Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Zava-baovao Hoentintsika Mitory

Zava-baovao Hoentintsika Mitory

Lasa misy an’ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly?” any amin’ny pejy farany amin’ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny Janoary 2016. Natao hanampiana antsika izy io mba hahita hevitra horesahina eny am-pitoriana. Mitovitovy amin’ny taratasy mivalona ny ao anatiny, izany hoe: Misy fanontaniana mba hahafantarana ny hevitr’ilay olona, misy andinin-teny mamaly an’ilay fanontaniana, ary misy hevitra fanampiny azo iarahana midinika.

Mety hianatra Baiboly ilay olona raha mahafinaritra ny resaka ataontsika aminy. Ampiasao tsara àry io zava-baovao io, mba hanampiana an’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana.—Mt 5:6.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  1. Anontanio ny hevitr’ilay olona

  2. Henoy tsara izay lazainy, ary isaory izy

  3. Vakio ny andinin-teny eo ambanin’ilay hoe “Izay lazain’ny Baiboly”, ary anontanio hoe ahoana ny fahazoany an’io andininy io. Tohizo ny resaka raha mbola manam-potoana izy, ka resaho indray ilay hoe “Inona koa no lazain’ny Baiboly?”

  4. Atolory ilay gazety

  5. Manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana faharoa