NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiasao Tsara ny JW.ORG
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Samy mampirisika ny olona hiditra ao amin’ny tranonkala jw.org ireo Fitaovana Fampianarana ampiasaintsika. Izany mihitsy aza no antony namoahana ny karatra jw.org sy ilay taratasy mivalona hoe Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana? Azonao ampiasaina koa ny jw.org raha misy olona tianao homena iray amin’ireo Fitaovana Fampianarana. Azonao alefa e-mail aminy ilay izy, na andefasanao rohy izy. Manampy be izany, indrindra raha miteny vahiny ilay olona itorianao. Mety tsy ho ao amin’ireo Fitaovana Fampianarana koa no misy ny valin’ny fanontaniana sasany apetraky ny olona. Hahita vokatra ianao eny amin’ny fanompoana raha hainao tsara ny mampiasa ny jw.org.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
-
Ampiasao ilay hoe “FAMPIANARAN’NY BAIBOLY.” Raha te hahazo fanazavana bebe kokoa momba ny fitaizana, ohatra, ilay olona itorianao, dia tsindrio ny FAMPIANARAN’NY BAIBOLY dia avy eo ny TOKANTRANO & FITAIZANA.
-
Ampiasao ilay hoe “ZAVATRA MISY.” Raha mitory amin’ny mpiara-mianatra aminao, ohatra, ianao, ka tianao homena an’ilay bokikely hoe Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora izy, dia tsindrio ny ZAVATRA MISY dia avy eo ny BOKY & BOKIKELY.
-
Ampiasao ilay hoe “MOMBA ANAY.” Raha mitory amin’ny mpiara-miasa aminao, ohatra, ianao, ary te hahita fanazavana fohy momba ny zavatra inoantsika izy, dia tsindrio ny MOMBA ANAY dia avy eo ny FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA.
JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIASAO TSARA NY JW.ORG, DIA DINIHO HOE AIZA AO AMIN’NY TRANONKALANTSIKA IANAO NO HAHITA FANAZAVANA, RAHA TE HANAMPY...
-
olona tsy mino an’Andriamanitra
-
olona niharan-doza na nidonam-pahoriana
-
rahalahy na anabavy tsy mitory intsony
-
olona iverenana mitsidika te hahafantatra hoe avy aiza ny vola ampiasaintsika
-
vahiny manontany hoe aiza no misy Efitrano Fanjakana azony ivoriana rehefa tonga any amin’ny taniny izy