TARI-DALANA HO AN’NY FIAINANTSIKA SY NY FANOMPOANA Aogositra 2018
Hevitra Azo Resahina
Hevitra maromaro azo resahina mba hampisehoana hoe mbola mahasoa antsika amin’izao ny Baiboly.
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao
Raha te hampifaly an’i Kristy isika, dia tokony ho tia sy hahay hankasitraka ny olon-drehetra, na inona na inona fireneny, na fivavahany, na foko misy azy.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tsarovy ny Vadin’i Lota
Inona no tokony hataontsika mba tsy ho ratsy fiafara hoatran’ny vadin’i Lota isika? Ahoana raha lasa variana mitady vola isika, ka lasa tsirambina ny ara-panahy?
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Fanoharana Momba ny Farantsa Folo
Inona no mifanitsy amin’ilay tompo sy ireo mpanompo ary ny vola ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny farantsa folo?
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiasao Tsara ny JW.ORG
Mampirisika ny olona hiditra ao amin’ny jw.org ireo Fitaovana Fampianarana ampiasaintsika. Hahita vokatra ianao eny amin’ny saha raha mahay mampiasa ny jw.org.
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Efa Manakaiky ny Fanafahana Anareo”
Tsy ho ela i Jesosy dia ho avy handringana ny ratsy fanahy sy hanafaka ny olo-marina. Tokony hifandray tsara foana amin’i Jehovah isika dieny izao mba ho voavonjy.
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Tokony ho Vonona Hamela Heloka Isika
Mandinika ny olombelona mpanota i Jehovah sy ny Zanany. Raha vao hitan’izy ireo hoe miova ilay olona nanao fahadisoana, dia vonona hamela ny helony izy ireo.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Maty ho An’ireo Rahalahy sy Anabavy koa i Jesosy
Nanome ny ainy ho an’ny olombelona i Jesosy. Tena tiany ireo rahalahy na dia tsy lavorary aza, toa antsika ihany. Inona no azontsika atao mba hanahafana an’i Jesosy?