Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 33-37

Mampahery Foana ny Tena Namana Rehefa Manoro Hevitra

Mampahery Foana ny Tena Namana Rehefa Manoro Hevitra

Niditra tamin’ilay resaka i Eliho tatỳ aoriana. Hafa mihitsy ny torohevitra nomeny fa tsy hoatran’ny an’i Elifaza sy Bildada ary Zofara. Nampahery mantsy ny toroheviny, sady izy koa tsara fanahy tamin’i Joba. Tsara hotahafina izy satria tena namana sady nahay nanoro hevitra.

INONA AVY NY TOETRA ILAINA REHEFA HANOME TOROHEVITRA?

NANOME MODELY TSARA I ELIHO

32:4-7, 11, 12; 33:1

 

  • MANAM-PAHARETANA

  • VONONA HIHAINO

  • MANAJA OLONA

 
  • Niandry aloha i Eliho hoe tapitra tsara ny tenin’ireo olon-dehibe, izay izy vao niteny

  • Nihaino tsara izy, ka rehefa nazava tsara taminy ilay resaka vao nanome torohevitra izy

  • Noraisiny ho namana i Joba, ka nantsoiny tamin’ny anarany

 

33:6, 7, 32

 

  • MANETRY TENA

  • MORA IRESAHANA

  • MANGORAKA

 
  • Nanetry tena sy tsara fanahy i Eliho, ka niaiky hoe mba tsy lavorary koa izy

  • Tena nangoraka izy rehefa nahita fa nijaly be i Joba

 

33:24, 25; 35:2, 5

 

  • MAHAY MANDANJALANJA

  • TSARA FANAHY

  • MANARAKA FOANA NY HEVITR’I JEHOVAH

 
  • Nahitsin’i Eliho moramora i Joba hoe nanamarin-tena loatra izy

  • Nampian’i Eliho i Joba mba hahita fa na dia nanao ny marina aza izy, dia tsy hoe izay no zava-dehibe indrindra

  • Tena tsara ilay torohevitra nomen’i Eliho satria nanampy an’i Joba ho vonona hanaiky, rehefa nahitsin’i Jehovah izy taorian’izay