NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tsarovy ny Vadin’i Lota
Tsy milaza ny Baiboly hoe nahoana no nitodika tany aoriana ny vadin’i Lota. (Ge 19:17, 26) Hita tamin’ny zavatra nolazain’i Jesosy anefa fa mety ho nanembona ny fananany izy. (Lk 17:31, 32) Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony àry izy. Inona no tokony hataontsika mba tsy ho ratsy fiafara hoatran’ny vadin’i Lota? Tokony hitandrina isika mba tsy ho ny fitadiavam-bola no lasa zava-dehibe indrindra amintsika. (Mt 6:33) Nilaza i Jesosy hoe “tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena” isika. (Mt 6:24) Ahoana àry raha lasa variana mitady vola isika, ka lasa tsirambina ny ara-panahy? Mila mivavaka amin’i Jehovah isika mba hahita izay tokony hahitsy. Afaka mangataka aminy koa isika mba homeny herim-po hanitsiana an’ilay izy.
TADIDINAO VE ILAY VIDEO MISY FIZARANA TELO HOE TSAROVY NY VADIN’I LOTA? VALIO ÀRY IRETO:
-
Nampirisihin’ny havany hitady vola be i Lova. Inona no vokatr’izany teo amin’ny fomba fisainany, sy ny zavatra noresahiny, ary ny zavatra nataony?
-
Nahoana no mihatra amintsika koa ilay fampitandremana hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota”?
-
Inona ny soa noraisin’i Zo sy ny vady aman-janany, rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ry zareo?
-
Niaraka be tamin’ny mpiara-miasa taminy i Anna. Inona no vokatr’izany teo amin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah?
-
Nahoana isika no mila herim-po, raha misy mampirisika antsika hitady vola be?
-
Inona no nataon’i Benja sy Lova mba ho lasa loha laharana eo amin’ny fiainany indray ny zavatra ara-panahy?
-
Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly hitanao tao amin’ilay video?