy ny Fariseo.”) Vao mainka nitabataba be ny rehetra, ka novonjen’ilay mpitari-tafika romanina indray ilay apostoly. (Asa. 23:10) Indrisy anefa fa mbola tsy afa-doza ny apostoly Paoly. Inona izao no hanjo azy? Ho hitantsika bebe kokoa izany ao amin’ny toko manaraka.

a Maro be, araka izany, ny Kristianina jiosy, ka azo inoana fa nisy fiangonana maro nivory tany an-tranon’olona.

b Nanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ary noporofoiny fa ambony lavitra ny fifanekena vaovao. Nasehony mazava fa lany andro ny fifanekena taloha rehefa nanan-kery ny fifanekena vaovao. Nomen’i Paoly porofo mampiaiky ireo Kristianina jiosy, mba hahaizan’izy ireo mamaly an’ireo Jiosy mpanakiana. Izany porofo mafonja izany koa no nanatanjaka ny finoan’ny Kristianina sasany mbola nifikitra tamin’ny Lalàn’i Mosesy.​—Heb. 8:7-13.

c Misy manam-pahaizana milaza fa nivoady ho Nazirita ireo lehilahy ireo. (Nom. 6:1-21) Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy no nanaovana voady toy izany. Marina fa tsy nanan-kery intsony ny Lalàna, nefa nieritreritra angamba i Paoly hoe tsy diso ireo lehilahy ireo raha nanatanteraka ny voady nataony tamin’i Jehovah. Tsy nampaninona azy àry ny niaraka tamin’izy ireo sy nandoa ny lany. Tsy tena fantatsika hoe inona ilay voady. Azo inoana anefa fa tsy nandray anjara i Paoly raha nanao sorona biby izy ireo mba ho afaka amin’ny ota, toy ny nataon’ny Nazirita. Tsy manala fahotana intsony ny sorona toy izany, satria tonga lafatra ny soron’i Kristy. Tsy tena fantatsika izay nataon’i Paoly, nefa azo antoka fa tsy nanao zavatra tsy neken’ny feon’ny fieritreretany izy.

d Misy milaza fa tsy nahita tsara i Paoly, ka tsy fantany ny mpisoronabe, na efa ela angamba izy no tsy tao Jerosalema, ka tsy fantany hoe iza no mpisoronabe, na koa tsy tazany ilay nanome baiko hamely azy, satria takon’ny olona.

e Rehefa nivory ny apostoly sy ny anti-panahy tamin’ny taona 49, mba handinika raha tokony hankatò ny Lalàn’i Mosesy na tsia ny hafa firenena, dia ‘mpino efa tao amin’ny sektan’ny Fariseo’ ny Kristianina sasany nanatrika teo. (Asa. 15:5) Fariseo ireo mpino ireo taloha, ary mbola izany no nahafantarana azy.