NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Miaraha Amin’ny Olona Tia An’i Jehovah
Nahoana isika no tokony hanao an’izany? Mety hahatonga antsika hanao ny tsara na ny ratsy ny namantsika. (Oh 13:20) Nanao “izay mahitsy teo imason’i Jehovah” foana, ohatra, i Joasy, tamin’izy mbola nampian’i Joiada Mpisoronabe. (2Ta 24:2) Nivadika tamin’i Jehovah anefa i Joasy rehefa maty i Joiada. Lasa niaraka tamin’ny naman-dratsy mantsy izy.—2Ta 24:17-19.
Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny “trano lehibe” ny fiangonana kristianina. Ireo anisan’izy io indray nohariny tamin’ny “fitaovana” fampiasa ao an-tokantrano. Tsy tokony hifandray be amin’ireo olona manao zavatra tsy tian’i Jehovah isika, na havantsika ilay olona na anisan’ny fiangonana. Ho “fitaovana natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja” foana isika amin’izay. (2Ti 2:20, 21) Miezaha àry hinamana amin’ny olona tia an’i Jehovah sy mandrisika anao hanompo azy.
JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA TSY HIARAKA AMIN’NY NAMAN-DRATSY, ARY VALIO IRETO:
-
Inona avy no mety hahatonga antsika hiaraka amin’ny naman-dratsy?
-
Inona no nanampy an’ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ilay video, mba tsy hiaraka intsony amin’ny naman-dratsy?
-
Inona ny toro lalan’ny Baiboly hanampy anao hahay hifidy namana?