Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Maty ho An’ireo Rahalahy sy Anabavy koa i Jesosy

Maty ho An’ireo Rahalahy sy Anabavy koa i Jesosy

Nanome ny ainy ho an’ny olombelona mpanota i Jesosy. (Ro 5:8) Tena faly isika satria hita hoe tia antsika izy matoa nanao an’izany. Mety ho hadinontsika anefa indraindray hoe maty ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika koa izy. Tena tiany izy ireo na dia tsy lavorary aza, toa antsika ihany. Inona no azontsika atao mba hanahafana an’i Jesosy? Ireto misy zavatra telo azo atao. Voalohany, miezaka ny hinamana amin’ny olona isan-karazany. (Ro 15:7; 2Ko 6:12, 13) Faharoa, mitandrina mba tsy hiteny na hanao zavatra mety hanafintohina ny hafa. (Ro 14:13-15) Fahatelo, mamela haingana an’izay nanao zavatra nampalahelo antsika. (Lk 17:3, 4; 23:34) Raha miezaka mafy isika mba hanahaka an’i Jesosy ka manao an’ireo, dia hanampy ny fiangonana hiray saina foana i Jehovah.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA HO TSARA TOETRA KOKOA! ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no fahitan’i Fitia an’ilay fiangonany vaovao, tamin’ny voalohany?

  • Nahoana anefa no niova ny fahitany an’ilay fiangonana tatỳ aoriana?

  • Inona tamin’ny ohatra nomen’i Jesosy no nanampy an’i Fitia hanitsy ny fomba fijeriny? (Mr 14:38)

  • Nahoana ny Ohabolana 19:11 no manampy antsika hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo?