NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Inona ny Tena Marina?
Hisy fomba fitory vaovao atao hoe “Ampianaro ny Tena Marina” ato amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, manomboka amin’ny Septambra. Inona ny tanjona amin’ilay izy? Ny hanazava hevitra tsotsotra iray avy ao amin’ny Baiboly, ka hametraka fanontaniana iray sy hamaky andinin-teny iray.
Raha liana ilay olona, dia azontsika omena boky na gazety, na ampisehoana video avy ao amin’ny jw.org, amin’izay tsy ho andriny ny hiverenantsika amin’ny manaraka. Tsara raha andro vitsivitsy taorian’ny nitoriana tamin’ilay olona isika dia efa miverina mitsidika azy. Misy famintinana ny toko tsirairay, ao amin’ilay boky hoe Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? Avy amin’ireny no nakana an’ireo fomba fitory vaovao sy anjaran’ny mpianatra amin’ny fivoriana. Misy fanontaniana sy andinin-teny hafa koa ao amin’ilay famintinana. Azo ampiasaina izy ireny rehefa miverina mitsidika, na rehefa manomboka fampianarana ka ny Baiboly ihany no ampiasaina.
Iray ihany ny lalana mankany amin’ny fiainana. (Mt 7:13, 14) Samy manana ny fivavahany sy ny fari-piainany ny olona itoriantsika. Izay marina lazain’ny Baiboly ka tena mahaliana ny olona tsirairay àry no tokony horesahintsika. (1Ti 2:4) Lasa mahay mampita hevitra isan-karazany avy ao amin’ny Baiboly isika amin’izay, ary hahay ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’ Ho faly kokoa isika, ary hahay hampianatra ny marina amin’ny olona.—2Ti 2:15.