Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 21-27

Tsy Nety Nino Zavatra Tsy Marina i Joba

Tsy Nety Nino Zavatra Tsy Marina i Joba

Mandainga be i Satana mba hanakiviana antsika mpanompon’i Jehovah. Hita ao amin’ny bokin’i Joba fa mifanohitra amin’ireny laingan’i Satana ireny ny tena hevitr’i Jehovah. Ireto misy santionany amin’izany. Azonao ampiana eo amin’io lisitra io izay andinin-teny mandresy lahatra anao hoe tena tia anao i Jehovah.

LAINGAN’I SATANA

NY HEVITR’I JEHOVAH

Sarotiny be Andriamanitra ka tsy misy mahafa-po azy izay ataon’ny mpanompony. Tsy mba misy mahafaly azy ny zavatra noforoniny (Jb 4:18; 25:5)

Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny ezaka vitantsika, na dia kely aza (Jb 36:5)

Tsy misy ilan’Andriamanitra ny olombelona (Jb 22:2)

Mankasitraka ny fanompoantsika i Jehovah, ary tahiny isika raha tsy mivadika (Jb 33:26; 36:11)

Tsy misy dikany amin’Andriamanitra na manao ny marina ianao na tsia (Jb 22:3)

Tena miaro ny olona marina i Jehovah (Jb 36:7)