Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JEREMIA 25-28

Miezaha ho Be Herim-po toa An’i Jeremia

Miezaha ho Be Herim-po toa An’i Jeremia

Nampitandrina i Jeremia hoe ho rava hoatran’ny tanànan’i Silo i Jerosalema

26:6

  • Efa tao Silo ny Vata misy ny fifanekena. Izy io no marika namantarana fa nanatrika teo i Jehovah

  • Navelan’i Jehovah halain’ny Filistinina ilay Vata. Tsy tafaverina tao Silo intsony izy io

Nandrahona ny hamono an’i Jeremia ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra

26:8, 9, 12, 13

  • Nosamborin’ny vahoaka i Jeremia, satria naminany hoe horavana i Jerosalema sy ny tempoly

  • Niezaka nanompo an’i Jehovah foana i Jeremia, fa tsy nitsoaka

Narovan’i Jehovah i Jeremia

26:16, 24

  • Be herim-po foana i Jeremia ka tsy nanary azy i Jehovah

  • Nampiasain’Andriamanitra hiaro an’i Jeremia i Ahikama, lehilahy be herim-po

Nanohana sy nampahery an’i Jeremia i Jehovah, ka afaka nitory hafatra tsy tian’olona izy nandritra ny 40 taona