NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hatsarao ny Fanompoanao: Ampio ny Mpianatrao mba Handroso ka Hanokan-tena sy Hatao Batisa
NAHOANA IZANY NO ILAINA? Tsy maintsy manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa ny mpianatra Baiboly, raha te ho tian’i Jehovah. (1Pe 3:21) Harovan’i Jehovah izy avy eo mba hifandray aminy foana, raha miezaka manefa an’ilay voady nataony tamin’izy nanokan-tena. (Sl 91:1, 2) Manokan-tena ho an’i Jehovah ny Kristianina, fa tsy ho an’ny olombelona na asa na fikambanana. Mila miezaka ny ho tia an’Andriamanitra sy hankasitraka ny toetrany àry ny mpianatra Baiboly.—Ro 14:7, 8.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
Rehefa mianatra ianareo, dia hazavao hoe inona ny toetran’i Jehovah amin’ilay zavatra ianaranareo. Ampirisiho hamaky Baiboly isan’andro sy ‘tsy hitsahatra’ hivavaka amin’i Jehovah izy.—1Te 5:17; Jk 4:8
Ampirisiho ny mpianatrao mba hanao tanjona hoe hanokan-tena sy hatao batisa. Asaivo manatratra tanjona kelikely anefa aloha izy, ohatra hoe manome valin-teny, na mitory amin’ny mpiray tanàna na mpiara-miasa aminy. Tsy manery olona hanompo azy i Jehovah. Anjaran’ny tsirairay àry ny misafidy, na hanokan-tena izy na tsia.—De 30:19, 20
Ataovy tsapan’ilay mpianatra hoe mila miova izy, raha tiany ny hampifaly an’i Jehovah sy hahafeno fepetra amin’ny batisa. (Oh 27:11) Mety hisy toetra ratsy efa raiki-tampisaka aminy, na fanao ratsy efa mahazatra azy. Mila ampiana foana àry izy mba ho afaka amin’izany, ka hitafy toetra vaovao. (Ef 4:22-24) Asaivo vakiny ireo lahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana
Tantarao aminy izay zavatra mahafaly anao noho ianao manompo an’i Jehovah.—Is 48:17, 18