Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Afaka Mampahery An’ireo Tsy Mitory Intsony ve Ianao?

Afaka Mampahery An’ireo Tsy Mitory Intsony ve Ianao?

Maro ireo tsy mitory intsony tonga manatrika Fahatsiarovana isan-taona. Efa nanao ny hazakazaka hahazoana ny fiainana izy ireo, nefa tsy nanohy intsony noho ny antony maro. (He 12:1) Resahin’ny bokikely Miverena Amin’i Jehovah ny antony sasany. Mbola sarobidy amin’i Jehovah anefa ireny olona ireny satria novidiny tamin’ny ran’ny Zanany. (As 20:28; 1Pe 1:18, 19) Ahoana àry no hanampiantsika azy ireny hiverina eo anivon’ny fiangonana?

Miezaka mitady sy manampy an’ireo tsy mitory intsony ny anti-panahy, toy ny ataon’ny mpiandry ondry mitady ny ondry tafasaraka amin’ny andian’ondry. (Lk 15:4-7) Hita amin’izany fa tia sy mikarakara an’ireny olona ireny i Jehovah. (Je 23:3, 4) Tsy ny anti-panahy ihany anefa no afaka mampahery azy ireny fa isika rehetra koa. Faly i Jehovah rehefa miezaka ho tsara fanahy sy hiombom-pihetseham-po amin’izy ireny isika. Mety hisy vokany tsara koa izany. (Oh 19:17; As 20:35) Eritrereto àry hoe iza no azonao ampaherezina ary aza mangataka andro!

JEREO ILAY VIDEO HOE AMPAHEREZO IREO TSY MITORY INTSONY, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no nataon’i Abbey, rehefa nihaona tamin’ny Vavolombelona iray mbola tsy fantany izy?

  • Nahoana isika no tokony hiresaka amin’ny anti-panahy raha mieritreritra ny hanampy olona tsy mitory intsony?

  • Inona no nataon’i Abbey tamin’izy niomana hitsidika an’i Laura fanindroany?

  • Ahoana no nampisehoan’i Abbey hoe be fikirizana sy nanam-paharetana ary be fitiavana izy, rehefa niezaka nampahery an’i Laura?

  • Inona no ianarantsika avy amin’ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 15:8-10?

  • Inona ny vokatra tsara azo noho ny ezaka nataon’olona maromaro mba hanampiana an’i Laura?