Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Raiso Tsara Izy Ireo

Raiso Tsara Izy Ireo

Iza no tokony horaisina tsara? Izay rehetra tonga mivory, na ny vaovao na ny efa ela. (Ro 15:7; He 13:2) Mety ho mpiara-manompo avy any an-tany hafa ilay izy, na Kristianina tsy mitory intsony nefa tonga mivory indray, taona maro atỳ aoriana. Ahoana raha ianao no eo amin’ny toeran’izy ireo? Tsy ho tianao ve raha raisina tsara ianao? (Mt 7:12) Maninona àry raha miezaka miarahaba olona aloha sy aorian’ny fivoriana? Vao mainka mampifankatia izany, sady manome voninahitra an’i Jehovah. (Mt 5:16) Marina aloha fa mety tsy ho afaka hiresaka amin’ny rehetra ianao. Hahatsapa hoe noraisina tsara anefa ny tsirairay raha samy miezaka isika. *

Tokony ho tia mandray vahiny foana isika, fa tsy hoe rehefa fotoan-dehibe toy ny Fahatsiarovana ihany. Mety haniry hidera an’Andriamanitra sy hanaraka ny fivavahana marina mantsy ny vaovao, rehefa hitany hoe mifankatia isika sady tia olona.—Jn 13:35.

^ feh. 3 Tsy tokony hifandray amin’ireo voaroaka sy niala an-tsitrapo tonga mivory anefa isika, araka ny toro lalan’ny Baiboly.—1Ko 5:11; 2Jn 10.