NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
‘Mazotoa Amin’ny Asa Tsara’, ry Tanora
Nanoratra taratasy ho an’i Titosy ny apostoly Paoly. Nolazainy ao amin’ny toko faha-2 fa tokony “ho modely amin’ny asa tsara” ny tanora, anisan’izany i Titosy. (Tit 2:6, 7) Noresahiny ao amin’io toko io koa hoe diovina ny vahoakan’i Jehovah mba ‘hazoto amin’ny asa tsara.’ (Tit 2:14) Anisan’ny asa tsara ny hoe mitory sy mampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha tanora àry ianao, afaka mampiasa ny herinao ve ianao mba hanaovana mpisava lalana mpanampy na maharitra?—Oh 20:29.
Mila mandamina an’izay zavatra hataonao ianao, raha te ho mpisava lalana. (Lk 14:28-30) Diniho, ohatra, hoe inona no asa fivelomana hataonao, ary ahoana no hanatratraranao ny ora takina? Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy anao. (Sl 37:5) Resaho amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny mpisava lalana za-draharaha ny zavatra tianao hatao. Miezaha hanatratra ny tanjonao avy eo. Matokia fa hitahy ny ezaka mafy ataonao i Jehovah!
JEREO ILAY VIDEO HOE TANORA MANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH, ARY VALIO IRETO:
-
Inona no olana natrehin’ny tanora sasany, ary inona no nataon’izy ireo mba hahafahana manao mpisava lalana?
-
Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany ho lasa mpisava lalana?
-
Nahoana no tena ilaina ny manana fandaharam-potoana hanaovana fanompoana?
-
Inona no azon’ireo anisan’ny fiangonana atao mba hampaherezana sy hanampiana ny mpisava lalana?
-
Inona no fitahiana azon’ireo manao mpisava lalana?