Fivoriambe iraisam-pirenena 2014, New Jersey, Etazonia

TARI-DALANA HO AN’NY FIAINANTSIKA SY NY FANOMPOANA Aprily 2016

Fomba Fitory Modely

Fomba azo anolorana ny Mifohaza! sy ny boky Ampianarina Jereo ny modely, ka mamoròna fomba fitory mety aminao.

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ataovy Mahafinaritra sy Mampahery ny Teny Lazainao

Tsy mba nampahery an’i Joba akory ireo namany telo lahy. Vao mainka aza izy ireo nanome tsiny azy sy nanampy trotraka ny fahoriany. (Joba 16-20)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Zava-baovao Hoentintsika Mitory

Ampiasao ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly?”, dia ho mora aminao ny hiresaka hevitra ao amin’ny Baiboly rehefa mitory.

TREASURES FROM GOD’S WORD

Tsy Nety Nino Zavatra Tsy Marina i Joba

Jereo fa mifanohitra tanteraka amin’ny laingan’i Satana ny tena hevitr’i Jehovah momba antsika. (Jb 21-27)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Modely ho Antsika i Joba Satria Tsy Nivadika

Vonona hanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana i Joba ka hanao ny rariny toa Azy. (Jb 28-32)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mampahery Foana ny Tena Namana Rehefa Manoro Hevitra

Tsara fanahy be tamin’i Joba i Eliho. Manaova hoatr’izany koa amin’ny namanao. (Jb 33-37)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

Ezaka Manokana Hizarana Fanasana Fivoriambe

Ato misy hevitra tsara hotadidina rehefa hizara fanasana fivoriamben’ny vondrom-paritra ianao. Ianaro ilay fomba fitory modely ary averimbereno.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe

Eritrereto izay azonao atao mba hanehoana fitiavana amin’ireo namana ho hitanao any amin’ny fivoriambe.